“Isaia 44–47: -Ka tsy misy Andriamanitra hafa-tsy Izaho-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Isaia 44–47: -Ka tsy misy Andriamanitra hafa-tsy Izaho-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Isaia 40–49: Lesona 120
Isaia 44–47
“Ka tsy misy Andriamanitra hafa-tsy Izaho”
Isan’andro isika dia miatrika fitaomana izay mizaha toetra ny fanolorantenantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Rehefa niatrika fakam-panahy mitovy amin’izany ny Isiraelita sasany tamin’ny andron’i Isaia dia lasa nitodika tamin’ny fitsaohana loharano hafa izy ireo. Ho setrin’izany dia nampitandrina tamim-pitiavana nefa mazava tsara ny Isiraelita ny Tompo ny amin’ny tsy tokony hitsaohana andriamani-kafa. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hametraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho lohalaharana alohan’ny olona na zavatra hafa eo amin’ny fiainan’izy ireo.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra nianarany nandritra ny fandalinany ny Testamenta Taloha. Avy eo dia asao izy ireo hisaintsaina hoe: “Ahoana no nahafahan’ny zavatra nianarako momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy nampitombo ny faniriako hametraka Azy Ireo ho lohalaharana eo amin’ny fiainako?”
Sahanasa fianarana azo atao
Fitsaohana maherifo
Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Raha toa ianao ka hasaina hanadihady zatovo ao amin’ny faritra misy antsika momba ny hoe iza ireo maherifo an’izy ireo, dia iza araka ny eritreritrao no mety ho tafiditra ao anatin’izany?
Avy eo dia asao ny mpianatra hanao ity zavatra manaraka ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.
Ataovy lisitra ireo maherifonao manokana. Asio kintana eo akaikin’ireo izay toa manana fiantraikany tsara indrindra eo amin’ny fiainanao.
Ny Eveka W. Christopher Waddell ao amin’ny Episkôpà Mpiahy dia nizara izao torohevitra manaraka izao momba ny maherifo antsika.
Fony aho zazalahy kely dia mpanao fanatanjahan-tena no maherifoko voalohany. Ny zavatra tsaroako voalohany tamin’ny fahazazako dia ny nanangona karatra baseball misy sary sy antontan’isa momba ireo mpilalao baseball tao amin’ireo ligy lehibe. Ny “fiderana olona maherifo” amin’ny fahazazana dia mety hahafinaritra sy madio, toy ny ataon’ny ankizy rehefa manao ny fitafin’ireo maherifo tiany indrindra izy ireo amin’ny Halloween. Na dia mankamamy sy manaja lehilahy sy vehivavy maro manan-talenta sy miavaka aza isika noho ny fahaizana ananan’izy ireo sy ny anjara biriky entiny, ny halehiben’ny fiderana azy ireo, raha toa ka diso tafahoatra, dia mety hitovy amin’ny zanak’ Isiraely nidera zanakomby volamena tany an-tany foana tao Sinay. …
Ny maherifo, ny maherifontsika amin’izao fotoana izao sy mandrakizay, dia i Jesoa Kristy, ary ny zava-drehetra, na ny olon-drehetra, izay misarika antsika hiala amin’ny fampianarany, araka ny hita ao amin’ny soratra masina sy amin’ny alalan’ny tenin’ireo mpaminany velona, dia afaka misy akony ratsy amin’ny fandrosoantsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. (“Mihoatra lavitra noho ny maherifo”, Liahona, nôv. 2023, 90)
-
Inona no hitanao ho niavaka indrindra tamin’ny hafatry ny Eveka Waddell?
Mba hanampiana ny mpianatra hanombantombana ny toerana hametrahan’izy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo dia azonao atao ny manasa azy ireo hijery ny lisitry ny maherifo nataon’izy ireo rehefa misaintsaina amim-pahanginana ireto fanontaniana manaraka ireto izy ireo.
-
Moa ve misy maherifo ao amin’ny lisitrao manelingelina anao amin’ny fitsaohanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
-
Moa ve misy zavatra mahaliana na atao, na zavatra mety hanelingelina anao tsy hitsaoka Azy Ireo?
Rehefa miomana handalina ny fampianaran’i Isaia ireo mpianatra androany dia asao izy ireo hihaino ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina mikasika ireo fomba ahafahan’izy ireo mametraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho lohalaharana eo amin’ny fiainan’izy ireo.
Tsy manana andriamani-kafa
Hazavao fa mafy tamin’ny zanak’ Isiraely tamin’ny andron’i Isaia ny nametraka ny Tompo ho lohalaharana teo amin’ny fiainan’izy ireo. Naleon’izy ireo kosa nitodika tany amin’ireo andriamani-kafa toy ny sampy mba hahazoana fanampiana.
Hevero ny hanasa mpiara-mianatra na vondrona kely hamaky ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary hamoaka fehezan-teny tokana izay hamintina ny zavatra nianarany.
Vakio ny Isaia 44:6, 8 sy 46:9, ka tadiavo ny zavatra tian’ny Tompo ho takatry ny zanak’ Isiraely momba ny fifantohan’ny fitsaohan’izy ireo.
Manasà mpianatra maromaro hizara ny famintinana ny zavatra nianaran’ny vondrona misy azy ireo. Raha tsy tonga dia mizara izany ho azy izy ireo dia ampio ny mpianatra hamantatra fahamarinana iray mitovitovy amin’ity manaraka ity: Tsy misy na iza na iza ary tsy misy na inona na inona eto an-tany afaka mitaha amin’i Jesoa Kristy.
Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia azonao atao ny manamarika fa ny Isaia 44:6 dia ahitana anarana maromaro iantsoana an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra ampianarin’ireo fiantsoana ireo momba an’i Jesoa Kristy.
Ao amin’ny Isaia 44–46, ny Tompo dia mamariparitra ny fitsaohan’ny Isiraelita andriamani-kafa. Mampahatsiahy ny olona Izy fa izy ireo dia namorona sy nitsaoka ary nivavaka tamin’ireo sampy natao tamin’ireo hazo izay fampiasain’izy ireo hanaovana afo sy fahandroana sakafo. Ary rehefa nentina tany amin’ny fahababoana ny Isiraelita dia sahirana ny biby fiompin’izy ireo nilanja ny sarety niaraka tamin’ireo sampy mavesatr’izy ireo.
Vakio ny Isaia 44:14–19 sy ny Isaia 46:1–2, dia tadiavo ny famariparitan’ny Tompo ny sampy fahiny izay azo ampitahaina amin’ireo zavatra izay manalavitra ny olona amin’ny Tompo amin’izao androntsika izao. (Mety hanampy ny mahafantatra fa ny roa tamin’ireo sampy izay nitsaohan’izy ireo dia nantsoina hoe Bela sy Nebo.)
-
Inona no hitanao?
Azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ilay andian-teny hoe “Hiankoho[ka] eo anatrehan’izay vatan-kazo [ve aho]?” (Isaia 44:19). Angataho ny mpianatra hanazava ny dikan’izany amin’ny teniny manokana.
Avy eo dia fafao ilay andian-teny hoe “izay vatan-kazo” amin’ilay fanontaniana ka avelao ny hoe “Hiankoho[ka] [ve aho] ?”
Asao ny mpianatra ho eny amin’ny solaitrabe ary hameno ilay fehezan-teny amin’ny fomba izay mihatra amin’ny olona amin’izao androntsika izao.
-
Inona no loza ateraky ny fametrahana ireo olona na zavatra ireo ho eo alohan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
-
Nahoana no mety ho sarotra ny mametraka mandrakariva ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika?
Mametraka an’i Jesoa Kristy ho lohalaharana
Mba hanampiana ny mpianatra hametraka ny Mpamonjy ho lohalaharana eo amin’ny fiainan’izy ireo dia azonao atao ny mampiseho sarin’i Jesoa Kristy, toy ilay iray tany am-piandohan’ny lesona, eo afovoan’ny solaitrabe. Rehefa manao ity sahanasa manaraka ity ny mpianatra dia azon’izy ireo atao ny manoratra ireo toetra hitan’izy ireo manodidina ilay sary.
Halalino ny roa farafahakeliny amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Rehefa mamaky miadana sy amim-pitandremana ireo andininy ireo ianao dia tadiavo ny zavatra azontsika ianarana momba an’i Jesoa Kristy izay manome antsika fahatokian-tena hametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika.
-
Isaia 44:1–4
-
Isaia 44:21–23
-
Isaia 44:24–25
-
Isaia 45:20–22
-
Isaia 46:3–5
Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hanampy toetra hafa eny amin’ny solaitrabe izay fantatr’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny zavatra niainany na avy amin’ny soratra masina hafa.
Mba hanampiana ny mpianatra hizara ny eritreriny momba ny hery tsy manam-paharoa an’i Jesoa Kristy dia azonao atao ny manontany ireto manaraka ireto.
-
Ahoana no mety hanampian’ny fahatakarana ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy ireo ny olona iray izay mahita fa sarotra ny mametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainany?
-
Inona avy ireo zavatra niainanao ka nanampy anao hametraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho lohalaharana eo amin’ny fiainanao?
Manao drafitra hametraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho lohalaharana
Mba hanampiana ny mpianatra hanao drafitra hametrahana bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho lohalaharana eo amin’ny fiainan’izy ireo dia azonao ampiasaina ilay taratasy zaraina izay mitondra ny lohateny hoe “Manao drafitra”. Amporisiho izy ireo hihaino ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina eo am-pamaritan’izy ireo ny zavatra tian’izy ireo hatao mba hanatratrarana ny tanjony.