Seminera
Ny maha-zava-dehibe ny fianarana: Ireo fitahiana ara-batana sy ara-panahy avy amin’ny fianarana


“Ny maha-zava-dehibe ny fianarana: Ireo fitahiana ara-batana sy ara-panahy avy amin’ny fianarana,“ Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Ny maha-zava-dehibe ny fianarana: Ireo fitahiana ara-batana sy ara-panahy avy amin’ny fianarana,“ Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fiomanana amin’ny fianarana sy asa hatao any aoriana: Lesona 188

Ny maha-zava-dehibe ny fianarana

Ireo fitahiana ara-batana sy ara-panahy avy amin’ny fianarana

A classroom of high school students

Na dia mety ho tena sarotra aza ny fahazoana fianarana dia mendrika fahafoizan-tena sy ezaka izany. Tsy vitan’ny hoe afaka mitahy ny fiainantsika sy ireo manodidina antsika fotsiny ny fanabeazana fa manomana antsika ho fitaovana tsaratsara kokoa eo amin’ny fanatanterahana ny asan’ny Tompo. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fianarana na ara-batana na ara-panahy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina zavatra iray izay tian’izy ireo ianarana momba izany fahalianana izany sy ny fomba nikolokoloan’izy ireo izany. Azon’izy ireo atao ihany koa ny misaintsaina ny maha-sarobidy ny fianarana izany fahalianana izany tamin’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Fahalalahana na famerana

Hevero ny hanao sarina lantonoara roa eny amin’ny solaitrabe, araka izay aseho etsy ambany. Azon’ny mpianatra atao ny manao sarin’ireo lantonoara ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mitondra lantonoara roa na mamorona iray tsotsotra amin’ny taratasy .

Asao ny mpianatra mba hanondro ny ilan’ilay lantonoara izay somary teritery kokoa sy ilay ilany izay toa misokatra na malalaka kokoa. Avy eo dia soraty ny hoe Mahazo fianarana eo ambonin’ny sary voalohany.

Culinary funnel

Alaivo sary an-tsaina hoe ilay lavaka kely amin’io lantonoara io dia maneho ny fahazoana fianarana.

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hahatonga ny fahazoana fianarana ho toa manisy sakana na famerana ny olona sasany amin’ny voalohany?

  • Inona no mety hasehon’ilay lavaka lehibe kokoa eo ambany? Nahoana?

Mety hanazava ny mpianatra fa na dia mitaky ezaka sy fitsipi-pifehezana ary fahafoizan-tena betsaka aza ny fahazoana fianarana dia afaka hitarika amin’ireo fitahiana avy amin’ny Tompo izany, anisan’izany ny fahalalana sy ireo fahafahana ary ny fivoarana bebe kokoa.

Soraty eo ambonin’ilay sary faharoa ny hoe Misafidy ny tsy hahazo fianarana:

Izao dia alaivo sary an-tsaina ilay lavaka lehibe kokoa amin’ilay lantonoara hoe maneho ny fisafidianana ny tsy handray fianarana.

  • Inona no mety hasehon’ilay lavaka kely eo ambany? Nahoana?

Mety hanazava ny mpianatra fa ny fisafidianana ny tsy hanao ezaka mba hahazoana fianarana dia mety ho toy ny manafaka amin’ny voalohany, saingy mety hitarika any amin’ny fahalalahana, sy fahafahana, ary fivoarana voafetra izany.

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Zava-dehibe toy ny ahoana ny fianarana aminao? Nahoana?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny safidinao mba hahazo na tsy hahazo fianarana eo aminao sy ny manodidina anao?

Afaka manampy anao hamantatra ireo hafatra natao ho anao fotsiny ny Fanahy Masina. Rehefa mianatra momba ny fianarana ianao dia mifantoha amin’ireo fahatsapana izay mety hanampy anao amin’ireo tanjonao eo amin’ny fianarana sy ny fiainana.

Mianara mandrakariva

Asehoy ireto fehezanteny manaraka ireto. Azonao zaraina amin’ny mpianatra tsirairay ny torolalana Ho zatovo, Mahery! na asao izy ireo hitady izany ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile.

Azonao atao ny manasa ny mpianatra handalina manokana ireo fehezanteny dia avy eo hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatina vondrona kely.

Vakio ireto fehezanteny manaraka ireto ka tadiavo ny zavatra nianaranao momba ny fianarana sy ny fanabeazana.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Manantena ireo zanany ny mpahary antsika na aiza na aiza misy azy ireo mba handranto fianarana ho tombontsoan’ny tena manokana. (“Education—A Religious Responsibility“ [Brigham Young University–Idaho fampaherezam-panahy, 26 Jan. 2010], byui.edu)

Manazava ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy hoe:

Tian’ny Ray any An-danitra hianatra foana ireo zanakavaviny sy zanakalahiny. Manana antony ara-batana sy ara-panahy ianao ny hikatsaka sy hitia fianarana. Ny fandrantoana fianarana dia tsy natao hitadiavam-bola fotsiny ihany. Ampahany amin’ny tanjonao mandrakizay mba ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra kokoa izany. …

Mianara mandrakariva Mitadiava fahafahana hampivelarana ny sainao sy hampitomboana ny fahaiza-manao anananao. Mety ho tafiditra ao anatin’ireo fahafahana ireo ny fianarana ara-dalàna any an-tsekoly na ny fiofanana arak’asa sy ny fianarana ataon’ny tena manokana avy amin’ireo loharanom-pahalalana atokisanao. Ampandraiso anjara amin’ny ezaka ataonao ny Tompo dia hitarika anao Izy. Rehefa mianatra momba ny tontolo manodidina anao ianao dia mianara ihany koa momba ny Mpamonjy izay nahary izao tontolo izao. Halalino ny fiainany sy ny fampianarany. Ampidiro ao anatin’ny fianarana ataonao mandritra ny fiainana ny seminera sy ny institiota ary ny fandalinana ny filazantsara ataon’ny tena manokana. …

Mampitombo ny fahaizanao manompo ny Tompo ny fandrantoana fianarana. Manome hery anao hitahy ny hafa izany, indrindra fa ny fianakavianao. Arakaraka ny ianaranao no ahafahanao manampy amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra sy mitaona izao tontolo izao amin’ny tsara. (Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy [2022], 31–32)

  • Andin-teny inona tao amin’ireo fehezanteny ireo no manan-danja indrindra aminao? Nahoana?

  • Inona no fahamarinana ara-panahy azontsika ianarana avy amin’ireo fehezanteny ireo?

    Raketo an-tsoratra ireo fahamarinana izay zarain’ny mpianatra eo akaikin’ilay lantonoara voalohany eny amin’ny solaitrabe. Afaka manao toy izany koa ny mpianatra amin’ny sary nataon’izy ireo. Mety hizara fahamarinana toy ireto manaraka ireto izy ireo:

    • Ampahany amin’ny tanjontsika mandrakizay mba ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra kokoa ny fianarana.

    • Tian’ny Ray any An-danitra hianatra foana ireo zanakavaviny sy zanakalahiny.

    • Ny fianarana dia hampitombo ny fahafahantsika manompo ny Tompo sy mitahy ny hafa.

  • Nahoana no ampahany manan-danja ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fianarana sy ny fanabeazana?

  • Ahoana no mety hanampian’ireo fahamarinana ireo ny olona iray izay mahita ny fianarana ho sakana na famerana?

Ny maha zava-dehibe ny fianarana

Ny fianarana sy ny fanabeazana dia ampahany manan-danja foana amin’ny fivoarana ho an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra. Ohatra, i Adama sy i Eva dia nampianatra ny zanany ireo zavatra ara-panahy sy ara-nofo (jereo ny Mosesy 5:10–12; 6:5–6), izay nanampy azy ireo ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra kokoa.

sary famantarana ny seminera Miankina amin’ny fotoana dia hevero ny hampiasa ny iray na ny maromaro amin’ireto safidy manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fomba ahafahan’ny Tompo mitahy azy ireo bebe kokoa noho ny fikatsahana fanabeazana. Azon’izy ireo atao ny mitanisa izay fitahiana hitan’izy ireo eo ambanin’ny sarin’ilay lantonoara voalohany.

  • Azon’ny mpianatra atao ny manaraka ireo torolalana ao amin’ilay taratasy zaraina hoe “Ny maha zava-dehibe ny fianarana.“

  • Azon’ny mpianatra atao ny mijery horonan-tsary toy ny “Education for a Better Life“ (4:55) na ny “Love of Learning“ (2:57), ka hitady ireo fomba ahafahan’ny fianarana sy ny fanabeazana mitondra fitahiana sy fahafahana. Hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org avokoa ireo horonan-tsary ireo.

4:56
2:58
  • Afaka mitady soratra masina na teny nindramina izay mitaona ny fanahin’izy ireo hikatsaka fianarana sy fanabeazana ny mpianatra. Azon’izy ireo atao ny mikaroka ny “Fanabeazana“ ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na ny Médiathèque de l’Évangile. Mety hanampy ireto soratra masina manaraka ireto: Ohabolana 3:13–20; 4:5–8; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:18–19.

Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mizara ny zavatra nianaran’izy ireo na hitany. Azon’izy ireo zaraina ihany koa ny maha-porofon’ireo fahamarinana eny amin’ny solaitrabe ireo fitahiana hitany. Avy eo dia afaka mamaly ny iray na ’ireto fanontaniana roa manaraka ireto ny mpianatra izay vonona:

  • Inona avy ireo fitahiana avy amin’ny Tompo hitanao teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’ny hafa noho ny fianarana sy ny fanabeazana?

  • Inona avy ireo zavatra niainanao ka nanampy anao hahita fa miraharaha ny fianaranao ny Ray any An-danitra?

Famintinana

Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana iray izay mankahala sekoly ianao ary mieritreritra safidy izay tsy hitaky fianarana bebe kokoa aorian’ny lisea. Soraty ny zavatra tianao hozaraina amin’ilay namanao amin’ny fampiasana ny zavatra nianaranao androany. Ireto manaraka ireto dia ohatra amin’ny zavatra azonao ampidirina ao anatin’izany:

  • Ireo fitahiana ara-batana sy ara-panahy izay azon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy itahiana antsika noho ny fahazoana fianarana.

  • Soratra masina, na teny nindramina, na eritreritra manokana na zavatra niainana izay manan-danja aminao.

Manasà mpianatra vitsivitsy hizara amin’ny iray kilasy. Hevero ny hijoro ho vavolombelona momba maha fitahiana lehibe ny fianarana eo amin’ny fiainantsika, indrindra amin’ny fanampiana antsika ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa.