“Hevitra hampidirana fomba fampianarana isan-karazany: Hevitra hampidirana fomba fampianarana isan-karazany,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Hevitra hampidirana fomba fampianarana isan-karazany: Hevitra hampidirana fomba fampianarana isan-karazany,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Tovana
Hevitra hampidirana fomba fampianarana isan-karazany
Hevitra hampidirana fomba fampianarana isan-karazany
Ity loharanom-pitaovana ity dia ahitana fomba isan-karazany hanampiana ireo mpianatra handray anjara mavitrika amin’ireo lesona. Na dia ireo teknika fampianarana mandresy lahatra aza mety ho lasa tsy mahomby na mankaleo raha ampiasaina foana. Na dia tsy tokony hisafidy fomba fiasa mba hisian’ny karazany fotsiny aza ianao dia eritrereto ny fomba hanovaovana ireo fomba ampianaranao mandritra ny lesona tsirairay. Ny fampiasana fomba fampianarana isan-karazany dia afaka manampy amin’ny fisarihana kokoa ny mpianatra. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy tokony hodinihina rehefa misafidy sahanasa mba hampidirina ao anatin’ny traikefa amin’ny fianarana:
-
Moa ve traikefa manamora fifotorana amin’i Kristy sy amin’ny soratra masina ary mifantoka amin’ny mpianatra ilay sahanasa? Jereo ny Fiofanana momba ny fanarahana sy fampifanarahana amin’ny toe-javatra misy ny fandaharam-pampianaran’ny seminera mba hahazoana fanazavana misimisy momba izany.
-
Manasa ny Fanahy Masina hampianatra sy hijoro ho vavolombelona ve ilay sahanasa? Eritrereto ny mety ho fiantraikan’ilay sahanasa eo amin’ny tontolo feno fanajana izay ilàn’ny Fanahy Masina hanatanterahana ny anjara asany.
-
Amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ilay fomba fiasa ny teny masin’ Andriamanitra? Ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany dia ilaina aroso amin’ny fomba mendrika sy masina. Tsy tokony hanaloka ny hafatry ny soratra masina ilay fomba.
-
Moa ve ny mpianatra rehetra horaisina amim-pahamendrehana? Mikatsaha mandrakariva fahatsapana firaisan-kina sy fitiavana. Ialao ireo sahanasa izay mety hamela ny mpianatra iray hahatsapa ho tsy mahazo aina, kivy na atokana.
-
Moa ve mendrika handaniana fotoana ao am-pianarana ilay sahanasa? Fotoana sarobidy ny fotoana hiangonanao miaraka amin’ireo mpianatra ao amin’ny seminera. Mety hahomby ny asa atao na dia tsy maka fotoana be loatra aza.
-
Hafiriana ny fotoana ary manao ahoana ny habetsaky ny loharanom-pitaovana takin’ilay sahanasa mba hiomanana? Zava-dehibe ny mitantana tsara ny fotoana sy ny loharanom-pitaovana sarobidy anananao.
Azonao ampiasaina amin’ny toerana maro mandritra ny lesona iray ireo hevitra ireo. Amin’ny tranga maro dia hanampy azy ireo hahomby kokoa ny fanomezana maodely ho an’ireo mpianatra momba ny zavatra asaina ataon’izy ireo. Makà antoka fa takatrao tsara ilay sahanasa ary afaka manome torolalana mazava sy maodely iray ianao, raha toa ka manampy izany, alohan’ny hanombohan’ny mpianatra ilay sahanasa. Ireo sahanasa ireo dia alamina ao amin’ireto fizarana manaraka ireto:
Mba hanomezana fanamarihana na hevitra fanampiny dia mandefasa mailaka amin’ny CES-Manuals@ChurchofJesusChrist.org. Ampidiro ao amin’ny lohahevitra “Hevitra isan-karazany mba hampianarana.”
1. Alalino ny soratra masina mba hahatakarana ny fizotran’ny tantara sy hamantarana ireo fitsipiky ny filazantsara na fotopampianaran’ny filazantsara
Matetika ny lesona dia ahitana sahanasa handalinan’ny mpianatra andinin-tsoratra masina maromaro mba hahatakarana sahan-kevitra manan-danja sy fizotrana tantara ampy tsara mba hahitany fitsipika na fotopampianarana. Fomba vitsivitsy mety hanampiana ny mpianatra hanao izany ireto sahanasa manaraka ireto.
Fanazavana ara-javakanto
Mampiasà zavakanto momba ny filazantsara mba hifanakalozana hevitra momba ny tantara iray. Mampisehoa sary iray ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile an’ny Fiangonana ary asao ny mpianatra handalina ireo andininy aseho eo amin’ilay sary. Anontanio ny mpianatra hoe:
-
Inona no nampidirin’ny mpanoratra tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?
-
Inona no dikan’ny hoe fanazavana ara-javakanto (tsy hita ao amin’ny lahatsoratra)?
-
Inona no mety ovainao miainga avy amin’ny zavatra novakinao?
Fanovaovana: Raha tokony hampiseho sary iray manontolo any am-piandohan’ny fotoam-pianarana mba hanombohana fifanakalozan-kevitra, dia tapatapaho ho lasa sombiny kely be dia be ilay sary. Mampisehoa sombiny iray isaky ny mandeha ary asaivo vinavinain’ny mpianatra ny zavatra asehon’ilay sary manontolo. Asaivo fariparitan’izy ireo ny zavatra hitany ary asaivo vinavinainy ny zavatra tsy hitany.
Fanovaovana: Misafidiana sarin’ny Mpamonjy vitsivitsy ary apetraho eny amin’ny solaitrabe izany. Asao ny mpianatra hijery miadana ny loko sy ny fifantohana ary ny endriky ny sary ary hamantatra ny zavatra ampianarin’ny tsirairay avy amin’izy ireo momba ny hoe iza i Jesoa Kristy. Rehefa avy mamantatra fitsipika iray avy ao amin’ny soratra masina na fanambarana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ianao dia afaka mametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto:
-
Iza amin’ireo sarin’i Kristy no tsapanao fa maneho ilay fitsipika hitanao ary nahoana?
-
Iza amin’ireo sarin’i Jesoa ireo no manampy anao hahatsapa ny maha-zava-dehibe io fahamarinana io?
-
Inona no tianao ho fantatry ny namana iray momba an’i Jesoa Kristy rehefa mieritreritra momba io fahamarinana io?
Mampiditra fifampiresahana ao anaty sary
Adikao ireo sary avy ao amin’ny Histoires tirées des Écritures ary apetaho ao anaty taratasy zaraina ho an’ny mpianatra izany. Ampio faribolana ahafahan’ny mpianatra manoratra ny zavatra lazain’ireo olona voalaza ao anaty tantara miainga amin’ny soratra masina.
Fanovaovana: Ampidiro ao anatin’izany ireo sary ao amin’ny Tantara ao amin’ny Soratra Masina ary asao ireo mpianatra hampiasa ny soratra masina mba hamintinana ny zava-nitranga tao amin’ireo sary. Ohatra jereo ny “Lesona 68: Rota” sy ny “Lesona 151: Jona.”
Mpanao fanamarihana
Anontanio amin’ny mpianatra ny zavatra ataon’ireo mpanao fanamarihana mandritra ireo hetsika ara-panatanjahantena. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra. Ohatra sasantsasany amin’izany ny hoe, ny mpanao fanamarihana dia:
-
Manampy ny hafa hahatakatra ny zava-mitranga.
-
Mametraha fanontaniana momba ny toe-javatra misy (ohatra, “Manontany tena aho hoe nahoana …”).
-
Mizara ny hevitr’izy ireo mikasika ireo fanapahan-kevitra.
-
Manamarika rehefa tsy mandeha tsara ny zavatra iray ary hoe nahoana no manan-danja izany.
-
Manamarika rehefa mandeha tsara ny zavatra iray ary hoe nahoana no manan-danja izany.
-
Midera ny fahombiazana sy miara miombona rehefa misy tsy fahombiazanta.
Asao ny mpianatra mba ho lasa mpanao fanamarihana momba ny tantara iray ao amin’ny soratra masina. Afaka mamaky andininy vitsivitsy izy ireo, avy eo miaraka amin’ny iray kilasy na ao anatina vondrona kely maromaro dia afaka mizara ny iray amin’ireo teboka eny amin’ny solaitrabe izy ireo. Amporisiho izy ireo mba hanome aina ny tantara ao amin’ny soratra masina.
Zava-nitranga ao amin’ny tantara na tatitra momba ny boky
Omeo fizarana iray ao amin’ny soratra masina izay hohalalinin’izy ireo ny mpianatra tsirairay. Avy eo dia omeo azy ireo ny zavatra takina amin’ilay famintinana ny zava-nitranga ao amin’ny tantara na tatitra momba ny boky (eo amin’ny taratasy iray na eny amin’ny solaitrabe). Mety ho tafiditra ao anatin’izany ireo olona fototra resahina, ny fizotran’ny tantara, ny lesona iray na roa izay nianarana (ka tanisaina ireo andininy niaviany), ary ny zavatra azo ampiharina ho an’ny zatovo iray. Omeo fotoana ny mpianatra hizarana amin’ny mpianatra iray hafa ny zavatra nomaniny.
Fanovaovana: Afaka maka ampahany iray amin’ilay tantara na boky ny mpianatra tsirairay ao anatin’ny vondrona kely iray: ireo olona fototra resahina, na ny fizotran’ny tantara, na ny lesona nianarana, na ny zavatra azo ampiharina.
Mamantatra fanontaniana
Rehefa avy mamaky andian-tsoratra masina iray ny mpianatra dia asao izy ireo hitanisa ireo fanontaniana izay mety ho voavalin’ireo andininy. Omeo fanamby ireo mpianatra mba hanoratra fanontaniana manan-danja sady miantefa amin’ny zatovo iray fa tsy fanontaniana fikarohana tsotra. Ohatra, raha tokony hanontany hoe: “Inona no ambaran’i Almà fa finoana? Inona no ambarany fa tsy finoana?” dia azon’ny mpianatra atao ny manontany hoe: “Inona no tokony hataoko mba hahafantarako manokana fa marina ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy?” Raha misy amboaran-tsoratra masina mihoatra ny iray mba hohalalinin’ny mpianatra dia azon’izy ireo atao ny manao lisitra ny fanontanian’izy ireo ary mizara amin’ny mpianatra iray izay nandalina amboaran-tsoratra masina hafa. Azon’ny mpianatra atao ny mitady sy mieritreritra ny valin’ny fanontanian’ny mpiara-mianatra aminy.
Manaova tafa sy dinidinika amin’ilay mpanoratra
Asaivo maka sary an-tsaina ireo mpianatra hoe izy ireo no nanoratra tantara iray ao amin’ny soratra masina ary misy olona manao tafa sy dinika amin’izy ireo momba ny zavatra nosoratany. Azon’ny mpianatra atao ny mamaky ny tantara ao amin’ny soratra masina ary mifandimby manao ny anjara asan’ilay mpanao tafa sy dinika sy ny mpanoratra. Ny fanontaniana sasantsasany azon’ilay mpanao tafa sy dinika apetraka dia ny hoe:
-
Inona avy ireo lafin-javatra sasantsasany ao amin’ireo andininy ireo izay tianao ho hitan’ireo mpamaky mihitsy?
-
Inona no holazainao fa hevitra fototra tianao hampitaina, na iray amin’ireo hevitra fototra tianao hampitaina?
-
Ahoana no fomba antenainao fa hampiharan’ireo mpamaky izany eo amin’ny fiainan’izy ireo?
Asao ireo mpianatra mba hizara ny zavatra izay nianarany avy tamin’ilay zavatra niainana. Ampiasao ny fanamarihana ataon’izy ireo mba hilazana ilay fahamarinana nosoratana tamin’ny endri-tsoratra matevina.
Fampifandraisana
Manomeza andinin-tsoratra masina maromaro ao amin’ny tsanganana iray ary fahamarinana mifandray amin’izany saingy mifangaro amin’ny tsanganana iray hafa. Afaka mandalina sy mampifandray an’izany ny mpianatra.
Fahamarinana manan-danja eo amin’ny fiainantsika
Rehefa mandalina toko iray ao amin’ny soratra masina ahitana fahamarinana maro izay mety ho hitany ny mpianatra dia azonao asaina izy ireo hanomboka amin’ny alalan’ny fandalinana samirery. Ny mpianatra tsirairay dia afaka manapa-kevitra hoe inona no inoany fa fahamarinana na hevitra telo na efatra manan-danja indrindra ao amin’ilay ampahan-tsoratra masina ary manoratra izany. Avy eo dia azonao alamina ho vondrona misy olona roa ny mpianatra ary mampitaha ireo fahamarinana hitan’izy ireo. Ny vondron’olon-droa tsirairay dia mamaritra izay heveriny fa fahamarinana roa manan-danja indrindra eo amin’ny fiainan’izy ireo ary mandrakitra izany an-tsoratra. Fanamarihana: Mety tsy hitovy amin’ireo efatra tany am-boalohany ireo hevitra ireo. Avy eo ny vondron’olon-droa tsirairay dia miara-mivondrona amin’ny vondrona iray hafa ka lasa vondrona misy olona efatra, miara-mizara sy mampitaha ny heviny ireo mpianatra efatra ary miara-miasa ho ekipa iray mba hamantarana ilay fahamarinana manan-danja indrindra ao amin’ilay lahatsoratra.
Fizotry ny sary
Mampisehoa sary maromaro izay maneho tantara iray ao amin’ny soratra masina mba hohalalinin’ny mpianatra. Asehoy ireo andininy hovakin’ny mpianatra. Asao ny ankizy handahatra ireo sary araka ny filaharany marina.
Fanehoana ny kisarin’ireo fizarana ao amin’ny tantara
Ampio ny mpianatra hamantatra ireo fotopampianarana na fitsipika ampianarina ao amin’ireo tantara ao amin’ny soratra masina miaraka amin’ilay kisarin’ireo fizarana ao amin’ny tantara. Farito ireo singa samihafa mandrafitra ilay fizarana ka anisan’izany ity manaraka ity:
-
Ny toe-javatra tany am-piandohana: Izany dia mety ahitana hoe iza no mandray anjara, ny toe-javatra niainana tany am-piandohana, ary koa ny toerana sy ny fotoana itrangan’izany.
-
Mampitombo fifandirana na hetsika: Fantaro ireo fiovana izay misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ireo olona ao amin’ilay tantara.
-
Fotoana mampientanentana: Izany no zava-dehibe indrindra amin’ilay tantara. Matetika dia misy fiovana lehibe, toy ny hoe olona iray mandresy sakana na lasa nahita zava-baovao.
-
Fotoam-pianjerana: Ny vokatra aterak’ilay fotoana mampientanentana rehefa mihena ireo tranga miseho.
-
Famahana: Izany dia mamaritra ny fahatakarana vaovao ananan’ny olona noho ny zavatra niainan’izy ireo.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo andinin-tsoratra masina ho an’ny singa tsirairay mandrafitra ilay fizarana. Asao ny mpianatra hamaky ireo andininy ho an’ny singa tsirairay mandrafitra ny fizarana na hanao sary ny zavatra vakin’izy ireo na hanoratra ny lisitr’ireo zava-nitranga manan-danja. Rehefa vitan’ny mpianatra ny dingana farany dia asao izy ireo hijery ilay tantara iray manontolo ary hanoratra fehezan-teny iray momba ny fahamarinana izay nianaran’izy ireo.
Piozila
Manaova piozila tsotra avy amin’ny sary iray izay maneho ilay amboaran-tsoratra masina. Soraty ao ambadiky ny tapa-taratasy tsirairay ireo andinin-tsoratra masina. Azo alamina ho vondrona maromaro ny mpianatra ary samy omena ampahan’ilay piozila avy ny tsirairay. Mandalina ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra ary miomana hamintina ireo andininy ireo. Rehefa mizara ny famintinany amin’ny iray kilasy ny vondrona dia azon’izy ireo apetaka eny amin’ny solaitrabe ireo tapa-taratasy mba hamoahana ilay sary feno.
Vakiteny lalaovina an-tsehatra
Ho an’ny tantara iray izay ahitana fifampiresahana be dia be ataon’olona, dia alamino ho lasa lahatsoratra vakina ilay andinin-tsoratra masina mba hahafahan’ny olona tsirairay mahita haingana ny anjarany. Mampiasà mpitantara mba hamaky ireo andinin-tsoratra masina izay tsy resaka hifanaovana. Azonao atao ny mandika ireo andinin-tsoratra masina ary manisy marika ny ampahany tsirairay amin’ny fampiasana loko samihafa. Fanamarihana: Tadidio fa ireo mpikambana ao amin’ Ny Andriamanitra dia tokony haseho mandrakariva amin’ny fomba feno fanajana fatratra. Raha misy mpikambana iray ao amin’ Ny Andriamanitra, anisan’izany i Jesoa Kristy, aseho ao amin’ny tantara ao amin’ny soratra masina izay tianao hanaovana ity sahanasa ity, dia asaivo mamaky ny teniny ilay mpitantara manao ny anjaran’ny mpitantara.
Mamaky soratra masina
Misy fomba maro isan-karazany hamakiana ny soratra masina ao am-pianarana. Samy azo ampiasaina amin’ny tanjona samihafa ny tsirairay avy amin’izy ireo. Eritrereto ny zavatra ilain’ny kilasinao rehefa misafidy fomba famakiana.
-
Vakiteny mangina: Afaka mamaky mangina samirery ny mpianatra. Izany dia manome ny mpianatra fotoana hisaintsainana ny soratra masina sy hamaky izany amin’ny hafainganam-pandehan’izy ireo manokana.
-
Vakiteny ataon’olona tsiroaroa na ao anaty vondrona: Izany dia mamela mpianatra maro kokoa handray anjara sy tsy ho sahiran-tsaina loatra amin’ny famakiana amin’ny feo mafy.
-
Mpampianatra na mpandray raki-peo: Afaka mamaky ny lahatsoratra ny mpampianatra na mandefa ilay raki-peon’izany ary manasa ny mpianatra hanaraka ny vakiteny.
-
Vakiteny mafy: Azo asaina miaraka mamaky andinin-tsoratra masina ny iray kilasy. Afaka mamaky mafy amin’ny iray kilasy ny mpianatra manolo-tena maro, na azo asaina mialoha izy ireo ary omena fotoana hiomanana hamaky. Omeo toky ireo mpianatra fa azo “dinganina fotsiny” izy ireo raha tsy mahazo aina mamaky.
Mandalina ny soratra masina
Manomàna fanontaniana maromaro momba ireo andian’andininy ao amin’ny soratra masina eo amin’ny taratasy kely maro misaratsaraka. Zarao ho vondrona kely maromaro ny mpianatra. Mandefa mpianatra iray eny aloha ny vondrona tsirairay ary omenao azy ireo ny fanontaniana voalohany. Avy eo ireo mpianatra dia miverina ao amin’ny vondrona misy azy ireo, ary miara-miasa mba hikaroka ny valiny. Rehefa hitan’izy ireo ilay valiny dia mandefa mpianatra hafa izy ireo mba handray ny fanontaniana manaraka izay hovaliana. Raha vitsy ny mpianatra dia azon’ny mpianatra atao samirery ity sahanasa ity.
Fanehoana ny sarintsarin’ny toe-javatra iray
Amboary ilay efitrano fianarana amin’ny fomba izay maneho ny sarintsarin’ny toe-javatra ao amin’ilay tantara hovakina ao amin’ny soratra masina amin’io andro io. Ohatra, raha mamaky ny Rota dia afaka maneho ny tanin’i Moaba sy ny tanin’i Joda ireo famantarana samihafa eny anoloan’ny efitrano. Azon’ny mpianatra atao ny manomboka amin’ny tanin’i Moaba ary misalotra ireo mari-pamantarana anarana izay maneho an’i Naomy, Rota, Orpà, Elimeleka, ary olona hafa ao amin’ilay tantara. Avy eo dia azon’izy ireo atao ny mampiseho hoe iza amin’ireo olona no mifindra any Joda, ary afaka mandalina ny anton’izany ireo mpianatra.
Famantarana ny fijanonana
Omeo ireo mpianatra ilay fahamarinana nosoratana tamin’ny endri-tsoratra matevina. Vakio miadana amin’izy ireo ny andininy vitsivitsy ary angataho izy ireo hanangan-tànana na hiteny hoe “Ajanony” rehefa mandre zavatra ao amin’ny andininy iray izay manampy amin’ny fampianarana izany fahamarinana izany izy ireo. Asao avy eo ny mpianatra hizara ny zavatra hitany.
Famintinana avy amin’ny mpianatra
Alohan’ny fotoam-pianarana dia omeo sahan-kevitra na votoatin-kevitra momba ny soratra masina tianao hofintinin’izy ireo ho an’ny iray kilasy ny mpianatra iray na maromaro. Azonao atao ny manao printy sy mizara izany andro iray mialoha ny fotoam-pianarana na omeo ny mpianatra rehefa miditra ao an-dakilasy izy ireo. Asao izy ireo hiomana hizara ilay famintinana rehefa antsoina amin’ny fotoana maha-mety izany ao an-dakilasy.
Manome ny dikantenin’ny andinin-tsoratra masina iray
Rehefa avy mamaky andian-tsoratra masina iray izay mety ho saro-takarina ny mpianatra dia azonao atao ny manasa azy ireo hisafidy andininy iray mba “hadika” na hanoratra ny andalana tsirairay amin’ny tenin’izy ireo manokana. Raha ilaina dia ampio izy ireo hampihatra ny fitadiavana famaritana na hampiasa soratra masina hafa sy fitaovana fandalinana soratra masina mba hahatakarana ireo teny sy andian-teny sarotra.
Marina sa diso
Manorata fanambarana marina na diso samihafa mikasika ireo antsipirian-javatra manan-danja ao anatin’ny amboaran-tsoratra masina iray. Asao ny mpianatra mba haneho raha toa izy ireo amin’ny voalohany ka manaiky, na tsy manaiky ireo fehezan-teny. Asao izy ireo hitady porofo hanekena na hanoherana ireo fehezan-teny rehefa mandalina ilay amboaran-tsoratra masina. Avy eo dia averin’ny mpianatra soratana araka ny tokony ho izy ireo fehezan-teny tsy marina rehefa mamaky ilay andalan-tsoratra masina izy ireo.
Fanovaovana: Manorata fanambarana vitsivitsy momba ny lohahevitry ny lesona izay manan-danja tokony ho takatry ny mpianatra. Ampidiro ihany koa ny fanambarana diso vitsivitsy. Avy eo dia asao ireo mpianatra haminavina raha marina na diso izany. Avy eo ny mpianatra dia afaka mandalina ny soratra masina ao amin’ny lesona mba hahitana raha toa ka marina izany. Aorian’ilay sahanasa dia asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany. Alaivo antoka fa mazava amin’ny mpianatra izany taorian’ny fanaovana ilay sahanasa hoe iza no fanambarana marina ary iza no fanambarana diso.
Mampiasà sary
Asao ny mpianatra hisafidy sary iray izay manan-danja amin’izy ireo. Mety ho ao anatin’ny telefaoniny izany, na afaka mitondra iray avy any an-trano izy. Asao izy ireo hiomana hizara izao manaraka izao:
-
Ny zavatra fototra niseho, izay mamaritra ny zavatra nitranga nahatonga an’ilay sary
-
Ny tian’ilay sary hampitaina na ny tanjon’ilay sary
-
Antsipirian-javatra vitsivitsy izay manan-danja amin’izy ireo
Rehefa avy mizara ny mpianatra dia afaka mamaky ny amboaran-tsoratra masina ho an’ny lesona izy ireo avy eo ary manomana ireo zavatra telo ireo ihany izay mifandray amin’ilay amboaran-tsoratra masina.
Fakana sary an-tsaina
Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina tantara iray na ampahany amin’ny lahatsoratra nohalalinina. Afaka manakimpy ny masony ny mpianatra ary mifantoka amin’ny fakana sary an-tsaina ireo sary faritan’ny mpampianatra. Ohatra, azonao atao ny manasa ny mpianatra haka sary an-tsaina fa niaraka tamin’ny zanak’i Isiraely izy ireo rehefa latsaka teo anelanelan’ny Ranomasina mena sy ny miaramilan’i Farao izay hanafika azy ireo ny zanak’i Isiraely. Inona no mety ho tsapan’izy ireo? Toy ny ahoana ilay “andry rahona” izay nanakona ny miaramilan’ny Egyptiana tsy ahita ny tobin’i Isiraely? (jereo ny Eksodosy 14:19–20). Mety ho toy ny ahoana izany rehefa “nasain’ny Tompo niverina tamin’ny rivotra mahery vaika miantsinana nandritra io alina io ny ranomasina”? (Eksodosy 14:21). Mety hiteny ianao hoe: “Alaivo sary an-tsaina hoe mandeha -eny ampovoan-dranomasina amin’ny tany maina ianao: ary ny rano [dia] rindrina … eo ankavana[nao] sy eo ankavia[nao]- (Eksodosy 14:22). Ahoana no fihetsik’ireo olona manodidina anao? Inona no lazain’izy ireo, sa mandeha amim-pahanginana izy ireo? Inona no resahanareo momba io alina io rehefa ao amin’ny tobinareo?” Tohizo ny fametrahana fanontaniana izay manampy ny mpianatra haka sary an-tsaina ilay toe-javatra.
Rahona misy teny
Asao ireo mpianatra hamantatra ireo teny sy andian-teny izay tsapany fa manan-danja ao anatin’ny andalan-tsoratra masina iray. Mamoròna rahona misy teny izay ahitana ireo teny sy andian-teny mahazatra na manan-danja indrindra hitan’izy ireo. Ny haben’ireo teny dia mety haneho ny halehiben’ny lanjan’izy ireo.
2. Ampitomboy ny fahatakarana amin’ny alalan’ny teny nindramina sy soratra masina
Matetika ny lesona dia ahitana andalan-tsoratra masina maromaro avy ao amin’ny soratra masina nankatoavin’ny Fiangonana mba hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny fahatakarany ilay fitsipika na fotopampianarana izay halalinin’izy ireo. Hisy ihany koa lesona izay ahitana teny nindramina maro avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Ireto sahanasa manaraka ireto dia fomba vitsivitsy azonao anampiana ny mpianatra handalina soratra masina na teny nindramina isan-karazany ary hanome azy ireo fahafahana hahita ny fahamarinana ho an’ny tenany manokana.
Mamorona toby fandalinana
Manorena toby fandalinana manerana ny efitrano fianarana. Ny toby tsirairay dia mety hahitana torolalana mipetaka eny amin’ny rindrina na eny amin’ny dabilio. Ireo torolalana ireo dia mety hahitana soratra masina na teny nindramina hovakina, ary fanontaniana na asa atao hafa mba hovitaina. Azon’ny mpianatra atao ny mifamadibadika ao anatina vondrona kely maromaro, mifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany isaky ny toby. Afaka manao izany samirery ihany koa izy ireo amin’ny hafainganam-pandehany manokana. Afaka manisy taratasy lehibe ianao isaky ny toby tsirairay ho an’ny vondrona na mpianatra tsirairay mba hiraketana ny valintenin’izy ireo. Afaka mamaky sy misaintsaina ny zavatra nosoratan’ny hafa izy ireo.
Mamoròna fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy ho anao manokana
Asao ny mpianatra hampiditra fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy amin’ny soratra masina izay halalinin’izy ireo. Izany dia azo ampidirina amin’ny alalan’ny famoronana rohy mampifandray eo amin’ireo andalan-tsoratra masina nohalalinina sy ireo soratra masina hafa ary teny nambara hafa avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ireo andinin-tsoratra masina mifandray ery amin’ny sisiny na mampiasa ilay endri-javatra mampitohy ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile . Azon’izy ireo atao ny mizara andinin-tsoratra masina fanampiny maro araka izay azo atao izay manome kokoa hevi-baovao momba ilay lohahevitra. Fanovaovana: Afaka mampiasa fanondroana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile ny mpianatra mba hampifandraisana ireo soratra masina sy teny nindramina isan-karazany avy ao amin’ny lesona iray.
Mamaritra
Asao ny mpianatra mba hamantatra teny na hevitra saro-takarina. Asaivo mitady loharanom-pitaovana izy ireo, ao anatin’izany ny soratra masina sy ny fitaovana fandalinana soratra masina (Topical guide, Torolalana ho an’ny Soratra Masina, Lohahevitra sy fanontaniana) mba hanampiana azy ireo hianatra kokoa momba ilay teny. Asaivo faritan’izy ireo amin’ny teniny manokana ilay teny na andian-teny.
Fanamarihana amin’ny endrika soratsoratra tsotra
Rehefa mandalina ny mpianatra dia omeo taratasy misy faribolana hasiana eritreritra na fizarana izay ahafahany manoratra ny zavatra hitany.
Manam-pahaizana
Zarao ho vondrona kely ny mpianatra ary ampiandraiketo lohahevitra iray mba hianarany. Omeo fotoana ireo vondrona handalinana ireo lohahevitra mba hahatonga ny mpikambana tsirairay ao amin’ilay vondrona ho lasa manam-pahaizana mikasika ilay lohahevitry ny vondrona misy azy. Afaka mampiasa andinin-tsoratra masina, na fanambarana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na loharanom-pitaovana hafa omenao izy ireo. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asaivo mizara ho vondrona vaovao izy ireo mba hahafahan’ny vondrona tsirairay hanana “manam-pahaizana” mikasika ny lohahevitra iray hafa. Avy eo dia zarain’ny mpianatra ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny lohahevitra nomena azy ireo.
Fifandraisana ao amin’ny Ho zatovo mahery!
Rehefa avy nandalina andalan-tsoratra masina iray na fanambarana iray ny mpianatra ary nahita fahamarinana iray ao amin’ny filazantsara dia asao izy ireo hitady fanambarana avy ao amin’ny fizarana iray na maromaro ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidybokikely izay manamafy ny fahamarinana hitan’izy ireo tao amin’ny andian-tsoratra masina iray.
Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra
Manasà mpianatra hamerina hanoratra soratra masina iray ao amin’ny diary fandalinany ka andalan-tsoratra iray na fehezanteny iray isaky ny mandeha no hanaovany izany. Tokony hasiany faritra malalaka eo anelanelan’ny andalan-tsoratra na fehezan-teny tsirairay. Azon’ny mpianatra atao ny mandalina sy misaintsaina tsara ny teny tsirairay ao amin’io andalan-tsoratra na fehezan-teny io. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mitady andinin-tsoratra masina mifandray na fampahalalana hafa momba io andalan-tsoratra io ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Avy eo dia manaova toy izany koa amin’ny andalana manaraka ao amin’ilay andalan-tsoratra masina. Ny ohatra iray amin’izany dia hita ao amin’ny “Aza matahotra,” Ho zatovo mahery!, feb. 2021, 32.
Sary maneho ny ao an’eritreritra
Asao ny mpianatra hamorona sary iray maneho ny ao an’eritreritra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo tahaka ilay iray etsy ambony. Azon’izy ireo soratana eo afovoany ilay fitsipika na fotopampianarana hitan’izy ireo. Avy eo dia asaivo mitady soratra masina na teny nindramina fanampiny izay manampy amin’ny fahatakarany izy ireo. Afaka mampiditra ny heviny momba izany lohahevitra izany ao amin’ireo efajoro ivelany izy ireo. Asao ny mpianatra hampivelatra ny sary maneho ny ao an’eritreritr’izy ireo amin’ny alalan’ny fampidirana efajoro tsy tapaka ary hampifandray azy ireo amin’ireo zavatra ianarany.
Hevitra mifanindry
Asao ny mpianatra hisafidy lohahevitra roa na maromaro avy ao amin’ny lesona izay mitovy amin’ny lafiny sasantsasany ary tsy mitovy amin’ny lafiny hafa. Mamoròna kisary mitovitovy amin’ilay sary etsy ambony izay ahafahan’ny mpianatra manasokajy ny zavatra iraisan’ireo lohahevitra ireo sy ny zavatra tsy mampitovy azy roa ireo. Azo atao izany miaraka amin’ny olona roa ao anatin’ny tantara iray (ohatra, i Jakoba sy i Esao) na lohahevitra roa (ohatra, ny Paska sy ny fanasan’ny Tompo).
Mizara hevi-baovao
Omeo pejy taha-dikana andian-tsoratra masina iray ny mpianatra ary asaivo soratan’izy ireo eo ambony ny anaran’izy ireo. Omeo iray na roa minitra izy ireo hamakiana ilay andian-tsoratra masina ary hanoratra hevi-baovao iray izay nianarany avy amin’ny fandalinany.
Ohatra, azon’ny mpianatra atao ny manisy marika ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy, mizara teny nambaran’ny mpaminany, manisy tsipika ireo andian-teny manan-danja, manao ireo teny miavaka ao anatina faribolana, manoratra fitsipika ary mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany sy hevi-baovao hafa eo amin’ny sisin’ny pejy.
Rehefa tapitra ny fotoana dia asaivo alefan’izy ireo any amin’ny mpianatra vaovao iray ny taratasin’izy ireo mba hanoratana hevi-baovao samihafa. Rehefa avy niampitapita tany amina mpianatra vitsivitsy izany, dia asaivo averin’izy ireo any amin’ilay mpianatra tany am-boalohany ny taratasiny. Fanovaovana: Ho solon’ny andian-tsoratra masina iray, ny taratasy tsirairay dia mety hisy fanontaniana mifono fampiharana hafa izay mifandray amin’ilay andinin-tsoratra masina. Maro amin’ireo mpianatra no afaka mamaly fanontaniana amin’ny alalan’ny fampiasana soratra masina sy teny nambaran’ny mpaminany ary mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ilay lohahevitra.
Misafidiana teny nindramina iray an-kisendrasendra
Mametraha teny nindramina maromaro izay mampianatra fahamarinana iray avy ao amin’ny lesona ao anaty satroka na harona. Manasà mpianatra manolo-tena haka teny nindramina iray avy ao anaty satroka ary hizara ny ifandraisan’izany amin’ny fahamarinana ianaran’izy ireo sy ny dikan’izany amin’izy ireo. Ataovy azo antoka fa omenao fotoana izy ireo hamakiana sy hiomanana hizara. Fanovaovana: Raha vantany vao avy nizara ny mpianatra dia ampifamadihany ireo teny nindramina ary mitady mpiara-miasa vaovao izay hizarany ny teny nindramina vaovao azony izy ireo.
Fonon-teny ho an’ny soratra masina
Misafidiana andinin-tsoratra masina miisa 16 ary soraty eo amin’ireo andalana miisa 16 ao amin’ireo tsanganana ivelan’ny fonon-teny ny andinin-tsoratra masina tsirairay. Asao tsiroaroa na ao anaty vondrona kely ny mpianatra mba hamaky soratra masina izay navondrona tsiroaroa ao amin’ny fononteny tsirairay ary hamaritra hoe inona no andinin-tsoratra masina manan-danja indrindra ho an’ny zatovo iray ankehitriny. (Mety hanampy ny manamafy fa manan-danja avokoa ny soratra masina rehetra. Tsy manapa-kevitra ny mpianatra hoe andininy inona no tsara kokoa, fa izay tsapan’izy ireo ho manan-danja indrindra amin’izy ireo amin’izao fotoana izao fotsiny.) Ny andalan-tsoratra masina nosafidin’izy ireo dia mankany amin’ny fonon-teny manaraka. Manohy mifanakalo hevitra momba ny tsirairay amin’ireo soratra masina navondrona tsiroaroa ny mpianatra mandra-pahitan’izy ireo ilay soratra masina iray izay tsapan’izy ireo fa manan-danja indrindra ary mifanakalo hevitra momba ny anton’izany. Azon’ny mpianatra atao ny mizara ireo soratra masina ireo amin’ny iray kilasy. Mba hahitana ohatra amin’io hevitra io dia jereo ny sahanasa fianarana fanampiny ao amin’ny “Lesona 109: Fampahafantarana ireo Ohabolana.”
Sahanasa fandalinana safidin’ny mpianatra
Ataovy lisitra ireo sahanasa fandalinana miisa enina. Rehefa nahita fahamarinana iray avy ao amin’ny amboaran-tsoratra masina iray ny mpianatra dia mampiasà fomba iray hisafidianan’ny mpianatra an-kisendrasendra izay sahanasa hotanterahina (mampiasa kodiakely, misintona karatra iray, maka taratasy iray, mampiasa mpamoaka isa an-kisendrasendra).
Ireo ohatra dia mety hahitana ireto manaraka ireto:
-
Mizara tantara iray avy amin’ny fiainan’i Jesoa izay nampianarany na nanehoany ilay fahamarinana.
-
Mitady andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana na andalan-tsoratra masina hafa momba ilay fahamarinana.
-
Mitady ohatrana tantara iray ao amin’ny soratra masina momba ny olona iray izay niaina ilay fahamarinana.
-
Mitady teny iray nambaran’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana izay mampianatra ilay fahamarinana.
-
Mizara zavatra niainan’ny olona iray manokana izay notahina tamin’ny alalan’ilay fahamarinana.
-
Mizarà hevitra iray momba ny fomba ahafahantsika miaina ny fahamarinana. Mitady andalan-tsoratra masina izay mampianatra ilay ohatra izay zarainao.
Fandalinana miendrika bibilava
Apetraho eo amin’ny latabatra na seza tsirairay ny karatra iray izay ahitana torolalana toy ny hoe “mamakia andalan-tsoratra masina iray na teny nindramina iray,” na “mamalia fanontaniana iray avy ao amin’ny lesona.” Azon’ny mpianatra atao ny mifamadibadika toerana ka manaraka ireo torolalana ao amin’izany karatra izany.
Tranonkalan’ny lohahevitra
Asao ireo mpianatra hamorona kisary tahaka ity anankiray ity izay manomboka amin’ny fahamarinana na lohahevitra nosoratana tamin’ny endri-tsoratra matevina eo afovoany. Avy eo ny mpianatra dia manao tsipika mankeo amin’ireo faribolana ivelany ary manome anarana azy ireo hoe soratra masina, na fahamarinana, na singa mifandray amin’ilay lohahevitra fototra. Ohatra, azon’ny mpianatra atao ny mirakitra an-tsoratra ny fanasan’ny Mpanao Salamo hoe “Manolotra fisaorana ho an’ny Tompo” ao amin’ny faribolana afovoany miaraka amin’ny andininy hoe “Salamo 136.” Avy eo izy ireo dia afaka mitanisa eo ivelan’ny faribolana izay antony avy ao amin’ny Salamo mba hanolorana fisaorana ho an’ny Tompo.
Mampiato horonan-tsary
Mampiasà horonan-tsary novokarin’ny Fiangonana izay maneho na mampianatra momba ny fitsipiky ny filazantsara iray. Miatoa eny antenantenany eny mba hamoronana fahalianana na hanampiana ny mpianatra hamakafaka ny zavatra izay hitany. Azonao atao ny mametraka fanontaniana amin’ny mpianatra toy ity manaraka ity:
-
“Inona no mety ho noeritreretinao na ho tsapanao na inona no fanontaniana mety hanananao raha toa ka tao anatin’izany toe-javatra izany ianao?”
-
“Inona avy ireo soratra masina nohalalininao androany izay afaka manampy?”
-
“Inona no antenainao ho takatr’io olona io momba ny fahamarinana izay nianarantsika androany?”
-
“Aiza no ametrahanao ny tenanao ao anatin’ity tantara ity ankehitriny?”
3. Zarao ny zavatra ianaran’izy ireo
Mandritra ny lesona dia asao hizara ny eritreriny sy ny heviny ireo mpianatra. Rehefa manazava sy mizara ary mijoro ho vavolombelona amin’ny mpiara-mianatra iray, na anaty vondrona kely, na amin’ny iray kilasy ny mpianatra dia matetika izy ireo voatariky ny Fanahy Masina hahazo fijoroana ho vavolombelona lehibe kokoa mikasika ireo zavatra izay zarainy ihany. Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, ny teny lazain’izy ireo dia afaka ihany koa mitondra fiantraikany lehibe amin’ny fo sy ny sain’ireo izay mihaino. Na dia manan-danja aza izany dia mety ho sarotra ho an’ny mpianatra ny mizara noho ny antony maro. Tsarovy ny manao izay tsy hampaninona ny mpianatra rehefa “dinganina,” raha toa ka tsy mahazo aina izy ireo mizara. Afaka manampy ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo ireto hevitra manaraka ireto.
Mamakafakà andalan-tsoratra masina iray
Manorata andinin-tsoratra masina iray eo afovoan’ny taratasy lehibe iray (azonao atao koa ny mampiseho izany eny amin’ny solaitrabe). Makà antoka fa mety tsara ny haben’izany ka hitan’ny mpianatra tsirairay. Afaka mandany minitra vitsy hametrahana fanontaniana betsaka momba ilay andinin-tsoratra masina araka izay vitany ny mpianatra. Avy eo dia omeo minitra vitsy izy ireo hikarohana ao amin’ny soratra masina na ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile mba hamaliana ireo fanontaniana. Raha tsy izany dia azo atao printy amin’ny taratasy iray ilay soratra masina ary azon’ny mpianatra atao samirery ilay sahanasa.
Tabilao misy hevitra
Azon’ny mpianatra atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe, na mampiasa taratasy mandraiki-tena na taratasy kely mba hapetaka eny amin’ny solaitrabe, mba hizarana ny heviny momba ny fomba hampiharana fahamarinana iray ao amin’ny filazantsara. Ilay tabilao misy hevitra dia mety hahitana sary lehibe momba ireo zavatra izay mifandray amin’ilay lohahevitra. Ohatra, raha mandalina ny Nehemia ianao dia afaka manao sarina rindrina lehibe tahaka ilay natsangan’i Nehemia. Azon’ny mpianatra atao ny mitanisa zavatra iray na maromaro izay tsapan’izy ireo fa tian’ny Tompo hataon’izy ireo mba hanatanterahana ny asany fa tsy ho variana na hatahotra, mitovy amin’i Nehemia rehefa nanorina rindrina nanodidina ny tempoly izy.
Fantaro ny olona kinendrinao
Asaivo misafidy ny mpihaino kinendriny ny mpianatra ary hizara ny zavatra ianarany amin’ny fomba izay ahatakaran’ireo olona kinendry. Azon’ny mpianatra atao miaraka amin’ny namana na vondrona iray ity sahanasa ity. Mety hahomby ny manome safidy maro ho an’ny mpianatra ary mamela azy ireo hisafidy izay olona tian’izy ireo hampianarina. Ireto misy hevitra vitsivitsy azon’izy ireo isafidianana:
-
Namana iray avy amin’ny antokom-pinoana hafa mandritra ny asa fitoriana ataonao
-
Ankizy ao amin’ny kilasin’ny Kilonga
-
Namana iray any an-tsekoly
-
Olona iray ao amin’ny fianakavianao
Tohizo ny resadresaka
Alohan’ny hiarahan’ny iray kilasy mifanakalo hevitra dia mety hanampy ny famporisihana ireo mpianatra hifampihaino tsara. Ireto hevitra manaraka ireto dia azo omena ny mpianatra alohan’ny fifanakalozan-kevitra. Izany dia afaka manampy azy ireo hifampihaino tsara sy hamorona fifanakalozan-kevitra mankahery izay ahitana mpianatra maro mandray anjara ao anatiny. Azonao atao ny mampiseho azy ireo na manome ny mpianatra taratasy zaraina ahitana ireo hevitra ireo.
Ampio izany—Zarao ny zavatra tianao mikasika ny teny nambaran’ny mpiara-mianatra iray ary avy eo dia zarao ihany koa ny eritreritrao manokana, toy ny hoe:
-
“Izany dia mampahatsiahy ahy ny …”
-
“Manaiky aho satria …”
-
“Marina. Ny ohatra iray hafa dia rehefa …”
-
“Hevitra tena tsara izany …”
Fintino izany—Lazao amin’ny fomba hafa ny zavatra nolazain’ny mpiara-mianatra aminao ary avy eo dia manaova fanamarihana momba izany.
-
“Raha ny fahenoako azy dia milaza ianao fa …”
-
“Raha azoko tsara ny zavatra nolazainao dia …”
-
“Tiako ny fomba nitenenanao ny hoe …”
Manontania—Mametraha fanontaniana amin’ny mpianatra iray hafa momba ny zavatra nolazain’izy ireo.
-
“Afaka milaza amiko misimisy kokoa momba izany ve ianao?”
-
“Tsy azoko antoka hoe takatro … ?”
-
“Azoko ny tianao holazaina, saingy ahoana ny momba ny … ?”
-
“Moa ve ianao efa nieritreritra momba ny … ?”
Ampitapitao ilay taratasy
Ampiasao ity taratasy zaraina ity mba hamoronana toromarika maromaro izay mety hahitana soratra masina na teny nindramina mba hovakina sy fanontaniana hovaliana. Alaivo antoka fa ampy ny toerana hanoratan’ny mpianatra ny valinteniny. Omeo tahadika ny mpianatra tsirairay ary asao izy ireo mba hanoratra ny anarany eo amin’izany. Mamaly ny fanontaniana voalohany ny mpianatra ary avy eo dia hamoritra ilay taratasy mba hanafenana ny valintenin’izy ireo. Ampitain’izy ireo amin’ny mpianatra iray hafa izay mamaly ny fanontaniana na ny tari-dresaka manaraka ilay taratasy. Ny mpianatra tsirairay dia mamoritra ilay taratasy mba hanakonana ny valintenin’izy ireo ary mampita izany amin’ny mpianatra iray hafa. Any amin’ny fiafaran’ilay fampitapitana dia averina any amin’ilay mpianatra voalohany ireo taratasy ary vakiany ny zavatra nosoratan’ny mpiara-mianatra aminy.
Miomana hizara
Mizarà fanontaniana manan-danja iray izay tianao hovalian’ny mpianatra. Ataovy izay hizarana izany minitra maromaro mialoha ny hanasana azy ireo hamaly ilay fanontaniana. Ohatra, afaka miteny ianao hoe: “Afaka minitra vitsy manomboka izao dia tiako ny sasany aminareo raha mizara ny eritreritrareo momba ny . Mba eritrereto azafady ny momba ny zavatra tianareo hozaraina rehefa mandalina ity andalan-tsoratra masina manaraka ity isika.” Avy eo dia azonao asaina mba hizara amin’ny mpianatra miara-miasa aminy na ao anatina vondrona iray aloha ny mpianatra.
Hadihadio ny mpianatra rehetra
Manaova fanadihadiana eo anivon’ny mpianatrao amin’ny alalan’ny fanomezana taratasy kely ho azy ireo. Afaka mamaly tsy ankitonona anarana ny mpianatra ary avy eo dia mametraka ny taratasiny ao anaty fitoeran-javatra, toy ny baoritra na satroka iray. Azonao atao ny manangona ny eritreritr’izy ireo momba ny fitsipika, na fanontaniana, na fanapahan-kevitra iray mety horaisin’ny olona iray ao anatin’ny rafi-tantara iray. Raha toa ka afaka mampiasa finday avo lenta ny mpianatra dia azonao atao ny mampiasa application fanaovana fanadihadiana izay maimaim-poana sy mora ampiasaina. Omeo andraikitra amin’ny fandalinana sy rohy ahitana fanontaniana iray ny mpianatra ary asaivo mamaly amin’ny alalan’ny fampiasana ny findain’izy ireo. Azonao atao avy eo ny mampiseho ireo valinteny ao an-dakilasy.
Andian-teny mafonja
Mampiasà andian-teny mafonja mba hanofanana ny mpianatrao hizara sy hanentanana ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy.
Izany dia fitaovana tena manampy ho an’ireo kilasy izay mangina na tsy mahafantatra loatra ny fomba hizarana na ny zavatra hozaraina. Asehoy ny lisitr’ireo andian-teny etsy ambany mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ny zavatra azon’izy ireo zaraina. Asaivo mandalina amboaran-tsoratra masina iray izy ireo ary miomana hizara andian-teny mafonja iray na maromaro. Amorao ny fifanakalozan-kevitra na asaivo mitarika izany ny mpianatra iray.
-
Ny andininin-tsoratra masina iray tiako dia …
-
Ny andian-teny iray izay nahitako hevi-baovao dia …
-
Ny lesona iray notsoahiko avy amin’izany dia …
-
Ny fitsipika iray hitako dia …
-
Ny teny iray izay hitako fa mahaliana na mampisafotofoto saina dia …
-
Ny zavatra iray tokony ho fantatry ny zatovo iray avy amin’izany dia …
-
Ny zavatra fantatro fa marina avy amin’izany dia …
-
Ny zavatra izay mampiahiahy ahy dia …
-
Ny zavatra iray izay tsapako fa tokony hataoko androany dia …
-
Ny zavatra iray ianarako momba ny Mpamonjy ato amin’ity dia …
Karatra fandraisana anjara
Zarao ireo karatra izay azon’ny mpianatra tazonina ho valiny hita maso amin’ireo fanontaniana apetrakao. Azon’ny mpianatra atao ny mampiasa ireo karatra mba hanehoana ny valinteniny, na rehefa vonona ny hizara na hifanakalo hevitra momba ny eritreriny izy ireo. Ireto manaraka ireto dia ohatra amin’ny karazana karatra fandraisana anjara:
-
Karatra maitso ho an’ny marina, mena ho an’ny diso.
-
Soraty ny hoe “Mbola mieritreritra” eo amin’ny lafy iray ary “Vonona hizara” eo amin’ny lafy iray hafa.
-
Karatra misy tarehimarika na litera izay maneho safidy samihafa voatanisa eny amin’ny solaitrabe. Manondro tarehimarika na litera ho an’ny valintenin’izy ireo ny mpianatra rehetra mba hahafahanao mahita ny valinteniny sy misafidy ny mpianatra hamaly.
-
Manorata karatra misy valiny maro eo amin’ny lafy samihafa (jereo ny ohatra etsy ambany). Rehefa asaina mamaly ny mpianatra dia ny toerana afovoany ambony no toerana misy azy ireo. Avy eo ianao na ny mpianatra iray dia afaka miantso ny mpianatra miainga avy amin’ny toerana asehon’izy ireo.
Fanombohana rafi-tantara
Omeo rafi-tantara tsy feno ny mpianatra ary asao izy ireo hanampy ireo antsipirian-javatra mba hahatonga izany ho manan-danja sy miantefa kokoa amin’ny zavatra iainan’izy ireo. Ohatra, azonao atao ny miteny zavatra toy izao manaraka izao: “Andao isika hamorona rafi-tantara momba ny olona iray mitovitovy taona aminao, antsoina hoe Julia, izay miatrika olana vitsivitsy eo amin’ny fiainana. Mety ho inona ny sasany amin’izany olana izany?” Rehefa mizara ny mpianatra dia ampio izy ireo hizara antsipirian-javatra mba ho toy ny olona tena misy i Julia, na ilay anarana hafa nosafidinao. Azonao atao ihany koa ny manampy antsipirian-javatra manan-danja mba hisy fiantraikany amin’ny fifanakalozan-kevitra, toy ny fanontaniana lehibe ananan’i Julia. Rehefa mizara hevitra ny mpianatra dia mety hanampy ny fametrahana fanontaniana tahaka ny hoe: “Toy ny tena izy sy miaina ve ity rafi-tantara ity aminareo? Inona no azontsika atao mba hahatsapantsika an’ilay rafi-tantara ho manan-danja kokoa amintsika?” Avy eo ireo mpianatra dia afaka mitady fahamarinana amin’ny alalan’ny lesona izay afaka hanampy ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara.
Fanovaovana: Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ilay lohahevitra na fahamarinana. Asao ireo mpianatra hamorona rafi-tantara ho azy ireo manokana ary hanoratra izany amin’ny taratasy. Azonao atao ny mampifanakalo ireo rafi-tantara ireo ary manasa ny mpianatra hamaly amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianarany.
Fanovaovana: Asao ny mpianatra hizara fomba fijery samihafa mety hananan’ny olona momba ny fahamarinana iray ao amin’ny lesona. Ohatra, “Mety hihevitra ny olona sasany fa ho tsara kokoa ny fiainana raha toa ka tsy voatery hitandrina ny andro Sabata ho masina izy ireo.” Na “Mety hihevitra ny olona sasany fa tsara tarehy ny tempoly, kanefa tsy dia manana faniriana ny hanao ireo ôrdônansy ao anatiny izy ireo.” Anontanio ny mpianatra hoe nahoana ny olona iray no mety hieritreritra na hahatsapa toy izany. Avy eo ireo mpianatra dia afaka mizara ny fomba ahafahan’ny soratra masina na fanambarana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay nohalalinin’izy ireo tao amin’ny lesona manampy olona iray izay mahatsapa toy izany.
Rafi-tantara misy fifampiresahana ataon’olona
Mamoròna rafi-tantara iray izay manomboka amin’ny hafatra an-tsoratra tokana, saingy aza lazaina amin’ny mpianatra ny toe-javatra izay nitondra tany amin’izany hafatra an-tsoratra izany. Azonao atao ny manome ny mpianatra tsirairay maodely tsy misy soratra toy ity manaraka ity ary asao izy ireo hamorona resaka ifanaovana ho an’ilay fifampiresahana ataon’olona.
Finamanana haingana
Ny fanampiana ny mpianatra hahatsapa ho mahazo aina amin’ny fifampizarana dia manomboka amin’ny fanampiana azy ireo hahafantatra ny mpiara-mianatra aminy. Ity sahanasa ity dia afaka manampy ny mpianatra hifankahafantatra sy hizara zavatra momba ny soratra masina. Zarao mba hiara-hiasa tsiroaroa ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fanamboarana laharan-tseza roa mifanatrika. Avy eo dia asao ireo mpianatra hanisy marika ny andalan-tsoratra masina iray nomena ary hamaly ny fanontaniana iray nomaninao momba io andalan-tsoratra masina io. Asao ny ekipa mpifanatrika tsirairay mba hamaly ny fanontaniana finamanana efa nomaninao ka afaka manampy azy ireo hifankafantatra bebe kokoa ary avy eo hizara ny valinteny nomanin’izy ireo mifandray amin’ilay andalan-tsoratra masina. Asao ny mpianatra miara-miasa mba hifamadika sy hamerina imbetsaka ilay dingana arahina amin’ny alalan’ny fampiasana fanontaniana sy andalan-tsoratra masina samihafa. Mba hanasana ny mpianatra hiara-hiasa amin’ny mpianatra rehetra dia tsy mifindrafindra ilay mpianatra mipetraka eny amin’ny iray amin’ireo seza eny an-jorony.
Solaitrabe ahitana taratasy mandraiki-tena
Apetraho eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana vitsivitsy mba hovalian’ny mpianatra, na andininy nahitan’izy ireo hevi-baovao hozaraina. Ny mpianatra tsirairay dia manoratra ny anarany eo amina taratasy mandraiki-tena ary mametraka izany eo akaikin’ireo fanontaniana na andininy izay tian’izy ireo hovaliana na horesahina.
Fanovaovana: Ireo loko dia afaka maneho ny zavatra tian’ny mpianatra hozaraina, izany hoe hevi-baovao, fanontaniana, soratra masina mifandray, sy ny sisa.
Mampiasà sary
Asao ny mpianatra hisafidy zavatra iray azo tsapain-tanana ao an-dakilasy na sary iray ao amin’ny findainy izay azo ampiasaina mba hanampiana amin’ny fampianarana fitsipika na fotopampianarana iray. Asao izy ireo hizara ny fomba hampianarany olona iray ny zavatra nianarany amin’ny alalan’ny fampiasana ilay zavatra na sary. Mety ho tsara kokoa ity sahanasa ity rehefa mampianatra fitsipika na fotopampianarana izay mora aseho amin’ny alalan’ny fampiasana zavatra na sary izay efa misy.
Soraty alohan’ny hizaranao azy
Omeo fotoana ny mpianatra hiraketana an-tsoratra ny valin’ireo fanontaniana manan-danja ao amin’ny diary fandalinany mialoha ny hanasana azy ireo hamaly amin’ny feo mafy.
4. Mamoròna fampisehoana ny zavatra nianarany
Matetika ny lesona no manasa ny mpianatra hanao zavatra mba hanehoana ny zavatra nohalalininy. Mety hilana ny fampiasana fahaiza-mamorona izany. Fomba vitsivitsy mety hanampiana ny mpianatra hanao izany ireto sahanasa manaraka ireto.
Tononkalo akrostika
Ampiasao ny litera amina anarana, toerana, na fotompampianarana, ary asao ny mpianatra hamorona tononkalo akrostika amin’ny fampiasana ny zavatra nianarany nandritra ny kilasy. Ohatra, mety hamorona tononkalo akrostika amin’ny alalan’ny fampiasana ny teny hoe finoana toy izao manaraka izao ny mpianatra iray:
F – Fanarahana ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy
I – Izay bitsian’ny Fanahy masina no atao
NO – Nomena ny vavaka mba hametrahana ireo fanontaniana sy ahiahy
A – Ametrahana fitokiana ireo Mpaminanin’ Andriamanitra
NA – Nahazo fanantenana fa handray ireo fitahiana nampanantenainy
Famoronana application
Mamolavola ny application ho an’ny tenany manokana amin’ny taratasy iray ny mpianatra. Ilay application dia mety mampiseho fahamarinana iray ampianarina ao amin’ny soratra masina izay nohalalinina ary ahitana sahanasa, na sary, na soratra masina, na teny nindramina izay afaka manampy olona iray hampihatra izany eo amin’ny fiainany.
Kiasima (vadi-drafi-pehezanteny mifanaraka)
Ny kiasima dia sarin-teny ahitana ny antsasany faharoa amin’ilay fehezan-teny, na andiam-pehezanteny, na lahatsoratra izay maneho sy mamerina amin’ny filaharana mivadika ilay tapany voalohany. Hita eo afovoany ilay hafatra fototra (jereo ny Genesisy 9:12–17 na Almà 36 ho ohatra). Asao ny mpianatra hamorona kiasima avy amin’ny zavatra izay halalininy. Ireo mpianatra dia hametraka ilay fahamarinana nosoratana tamin’ny endri-tsoratra matevina eo afovoany ary hanampy andalan-tsoratra eo ambony sy eo ambanin’izany amin’ny alalan’ny soratra masina na fanambarana ara-paminaniana manohana izany. Mety hitovy amin’izao manaraka izao izany:
A – ny zavatra tsapan’ny mpianatra momba ny fahamarinana na ny zavatra niainan’izy ireo tamin’izany
B – ny zavatra takatry ny mpianatra momba ny fahamarinana
D – fahamarinana na fitsipiky ny filazantsara
D – fahamarinana na fitsipiky ny filazantsara
B – fahatakarana fanampiny momba ny fahamarinana
A – zavatra fanampiny niainan’ny mpianatra momba ny fahamarinana sy ny zavatra tsapany momba izany
Fandalinana amin’ny alalan’ny tantara mitohy an-tsary
Omeo boky fanaovana tantara mitohy an-tsary tsy misy na inona na inona ny mpianatra na asaivo mamorona maodely eo amin’ny taratasy iray izy ireo. Mamaky ilay andian-tsoratra masina ny mpianatra ary mamorona tantara mitohy an-tsary izay maneho ny fizotran’ny tantara ao amin’ilay andian-tsoratra masina. Asaivo ampiasain’izy ireo ilay mahitsizoro farany mba hizarana izay tsapany fa fahamarinana sarobidy indrindra tokony hianarana avy amin’ilay tantara. Avy eo izy ireo dia afaka mizara ny tantara mitohy an-tsary nataony amin’ny iray kilasy. Raha tsy izany dia azon’izy ireo atao ny mampiasa ity sahanasa ity mba hanehoana ny fampiharana ny fahamarinana na fitsipika amin’izao andro maoderina izao.
Mamorona rindran-damina ho an’ny lesona
Mamoròna rindran-damina iray izay azon’ny mpianatra ampiasaina mba hanomanana lesona fohy, na lahateny, na hafatra, na fomba hizarana andalan-tsoratra masina iray. Azonao atao ny manome maodelina rindran-damina iray tsy misy na inona na inona izay hiraketan’ny mpianatra ny zavatra hitany. Azonao atao ny mampianatra ny mpianatra hampiditra fampahalalana samihafa ao amin’ny mahitsizoro tsirairay. Ohatra, azon’ny mpianatra atao ny manoratra lohateny iray ao anaty efajoro voalohany, mamintina andininy manan-danja ao anaty efajoro manaraka, mitanisa ohatra na tantara manokana ao anatin’ireo efajoro lava anankitelo, ary manoratra fijoroana ho vavolombelona ao amin’ilay efajoro farany.
Mamorona boky kely
Omeo taratasy ny mpianatra tsirairay ary asao izy ireo mba hamoritra izany intelo. Azon’ny mpianatra atao ny mamorona pejin-dohateny izay ahitana ilay fitsipika na fotopampianarana hitan’izy ireo. Azon’ny mpianatra atao ny mamorona pejy manaraka izay ahitana lohateny sy antsipirian-javatra avy amin’ny zavatra ianarany. Azonao atao ny manasa azy ireo hanisa toerana ao ambadiky ny boky kely mba hanoratana izay tanjona na drafitra ataon’izy ireo mandritra ny lesona.
Mandoko sokajin-javatra
Ataovy printy ny pejy voadika iray ao amin’ny amboaran-tsoratra masina ary manomeza pensilihazo miloko mba hanisiana marika ny soratra masina. Mamantara sokajy toy ny “Ireo fitahiana nampanantenaina,” na “Asa natao tamim-pinoana,” na “Didy.” Azo omena loko iray ny sokajy tsirairay. Asao ny mpianatra handalina ireo andininy ireo ary hanisy marika ireo sokajy miloko rehefa hitan’izy ireo izany. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra nasiany marika sy nianarany avy tamin’ity sahanasa ity.
Manombantombana drafitra
Azonao atao ny mampiasa ny kisary maneho drafitra mba hanovana ny fihetsika mba hanampiana ny mpianatra hanombantombana ny drafiny. Mamaly ireo fanontaniana ao amin’ny fizarana tsirairay ao amin’ilay sary ny mpianatra. Afaka mahita ohatra amin’io hevitra io ianao ao amin’ny “Lesona 105: Salamo 61–86.”
Kisary maneho rindran-damina
Afaka mamorona kisary izay maneho ny fifandraisana misy eo amin’ireo fanapahan-kevitra na hevitra samihafa ao amin’ny lesona ny mpianatra. Ohatra, azo ampiasaina ny tabilao tahaka ireto manaraka ireto mba hanehoana ny toerana mety hitarihan’ny finoana na ny fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy.
Famoronana asan-tanana
Omeo fitaovana azon’izy ireo ampiasaina ny mpianatra toy ny goba vita amin’ny hazo na pate à modeler mba hamoronana zavatra izay maneho ny zavatra nohalalinin’izy ireo. Ohatra, azon’ny mpianatra atao ny maka vato 12 rehefa mandalina ny Josoa 4. Ao amin’io tantara io, ny zanak’i Isiraely dia nametraka vato 12 tao amin’ny Reniranon’i Jordana ho fahatsiarovana fa ny Tompo dia nanome fomba iray ho azy ireo hiampitana ny renirano amin’ny tany maina. Azon’ny mpianatra atao ny manisy anarana ny vato tsirairay amin’ny zavatra nataon’ny Tompo ho azy ireo izay tsapany fa tokony hotsaroan’izy ireo.
Sary atambatambatra
Azon’ny mpianatra atao ny mitady sary ao amin’ny findainy na ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile izay mifandray amin’ny fahamarinana. Afaka mamorona sary nomerika atambatambatra izy ireo ary mizara izany ao an-dakilasy. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mizara izany ao amin’ny tambazotra ifaneraserana amin’ny alalan’ny fanazavana. Ho an’ireo mpianatra izay tsy manana finday dia afaka manangona sary ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana izy ireo toy ny Liahona, Ho zatovo mahery!, na ny Namana.
Mahafantatra—manontany tena—mianatra
Zarain’ny mpianatra ho tsanganana telo ny taratasy iray. Soratany ao amin’ny tsanganana voalohany ny zavatra efa fantatr’izy ireo momba ny lohahevitra iray. Ao amin’ny manaraka izy ireo dia manoratra ny zavatra mampanontany tena azy ireo na tian’izy ireo ho fantatra. Ny tsanganana fahatelo dia fenoina mandritra ny lesona sy aorian’izany amin’ny zavatra nianaran’ny mpianatra. Azonao asaina izy ireo hamantatra hoe inona, raha misy, no nanampy azy ireo hianatra, na inona no nisy fiantraikany teo amin’ny zavatra tsapan’izy ireo nandritra ny lesona.
Taratasy ho an’ny hoavy
Azon’ny mpianatra atao ny manoratra taratasy ho an’ny tenan’izy ireo mba hosokafana sy hovakina amin’ny fotoana voafaritra tsara (rehefa manao asa fitoriana, manambady, manan-janaka voalohany). Safidy iray hafa azo atao ny manasa ny mpianatra hanoratra taratasy ho an’ireo olona ao anatin’ny fianakaviany any aoriana. Na azon’izy ireo atao ny manoratra taratasy ho an’ireo mpianatra any aoriana izay ho tonga ao amin’ny seminera ary hanazava ny zavatra nianarany sy ny zavatra tsapan’izy ireo.
Manaova mème
Mamantatra fitsipika iray avy amin’ny fandalinan’izy ireo ny mpianatra tsirairay ary mamorona andian-teny manintona iray izay maneho ilay fitsipika. Angataho koa izy ireo mba hanao sary izay maneho ilay fitsipika. Makà antoka tsara fa tafiditra ao anatin’izany ilay andinin-tsoratra masina. Asaivo mizara sy manazava ny mème nataon’izy ireo izy ireo. Azonao atao ny mampiseho ohatra vitsivitsy avy amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery! nivoaka vao haingana.
Manaova drafitra mba “handeha ary hanao”
Afaka manao drafitra ny handray andraikitra amin’ny fomba mahomby sy feno fahamarinana eo anatrehan’ireo zavatra ianarany sy tsapany mandritra ny lesona ny mpianatra. Mba hanaovana izany dia azonao asaina izy ireo hamantatra ny zavatra tiany hatao sy hamorona dingana manokana mikasika ny fomba hanatanterahan’izy ireo ny drafiny. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny famantarana ireo sakana mety hatrehin’izy ireo sy ireo dingana manokana mba handresena ireo sakana ireo. Rehefa mamorona ny drafiny ny mpianatra dia amporisiho izy ireo mba hizarazara izany ho dingana kelikely kokoa. Ny fanaovana fanovana kely amin’ireo zavatra ataon’izy ireo isan’andro dia afaka manampy azy ireo hahatsapa fahombiazana matetika kokoa.
Manaova drafitra iray hoe “hazo fanapahan-kevitra”
Afaka mampiasa hazo fanapahan-kevitra ny mpianatra mba hanampiana amin’ny fampiharana ny fitsipiky ny filazantsara iray amin’ny alalan’ny fanaovana lisitra ireo lafy tsara sy lafy ratsin’ireo fanapahan-kevitra samihafa. Afaka manomboka amin’ny fanontaniana iray momba ny fitsipiky ny filazantsara iray izy ireo ary aorian’ny fitanisana ireo lafy tsara sy lafy ratsy, dia manombantombana ny safidin’izy ireo handray izany fanapahan-kevitra izany. Mamoròna hazo mitokana ho an’ny fanontaniana sy fanapahan-kevitra tsirairay ao amin’ilay drafitra.
Ohatra: Manaova drafitra mba handalinana ny soratra masina.
Fanontaniana:
-
Rahoviana aho no handalina ny soratra masina? (Manaova hazo fanapahan-kevitra iray.)
-
Aiza no handalinako ny soratra masina? (Manaova hazo fanapahan-kevitra iray hafa.)
-
Adiny firy aho no handalina ny soratra masina? (Manaova hazo fanapahan-kevitra fahatelo.)
Any amin’ny fiafaran’ilay dingana dia miara-mandrafitra drafitra, na tanjona, miaraka amin’ny dingana manokana mba hanatanterahana izany ireo fanapahan-kevitra telo.
Andininy vaovao ao anatin’ny fihirana
Azon’ny mpianatra atao ny misafidy hira iray momba ny fahamarinana izay nianarana tao amin’ny lesona. Asao izy ireo hamorona andininy vaovao ao amin’ilay hira avy amin’ny zavatra nohalalinin’izy ireo. Afaka misafidy andininy vaovao vitsivitsy ny mpianatra mba haseho sy hiraina.
Fianarana mifototra amin’ny tetikasa
Azon’ny mpianatra atao ny mamorona tetikasa ahitana lesona maromaro izay hampidiran’izy ireo votoatiny ao anatin’ireo lesona sy herinandro mifanarakaraka. Izany dia mety ho tononkalo, hira ao amin’ny fihirana, horonan-tsary, tetikasa fanaovana zavakanto, na fanehoan-javatra feno famoronana hafa izay foronin’izy ireo ao anatin’ireo lesona mifanarakaraka. Ohatra, azon’ny mpianatra atao ny manao tetikasa iray momba ny hery fanafahan’ny Tompo rehefa mandalina ny fomba nanafahany ny zanak’i Isiraely tao amin’ny bokin’ny Eksodosy izy ireo. Na afaka manao tetikasa mikasika ny fahatsapan’izy ireo ny fiderana sy ny fitsaohana ho an’ny Tompo izy ireo rehefa mandalina ny Salamo.
Avereno soratana ny fiafaran’ilay tantara
Rehefa avy mandalina tantara iray ao amin’ny soratra masina rehefa mandray fanapahan-kevitra tsy marina na tsy mety ny olona iray dia asao ny mpianatra mba hamerina hanoratra ny fiafaran’ny tantara iray ao amin’ny soratra masina toy ireny hoe nandray fanapahan-kevitra tsara kokoa na hafa ilay olona. Azon’ny mpianatra atao ihany koa izany amin’ny alalan’ny tantara na ohatra amin’izao andro maoderina izao.
Fomba fahandroan-tsakafo
Mamorona fomba fahandroan-tsakafo ny mpianatra amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra ianarany. Azonao atao ny manomboka amin’ny alalan’ny fampisehoana amin’izy ireo ohatra iray amin’ny fomba fahandroan-tsakafo izay ahitana ireo fangaro ilaina, ny fatran’ireo zavatra ilaina ary ireo torolalana. Avy eo dia ampio ny mpianatra hanaraka izany lamina izany mba handaminana ny zavatra ianarany. Azon’izy ireo atao ny manome lohateny ny nahandron’izy ireo hoe “Fomba ahatongavana ho misiônera mahery,” “Ahoana no fomba hanarahana ny mpaminany,” na “Fomba hanaovana fandalinana soratra masina mahomby kokoa.” Avy eo ny mpianatra dia hampiditra ny zavatra tsapany fa singa manan-danja amin’ny alalan’ny fampiasana soratra masina sy teny nindramina. Ohatra, rehefa mandalina ny 2 Tantara 14–16, dia azon’ny mpianatra atao ny mitanisa dingana amin’ny fikatsahana sy fitadiavana ny Tompo. Amporisiho izy ireo mba hampiasa ny fahaizany mamorona ao anatin’ny fomba fahandroan-tsakafon’izy ireo. Azon’izy ireo atao ny manao sary izay maneho ny vokatra naterak’ilay fomba fahandroan-tsakafo any amin’ny farany.
Milalaova an-tsehatra toe-javatra
Asaivo milalao an-tsehatra toe-javatra iray noforonina na rafi-tantara tena mety hisy eo amin’ny fiainana ireo mpianatra. Maro ny fomba azo anaovana izany. Azonao atao ny manasa mpianatra manolo-tena ho eny anoloana mba hilalao an-tsehatra ilay rafi-tantara. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny milalao an-tsehatra izany tsiroaroa na ao anatina vondrona kely. Na azonao atao ny milalao ny anjaran’ny olona iray izay manana fanontaniana ary asaivo mamaly ireo fanontaniana na olana anananao ny iray kilasy.
Horonan-tsary fohy
Asao ny mpianatra hanomana horonan-tsary fohy. Afaka mamorona lahatsoratra hovakina izy ireo ary manapa-kevitra ny amin’ny fomba hanehoana ny zavatra nianarany avy tamin’ny lesona. Raha azo atao ary raha ampy ny fotoana, dia azon’ny mpianatra atao ny mamorona ilay horonan-tsary ary hizara izany ao an-dakilasy.
Fanovaovana: Afaka manomana horonan-tsary ny mpianatra mba hanazavana fotopampianarana na lafiny manan-danja iray ao amin’ny filazantsara ao anatin’ny 60 segondra.
Zavatra aely amin’ny tambajotran-tserasera
Asao ny mpianatra hamorona zavatra aely amin’ny tambajotran-tserasera mba hizarana ny zavatra inoan’izy ireo manokana na ny zavatra niainany izay mifandray amin’ireo fitsipika noresahina tao an-dakilasy. Mety ho zavatra aelin’izy ireo an-jotra izany, na zavatra izay foroniny ao amin’ny diary fandalinany. Na azon’izy ireo atao ny maka sary an-tsaina olona iray mametraka fanontaniana mifandray amin’ny zavatra nohalalinina tao an-dakilasy sy manamboatra valinteny iray amin’ny alalan’ny fampiasana ny fahalalana norantovin’izy ireo. Na azon’ny mpianatra atao ny mandalina zavatra iray naelin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana tao amin’ny tambajotran-tserasera vao haingana ary manoratra valinteny na hafatra mifono famporisihana eo amin’ilay zavatra naely. Ho ana lahatsoratra izay manampy ny mpianatra hanao zavatra manan-danja havoaka ao amin’ny tambazotra ifaneraserana, dia jereo ny “Réseaux sociaux: le pouvor de changer des vies,” For the Strength of Youth, Aprily 2022, 8–9.
Fanehoana an-tsary
Zarao ao anaty vondrona ireo mpianatra ka asaina mampiasa soratra masina, teny nindramina, ary loharanom-pitaovana hafa enti-mandalina mba hamoronana peta-drindrina ho an’ny efitrano fianarana. Ny peta-drindrina na ny fanehoana an-tsary dia mety hahitana andinin-tsoratra masina manan-danja, fanontaniana izay azon’ny tantara ao amin’ny soratra masina valiana, fahamarinana mandrakizay, sary, sy ny sisa. Azon’ny mpianatra atao ny mifindrafindra sy mijery ny asan’ny vondrona hafa.
Manorata lahatsoratra iray ho an’ny gazetibokin’ny Fiangonana
Azon’ny mpianatra atao ny maka sary an-tsaina fa manoratra lahatsoratra iray fohifohy ao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery!, Namana, na Liahona izy ireo, mizara ny zavatra nohalalinin’izy ireo sy ny fomba ahafahan’izany manampy ny zatovo manerana izao tontolo izao. Azonao atao ny mampiseho lahatsoratra iray ho ohatra. Amporisiho ny mpianatra hampiditra sary sy tabilao ary kisary fanazavana.