Seminera
Isaia 40–49: Topimaso ankapobeny


“Isaia 40–49: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Isaia 40–49: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Isaia 40–49

Isaia 40–49

Topimaso ankapobeny

Isiraelita maro tamin’ny andron’i Isaia no nitodika tamin’ny loharano hafa ankoatra an’ Andriamanitra ary nitsaoka izany. Nanampy azy ireo hahatakatra ny hatsaram-panahy feno fitiavana tsy tapaka ananan’ny Mpamonjy i Isaia ary ireo izay mitodika Aminy dia tsy mila matahotra.

sary famantarana ny semineraMampianara avy amin’ny soratra masina sy avy amin’ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany. Rehefa mifototra amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany ny fampianarana dia ho mora kokoa amin’ny mpianatra ny hahatsapa ny Fanahy Masina mijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay ianarany. Afaka mahita ohatra amin’ny fomba hanaovana izany ianao ao amin’ny Lesona 121: “Isaia 49”.

Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy izany dia jereo ny “Mampianatra avy amin’ny soratra masina ny Mpamonjy” ao amin’ny (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 21).

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Isaia 40–43

Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra hahatsapa fampiononana avy amin’ Andriamanitra.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky na hihaino ny tonon’ny sasany na izy rehetra amin’ilay hira ao amin’ny fihirana hoe “Fototra mafy orina” (Fihirana sy hiran’ny ankizy). Angataho izy ireo hitady teny na andian-teny mitondra fampaherezana ary ho tonga ao am-pianarana miaraka amin’ny fahavononana hizara.

  • Votoatiny haseho: Fanambarana avy amin’ny Loholona Rasband sy ny fanontaniana manaraka izany any am-piandohan’ny lesona; ireo dingana telo sy torolalana ho an’ny fandalinana ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Isaia 40–43

  • Sary: Kisary maneho tahotra sy fampiononana

  • Horonan-tsary:Be Not Troubled” (15:41) manomboka eo amin’ny mari-potoana 1:38 hatramin’ny 2:53; “How Firm a Foundation” (3:49); “Drawing Closer to the Savior” (15:03) manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:06 hatramin’ny 3:43

Isaia 44–47

Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra hametraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho lohalaharana alohan’ny olona na ny zavatra hafa rehetra eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra nianarany nandritra ny fandalinany ny Testamenta Taloha. Avy eo dia asao izy ireo hisaintsaina hoe: “Ahoana no nahafahan’ny zavatra nianarako momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy nampitombo ny faniriako hametraka Azy Ireo ho lohalaharana eo amin’ny fiainako?”

  • Horonan-tsary:More Than a Hero” (10:07) manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:11 hatramin’ny 4:50

  • Sary: Jesoa Kristy

  • Taratasy zaraina:Manao drafitra

Isaia 49

Tanjon’ny lesona: Hanampiana ireo mpianatra hahatsapa fa tia antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary tsy hanadino antsika Izy Ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga ao an-dakilasy ka efa nisaintsaina ireo zavatra niainany izay nahatsapan’izy ireo fa nahatsiaro azy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Azon’izy ireo atao ny manontany olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray mikasika ireo zavatra niainana ka nahatsapany fa tsaroan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy ireo.

  • Sary: Voninkazo myosotis; ny Mpamonjy teo amin’ny hazofijaliana; holatra eo amin’ny tanan’ny Mpamonjy

  • Horonan-tsary:Aza hadino Aho” (21:42) manomboka eo amin’ny mari-potoana 16:31 hatramin’ny 16:49 ary manomboka eo amin’ny mari-potoana 16:48 ka hatramin’ny 17:25; “Jesus Is Scourged and Crucified” (4:44) manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:31 hatramin’ny 3:11; “Jesus Christ Appears at the Temple | 3 Nefia 11:1–17” (5:37) manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:23 hatramin’ny 4:57

  • Taratasy zaraina:Tsy hanadino anao Aho

Fanazaran-tena fifehezana fotopampianarana 8

Tanjon’ny lesona: Hanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo fitsipika masina momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hikaroka ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary hisafidy andinin-tsoratra masina roa na telo izay tsapan’izy ireo fa azo ampiharina saika amin’ny toe-javatra rehetra mety hatrehan’ny zatovo iray.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy kely ho an’ny mpianatra tsirairay; siny iray mba hametrahana ireo taratasy kely

  • Sary: Zatovovavy

  • Votoatiny haseho: Rafi-tantara momba ny zatovovavy iray; fanontaniana telo ao anatin’ny hoe “Manao asa amim-pinoana”