Seminera
Fianarana ho an’ny fanahy manontolo: Fanaovana laharam-pahamehana ny fianaran’ny saina sy ny fanahy


“Fianarana ho an’ny fanahy manontolo: Fanaovana laharam-pahamehana ny fianaran’ny saina sy ny fanahy ,“ Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Fianarana ho an’ny fanahy manontolo: Fanaovana laharam-pahamehana ny fianaran’ny saina sy ny fanahy,“ Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fiomanana amin’ny fianarana sy asa hatao any aoriana: Lesona 189

Fianarana ho an’ny fanahy manontolo

Fanaovana laharam-pahamehana fianaran’ny saina sy ny fanahy

Japan: Nagoya Institute

Mamporisika antsika ny Tompo mba hanao ny fianarana tsy ara-pivavahana sy ny fianarana ara-pivavahana ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainantsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77–80). Ny fianarana tsy ara-pivavahana sy ny fianarana ara-pivavahana dia afaka manatsara ny fahafahantsika manompo an’ Andriamanitra sy ny hafa ka hizaka tena. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hamorona drafitra entina hanohizana ny fianarany tsy ara-pivavahana sy ny fianarana ara-pivavahana any amin’ny sekoly ambaratonga ambony.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra ho tonga ao an-dakilasy vonona hizara farafahakeliny safidy roa izay eritreretiny ho ataon’izy ireo aorian’ny sekoly ambaratonga faharoa.

Sahanasa fianarana azo atao

Manao lahara-pahamehana ny fianarana

Manaova sarin’olona tsotsotra eny amin’ny solaitrabe. Aza misalasala manampy na manamboatra ny antsipirian’ilay rafi-tantara mba hahafahan’ny mpianatra mahatakatra tsara kokoa izany.

Stick Figure Personality

Te hanao zavatra hafa i Reggie aorian’ ny lisea fa tsy hanohy ny fianarany intsony. Te hiasa ora maro kokoa amin’ ny asany amin’ izao izy. Alohan’ny hamitana ny fanapahan-keviny dia nanapa-kevitra izy ny handinika ireo tombontsoa sy voka-dratsin’ny fanohizana ny fianarany.

  • Inona avy no mety ho tombontsoa sasantsasany izay azon’i Reggie tanisaina avy amin’ny fanohizana ny fianarany?

  • Inona no mety ho sasany amin’ireo voka-dratsiny?

Afaka manomboka manao lisitra ireo mpianatra miaraka amin’ny mpiara-mianatra iray na vondrona kely iray Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Tombontsoa sy Voka-dratsy ary asao ny mpianatra hanoratra ny valiny tonga ao an-tsainy eny amin’ny solaitrabe. Raha vao haingana ianao no nampianatra ny lesona 188, “Ny maha-zava-dehibe ny fianarana,“ dia azonao ampahatsiahivina ny mpianatra ny zavatra nifanakalozan’izy ireo hevitra tamin’ilay lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana mahakasika ilay lantonoara . Azon’ny mpianatra atao ny manohy manampy amin’io lisitra io mandritra ny lesona.

Fianarana tsy ara-pivavahana sy fianarana ara-pivavahana

Nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fianarana ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Ny fianarana izay antitranterin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia sady ahitana ny fianarana tsy ara-pivavahana no ahitana ny fianarana ara-pivavahana.

Soraty eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny hoe Tombontsoa ity fehezanteny tsy feno manaraka ity ary asao ny mpianatra hanoratra izany ao amin’ny diarin’izy ireo.

Ny fanohizana ny fianarana tsy ara-pivavahana sy ny fianarana ara-pivavahana dia manampy antsika …

Vakio ity teny nambara manaraka ity mba hitadiavana fomba samihafa azonao hamenoana ilay fehezanteny.

Ny Loholona Clark G. Gilbert ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra hoe:

Official VIO portrait of Clark G. Gilbert.

Fantatrao ve hoe nahoana ny Fiangonana no mandany vola amin’ny loharanom-pitaovana marobe eo amin’ny fianarana? Noho ny fitiavan’ny Tompo anao izany. Tiany hanakaiky Azy bebe kokoa ianao ary hahita tanjaka ara-pihetseham-po sy ara-tsaina ary ara-panahy. Maniry ny toy izany koa ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana! Mivavaka ho anareo sy ho an’ny fahombiazanareo izahay. Mandany vola izahay ho anareo sy hanampiana anareo hahatratra ny fahafahanareo ho tonga andriamanitra. (“Fianarana ny Filazantsaran’ny Fiangonana: Misy toerana ho an’ny rehetra,“ Ho zatovo mahery!, ôktôbra 2023, 18)

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany ary tanisao eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo. Mety ahitana izao manaraka izao ny valitenin’ny mpianatra:

… hanakaiky kokoa ny Tompo

… hahazo hery avy amin’ Andriamanitra.

… hahatratra ny fahafahako ho tahaka an’ Andriamanitra.

  • Nahoana no samy ilaina ny fianarana tsy ara-pivavahana sy ny fianarana ara-pivavahana mba hanasana ireo fitahiana avy amin’ny Tompo ireo?

Fianarana tsy ara-pivavahana

Hevero ny hanao sarina boky roa eny amin’ny solaitrabe tahaka ireto manaraka ireto. Asio anarana hoe “Tsy ara-pivavahana“ ny voalohany ary ny faharoa hoe “Ara-pivavahana.“ Asao hanao sarina boky mitovitovy amin’izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny mpianatra.

Two Books

Asao ny mpianatra hitanisa ny valintenin’izy ireo amin’ity fanontaniana manaraka ity eo ambanin’ilay boky misy soratra hoe: “Tsy ara-pivavahana“ Azonao atao ny manasa azy ireo hiara-hiasa tsiroaroa na anatina vondrona kely.

  • Inona avy ireo safidy misy ho an’ny fianarana tsy ara-pivavahana aorian’ny lisea?

    Azonao atao ny mizara safidy fanampiny izay tsy nolazain’ny mpianatra toy ny fianarana en ligne, ny oniversite, ny sekoly mampianatra asa, ny fahafahana mianatra asa, ny fiofanana arak’asa, sns.

  • Inona avy ireo safidy misy amin’ny alalan’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana (CES)?

sary famantarana ny seminera Mba hampahafantarana ny mpianatra ireo safidy ao amin’ny CES dia azonao atao ny mampiseho ny horonan-tsary “The Growth and Momentum of the Church Educational System“ (5:25), izay manome fanazavana fohy momba ny sasany amin’ireo safidy ireo. Ity horonan-tsary ity dia hita ao amin’ny Newsroom.ChurchofJesusChrist.org

Ampidiro ao amin’ny lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo safidy ireo. Azon’ny mpianatra ampidirina ao anatin’ny lisitra ataony ao amin’ny diarin’izy ireo ihany koa izany.

Azonao zaraina ilay taratasy zaraina hoe “Ireo safidy ao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana“ ary avelao ny mpianatra hianatra misimisy kokoa momba ireo safidy izay mahaliana azy ireo. (Mbola horesahina ao amin’ny lesona manaraka ny Institiota.) Ho an’ireo mpianatra izay handray diplaoma tsy ho ela, dia hevero ny hampiseho ireo fe-potoana farany fisoratana anarana ho an’ny sekolin’ny CES, izay hita ao amin’ny Sahanasa fianarana fanampiny ao amin’ity lesona ity ao amin’ny Médiahèque de l’Évangile.

Alohan’ny hidirana ao amin’ny fizarana manaraka amin’ny lesona dia mety hahasoa ny manasa ny mpianatra hametraka fanontaniana izay mety hananany momba ireo rafitra misy ao amin’ny CES.

Fianarana ara-pivavahana

  • Fianarana ara-pivavahana inona no safidy misy ho an’ny safidy fianarana tsy ara-pivavahana tsirairay voatanisa?

Ho an’ny zavatra tsirairay voatanisa eo ambanin’ny fianarana tsy ara-pivavahana dia asaivo mitanisa safidy fianarana ara-pivavahana izay afaka miaraka amin’izany ny mpianatra. Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa ny sekolin’ny CES tsirairay dia misy fianarana ara-pivavahana ao anatin’ny fandaharam-pampianarany izay takina. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra hoe kilasy ara-pivavahana eo akaikin’izay misy ny sekolin’ny CES rehetra.

Raha tsy voalazan’ny mpianatra izany dia asao izy ireo hanoratra hoe institiota miaraka amin’izay safidy fianarana tsy ara-pivavahana hafa rehetra voatanisa. Raha ilaina dia hazavao fa ho an’ireo izay tsy mianatra ao amin’ny sekolin’ny CES dia ny institiota no toerana ahafahan’ny tanora rehetra (18–35 taona), na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao, mandray fianarana ara-pivavahana maimaimpoana.

Mieritrereta fomba azonao hanampiana ny mpianatra seminera hahita ny fomba ahafahan’ny fanatrehana institiota manampy azy ireo amin’ny hoavy. Ny fifanakalozan-kevitra momba ity rafi-tantara ity sy ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto dia fomba iray ahafahanao manao izany.

Eritrereto hoe nanapa-kevitra i Reggie ny handranto fianarana fanampiny taorian’ny lisea any amin’ny sekoly fianarana asa ary nieritreritra raha toa ka tokony hanatrika institiota ihany koa izy.

  • Inona avy ireo antony mety homen’i Reggie tsy hanatrehany institiota?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny seminera anao nandritra ny fianaranao?

  • Ahoana no ahafahan’ny fanohizana mianatra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy an’i Reggie mandritra ny fianarany any amin’ny sekoly fianarana asa?

    Asehoy ny horonan-tsary “Personal invitation to Attend Institute“ (2:44), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Asao ny mpianatra hitady ireo fitahiana nampanantenaina amin’ny fanatrehana institiota. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hamaky momba ny institiota ao amin’ilay taratasy zaraina.

    2:50

    Azonao atao ny manampy hevitra misimisy kokoa amin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny Tombontsoa izay zarain’ny mpianatra ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity.

  • Inona avy ireo fitahiana nanaitra anao indrindra tamin’ireo izay nampanantenain’ny Filoha Nelson ho an’ny fianarana institiota?

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra noresahinao dia inona araka ny eritreritrao no mety mandrisika an’i Reggie hanatrika institiota?

Ampio ny mpianatra hahatakatra ny fomba hahitana institiota iray any amin’ny toerana ipetrahan’izy ireo aorian’ny sekoly ambaratonga faharoa amin’ny alalan’ny fandehanana ao amin’ny myinstitute.ChurchofJesusChrist.org/findInstitute. Hevero ny hisafidy sasantsasany amin’ireo safidy momba ny fianarana voalaza tany am-boalohany eo ambanin’ny boky voalohany. Fantaro ny toerana misy ireo safidy ireo ary ampidiro ao amin’ilay tranonkala ilay tanàna mba hanehoana ny fomba hahitana sy hisoratana anarana amin’ny institiota. Azonao atao ihany koa ny mampiseho ny fomba fitadiavana institiota an-jotra ao amin’ilay rohy teo ihany.

Manaova drafitra

Zarao amin’ny mpianatra fa raha mahavita fianarana avy any amin’ny lisea izy ireo amin’ity taona ity na tsia dia afaka mahazo tombontsoa amin’ny fanaovana drafitra ho an’ny fianaran’izy ireo tsy ara-pivavahana sy ny ara-pivavahana. Mba hanampiana ny mpianatra hanao drafitra dia asehoy ireto torolalana sy fanontaniana manaraka ireto. Asao izy ireo hamaly ireo fanontaniana ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fanontaniana etsy ambany mba hitarihana anao dia manaova drafitra ho an’ny fianaranao tsy ara-pivavahana sy ny fianaranao ara-pivavahana amin’ny hoavy. Katsaho ny fitarihan’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina rehefa misaintsaina sy manoratra ny valinteninao ianao.

  • Inona avy ireo tanjona amin’ny hoavy anananao?

  • Inona avy ireo safidy ara-pianarana izay hanampy anao hanatanteraka ireo tanjona ireo?

  • Inona avy ireo drafitra azonao atao ho an’ny fianaranao ara-pivavahana amin’ny taona ho avy? ao amin’ireo taona maro any aoriana?

Matetika dia manampy ny mpianatra ny maheno hevitra avy amin’ny mpianatra hafa. Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy izay mazoto hizara ny drafitr’izy ireo.

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny maha-zava-dehibe ny fanaovana ny fianarana tsy ara-pivavahana sy ny fianarana ara-pivavahana ho laharam-pahamehana mandritra ny fiainana.