“Isaia 11–12: -Faneva ho an’ny firenena-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Isaia 11–12: -Faneva ho an’ny firenena-”, Testamenta Taloha: Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra Seminera
Isaia 1–12: Lesona 116
Isaia 11–12
“Faneva ho an’ny firenena”
Naparitaka amin’ny heviny ara-panahy ny vahoakan’ Andriamanitra ka tiany ny hanangona azy ireo indray ho eo ambany fiarovan’ny filazantsarany. Naminany momba ny fanangonana ny Isiraely i Isaia raha nampiasa ny sarin-teny hazo sy faneva. Ity lesona ity dia afaka hampitombo ny fahazotoanao hizara ny filazantsara amin’ny hafa.
Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanome ny mpianatra tsirairay ireo fanontaniana anankiroa fanombatombanana ny tena tany am-piandohan’ny lesona ary asao izy ireo hisaintsaina ny mety havaliny izany.
ISahanasa fianarana azo atao
Inona no zavatra tsapanao mikasika ny fizarana ny filazantsara?
Hevero ny hanomana ny iray amin’ireto manaraka ireto ka eo am-pihainoan’ny mpianatra dia asao izy ireo hisaintsaina ny zavatra tsapany mikasika ny fizarana ny filazantsara:
-
Tantara avy amin’ny mpianatra iray mikasika ny fotoana nizaran’izy ireo, na ny olona fantany, ny filazantsara (Azonao atao ny mangataka mpianatra iray raha toa izy ka vonona hizara zavatra niainana eto amin’ity fotoana amin’ny lesona ity , na azonao atao ny manomana izany mialoha.)
-
Iray amin’ireo zavatra niainanao manokana
-
Iray amin’ireo tantara avy amin’ny Loholona Gary E. Stevenson, “Mitia, Mizara, Manasa”, mey 2022
Entano ny mpianatra hisaintsaina hoe toy ny ahoana ny fahavononany hizara ny filazantsara. Mety hanampy ny manasa azy ireo hamaly ireto manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany:
-
Inona no zavatra tsapanao mikasika ny fizarana ny filazantsara?
-
Nahoana no izany no tsapanao?
Raha tsy mampaninona ny mpianatra, dia azon’izy ireo atao ny mizara ny eritreriny sy ny fahatsapany amin’ny iray kilasy
Eo am-pandalinana dia angataho ny fanampian’ny Fanahy Masina hampitombo ny fanirianao hizara ny filazantsara. Mangataha fanampiana ihany koa mikasika izay manahirana na fanontaniana mety anananao.
Faminanian’i Isaia
Hevero ny hanao sary na hampiseho zavatra toy ireto manaraka ireto kanefa aza asiana lohateniny izany. Raha tianao dia asao ny mpianatra hanao sary mitovy amin’izany ao amin’ny diary fandalinany.
Ao amin’ny Isaia 11, i Isaia dia mampianatra amin’ny alalan’ny tandindona rehefa nampiasa ny singa ao amin’ny hazo iray.
Vakio ny Isaia 11:1 ary asio lohateniny ilay sary.
-
Inona no fitaovana na fahaiza-manao ampiasainao mba hamantarana hoe iza na inona no tiana ambara amin’ny hoe fototra?
Mety ho valin’izany ny sasin-tenin’ny toko sy ny fanovozan-kevitra ambanin’ny pejy. Ampio ny mpianatra hampiasa izany mba hahitana ny hevitry ny tandindona.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:1–2 dia mitadiava valiny nentanim-panahy mampiseho ny hevitr’ilay fototra.
Soraty hoe Jesoa Kristy ny fanazavana momba ilay fototra na vatan-kazo eny amin’ny solaitrabe. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny manoratra izany ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Isaia 11:1.
-
Raha ny Mpamonjy no vatan-kazo, dia inona izany no mety ho tandindon’ilay singa ao amin’ny hazo izay notsoahina?
Valiny mety ho hita ny hoe nanangana fanjakana lehibe iray na hazo iray tamin’ny alalan’i Davida (zanak’i Jese) ny Mpamonjy saingy lavo tao anatin’ny faharatsiana izy ireo, nizarazara ho lasa fanjakana, ary babo no niafarany (tahaka ny hazo notapahina). Ny Tompo anefa dia hahatsiaro ny fanekempihavanana nataony ary dia hanampy ny taranak’i Davida hitombo, ary nampanantena ny hanangona azy ireo indray Izy.
Naminany momba ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny Fiaviana Fanindroany sy ny Arivotaona avy eo i Isaia. Vakio ny iray na ny roa amin’ny ireto andian-tsoratra masina ireto ary tadiavo ny famariparitana momba ny Mpamonjy sy ny fitaomany.
-
Isaia 11:2–5.
-
Isaia 11:6–9. (Fanamarihana: Ireo andininy ireo dia mamariparitra momba ny Arivotaona sy ny fomba hitaoman’ny fahalalana ny Tompo eo amin’izao tontolo izao. Ny vipera sy ny menarana dia samy bibilava misy poizina mahafaty avokoa.)
-
Isaia 12:1–6.
Asao ny mpianatra ireo hizara andian-teny hitany mikasika ny Mpamonjy na ny fitaomany ka mandrisika azy ireo hanakaiky kokoa ny Mpamonjy na hanampy ny hafa hiangona hankeo Aminy. Raha ilaina dia hazavao fa ny Isaia 11:6–9 dia maneho ny fiadanana hoentin’ny Mpamonjy ho an’izao tontolo izao.
Faminaniana momba an’i Joseph Smith
Mampisehoa sarin’i Môrônia niseho tamin’i Joseph Smith fony zatovolahy ary hazavao ireto manaraka ireto:
Nindrana teny avy ao amin’ny Isaia 11 tamin’i Joseph Smith im-betsaka i Môrônia (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:40, 45–46, 49). Tsy momba ny Mpamonjy amin’ny andro farany ihany no naminanian’i Isaia fa momba an’i Joseph Smith ihany koa. Mety ho tianao ny hanoratra hoe Joseph Smith eo akaikin’ilay “solofo” ao amin’ny Isaia 11:1 ary “fototra” ao amin’ny Isaia 11:10. (Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:3–6.)
Vakio ny Isaia 11:10–12 ary tadiavo ny asa izay kasain’ny Tompo hatao amin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith.
Henoy tsara rehefa mizara izay hitany ny mpianatra. Raha manampy dia hazavao ireto manaraka ireto:
-
Ny andian-teny hoe “haninjitra ny tanany fanindroany, hanavotra ny olony” (Isaia 11:11) dia miresaka ny fanangonana an’ny Isiraely amin’ny andro farany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:6).
-
Ny faneva dia saina azon’ny tafika ivoriana eo am-potony na azony arahana anaovana miara-mandroso.
-
Ny “faneva ho an’ny firenena” (Isaia 11:12) dia milaza ny Famerenana amin’ny laoniny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ka tafiditra ao anatin’izany ny ôrdônansy sy fanekempihavanana rehetra ao aminy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:9).
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity andian-teny manaraka ity: Ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laonina dia faneva hanangonana ny olona ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Faneva ho an’ny firenena
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa ity fitsipika ity dia zarao ny taratasy zaraina hoe “Faneva ho an’ny firenena”. Asehoy ireto torolalana manaraka ireto ary asao ny mpianatra hameno izany ao amin’ny taratasy zaraina na samirery na miaraka amin’ny vondrona kely.
Fanontaniana 1: Inona no antony mety hanirian’ny hafa hiangona hankeo amin’ny Mpamonjy sy ny Fiangonany?
Soraty eo amin’ilay faneva ny zavatra fantatrao vitsivitsy mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny ka heverinao fa hisarika ny hafa hiangona hankeo Aminy ary hiditra ho mpikambana ao amin’ny Fiangonany. Azonao ampidirina ao ny zavatra mampiavaka Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (toy ny Bokin’i Môrmôna, mpaminany moderina, ny fisoronan’ Andriamanitra, ary ny tempolin’ny andro farany). Soraty ny fomba hitahian’ny Tompo antsika amin’ny alalan’ireny zavatra ireny.
Fanontaniana 2: Inona no antony iarahana miangona amin’ny hafa hankeo amin’ny Tompo?
Soraty eo akaikin’ireo sarin-javatra miangona manodidina ilay saina ny sasany amin’ireo fitahiana azontsika rehefa miara-miangona amin’ny hafa hankeo amin’ny Tompo isika. Mety hieritreritra momba ny tombontsoa ananan’ny miaramila miara-mivondrona ianao sy ny mety ho fampiharana izany eo amintsika, na koa ny fomba hifampaherezan’ny olona isan-karazany ao amin’ny paroasy na sampana misy anao, ary ny fomba nanehoan’ny Mosesy 7:18 ireo tombontsoa sasany.
Fanontaniana 3: Ahoana no ahafahantsika manasa ny hafa hanatona ny Mpamonjy?
Soraty ireo fomba maro azontsika izarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa eo ambanin’ireo sarin-javatra miangona manodidina ilay saina. Azonao atao ao anatin’izany ny fomba efa nandramanao.
Rehefa nahavita ny momba ilay taratasy zaraina ny mpianatra dia asao izy ireo hizara izay nosoratany tao amin’ilay tatarasy zaraina sy ny zavatra tsapany momba izay nosoratany. Raha tsy mandeha ho azy ny fanaovany izany dia asao izy ireo hizara ny hoe amin’ny fomba ahoana ny zavatra nianarany androany no afaka manampy azy ireo hanana fahazotoana kokoa hizara ny filazantsara.