“Daniela 2: -Fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Daniela 2: -Fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Daniela 1–7: Lesona 143
Daniela 2
“Fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay”
Nasehon’i Tompo tamin’i Daniela ny fahitana momba ny andro farany, ilay fotoana ametrahan’ny Tompo ny fanjakany eto an-tany. Hanenika ny tany manontolo ary hijoro mandrakizay ny fanjakan’ny Tompo sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanamafy orina ny fijoroany ho vavolombelona momba ny famerenan’ Andriamanitra amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisafidy iray amin’ireto hevitra manaraka ireto hiomanana amin’ity lesona ity:
Sahanasa fianarana azo atao
Fijoroana ho vavolombelona momba ny famerenana amin’ny laoniny
Hevero ny manasa mpianatra hizara izay fanontaniana tadidiny napetraka taminy nandritra ny tafa sy dinika natao momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Raha ilaina dia azonao aseho ny fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ao amin’ny tovana ao amin’ny Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy. Rehefa avy nizara izay fanontaniana vitsivitsy tadidiny ny mpianatra dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto.
Diniho ny fomba hamalianao ireto fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manaraka ireto:
-
Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny?
Raha ilaina dia hazavao fa ny atao hoe famerenana amin’ny laoniny dia ny “famerenan’ Andriamanitra indray ny fahamarinana sy ny ôrdônansin’ny Filazantsarany ho an’ny olona ety an-tany” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Famerenana amin’ny laoniny ny Filazantsara,” loharanom-pitaovana).
Hevero ny hanoratra hoe Nahoana na nahoana no tsia? aorian’ny fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Entano ny mpianatra hisaintsaina ny valinteniny amin’ireo fanontaniana roa ireo.
Rehefa mandalina ny Daniela 2 ianao androany dia angataho ny Fanahy Masina hanampy anao hamantatra ny fahamarinana izay afaka hanamafy ny fijoroanao ho vavolombelona fa namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tety an-tany i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra.
Ny nofin’ny mpanjaka Nebokadnezara
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitra momba ny Daniela 2 dia afaka mamaky na mamintina ity fanazavana manaraka ity ny iray amin’ny mpianatra. Na ho solon’izany dia azonareo atao ihany koa ny mijery ny “God Gave Them Knowledge [Nomen’Andriamanitra fahalalana izy ireo],” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny mari-potoana 6:17 ka hatramin’ny 13:00.
Nanonofy zavatra nampitebiteby azy ny mpanjaka Nebokadnezara. Tsy nisy tamin’ny olon-kendriny afaka nilaza taminy hoe inona ilay nofy na ny hevitr’izany. Vokatr’izany dia namoaka didy ny hamonoana ny olon-kendriny rehetra, anisan’izany i Daniela, ny mpanjaka. Talohan’ny nitrangan’izany dia nambaran’ Andriamanitra tamin’i Daniela ilay nofy sy ny heviny (jereo ny Daniela 2:1–26).
Talohan’ny nizarany izay nambaran’ Andriamanitra mikasika ilay nofy dia nampahafantarin’i Daniela tamin’ny mpanjaka fa Andriamanitra no loharanon’ny fandikana izany. Nambaran’i Daniela koa fa ilay nofy dia mikasika “izay ho tonga any am-parany any” (Daniela 2:28).
Zarao ho vondrona kely maromaro ny mpianatra. Omeo tahadikan’ny taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Ny nofin’ny mpanjaka Nebokadnezara” ny vondrona tsirairay. Avy eo dia asehoy ireto torolalana manaraka ireto, ary omeo fotoana ny mpianatra hamitana ny dingana voalohany alohan’ny hanehoana ny dingana faharoa.
-
Vakio ny Daniela 2:31–43 ary asio marika ny singa amin’ny nofin’ny mpanjaka Nebokadnezara ao amin’ilay taratasy zaraina miaraka amin’ny heviny izay hitanao. Ampidiro ao ny andinin-tsoratra masina nahitanao ilay heviny.
Ampio ny mpianatra hamantatra fa ny fanjakan’ny mpanjaka Nebokadnezara tao Babylona no ilay loha volamena resahana (andininy 38). Ilay ampahany hafa amin’ny sary (na sarivongana) dia maneho fanjakana hafa izay ho avy aorian’i Babylona.
Daniela 2:44–45 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ireo mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.
-
Vakio ny Daniela 2:44–45 ary tadiavo ny teny sy fehezanteny manambara ilay vato. Soraty manodidina ilay vato ao amin’ny taratasy zaraina izany teny izany.
Rehefa mamaky ireto fanambarana manaraka ireto ny mpianatra dia entano izy ireo hanoratra izay zavatra asehon’ilay vato ao anatin’ilay sary vato ao amin’ny taratasy zaraina.
Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe:
Ny Fiangonan’i [Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany] izany fanjakana amin’ny andro farany voalazan’izany faminaniana izany, izay tsy noforonon’ny olona fa naorin’ Andriamanitra ka nikodiadia toy ny vato “nendahana tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana” ka nameno ny tany [Daniela 2:45; jereo ihany koa ny andininy 35]. (“Nahoana no ilaina ny Fiangonana,” Liahona, Nôv. 2015, 111)
-
Inona no azontsika hianarana mikasika ny fiangonan’Andriamanitra naverina tamin’ny laoniny avy amin’ity fanambarana ity sy avy amin’ny fanambarana nomen’ny Tompo an’i Daniela?
Amin’ny filazany azy manokana dia ampio ny mpianatra hahita fa nametraka ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izay hameno ny tany ary hijoro mandrakizay Andriamanitra.
Hevero ny mizara fa ny Tompo mihintsy no nanambara fa hameno ny tany ny filazantsarany (jereo ny Fotopampiaanarana sy Fanekempihavanana 65:2). Azon’ny mpianatra atao ny mampifandray na mampifandrohy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:2 amin’ny Daniela 2:35. Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe “mameno ny tany” (Daniela 2:35) dia tsy midika fa ny olona rehetra no hiditra ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo, fa kosa hiparitaka manerana ny tany izany (jereo 1 Nefia 14:12–14).
-
Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ilay fehezanteny ao amin’ny Daniela 2:44–45 antsika hahatakatra momba izany fahamarinana izany?
Nikodiadia ilay vato
Rehefa avy nilaza ny hevitry ny nofin’i Nebokadnezara mpanjaka i Daniela dia nizara ny fijoroany ho vavolombelona izy fa “marina ny nofy ary tsy maintsy ho tò ny heviny” (Daniela 2:45). Rehefa mampivelatra ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika manokana isika dia ho lasa marina amintsika sy azontsika antoka ny fahamarinan’ny famerenana amin’ny laoniny indray ny fiangonan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.
Nizara ny amin’izay tokony hataontsika ny Filoha Russell M. Nelson mba hampivelarana ny fijoroana ho vavolombelona azo antoka ho antsika:
Ankehitriny, amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana ahy, miangavy anareo aho. … Ataovy ny asa ara-panahy mba hahitanao samirery fa [naverina tamin’ny laoniny ny Fiangonan’ny Mpamonjy], ary miangavy aho ataovy izao izany. Efa kely sisa ny fotoana. (“Avia, manaraha Ahy,” Liahona, Mey 2019, 91)
Ity sahanasa manaraka ity dia manampy ny mpianatra hihevitra ny asa ara-panahy tokony hataony hanamafisany ny fijoroany ho vavolombelona momba ny famerenan’ Andriamanitra amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Hevero ny mizara ny mpianatra ho vondrona kely vistivitsy hanaovana ny sahanasa.
Ampio ny mpianatra hikaroka ny Fanambarana momba ny famerenana amin’ny laoniny. Ao amin’ny loharanom-pitaovana sy ao amin’ny diary fandalinana sasany no ahitana izany. Azonao atao ny manome tahadikan’ny taratasy ho an’ny mpianatra izay tsy afaka mahazo izany. Ho solon’ilay fanambarana dia azonao atao koa ny mampiseho ny “Hear Him [Mihainoa Azy],” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny minitra faha 17:05 ka hatramin’ny 22:55.
-
Vakio ny “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy: fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona.” Mitadiava fahamarinana nambaran’ny Mpamonjy sy ny tranga notanterahiny mba hamerenana amin’ny laoniny ny Fiangonany.
-
Ifanakalozy hevitra ny maha zava-dehibe izany fahamarinana sy tranga izany amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’ny Mpamonjy.
-
Ifanakalozy hevitra ny asa ara-panahy azon’ny olona atao hanamafisana ny fijoroany ho vavolombelona fa naverin’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny ny Fiangonany.
Rehefa avy nomena fotoana ampy dia entano ny vondrona tsirairay hizara fahamarinana na tranga iray avy izay nisongadina tamin’izy ireo. Entano izy ireo hizara ny maha zava-dehibe ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba ilay fahamarinana na tranga sy ny asa ara-panahy azon’ny olona hatao hahazoana na hanamafisana orina ny fijoroany ho vavolombelona momba izany.
Rehefa samy nanana fahafahana hizara ny vondrona tsirairay dia entano ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany.
-
Inona no fahamarinana na tranga tamin’ny famerenana amin’ny laoniny ny Fiagonan’ny Mpamonjy no tianao hanamafisana ny fijoroanao ho vavolombelona?
-
Inona no asa ara-panahy azonao atao hanamafisana ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny famerenan’Andriamanitra amin’ny laoniny ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny Mpamonjy?
Fanaovana tsianjery
Mety ho tianao ny hanampy ny mpianatra hanao tsianjery ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary hamerina hijery izany mandritra ireo lesona hafa manaraka. Ny andalan-tsoratra masina manan-danja ho an’ny Daniela 2:44–45 dia ny hoe “Andriamanitra dia -hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay.-” Ireo hevitra ho an’ny sahanasa fanaovana tsianjery dia ao amin’ireo fitaovana tovana ambanin’ny “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana.”