Seminera
Isaia 29: “Zava-mahagaga sy mahatalanjona”


“Isaia 29: -Zava-mahagaga sy mahatalanjona-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Isaia 29: -Zava-mahagaga sy mahatalanjona-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Isaia 13–14; 22; 24–30; 35: Lesona 118

Isaia 29

“Zava-mahagaga sy mahatalanjona”

Joseph Smith's First Vision

Amin’ny fomba ahoana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny Bokin’i Môrmôna no mahatalanjona aminao? Namariparitra ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy i Isaia, anisan’izany ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna, ho toy ny “zava-mahagaga sy mahatalanjona” (Isaia 29:14). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa fankasitrahana noho ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny Bokin’i Môrmôna.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny mety ho famaritany ny teny hoe mahagaga sy mahatalanjona. Amin’ny alalan’ny fampiasana izany famaritana izany dia asao izy ireo hijery andinin-tsoratra masina na tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mahagaga sy mahatalanjona.

Sahanasa fianarana azo atao

Apôstazia

Mba hahitana ny nilana ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara dia manampy ny hahatakaran’ny mpianatra ny Apôstazia Lehibe.

Mba hanaovana izany dia lazao ny mpianatra fa hanandrana haminavina tranga iray amin’ny alalana famantarana izy ireo. Avy eo dia asehoy tsirairay ireto andian-teny manaraka ireto eo am-piezahan’ny mpianatra maminavina “ny Apôstazia Lehibe”. Eo am-pahitan’ny mpianatra izany dia asao izy ireo hanangana ny tanany saingy tsy mbola mizara ny valiny.

Ampiasao ireto andian-teny manaraka ireto mba hahafantarana ilay tranga voafariparitra:

  • “ny haizina manarona ny tany” (Isaia 60:2)

  • “faniriana handre ny tenin’i Jehovah” (Amosa 8:11)

  • “hisy ambodia masiaka hiditra eo aminareo” (Asan’ny Apostoly 20:29)

  • “fihemorana” (2 Tesaloniana 2:3)

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra takany momba ny Apôstazia Lehibe.

Raha ilaina dia azonao atao ny mizara fa ny Apôstazia Lehibe dia entina ilazana fa “niely patrana ny fialana tamin’ny filazantsara sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy” izay nitranga taorian’ny nahafatesan’ny Mpamonjy sy ireo Apôstôliny (Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, 40).

Raha tsy izany dia azonao atao koa ny mijery ny “What Is the Restoration?”, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:32 hatramin’ny 2:09.

5:13

Mety hanampy ny fanazavana amin’ny mpianatra fa maro tamin’ireo faminanian’i Isaia no niresaka momba ny vanim-potoana samihafa ary nanana fahatanterahana maro. Ohatra, ny Isaia 29 dia faminaniana ho an’ny vahoakan’i Isaia manokana fa horavana tsy ho ela i Jerosalema. Na izany aza, ny faminaniany ao amin’ny Isaia 29 dia afaka milaza ihany koa ny Apôstazia Lehibe (jereo ny 2 Nefia 27).

Vakio ny Isaia 29:8–10, ka mitadiava famariparitana ny Apôstazia Lehibe.

  • Ahoana no hamariparitan’ilay andalan-tsoratra masina ireo olona izay nilaozana na tsy afaka nahafantatra mihitsy ny fahamarinan’ny Tompo noho ny Apôstazia Lehibe?

Miaina ao anatin’ny tontolo iray isika izay mbola maro ireo noana ara-panahy, na reraka, na matory. Mety manao safidy izay manalavitra antsika amin’ny Tompo ihany koa isika. Makà fotoana hisaintsainana ireo fomba mety hahatsapanao na ireo olona akaiky anao ho toy izany.

Rehefa mandalina ianao anio, dia mikatsaha fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina mba hankasitrahana ny zavatra nomen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika mba handresena ireo olana ireo sy hitodihana any amin’Izy Ireo.

Zava-mahagaga sy mahatalanjona

Vakio ny Isaia 29:4 mba hamantarana ny zavatra naminanian’i Isaia fa hitahian’ny Tompo antsika mba handresena ny vokatry ny Apôstazia Lehibe.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa ny andininy 4 dia miresaka momba ny Bokin’i Môrmôna, dia azonao omena ny mpianatra ny sasany amin’ireto toko sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto:

Raha tsy izany dia azonao atao ny mampiseho ireo toko sy andinin-tsoratra masina rehetra eny amin’ny solaitrabe ary manasa ny mpianatra hampiasa ny maro amin’izy ireo araka izay ilain’izy ireo hamantarana ny zavatra nitahian’ny Tompo antsika. Azon’ny mpianatra atao ny mifidy iray na maromaro amin’ireo toko sy andinin-tsoratra masina ireo ary mampifandray izany amin’ny Isaia 29:4. Afaka manampy azy ireo hahatsiaro ny zavatra nianarany izany.

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky ny Isaia 29:11–12 sy hitady andian-teny hafa izay miresaka momba ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna. Ny mpianatra dia mety hanisy marika ny hoe: “atolotra izay tsy mahavaky teny kosa izany” (Isaia 29:12). Io andian-teny io dia miresaka momba an’i Joseph Smith izay tsy dia nandalo fianarana firy. Raha tsy fantatry ny mpianatra dia azonao hazavaina fa ireo andininy ireo dia miresaka tranga iray teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana izay hita ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:62–65.

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana Ny Isaia 29:13–14 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.

Vakio ny Isaia 29:13–14 ka tadiavo ny zavatra izay nolazain’ny Tompo fa hataony mba handresena ny vokatry ny Apôstazia.

Nanazava ny filoha Russell M. Nelson hoe inona ilay zava-mahagaga sy mahatalanjona:

Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Izany zava-mahagaga [sy mahatalanjona] izany dia ahitana ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. (“Scriptural Witnesses,” Liahona, Nov. 2007, 46)

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny Isaia 29:13–14?

    Mety hizara zavatra mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Andriamanitra dia namerina tamin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ka tafiditra ao anatin’izany ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna, mba handresena ny vokatry ny Apôstazia Lehibe.

    Hazavao fa ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara dia “ny fametrahan’ Andriamanitra indray ireo fahamarinana sy ôrdônansin’ny filazantsarany eo anivon’ny olona eto an-tany” (“Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara”, Torolalana ho an’ny Soratra Masina, Médiathèthèque de l’Évangile). Raha tsy izany dia azonao atao ny mijery ny “What Is the Restoration?” manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:09 ka hatramin’ny 5:13.

    5:13

    Mba hanampiana ireo mpianatra hamakafaka io fahamarinana io dia azonao atao ao anaty vondrona ny mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no ampianarin’izany fahamarinana izany amintsika mikasika ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no ahafahan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny Bokin’i Môrmôna manampy antsika handresy ireo fahavoazana ara-panahy nateraky ny Apôstazia Lehibe?

Ireo fitahiana avy amin’ilay asa mahagaga sy mahatalanjona

Ity manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hahita ny fomba ahafahan’ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny Bokin’i Môrmôna manampy antsika handresy ny vokatry ny Apôstazia Lehibe.

Soraty ao anatin’ny diarinao ilay fanontaniana hoe “Ahoana no ahafahan’ny Tompo mitahy ahy amin’ny alalan’ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny Bokin’i Môrmôna?” Vakio ny Isaia 29:18–19 ary soraty ny zavatra hitanao fa mamaly ilay fanontaniana.

Asao ny mpianatra hanohy hanampy valiny sy eritreritra ao amin’ny diary fandalinany rehefa manohy mianatra izy ireo.

Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fomba ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna izay zava-mahagaga sy mahatalanjona mitahy antsika dia azonao atao ny mizara ny fampianaran’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ity horonan-tsary manaraka ity izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?” manomboka eo amin’ny mari-potoana 5:38 ka hatramin’ny 8:44.

15:2

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hisaintsaina ny maha-zava-mahatalanjona ny Bokin’i Môrmôna na ny Famerenana amin’ny laoniny amin’izy ireo. Ataovy izay hananan’ny mpianatra fotoana ampy hamitana amim-pahombiazana ilay sahanasa.

Azonao atao ny mampiseho ny torolalana ho an’ilay sahanasa eny amin’ny solaitrabe.

Vitao ny iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto:

Sahanasa 1

Mitadiava andininy na tantara iray avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mitondra anao hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Raha manampy dia azonao atao ny mijery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Hazavao ny antony maha-mahatalanjona izany aminao.

Sahanasa 2

Mitadiava fotopampianarana, na ôrdônansy, na fitahiana, na lafiny hafa amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (mpaminany maoderina, tempoly, fisoronana, sy ny sisa) izay manampy anao hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy.

Hazavao ny antony maha-mahatalanjona izany aminao.

Rehefa nahazo fotoana ampy dia asao ny mpianatra hiditra ao anatina vondrona kely maromaro ary hizara ny fanazavany.

Hevero ny hamarana ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hisaintsaina ny antony maha-feno fankasitrahana azy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy noho ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny Bokin’i Môrmôna. Zarao ny fahatsapanao ny antony maha-feno fankasitrahana anao noho ny Famerenana amin’ny laoniny na ny Bokin’i Môrmôna.

Fanaovana tsianjery

Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hanao tsianjery ilay toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nianarana nandritra ity lesona ity, ary manao famerenana izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Isaia 29:13–14 dia ny hoe “Ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara dia -zava-mahagaga sy mahatalanjona-.” Hita ao amin’ny votoatin’ny tovana etsy ambanin’ny “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana” ireo hevitra hanaovana ny sahanasa fitadidiana.