Seminera
Sahanasa Tombano ny fianaranao ho an’ny lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana


“Sahanasa Tombano ny fianaranao ho an’ny lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Sahanasa Tombano ny fianaranao ho an’ny lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Tovana

Sahanasa Tombano ny fianaranao ho an’ny lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana

Rehefa avy nampianarinao ny iray amin’ireo sokajy ao amin’ny lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana dia hevero ny hanampy ny mpianatra hisaintsaina ny fianarany sy ny fivoarany. Mba hanaovana izany dia ampidiro ao amin’ny lesona manaraka hoe Tombano ny fianaranao ny iray na maromaro amin’ireto sahanasa manaraka ireto. Afaka ovaina ireo sahanasa ireo mba hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny mpianatrao.

Fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina

Mampisehoa fahafahana mampiasa soratra masina mba hahazoana fanampiana sy aingam-panahy

Mieritrereta fomba iray mahaliana hanampiana ny mpianatra hiomana hisaintsaina ireo fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina izay nampiasain’izy ireo vao haingana mba hanomanana azy ireo handray fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra. Mitadiava fomba mba hahatonga izany ho mahaliana sy manan-danja ho an’ny mpianatra. Azonao atao ny manao zavatra toy ny hoe mamantatra fahaiza-manao mba hikarohana amim-pahombiazana amin’ny internet (toy ilay sahanasa etsy ambany) na, raha manana traikefa amin’ny fampiasana ny IA ny mpianatra dia afaka miresaka momba ny fahaiza-manaony amin’ny fanaovana bitsika mahomby amin’ny IA izy ireo.

Diniho ity rafi-tantara manaraka ity:

Alaivo sary an-tsaina hoe niomana hanao tetikasa iray any an-tsekoly ianao ary nila niantehitra tamin’ny internet ho loharanom-pitaovana.

  • Inona avy ireo fahaiza-manao nianaranao mba hahatonga ny fikarohana amin’ny internet ho mahomby kokoa na tsy dia mahomby?

Asao ny mpianatra hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ahitana ireo fahaiza-manao enti-mandalina ny soratra masina izay nianarany. Azony zaraina eo akaikin’ny fahaiza-manao tsirairay ny fomba mety hanampian’ireo fitaovana ireo azy ireo handray fanampiana sy fankaherezana avy amin’ny Tompo. Ny fahaiza-manao izay nianaran’ny mpianatrao dia mety ahitana ny:

  • Mifantoka amin’i Jesoa Kristy

  • Mitady ireo tandindon’i Jesoa Kristy

  • Manao fampitahana

  • Manasa ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny vavaka, manaisotra ireo zavatra mahavarimbariana, ary misaintsaina

  • Manisy marika na manasongadina ireo teny sy andian-teny

  • Mandray an-tsoratra

  • Mampifandray na mampifandrohy andinin-tsoratra masina

  • Mamantatra fahamarinana mifono na mazava tsara

Raha toa ka nianatra sy nampihatra fahaiza-manao fanampiny ny mpianatrao dia azonao ampidirina ao amin’ilay lisitra noforonin’ny mpianatra izany.

Mba hanampiana ny mpianatra hampiseho fahaiza-manao enti-mandalina soratra masina iray izay nianarany dia misafidiana andalan-tsoratra masina iray mba hanaovan’ny mpianatra fanazarantena. Mety ho andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izany na andalan-tsoratra masina manan-danja izay tsy afaka nohalalinin’ny mpianatra tao amin’ny seminera.

Asehoy ny fahafahanao mampiasa ireo fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina mba hahazoana fanampiana sy aingam-panahy avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fanaovana izao manaraka izao:

  1. Vakio ao anatin’ny minitra vitsivitsy ilay andalan-tsoratra masina.

  2. Farito hoe iza amin’ireo fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina no ampiasainao hikatsahana fahatakarana na fitaomam-panahy ary tanisao ao amin’ny diary fandalinanao ireo fahaiza-manao ireo.

  3. Ampiharo ny tsirairay amin’ireo fahaiza-manao ireo amin’ilay andalan-tsoratra masina nosafidinao.

  4. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra nianaranao amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fahaiza-manao ireo.

Rehefa vitan’ny mpianatra izany dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara amin’ny iray kilasy na ao anatina vondrona kely izay fahaiza-manao nampiasain’izy ireo sy ny zavatra nianarany avy amin’ilay zavatra niainany. Rehefa mizara ny mpianatra dia azonao atao ny mametraka fanontaniana fanaraha-maso mikasika ny fomba ahafahan’ny fampidirana ireo fahaiza-manao ireo amin’ny fandalinany manokana ny soratra masina manampy azy ireo hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ho zatovo mahery!: Manao safidy

Mandray hery avy amin’ny Tompo mba hanaovana safidy nentanim-panahy

Hevero ny hanoratra ny teny hoe Safidy eny amin’ny solaitrabe. Asehoy ny mpianatra ireto fitaovana manaraka ireto ary angataho izy ireo hizara safidy iray na maromaro manan-danja izay mikasika izany fitaovana izany. (Ny fitaovana tsirairay dia maneho lesona iray ao amin’ny sokajy Ho zatovo mahery!.)

Finday

Tsodranon’ny patriarika

Boky torolalana Ho zatovo mahery!

Taratasy iray mitondra ny lohateny hoe “Tanjona,” miaraka amin’ny tanjona vitsivitsy misoratra eo aminy

Makà iray minitra ao amin’ny diary fandalinanao mba hitanisana ireo safidy manan-danja nataonao, na nanahirana anao ny nanao azy, tao anatin’ny herinandro maromaro lasa. Azon’izy ireo atao ny mampiditra ireo safidy tafiditra ao anatin’ireo fitaovana naseho, toy ny teknôlôjia, tsodranon’ny patriarika, lohahevitra ao amin’ny Ho zatovo mahery!, na mametraka tanjona. Raketo an-tsoratra ny valinteninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Tamin’ny fomba ahoana no nikatsahanao ny tanjaky ny Tompo sy ny fanampiany, na ny fitarihany mba hanaovana safidy vao haingana?

  • Ahoana no nahatsapanao ny heriny sy ny fanampiany, na ny fitarihany mba hanao safidy nentanim-panahy?

  • Inona avy ireo olana natrehanao na mety hatrehanao rehefa manao ireo safidy nentanim-panahy ireo ianao?

Hevero ny hanasa izay mpianatra terem-panahy hizara hevitra rehefa avy nomena fotoana ampy tsara hisaintsainana lalina sy hanoratana ny mpianatra. Rehefa mizara ny fomba nahatsapany ny tanjaky ny Tompo ny mpianatra dia hamafiso ny fahavononan’ny Tompo hanampy antsika. Rehefa mizara ireo fanamby atrehan’izy ireo ny mpianatra dia asao ny iray kilasy haka fotoana kely hisaintsainana ny fomba mety hoentiny hanampiana momba izany. Mety hitady soratra masina na fanambarana ao amin’ny boky torolalana Ho zatovo mahery! izy ireo na hisaintsaina ny zavatra niainan’izy ireo manokana. Asao izy ireo hizara.

Asao ny mpianatra hamarana ity fampiharana ity amin’ny alalan’ny fanoratana ny zavatra tsapany fa tian’ny Tompo hataony amin’ny dingana manaraka ataon’izy ireo.

Manorina fizakan-tena

Manorena fizakan-tena araka ny fomban’ny Tompo

Hevero ny hampiseho sary iray izay maneho an’i Josefa tany Egypta sy manasa ny mpianatra hitadidy izay nianarany momba ny fizakan-tena avy amin’ny fandalinana ny tantarany (jereo ny Genesisy 37–47). Mety hanampy azy ireo ny mijery ireo fanamarihana ao amin’ny diariny na ny soratra masiny rehefa misaintsaina izay nianarany izy ireo.

Joseph showing Pharaoh food storage

Azonao heverina ny manome ny sasany na izy rehetra amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto mba ho jeren’ny mpianatra:

  • Genesisy 41:37–43, 49, 54–55 (Notehirizin’i Josefa tany Egypta ny voa, ho an’ny mosary izay ho avy, satria nandray fanambarana avy tamin’ny Tompo izy)

  • Genesisy 45:4–11; 47:11–12 (Nitahy ny fianakaviany i Josefa tany Egypta noho ny ezaka nataony mba hanorina fizakan-tena)

  • Malakia 3:8–11 (fankatoavana ny lalàn’ny Tompo momba ny fahafolonkarena)

  • Mosesy 4:23–25; 5:1 (Niasa ho an’ny sakafon’izy ireo i Adama sy i Eva fa tsy Andriamanitra no nanome izany azy ireo)

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto, ary soraty ao amin’ny diary fandalinanao ireo hevitrao:

  • Amin’ny fomba ahoana no hanorenanao fizakan-tena kokoa?

  • Inona avy ireo fanamby amin’ny fanorenana fizakan-tena atrehanao?

  • Ahoana no hanasanao an’ Andriamanitra hanampy anao hanohy hanorina fizakan-tena?

Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy mba hizara ny hevitr’izy ireo.

Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po

Mampihatra ireo fitsipika sy fahaiza-manao mba ho salama ara-batana sy ara-pihetseham-po kokoa

This is a still image of a tree being blown by the wind and was taken from the Church-owned video, "Spiritual Whirlwinds

Hevero ny hampiseho sarina hazo iray izay nazeran’ny rivotra, na azonao atao ny manao sarina hazo eny amin’ny solaitrabe. Raha nanao sarina hazo tao amin’ny diary fandalinany ny mpianatra rehefa nandalina ny Lesona 181: “Manorina tanjaka ara-pihetseham-po ao amin’ny Tompo,” dia asao izy ireo hamerina hijery ireo olana ara-pihetseham-po izay nosoratany teo amin’ny hazon’izy ireo.

Raha tsy izany dia azon’ny mpianatra atao ny manoratra manodidina ny sarina hazo vaovao iray momba ny sasany amin’ireo olana ara-pihetseham-po niainan’izy ireo na mety hatrehin’izy ireo amin’ny hoavy.

  • Amin’ny fomba ahoana no hahatsapana ireo olana ara-pihetseham-po atrehantsika eo amin’ny fiainana ho toy ny tadio?

  • Inona no nianaranao vao haingana tao amin’ny seminera mikasika ny fomba hiatrehana ireo olana ara-pihetseham-po?

    Rehefa mizara ny mpianatra dia mitadiava fahafahana hijoroana ho vavolombelona fa afaka miatrika tadio ara-pihetseham-po isika amin’ny alalan’ny fianteherana amin’ny tanjaka sy ny hery nampanantenain’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy (jereo ny Helamàna 5:12).

  • Inona avy ireo fitsipika na fahaiza-manao sasantsasany izay nezahinao nampiharina mba hahazoana tanjaka ara-pihetseham-po avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Inona no nanampy anao? Inona no nianaranao na mbola tianao andramana?

Raha mizara zava-tsarotra na olana ny mpianatra dia mikatsaha fitaomam-panahy amin’ny fomba hanampiana. Afaka mifanampy ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fanehoana fangorahana sy fahatakarana.

Miomana amin’ny fianarana sy ny asa amin’ny hoavy

Takaro ny maha-zava-dehibe ny fianarana ara-nofo sy ara-panahy mandritra ny androm-piainana

Ity sahanasa manaraka ity dia manome fahafahana ho an’ny mpianatra hanazava ny maha-zava-dehibe ny fianarana ara-panahy sy ara-nofo mandritra ny androm-piainana.

Asao ireo mpianatra hisaintsaina izao toe-javatra manaraka izao. Azonao atao ny manitsy ireo rafi-tantara mba hifanaraka amin’ny filan’ny kilasinao.

Nasaina niteny nandritra ny hetsika ho an’ny zatovo ianao tany am-piandohan’ny taom-pianarana. Ilay hetsika dia natao hanamafisana orina ny finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny lohahevitra nomena anao dia ny hoe: “Ny maha-zava-dehibe ny fianarana ara-panahy sy ara-nofo amin’ny fanarahana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.”

Manorata rindran-damina ho an’ny lahateny maharitra roa na telo minitra. Ataovy ao anatin’ny rindran-damina izay ataonao ireto manaraka ireto:

  • Ny maha-zava-dehibe ny fianarana ara-panahy sy ara-nofo ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra

  • Soratra masina na tenin’ny mpaminany iray na maromaro izay manohana ny hafatrao (ohatra, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77–80).

  • Zavatra niainanao na niainan’ny hafa ka nanampy anao hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fianarana mandritra ny androm-piainana

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny rindran-damina nataony ao anatina vondrona kely na manasà mpianatra manolo-tena maromaro hizara amin’ny iray kilasy.

Mamoròna drafitra ho an’ny fianarana sy ny asa any aoriana

Raha toa ka nanana fahafahana hanao drafitra ho an’ny fianarana ara-panahy sy ara-nofo amin’ny hoavy ny mpianatra dia asao izy ireo hamerina hijery ireo drafitra nataony. Raha tsy nanao drafitra ny mpianatra dia asao izy ireo haka izany fotoana izany mba hamoronana drafitra mikasika ny fomba tian’izy ireo hanohizana ny fianarana ara-panahy sy ara-nofo amin’ny fomba izay hampandraisana anjara ny Tompo ao anatin’ny drafiny.

Ahitana ireto manaraka ireto ny fanontaniana izay afaka manampy amin’ny fifanakalozan-kevitra:

  • Ahoana no ahafahanao mandray anjara na ahoana no ahafahanao mampandray anjara ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao anatin’ny drafitrao?

  • Inona avy ireo fanontaniana mbola anananao momba ireo safidy fianarana ara-panahy na ara-nofo hoavy?

  • Inona avy ireo dingana manaraka mety horaisinao ao anatin’ny drafitrao?

Fahombiazana any an-tsekoly

Ampiharo ireo fahaiza-manao mba hahombiazana any an-tsekoly

Hevero ny hanoratra ireto lohatenin-desona manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe:

Mampandray anjara ny Tompo amin’ny fianaranao

Mandray andraikitra amin’ny fianaranao

Fandrindrana asa sy laharam-pahamehana

Mandresy ny fanemorana ny fanaovana zavatra

Asao ny mpianatra hamaky ireo lohateny sy hisaintsaina ny fomba nampiharany ireo fahaiza-manao ireo tamin’ny fianarana nataony. Mba hanaovana izany dia azonao atao ny manasa azy ireo hanao izao manaraka izao.

Manaova sarin’olona roa tsotsotra sy taboika anoratana ny resaka. Alaivo sary an-tsaina hoe misy olona roa mifanakalo hevitra momba ny zavatra tianao hatsaraina mba hahombiazana any an-tsekoly.

Stick Figure - Brick Wall

Fenoy ao amin’ilay taboika anoratana resaka voalohany ny fehezanteny hoe: “Rehefa any an-tsekoly dia sahirana aho amin’ny

Fenoy ao amin’ny taboika anoratana resaka faharoa ity manaraka ity amin’ny zavatra nezahinao natao mba hampiharana ireo fitsipika sy fahaiza-manao nianaranao vao haingana tao amin’ny seminera mba hanampiana anao hahomby any an-tsekoly:

“Ireto misy zavatra izay nandramako …”

“Miezaka aho manohy na manitsy …”

Manasà mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara ny sary nataon’izy ireo amin’ny iray kilasy. Amporisiho ny mpianatra hihaino tsara ny mpiara-mianatra amin’izy ireo. Anontanio raha toa izy ireo ka manana traikefa na fitsipika fanampiny avy amin’ireo lesona izay mety hanampy. Rehefa mifampihaino ny mpianatra dia mety hahatsapa fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina izy ireo hanandrana ny sasany amin’ireo fahaiza-manao izay hitan’ny hafa fa manampy.

Fiomanana ho misiônera

Miezaha hahatsapa fitomboana faniriana ny hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa

Mba hanomanana ny mpianatra hisaintsaina ny fahatsapan’izy ireo momba ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa dia hevero ny hamerina hijery vetivety ny sasany amin’ireo zavatra nianarany na nampihariny avy tamin’ireo lesona fanomanana ny misiônera. Ohatra, raha nandalina ny Lesona 198: “ Misafidy ny hanao asa fitoriana,” ny mpianatra dia azonao atao ny mihazona fitaratra iray ary manontany izao manaraka izao.

  • Inona avy ireo zavatra niainanao izay nizaranao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny hafa tamin’ny alalan’ny fampiasana ny “toetra tsaran’ny fitaratra amin’ny fifanakalozan-kevitra?” Inona avy ireo fomba hafa nanandramanao nizara ny filazantsara vao haingana?

Rehefa mizara ny zavatra niainany ny mpianatra dia azonao atao ihany koa ny manontany hoe inona avy ireo fahamarinana nozarain’izy ireo momba ny Mpamonjy na inona no fanasana izay natolotr’izy ireo. Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra fa ao amin’ny Lesona 197: “Mizara ny filazantsara amin’ny fomba voajanahary” dia nitady fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy izay nampientanentana azy ireo ho zaraina amin’ny olona tiany izy ireo (jereo ny Isaia 1:18; 25:4, 8–9; 40:28–31; 43:25; 54:10).

Eritrereto ireo zavatra mety nianaranao na nampiharinao avy tamin’ireo lesona fiomanana ho misiônera. Avy eo dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Mahatsapa ve ianao fa ny fanirianao hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa dia nitombo, nihena, sa tsy niova?

  • Inona araka ny eritreritrao no nandray anjara tamin’ny zavatra tsapanao momba ny fizarana ny filazantsara?

Asao ny mpianatra vitsivitsy izay vonona hizara ny zavatra nosoratany. Amporisiho ny mpianatra hanohy hikatsaka faniriana sy fahafahana hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa.

Fiomanana ho any amin’ny tempoly

Miezaha hahatsapa fitomboana faniriana hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra any amin’ny tempoly

Hevero ny hampiasa ny iray na ny maromaro amin’ireto sahanasa manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hanombana ny faniriany hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra any amin’ny tempoly.

Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo fitsipika nianaran’izy ireo avy amin’ny lesona fiomanana ho amin’ny fandehanana any amin’ny tempoly. Azon’izy ireo atao ny mamerina mijery ny soratra masiny sy ny diary fandalinany mba hitadidiany ny zavatra nianarany momba ny lalàn’ny fahafoizan-tena sy ny fankatoavana, ny fomba ampianaran’ny tempoly momba an’i Jesoa Kristy, ary ny fomba hiomanana hiditra ny tempoly amim-pahamendrehana amin’ny alalan’ny fandalinana ny fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Raha ilaina dia azonao omena ity manaraka ity:

Avereno jerena ny andinin-tsoratra masina sy teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson momba ireo fitahiana izay azon’ireo olona izay mitsaoka any amin’ny tempoly:

Eksodosy 25:8; 1 Mpanjaka 6:12–13; Hagay 2:6–9

Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

[I]reo izay manompo sy mitsaoka ao amin’ny tranon’ny Tompo … dia afaka manantena ny hahazo valim-bavaka, fanambarana ho an’ny tena manokana, finoana lehibe kokoa, hery, fampiononana, fitomboana fahalalana, ary fitomboana hery izy ireo. (“Mifalia amin’ny fanomezampahasoavan’ny fanalahidin’ny fisoronana,” Liahona, mey 2024, 121)

Rehefa avy nanana fahafahana hamerina hijery ny soratra masiny sy ny fanamarihana nataony ny mpianatra dia asehoy izao manaraka izao mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny fiantraikan’ny faniriany hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ao an-tranony amin’ny alalan’ireo lesona ireo.

Misafidiana iray amin’ireto manaraka ireto:

  1. Mizarà sarina tempoly iray ary zarao ny fomba ampahatsiahivan’ny tempoly anao an’i Jesoa Kristy. Raha ilaina dia afaka mahita sary ianao ao amin’ny temples.ChurchofJesusChrist.org. Zarao ny eritreritrao sy ny fahatsapanao momba ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra ao amin’ny tempoliny.

  2. Tao anatin’ny iray tamin’ireo lesona fiomanana ho any amin’ny tempoly dia nianatra momba ny maha-zava-dehibe ny fiomanana ny hiditra amim-pahamendrehana ny Tempoly ianao. Misy zavatra nianaranao na tsapanao vao haingana ve ka nisy fiantraikany tamin’ny fanirianao hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra any amin’ny tempoly? Raha izay no izy dia manorata fanamarihana ho an’ny tenanao ao anatin’ny diary fandalinanao.

Fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana

Mahatakatra sy mampihatra ny fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo amin’ny fiainan’izy ireo

Nandritra ny fandaharam-pianarana dia nanana fahafahana ny mpianatra handalinana sy hampihatra ireo fampianarana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Ho an’ity sahanasa ity dia mety ho tianao ny mampahatsiahy ny mpianatra ireo lahateny natokana hohalalinina tao an-dakilasy. Hevero ny hanoratra ny lohatenin’ireo lahateny ireo eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra hisafidy iray amin’ireo lahateny ary hamerina hijery ilay hafatra sy izay mety ho fanamarihana mety ho noraisin’izy ireo. Zarao ho mpiara-miasa tsiroaroa ny mpianatra, raha azo atao dia miaraka amin’ny olona iray izay nisafidy lahateny hafa. Asaivo mizara ny valinteniny amin’ireto fanontaniana roa manaraka ireto ny mpinamana tsirairay.

  • Ahoana no hamintinanao ny hafatra ao amin’ilay lahateny nosafidinao?

  • Nahoana no mety ho zava-dehibe ho an’ny zatovo izany hafatra izany amin’izao fotoana izao?

Rehefa avy nizara ny mpinamana tsirairay dia asao ny mpianatra hieritreritra ny fomba niezahan’izy ireo nampihatra ny fampianaran’ilay lahateny izay nosafidiny. Azonao atao ny manontany azy ireo mikasika ny fahombiazana na ny fahasahiranan’izy ireo rehefa mampihatra izany fampianarana izany.