“Fampiharana fifehezana fotopampianarana 8: Mampihatra ireo fahamarinana ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Fampiharana fifehezana fotopampianarana 8: Mampihatra ireo fahamarinana ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Isaia 40–49: Lesona 122
Fampiharana fifehezana fotopampianarana 8
Mampihatra ireo fahamarinana ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy
Ny fifehezana fotopampianarana dia manampy ny mpianatra hanorina ny fiainany eo ambonin’ny fototra iorenan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampihatra ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo fitsipika avy amin’ Andriamanitra mba hahazoana fahalalana ara-panahy.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hikaroka ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary hisafidy andinin-tsoratra masina roa na telo izay tsapan’izy ireo fa azo ampiharina saika amin’ny toe-javatra rehetra mety hatrehan’ny zatovo iray.
Sahanasa fianarana azo atao
Famerenana fifehezana fotopampianarana: Ampiharo
Hevero ny hanome tapa-taratasy kely iray ho an’ny mpianatra tsirairay. Asao izy ireo hanoratra fanoritsoritana fohy momba ny toe-javatra sarotra atrehin’ny olona iray fantany ary hametraka ny taratasiny ao anaty fitoeran-javatra iray. Angataho ny mpianatra mba tsy hanoratra anarana na antsimpiriany mahakasika ny tenany manokana satria hamaky ny taratasiny ireo mpianatra hafa.
Ataovy miara-miasa tsiroaroa ny mpianatra avy eo. Asaivo maka taratasy roa ao amin’ilay fitoeran-javatra ny mpianatra roa miara-miasa ary mamita ny dingana telo etsy ambany.
-
Avereno jerena ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Taloha amin’ny alalan’ny fampiasana ilay lisitra ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).
-
Ifanakalozy hevitra ny fomba azo ampiharana ireo andalan-tsoratra masina isan-karazany amin’ny iray amin’ireo toe-java-misy ao amin’ny taratasinao. (Azonao ampiasaina ihany koa ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy amin’ireo boky soratra masina hafa.)
-
Zarao ny fomba ahafahan’ny fampiharana ny fampianarana ao amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo manamafy orina ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Rehefa nomena fotoana ampy, dia asao ny mpiara-miasa tsirairay hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra izay nanaovany fifanakalozan-kevitra.
Raha mila fanampiana amin’ny famantarana andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mety amin’ny toe-javatra iainan’izy ireo ny mpianatra dia azonao atao ny mitarika azy ireo amin’ny andalan-tsoratra masina mety ampiharina amin’ny toe-javatra maro, toy ny ao amin’ny Ohabolana 3:5–6 na ny 2 Nefia 32:3.
Ity sahanasa ity dia atao ao anatin’ny 10–15 minitra mba hisy fotoana hahafahan’ireo mpianatra mianatra sy mampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy ho an’ny ambin’ny lesona.
Mianatra sy mampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy
Ny ambiny amin’ny lesona dia natokana hanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.
Hevero ny hampiseho sarina zatovovavy iray miaraka amin’izao rafi-tantara manaraka izao.
Mety ho tsapa ho tena misy kokoa ilay rafi-tantara raha toa ka avelanao ho banga ireo ampahany voatsipika ary asao ny mpianatra hameno ny banga amin’ny alalan’ny fotopampianarana sy ireo fenitry ny Fiangonana izay manan-danja eo amin’ny fiainan’izy ireo.
Fony mbola zaza i Julietta dia nihevitra izy fa ny ankamaroan’ny olona dia nanaiky ny fampianaran’i Jesoa Kristy izay nianarany tany an-tranony sy tany am-piangonana. Ankehitriny rehefa any amin’ny lisea izy dia toa mifanohitra amin’izany no hitany. Ny ankamaroan’ny olona fantany dia toa tsy manaiky ny fotopampianarana sy fitsipika ampianarina ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay naverina tamin’ny laoniny.
Ohatra, maro amin’ireo mpiara-mianatra aminy no mihomehy ny finoany momba ireo mpaminany velona; ary ny sasany amin’ireo namany aza dia tsy mahatakatra ny antony tsy handraisany anjara amin’ireo hetsika sy fialamboly tsy mendrika.
Mety tsy ahita ny ifandraisan’ny zavatra iainany amin’ny an’i Julietta ny sasany amin’ireo mpianatrao. Azonao atao ny mangataka olona terem-panahy izay niaina toe-javatra mitovy amin’izany mba hamaritana ny zavatra tsapa sy ny mahatonga izany ho sarotra atrehana. Azonao marihina fa na niaina na tsy niaina ny zavatra niainan’i Julietta izy ireo dia ny hanaovan’izy ireo fanazaran-tena mampiasa ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy sy fotopampianarana izay nianaran’izy ireo vao haingana no tanjon’ilay rafi-tantara.
Asao ny mpianatra hamerina hijery ireo fitsipika ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana, ka hitady ireo fitsipika izay afaka manampy ny olona iray miaina toe-javatra tahaka ny an’i Julietta.
Rehefa vitan’ny mpianatra ny mijery izany dia omeo fotoana ampy tsara izy ireo hifanakalozany hevitra momba ireo fitsipika izay tsapany fa afaka manampy an’i Julietta.
Miainga amin’ny fifanakalozan-kevitra ataon’izy ireo dia azonao atao ny misafidy fizarana vitsivitsy avy ao amin’ny ambin’ny lesona izay afaka manampy ny mpianatrao hahatakatra kokoa ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy.
Manao asa amim-pinoana
Hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto sy hanasa ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba izany ao anaty vondrona kely. Mandehandehana manodidina ny efitrano ary henoy ny fifanakalozan-kevitra ataon’izy ireo, ka ampio hevitra na fitarihana araka izay ilaina.
-
Manamafy orina ny finoan’i Julietta an’i Jesoa Kristy sy ny fanoloran-tenany ho an’ny Fiangonany amin’ny fomba ahoana ny toe-javatra iainany?
-
Mety ho alaim-panahy hanao inona izy ka hahatonga azy hanalavitra an’i Jesoa Kristy?
-
Inona no torohevitra omenao azy mba hiatrehana ireo fakam-panahy ireo amim-pinoana an’i Jesoa Kristy?
Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay
Ireto torolalana manaraka ireto dia mamela ny mpianatra hizara ny zavatra hitany. Miandrasa mandra-pahavitan’izy ireo ny dingana tsirairay alohan’ny hanomezana ny dingana tsirairay manaraka.
(Ankoatra ny famerenana ny andiam-pehezan-teny 8 ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny dingana 1, dia azonao omena minitra vitsy ihany koa ny mpianatra handalinana ny fizarana “Mampiasà loharanom-pahalalana azo antoka” ao amin’ny Fikatsahana ny valin’ireo fanontanianao [Bibliothèque de l’Évangile, Lohahevitra sy fanontaniana].)
-
Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny teny nambara iray avy ao amin’ny andiam-pehezan-teny 8 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana izay heverinao fa afaka manampy an’i Julietta sy ny anton’izany.
-
Mandehandehana manerana ny efitrano ary tadiavo ny mpianatra iray hafa izay nisafidy teny nambara mitovy amin’ilay anao. Ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahan’izany manampy an’i Julietta.
-
Ampio hevi-baovao manan-danja izay nozarain’ilay mpianatra iray hafa taminao ao amin’ny diarinao.
-
Mandehandehana manerana ny efitrano indray ary mitadiava mpianatra iray hafa izay nisafidy teny nambara tsy mitovy amin’ny anao. Zarao ireo hevi-baovao avy ao amin’ny diarinao.
Rehefa vitan’ny mpianatra ilay sahanasa dia azonao atao ny mangataka izay terem-panahy hizara hevi-baovao izay nampianarin’ireo mpiara-mianatra aminy. Azonao atao ihany koa ny manasa azy ireo hirakitra an-tsoratra izay fahatsapana mety noraisin’izy ireo teo amin’ny fiainany manokana.
Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra
Ny fanampiana an’ity manaraka ity amin’ny rafi-tantara momba an’i Julietta dia manampy ny mpianatra hiomana hifanakalo hevitra momba ny maha-zava-dehibe ireo loharanom-pahalalana ampiasaintsika eo amin’ny fiainantsika.
Koa satria maro be tokoa ny olona no tsy nitovy hevitra taminy dia nanomboka nanontany tena i Julietta raha toa ka tena avy amin’ Andriamanitra tokoa ny fotopampianarana sy fenitra ampianarina ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ny Andro Farany.
Hevero ny hanasa ny mpianatra hifanakalo hevitra amina namana iray momba ireto tari-dresaka manaraka ireto.
-
Manan-danja ny olona sy ny loharanom-pahalalana ampiasain’i Julietta hitadiavana fampahalalana satria …
-
Ho toroiko hevitra i Julietta mba hitady valiny ao amin’ny … fa tsy hitady valiny any amin’ny …
Aorian’ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny olon-droa, dia asao ireo izay terem-panahy hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nifanakalozan’izy ireo hevitra. Azonao atao ny mangataka mpianatra hizara ny antony nanomezan’izy ireo valinteny toy izany. Hevero ny hanampy ny mpianatra hahatakatra fa ireo loharanom-pahalalana izay hitodihany dia afaka mitarika azy ireo hanakaiky kokoa na hanalavitra kokoa ny Ray any An-danitra.
Mba hanomezana ny mpianatra fampiharana hikatsaka fahatakarana kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra, dia afaka mitady sy mizara andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana afaka manampy an’i Julietta ihany koa ireo olon-droa miara-miasa. Ohatra amin’ireo andalan-tsoratra masina azon’izy ireo ampiasaina ny Josoa 24:15; Ohabolana 3:5–6; Isaia 5:20; Matio 5:14–16; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36.
Fampiharana ataon’ny tena manokana
Azonao atao ny mamarana ny fotoam-pianarana amin’ny fanasana ireo mpianatra hamaly ombam-bavaka ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinany. Amporisiho izy ireo hihaino tsara ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina rehefa misaintsaina sy manoratra.
-
Inona no tsapanao fa tian’ny Ray any An-danitra hataonao avy amin’ny zavatra nianaranao na tsapanao androany?
-
Inona no mety ho fiantraikan’ny fisafidianana hanaraka ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny fiainanao amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?