“Isaia 49: -Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Isaia 49: -Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Isaia 40–49: Lesona 121
Isaia 49
“Efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao”
Mahafantatra anao manokana sy tanteraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Kanefa indraindray isika dia mahita ireo fanambin’ny fiainana an-tany ary mitomany hoe: “Jehovah efa nahafoy ahy” (jereo ny Isaia 49:14). Ny tenin’i Isaia dia manome toky antsika fa efa vita tombo-kavatsa eo am-pelatanan’ny Mpamonjy isika ary tsy hohafoina na hohadinoina velively (jereo ny Isaia 49:16). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa fa tia antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary tsy hanadino antsika Izy Ireo.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga ao an-dakilasy ka efa nisaintsaina ireo zavatra niainany izay nahatsapan’izy ireo fa nahatsiaro azy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Azon’izy ireo atao ny manontany olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray mikasika ireo zavatra niainana ka nahatsapany fa tsaroan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Tsaroin’ny Tompo
Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fampisehoana ny sarin’ireo voninkazo kely antsoina hoe “myosotis.”
Nilaza toy izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, rehefa nitantara fahatsiarovana fony izy mbola kely:
Fony aho ankizy, rehefa nijery ireo voninkazo aza-hadino-aho [myosotis], dia indraindray nahatsapa ho bitika toy izany voninkazo izany—bitika sy tsy manana ny lanjany. Nanontany tena aho hoe sao dia mba ho hadinon’ny fianakaviako na ny Raiko any An-danitra. (“Aza hadino aho”, Liahona, nôv. 2011, 122)
-
Inona avy ireo antony sasantsasany mety hahatsapan’ny zatovo iray ho hadinon’ny hafa na ny Ray any An-danitra?
-
Inona no efa fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay tianao hozaraina amin’ny olona iray izay mahatsapa fa hadino izy ireo?
Notohizan’ny Filoha Uchtdorf hoe:
Taona maro aty aoriana dia afaka manao jery todika amim-pitiavana sy amim-pangorahana mikasika izany ankizilahy kely izany aho. Ary fantatro ankehitriny—fa tsy nohadinoina velively aho. Ary mahafantatra zavatra hafa koa aho: amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo ahy dia manambara amim-pahatokian-tena sy amim-paharesen-dahatra ato am-poko aho—fa tsy misy nohadinoina koa ianareo! Tsy nohadinoina ianareo. (“Aza hadino aho”, Liahona, nôv. 2011, 122)
Saintsaino ireo zavatra niainanao manokana niaraka tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ianao:
-
Hatraiza ny fatokisanao fa mahafantatra sy mahatsiaro anao Izy Ireo?
-
Inona avy ireo zavatra niainanao na niainan’ny olona iray fantatrao ka manampy anao hahatakatra kokoa fa mahafantatra sy mahatsiaro tanteraka anao Izy Ireo?
Rehefa mandalina ny Isaia 49 ianao anio dia mikatsaha fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina izay mijoro ho vavolombelona fa tsy hanadino anao na oviana na oviana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Tsy hanadino an’i Ziona ny Tompo.
Azonao atao ny manamarika fa indraindray i Isaia dia manoratra amin’ny fomba izay ahafahan’ny teny ambarany holazain’ny karazan’olona samihafa, tafiditra amin’izany ny Mpamonjy, i Isaia mihitsy, ny Isiraely vahoakan’ny fanekempihavanana fahiny, na ny Isiraely vahoakan’ny fanekempihavanana amin’ny andro farany mihitsy. Noho io fomba pôetika io, ny asa soratr’i Isaia dia azo ampiharina amina sehatra sy toe-javatra samihafa. Izany no antony nahatsapan’i Nefia ho tena mora taminy ny nanao fampitahana ny tenin’i Isaia tamin’ny tenany sy ny olony (jereo ny 1 Nefia 19:23).
Azonao atao ihany koa ny manazava amin’ny mpianatra fa rehefa niantso an’i Isaia hitory fibebahana Izy dia fantatry ny Tompo fa tsy ho voaray tsara ilay hafatra (jereo ny Isaia 6:9–10). Azonao atao ny manontany ny mpianatra ny zavatra mety ho tsapany manoloana ny iraka ampanaovina mitovy amin’izany.
Vakio ny Isaia 49:4–5, ka eritrereto ny antony mety nahatonga an’i Isaia hanana izany fahatsapana izany. Avy eo dia asao izy ireo hieritreritra ny fomba mety hahatsapan’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra toy izany.
-
Na dia mijaly aza isika dia inona no anampian’ireo andininy ireo antsika mba hotsaroantsika momba ny Tompo?
Vakio ny Isaia 49:13–16, ka tadiavo ny zavatra tian’ny Tompo ho takatry ny vahoakan’ny fanekempihavanany (Ziona).
-
Ahoana no hamintinanao izany mba ho lasa fehezan-teny manambara fahamarinana?
Mety hampiasa ny teniny manokana ny mpianatra, kanefa ampio izy ireo hamantatra ny fahamarinana hoe tia antsika ny Tompo ary tsy hanadino na hahafoy antsika velively Izy.
Ho fiomanana amin’ity sahanasa momba ny diary manaraka ity dia azonao atao ny mampiseho ny sarin’ny Mpamonjy eo amin’ny hazo fijaliana sy ny diam-pantsika eo amin’ny tanany rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy.
Hevero ny handefa mozika mangina sy masina mba hanasana ny Fanahy rehefa manoratra ny mpianatra.
Ataovy soratra masina mifandray amin’ny Isaia 49:16 ny Jaona 19:15–19 sy ny 3 Nefia 11:10–15. Vakio miadana ireo andinin-tsoratra masina ireo, ary asio marika ireo teny sy andian-teny izay manampy anao hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao. Mitadiava fampianarana izay manampy anao hahatakatra ny antony tsy hanadinoan’ Izy Ireo na hahafoizan’ Izy Ireo anao.
Mba hanampiana ny mpianatra haka sary an-tsaina ny zavatra novakian’izy ireo tao amin’ny Jaona 19 sy ny 3 Nefia 11, dia azonao atao ny mampiseho ireo horonan-tsary hoe “Jesus Is Scourged and Crucified” manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:31 ka hatramin’ny 3:11 ary ny “Jesus Christ Appears at the Temple | 3 Nefia 11:1–17” manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:23 ka hatramin’ny 4:57 avy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Tsy hanadino antsika Izy
Manorata andiam-pehezan-teny iray ao anatin’ny diary fandalinanao izay manazava ny dikan’ny hoe “Efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako [ianao]” (Isaia 49:16) aminao manokana.
Rehefa ampianarin’ireo mpaminany velona ihany koa ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina dia afaka mahita ny maha-zava-dehibe ireo fampianarana ireo eo amin’ny fiainany ankehitriny ny mpianatra. Ity taratasy zaraina manaraka ity dia maneho fomba iray hanampiana ny mpianatra hanao ireo fifandraisana ireo. (Mba hahazoana fampiofanana fanampiny momba ireo fanasana izay mampifandray ny mpianatra amin’ny tenin’ireo mpaminany dia jereo ny “Mampianara avy amin’ny soratra masina sy avy amin’ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra.)
Hevero ny hampiasa ny taratasy zaraina hoe “Tsy hanadino anao Aho” mba hanampiana amin’ny fampitomboana ny fahatakaran’ny mpianatra fa tsy hanadino azy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mametaka ny sasany amin’ireo teny nindramina sy ireo andinin-tsoratra masina rehetra ao amin’ilay taratasy zaraina manerana ny efitrano.
Misy teny nindramina hafa tena manampy ao amin’ny Loharanom-pitaovana fanampiny.
Azon’ny mpianatra atao ny mivezivezy mangina manerana ny efitrano, ka mamaky ireo teny nindramina sy andinin-tsoratra masina maromaro. Azon’izy ireo ampiana ao amin’ilay andiam-pehezan-teny nosoratany tao amin’ny diarin’izy ireo izany.
Ao anatin’ilay sahanasa dia angataho ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra nianarany avy tamin’ny lesona androany. Azon’ny mpianatra atao ny mamaky ny zavatra nosoratan’ny hafa ary manampy hevi-baovao ao amin’ny zavatra nampidirina tao amin’ny diariny.
Zarao ny zavatra izay tsapanao
Rehefa nahavita nandalina ilay taratasy zaraina ny mpianatra dia afaka mizara ny zavatra hitany fa manan-danja avy amin’ireo teny nambara sy soratra masina ary hevi-baovao manokana ireo mpianatra.
Ho famaranana ny fotoam-pianarana dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto, na miaraka amin’ny namana iray, na ao anatina vondrona kely, na miaraka amin’ny iray kilasy.
-
Inona no antenainao hotsaroana avy amin’ny zavatra nianaranao sy tsapanao rehefa nandalina ny Isaia 49 ianao androany?
-
Inona no zavatra azonao atao mba hahatsiarovana fa tsy hanadino anao na oviana na oviana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?