“Mampandray anjara ny Tompo amin’ny fianaranao: Hampitombo sy hanamafy orina ny ezaka ataonao ny Tompo,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Mampandray anjara ny Tompo amin’ny fianaranao: Hampitombo sy hanamafy orina ny ezaka ataonao ny Tompo,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Mahomby any an-tsekoly: Lesona 192
Mampandray anjara ny Tompo amin’ny fianaranao
Hampitombo sy hanamafy orina ny ezaka ataonao ny Tompo
Rehefa mianatra isika dia hiatrika sakantsakana rehefa miasa mba hampitombo ny fahalalantsika sy ny fahatakarantsika ny fahamarinana. Tsy voatery hiatrika irery ireo olana ireo isika. Miraharaha antsika sy ny fivoarantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, ary te hanampy antsika amin’ny ezaka ataontsika any an-tsekoly Izy Ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampandray anjara ny Tompo amin’ny fianaran’izy ireo.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba nahitan’izy ireo ny Tompo nanampy azy ireo na ny olona iray fantany tany an-tsekoly. Azon’izy ireo atao ny miomana hizara ny zavatra niainany amin’ny iray kilasy.
Sahanasa fianarana azo atao
Olana any an-tsekoly
Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanasana mpianatra iray ho eny aloha mba hamita asa iray izay mitaky ny fanampian’ny hafa. Ohatra, tampeno ny mason’ilay mpianatra ary angataho izy ireo hanivana vatomamy na bokotra araka ny lokony avy. Raha sahirana ilay mpianatra amin’ny voalohany dia azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ny hoe: “Ahoana no ahafahan’ny hafa ao amin’ny efitrano manampy anao?”
-
Inona no ifandraisan’io fampisehoana io amin’ny ezaka ataontsika amin’ny fianarana any an-tsekoly?
-
Inona avy ireo toe-javatra sasantsasany any an-tsekoly na amin’ny fianarana izay mety ho sarotra ho an’ny zatovo?
Ny valin-tenin’ireo mpianatra dia mety ahitana zavatra toy ny hoe manana olana amin’ny taranja iray manokana any an-tsekoly, na olana amin’ny fianarana, na olana amin’ny fitantanana fotoana. Azonao atao ny mitanisa ireo valin-teny ireo eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanoratra olana iray izay atrehan’izy ireo amin’izao fotoana izao eo amin’ny fianarany. Hanampy ny fijerena io lisitra io mandritra ny lesona.
Mitahy ireo ezaka tsara ataontsika ny Tompo
Vakio ity teny nambaran’ny Loholona Clark G. Gilbert ao amin’ny Fitopololahy ity, ka tadiavo izay azontsika itodihana mba hahazona fanampiana amin’ireo fanamby eo amin’ny ezaka ataontsika amin’ny fianarana any an-tsekoly.
Fantatro fa mety ho sarotra ny manohy ny fianaranareo ary mitaky fahafoizan-tena. Fantatro fa tena sarotra ny asa ataonareo ary misy alina sarotra maro rehefa miari-tory ianareo mba hamita ireo enti-mody, hianatra hevitra vaovao, ary hitantana ireo fanolorantena hafa mitaky ezaka lehibe eo amin’ny fiainanareo. Saingy mifikira hatrany. Manehoa fikirizana hatrany. Fa mivonòna ihany koa hivoatra avy amin’ny fikirizana mankany amin’ny fianteherana amin’ny fahasoavana. Ampandraiso anjara ny Tompo. Mivavaha mba hahazo ny fanampiany, dia hampitombo ny ezaka ataonao Izy. Fantaro ny halehiben’ny fitiavanay anao. Manan-danja kokoa, fantaro ny halehiben’ny fitiavan’ny Tompo anao ary hoampatanjahany anao amin’ireo ezaka feno fahamarinana ataonao mba hianatra sy hivoatra ary ho tonga tahaka Azy kokoa. (“From Grit to Grace” [BYU–Pathway Worldwide devotional, Sept. 25, 2018], 2, byupathway.edu)
-
Inona no hitanao fa mitondra fanantenana ho anao na afaka mamporisika zatovo iray amin’ny fianarany?
Rehefa mizara ny mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra fitsipika iray toy ny hoe rehefa mampandray anjara ny Tompo amin’ny fianarantsika isika dia hampivoatra sy hanamafy orina ny ezaka ataontsika Izy.
-
Ahoana no mety hampitomboan’ny Tompo, na hampatanjahany ny ezaka ataontsika rehefa mampandray anjara Azy amin’ny fianarantsika isika?
Ny mpianatra dia mety hilaza zavatra toy ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy azy ireo hahatsiaro ny zavatra nohalalininy, na hanana faharetana amin’ireo mpampianatra sy mpiara-mianatra aminy, na hahatsapa fitoniana mandritra ny fanadinana iray. Azonao atao ny manazava fa matetika ny Tompo dia hanampy antsika hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, izay afaka mameno antsika amin’ny fitoniana, manampy antsika hahafantatra ny fahamarinana, ary hanazava ny eritreritsika (jereo ny Romana 15:13; Môrônia 10:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:15).
Fomba ampandraisana anjara ny Tompo amin’ny fianaranao
Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra fomba samihafa ahafahantsika mampandray anjara ny Tompo amin’ny fianarantsika any an-tsekoly dia azonao omena ohatra avy ao amin’ny soratra masina izy ireo. Fomba iray hanaovana izany ny taratasy zaraina hoe “Mampandray anjara ny Tompo amin’ny fianarantsika.” Azonao zaraina ho vondrona kely vitsivitsy ny mpianatra ary ampiandraiketo ampahany amin’ilay taratasy zaraina ny vondrona tsirairay. Ho solon’izany dia azon’ny mpianatra atao ihany koa ny misafidy ampahany iray amin’ilay taratasy zaraina mba hohalalinina sy hiarahana miasa amin’ireo mpianatra hafa izay nisafidy izany fizarana izany.
Rehefa vitan’ny mpianatra ilay taratasy zaraina dia hevero ny hanasa azy ireo hisafidy mpitondra teny iray hizara ny zavatra nifanakalozan’ilay vondrona hevitra.
-
Raha miainga avy amin’ny zavatra nohalalininao dia inona avy ireo zavatra manokana azontsika atao mba hampandraisana anjara ny Tompo amin’ny fianarantsika?
Raha mila fitarihana fanampiny ny mpianatra dia azonao atao ny mizara ny sasany amin’ireto manaraka ireto na izy rehetra ho fomba hampandraisana anjara ny Tompo amin’ny fianarantsika:
-
Diniho ary aoka ianao ho feno fankasitrahana noho ireo fivoarana kely na tsy tapaka (2 Nefia 28:30).
-
Ao anatin’ny vavaka dia mangataha fitahiana manokana amin’ny Ray any An-danitra toy ny fananana herimpo hanangana ny tananao, hametraka fanontaniana, ary hahazo fanampiana fanampiny (Etera 2:18–23).
-
Ekeo ireo fahalemenao ary ampiharo ny finoanao ny Tompo fa hanampy anao amin’izy ireny Izy (Mosesy 6:31–34; Mosesy 7:13).
-
Halalino ireo zavatra noraisina an-tsoratra avy ao an-dakilasy isan’andro ary mangataha tsodranon’ny fisoronana alohan’ny fitsapana na andraikitra manan-danja iray (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118).
Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara zavatra niainana iray mikasika ny fomba nampitomboan’ny Tompo sy nampatanjahany azy ireo na ny olona iray fantany rehefa nampandray anjara ny Tompo tamin’ny fianarany izy ireo.
Mampandray anjara ny Tompo amin’ny fianarantsika
Omeo fotoana ireo mpianatra hanaovana drafitra hampandraisana anjara ny Tompo amin’ny fianaran’izy ireo. Azonao atao avy eo ny mampiseho ireto torolalana manaraka ireto ary manasa ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ny eritreritr’izy ireo ao amin’ny diary fandalinany.
Eritrereto ny olana iray izay atrehanao amin’izao. Vitao ao anatin’ny diary fandalinanao ity manaraka ity.
-
Inona ao amin’ny asa atao any am-pianarana no tianao hampandraisana anjara ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Ataovy voafaritra mazava tsara ny zavatra ho ataonao.
Azonao atao ny mangataka ireo mpianatra izay vonona hizara ny zavatra tsapany fa tokony hataony. Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fomba hitahian’ Izy Ireo antsika rehefa mampandray anjara Azy Ireo amin’ny fianarantsika isika.