Seminera
Mahita mpanorohevitra: Mametraka olona fakan-tahaka eo amin’ny lalantsika ny Tompo


“Mahita mpanorohevitra: Mametraka olona fakan-tahaka eo amin’ny lalantsika ny Tompo,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Mahita mpanorohevitra: Mametraka olona fakan-tahaka eo amin’ny lalantsika ny Tompo,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fiomanana amin’ny fianarana sy asa hatao any aoriana: Lesona 191

Mahita mpanorohevitra

Mametraka olona fakan-tahaka eo amin’ny lalantsika ny Tompo

A series of images showing mentors talking to individuals, groups of people talking together, training on the computer, working on a forklift in the warehouse, working in D.I., working on a computer and answering phones and graduating from college.

Rehefa misaintsaina ny fiainanao ianao dia tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ireo mpanorohevitra azo itokisana anao? Avy amin’i Mosesy sy Josoa ka hatrany amin’i Ely sy i Samoela, ireo tantara avy ao amin’ny soratra masina dia maneho ny lanjan’ny fifandraisana amin’ny mpanorohevitra. Ireo tantara ireo dia manondro antsika any amin’ireo mpanorohevitra tonga lafatra antsika, dia ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanao drafitra hamantarana sy hifandraisana amin’ireo izay mety ho mpanorohevitra mikasika ny fianarana sy ny asa.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ireo tanjona amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy amin’ny fianarana sy ny asa. Angataho ny mpianatra hanao lisitra ireo olon-dehibe vitsy azo antoka izay afaka ny ho maodely na mpanorohevitra mba hanampiana azy ireo hanatanteraka ireo tanjona ireo sy hitondra ny lisitr’izy ireo ao an-dakilasy.

Sahanasa fianarana azo atao

Iza no tianao harahina?

A young man walking with a walking stick on a trail.

Hevero ny hanomboka ny lesona amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe anisan’ny andiana namana iray izay hanomboka dia iray hamakivaky ala mikitroka matevina izy ireo. Nambara tamin’ilay vondrona fa ho sarotra ilay dia, saingy ho mahatalanjona ilay toerana haleha ary mendrika ny hisasarana izany. Nasaina ilay vondrona hisafidy olona hitarika azy ireo.

  • Inona avy ireo fepetra sasantsasany tianao ananan’ilay mpitarika anao? Nahoana?

  • Inona no havalinao raha toa ka manoro hevitra ny mpikambana iray ao amin’ilay vondrona fa tsy mila mpitarika ianareo?

Asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba azo ampiharana io rafi-tantara io amin’ny drafitra ara-pianarana sy arak’asa ataon’izy ireo. Azonao atao ny milaza fa ity lesona ity dia hifantoka amin’ny famantarana sy ny fifandraisana amin’ireo mpanorohevitra.

Fanamarihana: Mety manana mpianatra izay tsy mahita ny filana mpanorohevitra iray ianao. Azonao atao ny mitady fahafahana hanampiana azy ireo hahatakatra ny lanjan’ireo mpanorohevitra sy ireo lafin-javatra izay ahafahan’izy ireo mahazo fanampiana anio. Ampio ireo mpianatra hamantatra fa, tahaka ny mpitarika iray, ny mpanorohevitra dia afaka mitondra traikefa sy hevi-baovao izay afaka manampy antsika hamakivaky ireo fanapahan-kevitra ara-pianarana sy arak’asa raisintsika.

Halalino ireo fehezan-teny ireo mba hitadiavana ny fomba ahafahan’ny Tompo mitarika anao amin’ny alalan’ny torohevitry ny mpanorohevitra.

Rahalahy Milton Camargo, izay Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady Maneran-tany dia nilaza hoe:

Milton Camargo, first counselor in the Sunday School general presidency called in 2019 takes an official portrait i August 2022..

Amin’ny fotoana sasany mandritra ny dianao [ao amin’ny] fianarana … [dia] mety hahatsapa ho tototra amin’ny zavatra maro tokony hatao ianao. Tsarovy fa tsy irery ianao mandritra ireo fanamby atrehanao. Nomen’ny Tompo olona maro izay afaka manohana anao ianao—olona ao amin’ny fianakaviana; mpitarika ao amin’ny Fiangonana; namana; ary koa ireo mpampianatra, na mpanorohevitra anao. Ary mazava ho azy fa ny Tompo mihitsy no vonona mandrakariva hampionona sy hampahery anao. (“Persevere with the Lord’s Help” [BYU–Pathway Worldwide devotional, Mar. 1, 2022], 2, byupathway.edu)

Nampianatra izao ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Official Portrait (as of June 2016) of Elder Ronald A. Rasband of the Quorum of the Twelve Apostles.

Efa nandeha teo anoloantsika [ireo mpanorohevitra] ary fantatr’izy ireo ny lalana. … Olona iray manana traikefa sy azo itokiana kokoa no mpitarika sy mpanorohevitra mahomby raha oharina amin’ny olona tsy dia manana traikefa, manampy amin’ny famolavolana ny fahatakaran’ilay olona sy mampianatra ireo fitsipika izay hahatonga azy hahomby kokoa, ho matanjaka kokoa, ho hendry kokoa, ary ho sarobidy kokoa amin’ny maha-mpanompon’ Andriamanitra azy” (“Thy Friends Do Stand by Thee” [Brigham Young University devotional, Mar. 7, 2010], 3, speeches.byu.edu).

  • Inona no nanaitra anao tao amin’io torohevitra io?

    Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Afaka mitarika antsika amin’ny alalan’ireo mpanorohevitra azo itokisana ny Tompo.

    Asao ny mpianatra hisaintsaina izao manaraka izao:

  • Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no nandray fanampiana avy tamin’ny mpanorohevitra iray?

  • Inona avy ireo lafiny sasantsasany amin’ny drafitra ara-pianaranao na arak’asanao izay mety hahazo tombontsoa avy amin’ny fitarihan’ny Tompo anao amin’ny alalan’ny torohevitry ny mpanorohevitra iray?

Afaka mizara ohatra iray momba ny olona iray izay efa mpanorohevitra anao ianao. Hevero ny hizara ny zavatra niainanao rehefa niara-niasa tamin’izany olona izany ianao sy ny fomba nanampian’izany anao hahita ny fitarihan’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainanao.

Rehefa mandalina ianao anio, dia asao ny Fanahy Masinahanampy anao hamantatra ireo mpanorohevitra azo itokisana eo amin’ny fiainanao izay afaka manampy anao hikatsaka ny fitarihan’ny Tompo rehefa mandray fanapahan-kevitra momba ny drafitra ara-pianarana sy arak’asanao ianao.

Ohatra amin’ny mpanorohevitra ao amin’ny soratra masina

Mety hanampy ny mizara fa iray amin’ireo anarana nomena ny Ray any An-danitra ny hoe “Lehilahin’ny Torohevitra,” (jereo ny Mosesy 7:35). Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky ny Jaona 5:19–20 sy ny Jaona 8:26–28, ka hitady ny fomba nanoroan’ny Ray any An-danitra hevitra an’i Jesoa Kristy Zanany. Afaka mametraka fanontaniana toy izao ianao:

  • Manampy antsika hahatakatra inona momba ny filan’ny Mpamonjy mpanorohevitra izany?

Mety hilaza ny mpianatra fa nianatra avy tamin’ny ohatra nasehon’ny Rainy i Jesoa ary nikatsaka ny torohevitra sy ny fitarihan’ny Rainy Izy.

Rehefa avy mizara ny mpianatra dia azonao atao ny manome ireto ohatra ao amin’ny soratra masina manaraka ireto izay ahitana ny Tompo mitarika ny vahoakany amin’ny alalan’ireo mpanorohevitra nentanim-panahy. Afaka miara-miasa amin’ny namana iray ny mpianatra ary misafidy tantara iray hohalalinina sy hamaliana ireo fanontaniana manaraka izany.

Mosesy sy Josoa: Deoteronomia 3:21–22 (i Mosesy nitarika an’i Josoa), 28 (ny torolalana nomen’ny Tompo an’i Mosesy)

I Debora mpaminany vavy sy i Baraka, izay mpibaiko miaramilany: Mpitsara 4:4–10, 14; Mpitsara 5:1–3 (mankalaza ny fandresen’i Isiraely)

I Ely mpisorona avo sy i Samoela ilay mpaminany tanora, 1 Samoela 3:1–10

  • Ahoana no fomba nanomezan’ny Tompo ny fitarihany tamin’ny alalan’io mpanorohevitra io?

  • Ahoana no ahafahan’io tantara io manampy olona iray izay misalasala ny hikatsaka fanampiana avy amin’ny mpanorohevitra iray?

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra sy hanao drafitra hifandray amin’ireo mpanorohevitra mety hanampy azy ireo.

sary famantarana ny seminera Omeo ny mpianatra tsirairay ilay taratasy zaraina hoe “Mahita mpanorohevitra”. Zarao ho vondrona na mpiara-miasa ireo mpianatra mba hamita ilay taratasy zaraina. Ho solon’izany dia azonao atao ihany koa ny mametraka ny fizarana tsirairay ao amin’ilay taratasy zaraina manodidina ny efitrano dia asao ny mpianatra hifamadibadika sy hamita ny sahanasa tsirairay.

Mitarika antsika amin’ny alalan’ny mpanorohevitra azo itokisana ny Tompo.

Rehefa ampy ny fotoana nomena hanaovana izany dia asao ny mpianatra maromaro hizara ny zavatra noresahan’izy ireo tao amin’ny vondrona nisy azy. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny drafitr’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Mety hanampy ny fanazavana fa ny ray aman-dreny, ny mpampianatra, ny mpanolotsaina any an-tsekoly, ary ireo hafa dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra mpanorohevitra mifanaraka amin’izay ilaina. Ny sampana sy paroasy ary tsatòka sasany dia mety hanana manam-pahaizana manokana momba ny fianarana sy ny asa mihitsy aza. Omeo toky ireo mpianatra fa mametraka olona maro azo itokisana eo amin’ny lalantsika izay afaka ny ho mpanorohevitra ny Tompo. Ny olona sasany dia mpanorohevitra mandritra ny fotoana fohy ary mifanaraka amin’ny zavatra manokana ilaintsika. Afaka miara-miasa amintsika mandritra ny fotoana maharitra kokoa ireo mpanorohevitra hafa.

Asao ny mpianatra hikatsaka ny fanampian’ny Ray any An-danitra mba hahitany sy hifandraisany amin’ireo mpanorohevitra izay afaka manampy azy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa hanome azy ireo ny fanampiana ilain’izy ireo Izy.