“Isaia 40–43: Mampionona ny vahoakany Andriamanitra”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Isaia 40–43: Mampionona ny vahoakany Andriamanitra”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Isaia 40–49: Lesona 119
Isaia 40–43
Mampionona ny vahoakany Andriamanitra
Tsy hahafoy ny vahoakan’ny fanekempihavanany Andriamanitra. Tamin’ny alalan’i Isaia mpaminaniny no nankaherezan’ Andriamanitra ireo izay nentina ho babo tany Babylona. Manolotra antsika vahoakan’ny fanekempihavanany ankehitriny ilay teny fampiononana manao hoe: “Aza matahotra ianao; fa momba anao Aho” (Isaia 41:10) Andriamanitra. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny fampiononana avy amin’ Andriamanitra.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky na hihaino ny tonon’ny sasany na izy rehetra amin’ilay hira ao amin’ny fihirana hoe “Fototra mafy orina” (Fihirana sy hiran’ny ankizy). Angataho izy ireo hitady teny na andian-teny mitondra fampaherezana ary ho tonga ao am-pianarana miaraka amin’ny fahavononana hizara.
Sahanasa fianarana azo atao
Tsy zava-baovao ny tahotra
Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fampisehoana ity fanambarana sy fanontaniana manaraka ity. Azo asaina ireo mpianatra hanoratra ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe.
Nizara ity hevitra manaraka ity ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Tsy zava-baovao ny tahotra. Ireo mpianatr’i Jesoa Kristy, raha teo amin’ny Ranomasin’i Galilia, dia natahotra ny “tafio-drivotra sy alon-drano” tao amin’ny haizin’ny alina (Marka 4:34). Amin’ny maha-mpianany antsika ankehitriny dia matahotra ihany koa isika. (“Aza matahotra”, Liahona, nôv. 2018, 18)
-
Inona avy ireo tahotra mety hananan’ny olona manerana izao tontolo izao, anisan’izany ireo mpianatr’i Jesoa Kristy?
Rehefa avy nitanisa tahotra isan-karazany ny mpianatra dia zarao ny ambin’ny teny nambaran’ny Loholona Rasband, izay ahitana ny tahotra hitany eto amin’izao tontolo izao ankehitriny. Azonao ampidirina ao amin’ilay lisitra eo amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo.
Notohizan’ny Loholona Rasband hoe:
Ireo tanora tokan-tenantsika dia matahotra ny hanao fanolorantena toy ny hanambady. Ireo tanora vao nanambady … dia matahotra ny hitondra zanaka eto amin’ny tontolo miha-ratsy fanahy. Matahotra zavatra maro ireo misiônera, indrindra fa ny fanatonana olon-tsy fantatra. Matahotra ny handroso irery ireo mananotena. Matahotra ny tsy hisy hanaiky ireo zatovo; matahotra ny andro voalohany ny ankizy vao hiditra hianatra; matahotra ny hanala fanadinana ireo ankizy any amin’ny oniversite. Matahotra tsy fahombiazana, fanilihana, fahadisoam-panantenana, ary ny zava-tsy hita-maso isika. Matahotra rivo-doza, horohoron-tany, ary afo izay mandrava ny tany sy ny fiainantsika isika. Matahotra ny tsy ho voafidy isika, ary matahotra ihany koa ny mifanohitra amin’izany, dia ny ho voafidy izany. Matahotra ny ho tsy ampy fahatsarana isika; matahotra isika fa tsy manana fitahiana ho antsika ny Tompo. Matahotra fiovana isika, ary mety hitombo ho lasa fihorohoroana ireo tahotsika. Voalazako daholo ve ny an’ny rehetra? (“Aza matahotra”, Liahona, nôv. 2018, 18)
-
Inona no vokatra mety hoentin’ny tahotra eo amintsika?
Hevero ny hanasa ny mpianatra hisaintsaina raha toa izy ireo ka mahatsapa izay mety ho tahotra voatanisa teo na hieritreritra ny tahotr’izy ireo manokana. Zarao ity sahan-kevitra manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hahita toe-javatra izay mety nahatonga ny Isiraelita hatahotra.
Naminany momba ny faharavana sy ny fahababoana izay ho tonga amin’i Isiraely sy i Joda i Isaia. Manomboka ao amin’ny Isaia 40 dia nanentana ny fanahin’i Isaia Andriamanitra mba hanoratra ho an’ireo Jiosy amin’ny hoavy izay hitoetra maharitra ao amin’ny fahababoana.
-
Inona no mety ho tahotra na ahiahy mety hatrehin’ny olona iray ao anatin’ny fahababoana?
Vakio ny Isaia 40:1–2, ka tadiavo ny hafatra nasain’ Andriamanitra nozarain’i Isaia ho an’ny vahoakan’ny fanekempihavanany.
-
Inona avy ireo toetran’ Andriamanitra ianaranao avy amin’ireo andininy ireo?
Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa mankahery ny vahoakan’ny fanekempihavanany Andriamanitra amin’izao androntsika izao. Hevero ny hampiseho ity sary manaraka ity. Azon’ny mpianatra atao ny manao sary izany, na zavatra mitovitovy amin’izany, ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Asao izy ireo hanisy marika eo amin’ny sary nataon’izy ireo mba hamaliana ireo fanontaniana miaraka amin’izany.
Ny tahotra sy ny fampiononana
-
Amin’ny ankapobeny, aiza amin’ity mari-drefy ity no hametrahanao ny fahatsapanao ny fiainanao amin’izao fotoana izao?
-
Aiza no hametrahanao ny fahatsapanao momba ny hoavy?
Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ny zavatra ampianarin’ Andriamanitra izay afaka manampy anao hiaina bebe kokoa ny fampiononana avy Aminy. Raha mamaky na mandre zavatra izay eritreretinao fa mety hitondra fampiononana ianao dia mety ho ny Fanahy Masina mifandray aminao izany. Hevero ny hirakitra ireo hevi-baovao ireo eo akaikin’ilay sary ao amin’ny diary fandalinanao.
Mampionona ny vahoakany Andriamanitra
Mba hanampiana amin’ny fampiononana ny vahoakan’ny fanekempihavanany dia nanentana an’i Isaia Andriamanitra hampianatra zavatra maro momba Azy ao amin’ny Isaia 40–43. Hanana fahafahana hamantatra ny sasany amin’ireo fahamarinana ireo ianao ary hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo manampy amin’ny fampiononana ny olona iray izay matahotra.
Asehoy ireto torolalana manaraka ireto ary hazavao fa hanana fahafahana hamita ity sahanasa ity ny mpianatra any aoriana ao amin’ny lesona.
Amin’ny alalan’ny fampiasana andinin-tsoratra masina iray avy ao amin’ny Isaia dia mamoròna hafatra fohy izay afaka mankahery olona iray izay matahotra. Ampidiro anatin’izany ireto manaraka ireto:
Dingana 1. Teny na andian-teny avy ao amin’ilay andinin-tsoratra masina izay afaka manampy olona iray hahatsapa fankaherezana avy amin’ Andriamanitra. Fintino ao anatin’ny fehezan-teny tsotra manambara fahamarinana izany.
Dingana 2. Soratra masina, hira ao amin’ny fihirana, na fanambarana avy amin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana hanohanana ireo fampianarana ao amin’ilay andalan-tsoratra masina.
Dingana 3. Zavatra niainana manokana na ohatra maoderina izay maneho ny fomba ahafahan’ny fahafantarana izany momba an’ Andriamanitra mitondra fampiononana.
Lamina hakan-tahaka
Alohan’ny hamitan’ny mpianatra ity sahanasa ity dia hazavao fa hanome ohatra ianao amin’ny alalan’ny fampiasana ny Isaia 41:10–14. Fomba iray ahafahanao mamolavola ireo dingana ireo ity manaraka ity. Tohizo ny fampisehoana ireo dingana telo ary ataovy mazava tsara amin’ny mpianatra rehefa mampiseho ny dingana tsirairay ianao.
Vakio ny Isaia 41:10–14, ka tadiavo ireo teny fampiononan’ Andriamanitra ho an’ny vahoakan’ny fanekempihavanany. Mariho fa ny kankana ao amin’ny andininy14 dia mety midika hoe manana halemem-panahy sy manetry tena.
Dingana 1
-
Inona avy ireo teny na andian-teny heverinao fa afaka hampionona? Nahoana?
-
Ahoana no hamintinanao ireo andininy ireo ho fehezan-teny tsotra manambara fahamarinana?
Amin’ny tenin’izy ireo manokana dia mety nahita zavatra toy izao ny mpianatra: Tsy tokony hatahotra isika satria Andriamanitra dia hiaraka sy hankahery ny vahoakan’ny fanekempihavanany.
Dingana 2
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io fahamarinana io dia hevero ny hihira na hihaino ny “Fototra mafy orina” (Fihirana sy hiran’ny ankizy) miaraka amin’ny iray kilasy. Asao ny mpianatra hitady sy hizara ireo teny na andian-teny hitan’izy ireo fa mitondra fampiononana. Miankina amin’ny fotoana dia mety hoe ny andininy 3 sy 7 ihany no hohirainareo. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hampifandray ny Isaia 41:10 amin’ny andininy 3 amin’io hira io ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.
-
Amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa Andriamanitra dia miaraka amintsika sy mampahery antsika no hanampy antsika tsy hatahotra?
Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny fomba ahafahan’ny fifandraisantsika amin’ny Tompo manampy antsika tsy hatahotra:
Tsy tokony hatahotra isika na dia eo anatrehan’ny fitombon’ireo hery mitarik’izao tontolo izao manodidina antsika aza. Tsy handao velively ny vahoakan’ny fanekempihavanany ny Tompo. Misy ny hery manonitry ny fanomezam-pahasoavan’ny fanahy sy ny fitarihana masina ho an’ny olo-marina. Io fitahiana ara-panahy izay fanomezana fanampiny io anefa dia tsy homena antsika noho isika hoe anisan’ny ao anatin’ity taranaka ity. Tonga izany rehefa manamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy Tompo sy mitandrina ny didiny isika ary rehefa mamantatra Azy sy mitia Azy. (Neil L. Andersen, “Manakaiky ny Mpamonjy”, Liahona, nôv. 2022, 73–74)
Dingana 3
-
Oviana ianao no nahatsapa fa niaraka taminao na nampahery anao Andriamanitra?
Hafatra fampiononana
Omeo fotoana hanomanana ny hafatra fohy fampiononany ny mpianatra. Afaka manao izany tsirairay izy ireo na miaraka amin’ny namana iray.
Misafidiana iray amin’ireto andian-tsoratra masina manaraka ireto: Mamoròna hafatra fohy izay afaka mankahery olona iray izay matahotra. Araho ireo dingana telo hanaovana izany.
Isaia 40:9–11
Isaia 40:28–31
Isaia 41:17–20
Isaia 42:5–7
Isaia 43:1–2
Isaia 43:25–26
Rehefa vonona ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny hafatra fampaherezany ao anaty vondrona na amin’ny iray kilasy. Raha mizara hira ao anatin’ny hafatr’izy ireo ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hisafidy andininy iray izay manohana ny zavatra nozarainy. Iaraho mihira miaraka amin’ny iray kilasy io andininy io. Azonareo averina izany, miankina amin’ny habetsaky ny fotoana anananareo.
Famaranana
Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra nianarany momba an’ Andriamanitra izay afaka mitondra fampiononana ho azy ireo. Ampahatsiahivo azy ireo fa ireo hevi-baovao ireo dia mety ho nentanin’ny Fanahy Masina, izay mampianatra sy mijoro ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra hanoratra ny eritreriny ao amin’ny diary fandalinany.