Seminera
Asa famerenana ho an’ireo lesona Tombano ny fianaranao


“Asa famerenana ho an’ireo lesona Tombano ny fianaranao,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Asa famerenana ho an’ireo lesona Tombano ny fianaranao,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Asa famerenana ho an’ireo lesona Tombano ny fianaranao

Mba hahazoan’ny mpianatra ny isa tratrarina ho an’ny taranja dia tsy maintsy mandray anjara izy amin’ny lesona Tombano ny fianaranao iray farafahakeliny, mandritra ny tapany voalohany na faharoa amin’ny fandaharam-pianarana. Raha toa misy mpianatra tsy nahatratra ny lesona Tombano ny fianaranao na iray aza nandritra ny tapany iray amin’ny fandaharam-pianarana dia mbola afaka mahazo isa tratrarina izy ireo amin’ny alalan’ny famenoana ny iray amin’ireto taratasy zaraina Tombano ny fianaranao manaraka ireto. (Azon’izy ireo atao ny manatanteraka azy roa raha ilaina.) Na azonao atao ny mitarika azy ireo ho any amin’ireo loharanom-pitaovana mitovy ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile. Tsy mila manao izany ireo mpianatra izay nandray anjara tamin’ny lesona Tombano ny fianaranao iray farafahakeliny mandritra ny tapany tsirairay avy amin’ny fandaharam-pianarana.

Raha mila mamita fanombantombanana iray ho an’ny tapany voalohany amin’ny fandaharam-pianarana ny mpianatra dia omeo azy ireo ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe: “Tombano ny fianaranao, Fizarana 1.” Raha mila mamita fanombantombanana iray ho an’ny tapany faharoa amin’ny fandaharam-pianarana ny mpianatra dia omeo ilay taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe: “Tombano ny fianaranao, Fizarana 2.” Amporisiho ny mpianatra hamita ireo vakiteny takina mialoha ny hamitana ilay fanombantombanana. Tokony hanao tatitra aminao izy ireo rehefa nahavita io fanombantombanana io. Rehefa vitan’izy ireo izany dia angataho izy ireo hizara ny zavatra nianarany avy amin’ilay zavatra niainany.