“Isaia 25: Miandry ny Tompo”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Isaia 25: Miandry ny Tompo”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Isaia 13–14; 22; 24–30; 35: Lesona 117
Isaia 25
Miandry ny Tompo
Inona no ataonao rehefa toa tsy voavaly ny vavaka tamin-kafanam-po nataonao? Manantitrantitra ny Tompo sy ireo mpaminaniny manerana ny soratra masina fa mila miandry ny Tompo isika (jereo ny Isaia 25:9), ka mikatsaka amim-paharetana fitahiana sy valim-bavaka. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fiandrasana ny Tompo.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina momba ny fotoana iray tsy miantsy niandrasany, na ny olona fantany, tamim-paharetana ny valim-bavaka na fitahiana iray avy amin’ny Ray any An-danitra. Azon’izy ireo atao ny mizara ny maha-mora na maha-sarotra ho azy ireo izany fiandrasana izany.
Sahanasa fianarana azo atao
Mampitombo faharetana amin’ny alalan’ny fanazaran-tena
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fahasarotan’ny fiandrasana amim-paharetana zavatra iray, dia azonao atao ny mampiseho guimauve na sarin-jaza mijery guimauve eo am-pamakiana na eo am-pamintinana ilay andiam-pehezan-teny manaraka. Azonao atao ihany koa ny mampiasa ny horonan-tsary “Manohy amim-paharetana”, ChurchofJesusChrist.org manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 1:08, mba hitaomana ny sain’ny mpianatra amin’ny antony ilantsika miandry amim-paharetana. Ao amin’ity horonan-tsary ity dia nampahafantatra ilay fanandramana momba ny guimauve io ihany koa ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany.
Mba hitsapana ny fahafahan’ny ankizy miandry amim-paharetana dia nasian’ny mpikaroka guimauve lehibe manoloana ny ankizy efa-taona maromaro. Nolazaina izy ireo fa afaka mihinana ilay guimauve avy hatrany. Kanefa raha mahandry 15 minitra izy ireo dia homena guimauve anankiroa. Ny 30 isan-jaton’ireo ankizy ihany no nahavita niandry.
-
Inona, araka ny eritreritrao, no nahatonga ireo ankizy afaka niandry sy ireo hafa tsy afaka niandry?
-
Oviana no sarotra taminao ny niandrasana zavatra anankiray? Inona no nahasarotra izany taminao?
Indraindray ny Ray any An-danitra dia mangataka antsika hiandry valim-bavaka na fitahiana iray izay iriantsika. Indraindray Izy dia tsy manome antsika ny valim-bavaka na ny fitahiana andrasantsika amin’ny fomba na ny fotoana itiavantsika izany.
-
Inona no fitahiana na valim-bavaka sasany avy amin’ny Tompo izay mila iandrasantsika amim-paharetana?
Mety ho tenenin’ny mpianatra ny hoe miandry ny fanamafisana fa marina ny Bokin’ny Môrmôna, na hoe mikatsaka fanasitranana ho an’ny olona akaikin’ny fo tsy salama, na mitalaho amin’ny Ray any An-danitra mba hahazo valim-panontaniana momba ny filazantsara.
Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ny fomba hampiharana ity lesona ity amin’ny zavatra ilain’izy ireo manokana dia omeo fotoana izy ireo hisaintsainana ireto fanontaniana fanombanan-tena manaraka ireto.
-
Fitahiana na valim-bavaka avy amin’ny Ray any An-danitra inona no andrasanao amin’izao fotoana izao? Inona no mety hangatahiny aminao mba handrasanao any aoriana any?
-
Inona no mety hahamora na hahasarotra ho anao ny fiandrasana zavatra iray avy amin’ny Ray any An-danitra?
Eo am-pandalinana anio dia angataho ny fanampian’ny Fanahy Masina hampitombo ny fahatakaranao ny maha-zava-dehibe ny fiandrasana ny sitrapo sy fotoanan’ny Ray any An-danitra sy ny an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manasa ombam-bavaka ny Ray any An-danitra mba hanamafy ny fahaizanao miandry amim-paharetana.
Miandry ny Tompo amim-paharetana
Mety hanampy ny mizara amin’ny mpianatra fa ny Tompo dia nandefa ny mpaminany Isaia ho any amin’ny firenen’i Joda nandritra ny vanim-potoana fikorontanana ara-pôlitika sy ara-piarahamonina. Ny Isaia 25 dia mampahatsiahy ny mpianakavin’i Isiraely ny fitahiana lehibe izay azony sy horaisiny avy amin’ny Tompo.
Vakio ny Isaia 25:1–4, 6–9 ary tadiavo izay efa nataon’ny Tompo ho an’ny Isiraely sy izay mbola ho ataony amin’ny hoavy.
-
Inona no fitahiana izay manaitra anao?
-
Araka ny andininy 9, inona no angatahin’ny Tompo ataontsika mba handraisantsika ny fitahiany?
Ampio ny mpianatra hamantatra fahamarinana tahaka ny hoe raha miandry ny Tompo isika dia ho faly sy hiravoravo amin’ny famonjeny. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny andian-teny hoe “miandry ny Tompo”.
Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina ny namana iray manontany azy ireo ny hevitr’izany andian-teny izany. Ampio ny mpianatra hamorona fanazavana ho an’izany andian-teny izany. Raha mila fanampiana fanampiny amin’ny fahatakarana ny hevitry ny hoe miandry ny Tompo ny mpianatra dia azonao zaraina ity teny nambara manaraka ity.
Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales (1932–2017) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Ao amin’ ny soratra masina ny teny hoe miandry dia midika hoe manantena, manao zavatra mialoha, ary matoky. Ny hoe manantena sy matoky ao amin’ny Tompo dia mitaky finoana, faharetana, fanetrentena, fahamoram-panahy, fahari-po sy fitandremana ny didy ary faharetana hatramin’ny farany. (“Miandry an’i Jehovah: Aoka ny sitraponao no hatao”, Liahona, nôv. 2011, 71)
-
Misy zavatra hafa tianao zaraina ve, mba hanampiana ny hafa hahatakatra ny hevitry ny hoe miandry ny Tompo?
-
Nahoana, araka ny hevitrao, no zava-dehibe amin’ny Tompo ny fianarantsika miandry Azy? Ahoana no hanampian’izany antsika ho lasa tahaka Azy kokoa?
Mety hahazo tombontsoa avy amin’ity ohatra nasehon’i Jesoa Kristy tamin’ny fiandrasana ny Ray any An-danitra ity ny mpianatra. Azonao atao ny mizara ohatra hafa avy amin’ilay hafatry ny Loholona Hales manao hoe “Miandry an’i Jehovah: Aoka ny sitraponao no hatao”, (mari-potoana 0:59 ka hatramin’ny 2:57).
Fitahiana lehibe ampanantenaina an’ireo izay miandry ny Tompo
Mba hanampiana ny mpianatra hahita ireo fitahiana hafa ampanantenain’ny Tompo an’ireo izay miandry Azy dia azonao ampiasaina ireto sahanasa momba ny fahaizana mandalina soratra masina manaraka ireto. Manampy ny mpianatra hizatra hampifandray na hampifandrohy andinin-tsoratra masina mba hampitomboana ny fahatakarany kokoa ilay fitsipika ity sahanasa ity.
Misafidiana iray na maromaro amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto hohalalinina: Salamo 27:14; Isaia 40:31; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:45. Jereo ireo fitahiana fanampiny izay ampanantenain’ny Tompo an’ireo izay miandry Azy.
-
Mety ho toy ny ahoana ny fitahiana avy amin’ny fiandrasana ny Tompo amin’izao vaninandro misy antsika izao?
Mety hizara fitahiana tahaka ny fiadanam-po, fifaliana, na tanjaka rehefa miandry ny Tompo ny mpianatra.
Ho ohatra amin’ny fitahiana azo rehefa miandry ny Tompo, dia azonao atao ny mampiseho ny horonan-tsarin’ny tantaran’ny Filoha Uchtdorf manao hoe “Manohy amim-paharetana”, izay ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ka manomboka eo amin’ny mari-potoana 1:07 ka hatramin’ny 2:41. Asao ny mpianatra hijery ny zavatra nataon’ny Filoha Uchtdorf fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany mba hanaovana asa amim-pinoana raha teo am-piandrasana ny fitahiana nampanantenaina tamin’ny fanarahana ny Tenin’ny Fahendrena izy.
2:42Rehefa nasehonao ireto fanontaniana manaraka ireto dia mizarà zavatra fohy niainanao mandritra ny fotoana hieritreretan’ny mpianatra izay havaliny.
-
Oviana ianao no niandry valim-bavaka na fitahiana iray?
-
Inona no nataonao ka nanampy anao hiandry ny Tompo?
Mila miandry ny Tompo amim-pahavitrihana isika
Ny fanomezana fahafahana ny mpianatra hizara izay nohalalininy dia manamora ny fahitan’izy ireo ny zavatra ianarany sy ny fitomboany. Fomba iray hanatanterahana izany ity sahanasa manaraka ity. Raha ilaina dia asao ny mpianatra hieritreritra antsipiriany fanampiny hampiana ao amin’ilay rafi-tantara mba hahatonga izany hifandray amin’ny zavatra iainany.
Alaovy sary an-tsaina hoe angatahina ianao hanome torohevitra olona mitolona amin’ny fiandrasana fitahiana na valim-bavaka iray. Ao amin’ny diary fandalinanao:
-
Ataovy lisitra ny zavatra nianaranao androany ka nanampy anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny hoe miandry ny Tompo. Azonao atao ny mizara zavatra fantatrao mikasika ny Tompo ka nanampy anao.
-
Manorata andininy iray avy amin’ny Isaia 25 na soratra masina hafa ka mety hanampy ny olona iray hiandry ny Tompo amim-pahavitrihana.
-
Soraty izay tsapanao fa mety hanampy olona iray eo am-piandrasany valim-bavaka na fitahiana avy amin’ny Tompo. Azonao ampidirina ny zavatra niainanao manokana, na ny olona fantatrao, tamin’ny fandraisana fitahiana avy amin’ny Tompo.
Azonao atao ny mamarana ny fampianarana amin’ny fizarana ny fomba nahafantaranao fa afaka matoky ny Tompo ianao eo am-piandrasanao Azy.