“Isaia 13–14; 22; 24–30; 35: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Isaia 13–14; 22; 24–30; 35: Topimaso ankapobeny”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Isaia 13–14; 22; 24–30; 35
Isaia 13–14; 22; 24–30; 35
Topimaso ankapobeny
Naminany ny amin’ireo fitahiana horaisin’ireo rehetra izay miandry ny Tompo i Isaia. Naminany ny Famerenana amin’ny laoniny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny Bokin’i Môrmôna ihany koa izy.
Omano ara-panahy ny tenanao. Ny Mpamonjy dia niomana ara-panahy talohan’ny nampianarany. Afaka manaraka ny ohatra nasehony isika. Raha toa ka niomana ara-panahy ianao dia ho afaka ny hihaino sy hanaraka tsara kokoa ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mampianatra. Raha hianatra bebe kokoa mikasika ny fomba niomanan’ny Tompo ara-panahy dia jereo ny “Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 16). Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manomana anao ara-panahy. Afaka manampy anao hanombantombana ny fomba efa nampiharanao ireo fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy izany, ary koa hanampy anao hametraka tanjona ho amin’ny fivoarana tsikelikely. Jereo ny “Mivoatra amin’ny maha-mpampianatra tahaka an’i Kristy: Fanombantombanana ny tena manokana” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 37).
Miomana hampianatra
Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety hilainao homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.
Isaia 25
Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny maha zava-dehibe ny fiandrasana ny Tompo.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina momba ny fotoana iray tsy miantsy niandrasany, na ny olona fantany, tamim-paharetana ny valim-bavaka na fitahiana iray avy amin’ny Ray any An-danitra. Azon’izy ireo atao ny mizara ny maha-mora na maha-sarotra ho azy ireo izany fiandrasana izany.
-
Votoatiny haseho: fanontaniana mampisaina momba ny zavatra niainana manokana niandrasana ny Tompo
-
Horonan-tsary: “Manohy amim-paharetana” (2:41) manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 1:08 sy 1:07 ka hatramin’ny 2:41; “Miandry an’i Jehovah: Aoka ny sitraponao no hatao” (16:11) manomboka amin’ny mari-potoana 0:59 ka hatramin’ny 2:57
Isaia 29
Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra ho feno fisaorana noho ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny Bokin’i Môrmôna.
-
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny mety ho famaritany ny teny hoe mahagaga sy mahatalanjona. Amin’ny alalan’ny fampiasana izany famaritana izany dia asao izy ireo hijery andinin-tsoratra masina na tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay mahagaga sy mahatalanjona.
-
Votoatiny haseho: andian-teny mamariparitra ny Apôstazia Lehibe; toko sy andinin-tsoratra masina manampy ny mpianatra hahatakatra ny Isaia 29:4; torolalana ho amin’ny sahanasa any amin’ny faran’ny lesona
-
Horonan-tsary: “What Is the Restoration?” (5:13) manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:32 ka hatramin’ny 2:09 sy 2:09 ka hatramin’ny 5:13; “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?” (15:01) manomboka eo amin’ny mari-potoana 5:38 ka hatramin’ny 8:44