“Mandresy ireo sakana amin’ny fanohizana ny fianarana: Mampiasa ireo loharanom-pitaovana rehetra misy,“ Testamenta Taloha: Boky Torolalana Ho an’ny Mpampianatra Seminera Momba (2026)
“Mandresy ireo sakana amin’ny fanohizana ny fianarana: Mampiasa ireo loharanom-pitaovana rehetra misy,“ Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fiomanana amin’ny fianarana sy asa hatao any aoriana: Lesona 190
Mandresy ireo sakana amin’ny fanohizana ny fianarana
Mampiasa ireo loharanom-pitaovana rehetra misy
Nampianatra ny Tompo fa ny “voninahitr’ Andriamanitra dia ny faharanitan-tsaina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:36). Ankoatra izany dia namerimberina nampianatra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana momba ny maha-zava-dehibe ny fianarana. Kanefa indraindray dia misy ireo sakana izay mampahasarotra ny fanohizana ny fianarantsika. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra ireo loharanom-pitaovana misy mba handresena ireo sakana amin’ny fanohizana ny fianarany.
Sahanasa fianarana azo atao
Mamantatra ireo sakana
Fanamarihana: Miovaova manerana an’izao tontolo izao ireo sakana amin’ny fanohizana ny fianarana. Azonao atao ny mampifanaraka ireo rafi-tantara na ireo sakana misy arakaraka ny faritra misy anao sy ny zavatra ilain’ireo mpianatrao.
Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanaovana sary na fampisehoana sarina zatovo iray mijery eny ampitan’ny renirano iray ny fanehoana ny fianarana any aoriana tahaka ity iray eto ambany ity. Avy eo dia zarao ity rafi-tantara manaraka ity.
Nandritra ny lesona seminera vao haingana dia nizara fanambarana vitsivitsy avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mikasika ny maha-zava-dehibe ny fianarana aorian’ny lisea ny mpampianatra an’i Liam. Mino izany torohevitra izany i Liam ary te hanaraka izany. Saingy rehefa mieritreritra ny hoavy izy dia feno ireo sakana mety hanakana azy tsy hanatratra ny tanjony ny sainy.
Rehefa avy nizara ny zavatra niainan’i Liam ianao dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hitanisa ireo sakana eo ambony na akaikin’ny sarin’ilay renirano izay mety hanakana an’i Liam na ireo zatovo hafa tsy hanohy ny fianarany. Raha nanao ny fiomanan’ny mpianatra ireo mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny sakana sasantsasany ao amin’ny lisitra nataon’izy ireo.
Amporisiho ny mpianatra hieritreritra ireo sakana ivelany sy anatiny. Ireo sakana ivelany dia mety ahitana ny tsy fahampiana ara-bola, na naoty ambany, na tsy fahampian’ny fahafahana. Ireo sakana anatiny dia mety ahitana ny tsy fahampian’ny fahatokian-tena, na tsy fisian’ny fanantenana na faniriana.
Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ireo mety ho sakana amin’ny fanohizana ny fianarany dia azonao atao ny manasa azy ireo hanao izao manaraka izao.
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana ireto:
-
Inona avy ireo sakana (eny amin’ny solaitrabe na hafa) mety mampiahiahy anao ka manembantsembana ny fanohizanao ny fianaranao?
-
Hatraiza ny fahatokian-tenana anananao ka ahafahanao mandresy ireo sakana ireo ianao?
-
Ahoana no hanampian’ny Mpamonjy anao handresy ireo sakana ireo?
Mandritra ny lesona androany dia mikatsaha fahatsapana avy amin’ny Fanahy mba hanampy anao hamantatra ireo fomba manokana handresena ireo sakana amin’ny fianaranao.
Miampita ny Reniranon’i Jordana
Mba hanampiana ny mpianatra hampiasa ny soratra masina hianarana ny fomba handresena ireo sakana amin’ny fianaran’izy ireo dia hevero ny hifanakalo hevitra momba ny tantaran’i Josoa sy ny zanak’Isiraely niampita ny Renirano Jordana (jereo ny Lesona 62: “Josoa 2–4“ mba hahitana antsipiriany bebe kokoa). Azonao atao ny mamaky na mamintina ity andiam-pehezan-teny manaraka ity raha ilaina.
Rehefa tonga tany Kanana i Josoa sy ny zanak’Isiraely dia nampanantenain’ny Tompo azy ireo ny tany rehetra teo ampitan’ny reniranon’i Jordana (jereo ny Josoa 1:1–7). Na izany aza anefa dia niatrika ny sakan’ny fiampitana ilay renirano tondraka izy ireo mba hanatratrarana ny tanjon’izy ireo (jereo ny Josoa 3:15).
Azonao atao ny mandamina ireo mpianatra ho tsiroaroa mba hamaky sy hifanakalo hevitra momba ireto andininy manaraka ireto. Mety hanampy ny fanazavana fa ireo andian-teny hoe “hijanona ho toy ny antontan-javatra“ (andininy 13) sy ny hoe “tonga ho toy ny antontan-javatra“ (andininy 16) dia entina ilazana ny fikorianan’ny Renirano’i Jordana izay nijanona.
Vakio ny Josoa 3:6–8, 13–17, dia tadiavo ireto manaraka ireto:
-
Ireo fihetsika feno fahatokiana nataon’ireo mpisorona dia nitondra ny zanak’Isiraely hiampita ny Reniranon’i Jordana
-
Ny fanampian’ Andriamanitra ny zanak’Isiraely mba hiampita ny Renirano Jordana
Azon’ny mpianatra atao ny mizara amin’ny mpiara-miasa ny zavatra hitany. Azon’izy ireo atao ny mifanakalo hevitra momba ny fomba nahafahan’ny asa feno fahatokiana nataon’ireo mpisorona sy ny fanampian’ny Tompo nanampy ny zanak’Isiraely handresy ilay sakana.
Azonao atao avy eo ny manontany ny iray kilasy izao manaraka izao:
-
Ahoana no ahafahan’io tantara io manampy zatovo iray izay miatrika sakana amin’ny fanohizana ny fianarany?
Manorata ao anatin’ny diary fandalinanao fehezanteny milaza fahamarinana iray miainga amin’ny zavatra nianaranao ka azo ampiharina amin’ny fandresena ireo sakana amin’ny fanohizana fianaranao.
Mety hampiasa ny teniny manokana ny mpianatra mba hizarana fahamarinana toy izao: Rehefa mandroso amim-pinoana an’i Jesoa Kristy isika dia hanampy antsika Handresy ireo sakana izay atrehintsika Izy.
-
Nahoana no ilaina ny mandroso amim-pinoana an’i Jesoa Kristy (manao ny zava-drehetra amin’ny herintsika) mba handresena ireo sakana amin’ny fianarana?
-
Nahoana no mety ilaina ny fikatsahana amim-pahatokiana ny fanampian’ Andriamanitra mba handresena ireo sakana amin’ny fianarana?
Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa tafiditra ao anatin’ny fandrosoana amim-pinoana an’i Jesoa Kristy ny ezaka rehetra mety hataon’izy ireo. Ohatra, ny firesahana amin’ny mpanolotsaina iray, sy ny fitadiavana vola, ary ny fandoavana amim-pahatokiana ny fahafolonkarena dia samy fomba handrosoana amim-pinoana an’i Jesoa Kristy avokoa mba handresena ireo sakana amin’ny fianarana.
Mampihatra rafi-tantara
Ity sahanasa manaraka ity dia manampy ny mpianatra hampihatra ny fisainana tia manadihady. Azonao atao ny manazava amin’ny mpianatra fa ny fisainana tia manadihady dia fahaiza-manao izay afaka manampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara. Tafiditra ao anatin’izany ny (1) fandinihana sy fanangonana fampahalalana momba ilay fanapahan-kevitra, (2) mametraka fanontaniana momba ny zavatra dinihinao, (3) mifanakalo hevitra momba ny zavatra nodinihinao amin’ny hafa, ary (4) mamaha olana miainga avy amin’ny zavatra nianaranao. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamita ny tsirairay amin’ireo dingana ireo ao anatin’ity sahanasa ity.
Asao ny mpianatra hamorona rafi-tantara iray ahitana sakana tena mihatra amin’ny tanora. Raha mila fanampiana izy ireo dia afaka mameno ny banga ao amin’ity fehezanteny manaraka ity.
(anaran’ny zatovo) dia mahafantatra fa manan-danja ny fianarana aorian’ny lisea. Saingy sakana iray amin’ny fanohizana ny fianarany ny (fariparito ny sakana).
Azonao atao avy eo ny manangona ireo rafi-tantara nofenoina, mampifangaro izany, ary mamerina mizara izany amin’ny iray kilasy.
Azon’ny mpianatra atao ny mampiasa ny taratasy zaraina hoe “Fanangonana fampahalalana mba handresena ireo sakana amin’ny fianarana“ sy ireo lesona nianaran’izy ireo avy ao amin’ny Josoa 3 mba hanampiana azy ireo hamaly ireo fanontaniana etsy ambany momba ilay rafi-tantara azony. Azon’izy ireo soratana ao ambadik’ilay tatratasy misy ilay rafi-tantara ny valintenin’izy ireo.
-
Inona avy ireo fanontaniana mety hapetrak’io olona io rehefa mandinika ireo loharanom-pitaovana misy izy ireo? Iza no azon’izy ireo ifanakalozana hevitra momba ny sasany amin’ireo fanontanian’izy ireo?
-
Inona avy ireo asa azon’io olona io atao mba handrosoana amim-pinoana an’i Jesoa Kristy mba handresena ny zavatra manakana azy ireo?
-
Ahoana no mety hanampian’ Andriamanitra io olona io handresy ny zavatra manakana azy ireo?
Azonao asaina ny mpianatra izay vonona mba hizara ny rafi-tantarany ary hiady hevitra amin’ny iray kilasy. Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo, dia azonao atao ny manasa ireo mpianatra hizara zavatra niainana izay nanampian’ Andriamanitra azy ireo na ny olona iray fantatr’izy ireo handresy sakana iray amin’ny fanohizana ny fianarany. Na azonao atao ny mizara ohatra iray avy amin’ny “Elder and Sister Gilbert’s Comments,“ manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:25 ka hatramin’ny 5:48 amin’ny fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony.
Famintinana
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamerina hijery ny lisitr’ireo sakana manokana izay hitan’izy ireo tany am-piandohan’ny fotoam-pianarana. Amporisiho izy ireo hikatsaka fitarihana avy amin’ny Fanahy rehefa mamaly ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny diariny izy ireo.
-
Inona avy ireo loharanom-pitaovana azonao ampiasaina avy amin’ny fifanakalozan-kevitra androany mba hanampiana anao handresy ireo sakana sy hiomana amin’ny fianarana amin’ny any aoriana?
-
Inona avy ireo asa feno fahatokiana azonao atao mba hahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy anao handresy ireo zavatra manakana anao?
Azonao faranana amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona fa rehefa manao amim-pifaliana ny zava-drehetra amin’ny herintsika isika dia hanampy antsika handresy ireo zavatra manakana antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hanohizana ny fianarantsika.