“Isaia 5: -Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Isaia 5: -Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy-”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Isaia 1–12: Lesona 115
Isaia 5
“Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy”
Nampitandrina an’i Isiraely ny Tompo, tamin’ny alalan’ny mpaminany Isaia, mikasika ny safidin’izy ireo feno fahotana, toy ny filazana ny “ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy” (Isaia 5:20). Betsaka ny hevitra sy fomba manimba izay manana endrika tsara amin’izao fotoana izao. Afaka mampitombo ny fahaizan’ny mpianatra manavaka ny tsara sy ny ratsy ity lesona ity.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga ao am-pianarana miaraka amin’ny fahavononana hizara ohatra momba ny zavatra izay noheverina fa tsy mampidi-doza na noheverina ho tsara mihitsy aza, kanefa hita fa nampidi-doza tamin’ny farany.
ISahanasa fianarana azo atao
Hevitra sy fihetsika izay mitera-doza ara-panahy
Hevero ny hanomboka ny fampianarana amin’ny fampisehoana sarinà guépard miafina toy ilay iray any amin’ny fanombohan’ity lesona ity. Azonao atao avy eo ny mametraka ity fanontaniana ity ary mampiseho ny teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar.
-
Inona no mahatonga ny guépard ho mampidi-doza amin’ny biby hazainy?
Mampitaha ny guépard amin’ny hevitra sy asa mampidi-doza ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.
Amiko ny guépards dia zava-boary tsara tarehy sy manaitra ary manintona. Ny volon’ny guépard mavo mavana misy teboka mainty izay ataony fierena tsara no mahatonga ireo biby ireo ho tsy hita rehefa mihaza ny rembiny any amin’ny tanibozak’i Afrika izy ireo.
Toy izany ihany koa ireo hevitra sy asa mampidi-doza ara-panahy dia matetika toa manintona sy mampitsiriritra ary mahafinaritra. Noho izany dia mila fantatsika tsirairay avy ny zavatra ratsy izay mamitaka antsika ka miseho ho zavatra tsara. (“Hiambina amim-bavaka lalandava”, Liahona, nôv. 2019, 33)
-
Inona avy ireo ohatra amin’ny “hevitra sy asa mampidi-doza ara-panahy” izay “mety ho toa manintona, sy mampitsiriritra, na mahafinaritra”?
Mety hanampy ny fanoratana ny valintenin’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe. Mety ho isan’ny valintenin’ny mpianatra ny hoe, “Ahy ity vatana ity. Azoko atao amin’izay hitiavako azy izany” na hoe “Tsy olana rehefa tsy misy mahita.” Mbola hiverina amin’ireo hevitra ireo ianao any aoriana kelin’ny lesona ao.
-
Inona no maha zava-dehibe ny famantarana ny zavatra ratsy izay mamitaka antsika ka miseho ho zavatra tsara?
Ireto fanazavana sy fanasana manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hahita ny maha zava-dehibe eo amin’ny fiainany ny zavatra hianarany ato amin’ity lesona ity.
Mety ho sarotra ny mahafantatra ireo hevitra sy asa mamitaka ireo, indrindra fa rehefa mety hanintona antsika izany. Isika tsirairay avy dia samy misaina sy miasa amin’ny fomba tsy tena mifanaraka tanteraka amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy (jereo ny Romana 3:23). Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia hanampy antsika hamantatra izany ao anatintsika raha mikatsaka ny fanampian’ Izy Ireo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika. Eo am-pandalinanao androany dia ifantohy akaiky ny fomba hanampian’ny Fanahy Masina anao hanavaka ny fahamarinana amin’ny fampianaran-diso.
Fitaka miafina
Fintino ity andiam-pehezan-teny manaraka ity ho fampidirana ny mpianatra amin’ny hafatra ankapobeny fonosin’ny Isaia 5.
Nampianatra ny Israelita mikasika ny fitiavany azy ireo sy ny vokatry ny safidy feno fahotana nataon’izy ireo ny Tompo tamin’ny alalan’ny fanoharana ny amin’ny tanim-boaloboka ao amin’ny Isaia 5. Na dia nanampy azy ireo hitombo aza ny Tompo dia nahatonga azy ireo ho “voalobo-dratsy” (jereo ny Isaia 5:2) ny safidy feno fahotana nataon’ny Isiraelita, izay tandindon’ny fahalotoana sy ny fankahalana tao amin’izy ireo. Satria nisafidy ny “handà” sy hanamavo ny Tompo sy ny fampianarany izy ireo (jereo ny Isaia 5:24) dia lasa tsy nanana ny fanampian’ny Tompo intsony izy ireo.
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanao topimaso ny Isaia 5:8–23 ary hanisa ny tenin’ny Tompo hoe “loza” (in-enina). Hazavao fa ny teny hoe “loza” dia manana hevitra hoe alahelo sy fijaliana lehibe. Niezaka nampianatra ny Isiraelita ny Tompo fa ny safidy feno fahotana nataon’izy ireo dia nampanalavitra azy ireo Taminy ary nitondra alahelo sy fijaliana.
Na dia betsaka aza ny fahamarinana azon’ity lesona ity ifantohana dia hifantoka amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Isaia 5:20 ny ambin’ny lesona.
Ny Isaia 5:20 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora amin’izy ireo ny mahita ny toerana misy azy ireo.
Vakio ny Isaia 5:20 ary jereo hoe inona no mitondra loza, na alahelo sy fijaliana.
-
Inona no hitanao?
Ampio ny mpianatra hamantatra fahamarinana toy ny hoe Raha milaza ny ratsy ho tsara na ny tsara ho ratsy isika dia tsy maintsy hiafara amin’ny fandalovana alahelo sy fijaliana izany. Asao ny mpianatra hanisy marika ny teny mandeha tsiroaroa anakintelo ao amin’ilay andininy, ratsy sy tsara, maizina sy mazava, ary mangidy sy mamy. Hazavao fa matetika i Isaia no manome ohatra maro mba hampazava kokoa ny fampianarany.
-
Amin’ny fomba ahoana no mitondra alahelo sy fijaliana ny filazana ny ratsy ho tsara na ny tsara ho ratsy?
Ny fanekena ny fisian’ny fahasarotana amin’ny famantarana ireo fitaka ireo dia afaka manampy ny mpianatra hahatsiaro fa misy mahatakatra ny mahazo azy ireo, hamantatra ireo sakana ary hahita ny filan’izy ireo an’ Andriamanitra.
Hivereno ilay lisitra misy ny “hevitra sy asa mampidi-doza ara-panahy” eny amin’ny solaitrabe ary apetraho ity fanontaniana manaraka ity.
-
Inona no mety hampananosarotra ny mamantatra ireto hevitra sy asa mampidi-doza ara-panahy ireto?
Eritrereto raha toa ka misy hevitra na asa mampidi-doza ara-panahy mety ho hitanao ho manintona, mampitsiriritra na mitondra fahafinaretana.
I Jesoa Kristy no fahamarinana
Rehefa nofantarina ireo zavatra mahatonga ilay izy ho sarotra dia ampio ny mpianatra hahita fa i Jesoa Kristy no vahaolana.
Vakio ny Jaona 14:6 ary jereo izay lazain’i Jesoa mikasika ny hoe iza moa Izy.
-
Inona araka ny hevitrao no tian’i Jesoa hambara raha milaza ny Tenany ho ny fahamarinana Izy?
-
Inona no nomen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hanampiana antsika hamantatra ireo hevitra sy fihetsika mamitaka notanisaina teo aloha?
Na dia tsy lisitra feno aza izany dia mety hizara zavatra toy izao manaraka izao ny mpianatra:
-
Ny Fanahy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–13)
-
Ny Fahazavan’i Kristy (jereo ny Môrônia 7:16–19)
-
Mpaminany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1, 4–6)
-
Soratra masina (jereo ny 2 Timoty 3:15–17)
Raha tsapanao ny fisian’ny zavatra ilain’ny mpianatrao dia azonao vakina sy resadresahana ny soratra masina sasany nomena.
Ny sahanasa manaraka dia manome fahafahana ny mpianatra handalina ny fampianaran’ny Mpamonjy mba hanampiana azy ireo hamantatra ny fahamarinany. Ataovy mijery ilay lisitra misy ny hevitra sy fihetsika mampidi-doza ara-panahy eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra. Asehoy ireto torolalana manaraka ireto.
Mba hanampiana antsika hahay hanavaka ny fahamarinana amin’ny fahadisoana dia afaka mitodika any amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny mpaminaniny isika. Toerana iray ahafahantsika “mahita ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny mpaminaniny” ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (“Manaova safidy entanim-panahy”, Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy [2022]).
Mifidiana hevitra na fihetsika iray izay ratsy nefa miseho tahaka ny hoe tsara, na tsara izay aseho na lazaina hoe ratsy. Halalino ny torolalana Ho zatovo mahery! ary jereo ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny mpaminaniny izay mety hanampy anao hisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy fa tsy ireo hafatra feno fitaka avy amin’ny devoly. Soraty ny fomba anitsian’ny fampianaran’ny Mpamonjy ireo hevi-diso.
Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany. Mba hanaovana izany dia afaka misafidy hevitra na fihetsika iray eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra. Angataho ny iray kilasy hanazava hoe amin’ny fomba ahoana ny zavatra nianarany no mampiseho fa manimba ara-panahy izany hevitra na fihetsika izany. Ohatra, raha nosafidian’ny mpianatra iray ny hoe “Tsy olana rehefa tsy misy mahita” dia afaka zarain’ny mpianatra ny zavatra nianarany tao amin’ny fizarana “Hanafaka anao ny fahamarinana” ao amin’ny torolalana Ho zatovo mahery! toy ilay andiam-pehezan-teny manomboka amin’ny hoe “Ny hoe miaina amim-pahitsiana dia midika hoe tia ny fahamarinana amin’ny fonao rehetra” na “Tiavo ny fahamarinana.”
Misaintsaina momba ny fianarana
Omeo fahafahana hisaintsaina izay nianarany amin’ny alalan’ny fanehoana fanontaniana toy ity manaraka ity ny mpianatra.
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny valinteninao amin’ity fanontaniana manaraka ity:
-
Inona no nianaranao androany ka manampy anao hamantatra ny fahamarinana sy hanaraka tsara kokoa an’i Jesoa Kristy?
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny ao am-pony sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany amin’ny alalan’ny fizarana izay nosoratany. Azonao atao ny mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny anarana fiantsoana Azy amin’ny maha Fahamarinana Azy.
Fanaovana tsianjery
Ampio ny mpianatra hanao tsianjery ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nianarana tamin’ity lesona ity, ary hanao famerenana izany amin’ny lesona manaraka. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Isaia 5:20 dia ny hoe “Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy.” Hita ao amin’ny votoatin’ny tovana ao amin’ny “Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana” ireo hevitra hanaovana ny sahanasa fianarana tsianjery.