“Isaia 1: —Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala–”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Isaia 1: –Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala–”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Isaia 1–12: Lesona 114
Isaia 1
“Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala”
Na dia manota sy mila famelan-keloka daholo aza isika rehetra dia mety hino isika indraindray fa tsy afaka ny ho voavela heloka. Mazava ny hafatry ny Mpamonjintsika: “Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala” (Isaia 1:18). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa fahatokian-tena fa afaka manadio azy ireo amin’ny fahotany ny Mpamonjy.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Isaia 1:18 ary hitady izay sarinteny nampiasain’i Isaia. Amporisiho ny mpianatra hisaintsaina sy hiomana hizara ny dikan’izany andininy izany amin’izy ireo. Azon’ny mpianatra atao koa ny manao fanazaran-tena mba hitadidy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina hoe: “na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy tahaka ny orampanala” (Isaia 1:18).
Sahanasa fianarana azo atao
Ny tasin’ny fahotana
Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fampisehoana ity sary manaraka ity na akanjo iray misy tasy.
Eritrereto ny fotoana izay nisian’ny tasy tsy nety niala teo amin’ny akanjonao.
-
Nahoana no azo oharina amin’ny tasy ny fahotantsika?
-
Inona no mety ho antony mahatonga ny olona mety hihevitra fa tsy azo diovina amin’ny fahotany izy ireo?
Azonao atao ny mampiseho ity tari-dresaka manaraka ity mba hahafahan’ny mpianatra misaintsaina ny zavatra tsapan’izy ireo.
Saintsaino hoe iza amin’ireto teny ambara manaraka ireto no tena mahalaza ny momba anao. Mety hanontany tena ianao hoe nahoana ianao no mahatsapa toy izany.
-
Mahatoky tena aho fa afaka manadio ahy amin’ny fahotako rehetra ny Mpamonjy.
-
Mino aho fa afaka manadio ny fahotako sasantsasany ny Mpamonjy, fa tsy izy rehetra.
-
Mino aho fa afaka manadio ny fahotan’ny olona hafa ny Mpamonjy fa tsy ny ahy.
-
Tsy mino aho fa afaka manadio fahotana ny Mpamonjy.
Iray amin’ireo anjara asa maron’ny Fanahy Masina ny mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny 3 Nefia 28:11). Eo am-pandalinanao ny Isaia 1 dia jereo tsara izay tian’ny Ray any An-danitra hianaranao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny fahefana ananany mba hanadiovana fahotana.
Firenena mpanota
Vakio ny Isaia 1:2–4 ka jereo ny fiainam-panahin’ny Israelita.
Asao ny mpianatra hitatitra ny zavatra hitan’izy ireo.
Ity manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hianatra fomba manan-danja handalinana ny Isaia.
Raha mandalina ny fampianaran’i Isaia ianao dia tsara ny mahalala fa matetika izy no manoratra ny tenin’ny Tompo amin’ny endrika tononkalo antsoina hoe mirazotra. Miseho ny mirazotra rehefa maneho hevitra iray ny mpanoratra ary mamerina na mampifanohitra ilay hevitra amin’ny fampiasana teny hafa avy eo. Ohatra tadiavo ny fehezan-teny mifandray ao amin’ny andininy 2.
Azonao ampiana ny mpianatra hitady ireo fehezan-teny natambatra hoe “Mandrenesa, ry lanitra” sy ny hoe “mihainoa, ry tany” (Isaia 1:2). Ohatra iray mampiseho ny atao hoe mirazotra izany.
Nampiasa sarinteny koa i Isaia mba hanehoana ny fampianarany. Vakio ohatra ny andininy 3 ary jereo ireo sary samihafa nampiasain’i Isaia hampianarana ireo Isiraelita.
Azonao anontaniana ny mpianatra ny zavatra nampianarin’i Isaia ny Israelita tamin’ny alalan’ny fampiasana sary, dia omby sy boriky izany. Hazavao raha ilaina fa, tsy mba toy ny omby sy ny boriky, ny Israelita dia tsy nahalala ny Tompony.
Hevero ny hamintina ny andininy 5–15 amin’ny alalan’ny fizarana ity andiam-pehezan-teny manaraka ity.
Nampitandrina ny Israelita ny Tompo fa misy voka-dratsiny eo amin’izy ireo ny fahotany (jereo ny Isaia 1:5–9). Nanazava koa Izy fa tsy faly tamin’ny fomba fitsaohana ara-pivavahana nataon’izy ireo satria tsy tamin-kitsimpo no nanaovan’izy ireo izany (jereo ny Isaia 1:10–15).
Jaky lasa fotsy
Vakio ny Isaia 1:16–17, ka tadiavo ny fanasana natolotry ny Tompo ny vahoaka.
-
Inona no nanasan’ny Tompo azy ireo mba hataony?
Vakio ny Isaia 1:18, ka tadiavo ny fampanantenana omen’ny Tompo raha mibebaka isika. Jereo fa sady nampiasa mirazotra no nampiasa sarinteny mba hanehoana ilay fampanantenana i Isaia.
Ny Isaia 1:18 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora amin’izy ireo ny mahita ny toerana misy azy.
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa ny sarinteny nampiasaina tao amin’ny andininy 18 dia hevero ny hampiseho ireto sary manaraka ireto.
-
Inona no ampianarin’ireo sary, dia ny jaky sy ny volon’ondry, antsika mikasika ny fahotana?
Rahavavy Sharon Eubank, izay efa tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany tany aloha dia nanazava izao:
Ny fandokoana volon’ondry ao amin’ny Testamenta Taloha dia tsy nidorehitra fotsiny fa niraikitra koa, izay midika hoe nijanona teo amin’ny volon’ondry ilay loko midorehitra ka tsy nihavasoka izany na nosasana matetika aza. Mampiasa izao fomba fisainana izao i Satana mba hanampenam-bava: ny volon’ondry fotsy nolokoina jaky mena dia tsy hiverina ho fotsy intsony na oviana na oviana. Nanambara anefa i Jesoa Kristy hoe: “Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo” ary ny famindram-pony mahagaga dia ny hoe rehefa mibebaka amin’ny fahotantsika isika, dia hampiverina antsika amin’ny fahadiovana ny rany jaky mena. Tsy tonga dia miharihary izany, kanefa marina. (“I Kristy: Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina”, Liahona, mey 2019, 75)
-
Inona no ampianarin’ireo sary, dia ny oram-panala sy ny volon’ondry, antsika mikasika ny fampanantenan’ny Mpamonjy raha mibebaka isika?
-
Ahoana no hamintinanao ny andininy 16–18 ao anatina fehezan-teny manambara fahamarinana iray?
Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia ampio izy ireo hahita ity fahamarinana manaraka ity: Raha mibebaka amin-kitsimpo isika dia hanadio antsika amin’ny fahotantsika i Jesoa Kristy.
Inona no zavatra niainan’ny Mpamonjy mba hahafahantsika mibebaka
Ity soratra masina manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra niainan’ny Mpamonjy mba hahafahan’izy ireo ho voadio amin’ny fahotany. Hevero ny hizara ny mpianatra ho tsiroaroa. Ny vondron’olon-droa tsirairay dia afaka mamaky ireto soratra masina manaraka ireto ary mifanakalo hevitra mikasika ny zavatra nianarany. Mety hanampy ireo fanontaniana miaraka amin’izany. Afaka mizara amin’ny iray kilasy avy eo ny mpianatra izay vonona.
Vakio ny Almà 7:13–14 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19, ka tadiavo ny zavatra niainan’ny Mpamonjy mba hahafahanao mibebaka sy ho voadio amin’ny fahotanao.
-
Inona no hitanao?
-
Inona no nianaranao mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ireo andininy ireo izay afaka manampy olona iray hisafidy ny hibebaka?
ChurchofJesusChrist.org
5:37Fomba iray hanasana ny Fanahy Masina ny manome fahafahana ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany, ny fijoroana ho vavolombelona ananany ary ny zavatra niainany. Fomba iray ahafahan’ny mpianatra manao izany ity fanontaniana manaraka ity. Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaly ilay fanontaniana ao amin’ny diary fandalinany aloha ary avy eo dia afaka mizara izay nosoratany amin’ny iray kilasy ny mpianatra izay vonona. Rehefa mizara ny mpianatra dia lazao izy ireo tsy hizara anarana na zavatra tena mikasika loatra ny tena manokana.
-
Inona no tsapanao mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny fahafahany manadio anao amin’ny fahotanao?
Hevero ny hamarana izany amin’ny fizaranao ny zavatra tsapanao mikasika ny Mpamonjy sy ny fahefana ananany mba hanadiovana antsika rehefa mibebaka isika.
Manao tsianjery
Mety ho tianao ny hanampy ireo mpianatra hanao tsianjery ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity ary hamerina hijery izany amin’ny lesona manaraka. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Isaia 1:18 dia ny hoe “Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala.” Hita ao amin’ny votoatin’ny tovana eo ambanin’ny “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana” ireo hevitra hanaovana ny sahanasa fitadidiana.