“Jeremia 2–3: -Miverena hianao … Fa mamindra fo aho, hoy Jehovah,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Jeremia 2–3: -Miverena hianao … Fa mamindra fo aho, hoy Jehovah,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20: Lesona 131
Jeremia 2–3
“Miverena hianao … Fa mamindra fo aho, hoy Jehovah”
Nahery vaika tahaka ny amin’izao vaninandro misy antsika izao ny fitaoman’izao tontolo izao tamin’ny andron’i Jeremia. Betsaka tamin’ny vahoakan’ Andriamanitra no niala tamin’ny fampianarany ary tsy ela dia babon’ny fahavalony. Na dia teo aza ny faharatsian’izy ireo dia mbola nalefa ihany i Jeremia hampianatra fa Andriamanitra dia mbola manasa azy ireo hitodika Aminy ary hanasitrana azy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampitombo ny faniriany hitodika amin’ny Mpamonjy mba hahazoany famindrampo sy fanasitranana.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hikaroka soratra masina izay mampianatra momba ny fitahiana avy amin’ny fibebahana. Azon’izy ireo atao ny mivonona hizara ny antony maha-manan-danja ireo fitahiana ireo aminy.
Sahanasa fianarana azo atao
Siniben-drano tsy misy rano
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny toe-javatra niainan’ny olona tamin’ny andron’i Jeremia dia hazavao fa manampy antsika hahita ireo fahamarinana ara-panahy ny Tompo matetika amin’ny fampitahana izany amin’ny zavatra mahazatra antsika andavanandro.
Hevero ny hitondra ao an-dakilasy zinga lava taho, koveta na lovia lehibe ary kaopy misy kiloadoaka kely maromaro ao ambaniny.
Eo am-pamakian’ny mpianatra ity andininy manaraka ity dia tazony ambony ilay zinga lava.
Vakio ny Jeremia 2:13 ary tadiavo ny anarana fiantsoana ny Mpamonjy izay azo’ilay rano haseho. (Ny “siniben-drano” dia lavaka ambanin’ny tany hitahirizan-drano.)
-
Inona no ampianarin’ny anarana fiantsoana hoe “loharanon’aina” antsika mikasika an’i Jesoa Kristy?
Ireo mpianatra dia afaka mizara zavatra toy ny hoe, loharanon’ny fanadiovana sy mpamatsy aim-panahy tsy tapaka i Jesoa.
Asao ny mpianatra iray hitazona ny kaopy eo ambonin’ilay koveta (mba tsy hiparitahan’ny rano) ary raraho rano avy amin’ilay zinga lava ao anatin’ilay kaopy. Mety hanampy ny mpianatra ny mamerina mijery ny andininy 13 indray alohan’ny hametrahana ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa.
-
Inona no mety asehon’ilay fandrarahana ny rano anatin’ny kaopy voalaza ao amin’ilay andininy?
-
Inona no ampianarin’ilay lavaka eo amin’ilay siniben-drano antsika mikasika ny toe-panahin’ny olona tamin’ny andron’i Jeremia?
Zarao amin’ny mpianatra fa ny olona tamin’ny andron’i Jeremia dia nitodika tamin’ny zavatr’izao tontolo izao, toy ny fikatsahana tombontsoa sy hery eo amin’ny fiainany avy amin’ny andriamanitra sandoka fa tsy tamin’ny Tompo.
Eritrereto kely ny fahavononanao hitodika amin’i Jesoa Kristy ho tombontsoa sy hery eo amin’ny fiainanao. Rehefa mandalina ianao anio dia manàna fahavononana handray ireo bitsika na fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina mikasika ny fitodihana amin’ny Mpamonjy fa tsy amin’ny loharano hafa mba hahazoana fitahiana sy fanasitranana.
Mahatsapa ho lavitra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy
Mba hanampiana ny mpianatra hampifandray ny tenany amin’ity rafi-tantara manaraka ity dia azonao atao ny mampiseho sarina zatovo tahaka ilay iray izay aseho eto. Asao ny mpianatra hanome anarana sy hamorona antsipirian-javatra vitsivitsy mombamomba azy.
Alaovy sary an-tsaina hoe misy tovolahy iray ao amin’ny kilasin’ny semineranao, izay mahatsapa fa toy ilay siniben-drano vaky ny fiainany noho ny safidy ratsy nataony tany aloha. Mahatsapa ho lavitra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy ary tsy manana fanantenana hoe hihatsara ny zavatra iainany.
Vakio ny Jeremia 3:12–15, 22 ary tadiavo ny fanoritsoritana an’i Jesoa Kristy izay mety hahasoa an’ity tovolahy ity ny fahatakarany azy. (Mety hanampy ny mahalala fa ny hoe “mpiodina” ambara ao amin’ilay andininy dia midika hoe tsy manam-pinoana na naniasia.)
Azonao atao ny manoratra ity fehezan-teny tsy feno ity eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra hizara ireo fomba hamenoany ilay fehezan-teny amin’ny alalan’ny fampiasana teny na andian-teny ao amin’ilay andinin-tsoratra masina.
Ny Tompo dia … amin’ireo izay mibebaka sy miverina Aminy”
Mety ho isan’ny valinteny amin’izany ny hoe “hamindra fo,” “tsy ho tezitra,” (andininy 12), “hitondra azy any Ziona,” (andininy 14), “hanome anao mpiandry (mpitarika) hamahana anao amin’ny fahalalana sy fahatakarana,” (andininy 15), “hanasitrana anareo mpiodina,” (andininy 22), sy ny sisa sy ny sisa.
Mety hanampy ny manokana fotoana hifanakalozan-kevitra momba ny andian-teny avy amin’ilay andininy izay ananan’ny mpianatra fanontaniana. Asao ny mpianatra hanoratra andian-teny iray na roa ao amin’ny diary fandalinany izay heveriny fa hanampy ilay tovolahy ao amin’ilay rafi-tantara ka hahatakarany mikasika an’i Jesoa Kristy. Hanana fahafahana hizara izay safidiny ny mpianatra ao aoriana kely ao.
Famindrampon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy
Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fatokiany fa maniry hitahy sy hanasitrana ireo izay mitodika Aminy ny Tompo dia azonao atao ny mizara ity teny nambara manaraka ity.
Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao mikasika ny fanirian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hanasitrana ireo izay mibebaka:
Iza amintsika no tsy mbola niala tamin’ny lalan’ny fahamasinana, ka nieritreritra adaladala fa afaka mahita fahasambarana bebe kokoa amin’ny fanarahana ny lalantsika manokana izay be fitiavan-tena?
Iza amintsika no tsy mbola nahatsapa fanetrentena, torotoro fo, ary naniry mafy hahazo famelan-keloka sy famindram-po?
Mety efa nanontany tena ny sasany hoe: “Mbola azo atao ve ny miverina? Homen’ireo namako taloha anaram-bositra sy holaviny ary halavirany ve aho? Aleo ve mijanona ho very eto fotsiny? Ahoana no ho fihetsik’ Andriamanitra raha toa ka miezaka miverina aho?”…
Hihazakazaka hanatona antsika ny Raintsika any An-danitra, feno fitiavana sy fangorahana ny fony. …
Mijoro ho vavolombelona anefa aho fa rehefa manapa-kevitra ny hiverina sy handeha amin’ny lalan’ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika ianareo, dia hiditra ao amin’ny fiainanareo ny heriny ary hanova izany. (“Ilay adala sy ny lalana miverina mody,” Liahona, nôv. 2023, 88)
Soraty ao anaty diary fandalinanao izay voarainao avy amin’ity teny nambara ity ka mety hitahy ilay tovolahy ao amin’ilay rafi-tantara. Omena fotoana hizarana ireo ianao ao aoriana kely ao.
Azonao atao ny mampiseho ny “Ny fahagagana ateraky ny Sorompanavotana” izay nataon’ny Loholona C. Scott Grow ao amin’ny Fitopololahy, manomboka amin’ny minitra faha-0:20 ka hatramin’ny faha-2:12 (Liahona, Mey, 2011, 108).
Asao ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatina vondrona kely maromaro.
-
Inona no hitanao tamin’ny fiainan’ity olona ity ka azo ampitahaina amin’ilay kaopy loadoaka sy ilay zinga lava tany am-piandohan’ny fampianarana?
-
Inona no zavatra nianaranao mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ny fiainan’ity olona ity?
Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ao amin’ny diary fandalinany izay hevitra heveriny fa mety hanampy ilay tovolahy ao amin’ilay rafi-tantara.
Fehin-kevitra
Ity sahanasa manaraka ity dia fotoana ho an’ny mpianatra hahafahany mahatsapa ny fijoroana ho vavolombelona ataon’ny Fanahy Masina amin’izay lazainy sy reny avy amin’ny mpianatra hafa.
Hevero ny hampiseho ireto torolalana manaraka ireto. (Ny teboka voalohany eo ambany dia manome fahafahana ny mpianatra hizara izay nataony nandritra ny fanomanana ny mpianatra talohan’ny fampianarana.)
Omano izay zavatra holazainao amin’ilay tovolahy ao amin’ilay rafi-tantara amin’ny alalan’ny famerenana mijery izay nosoratanao tao amin’ny diary fandalinanao. Azonao atao ihany koa ny mampiditra ireto manaraka ireto:
Zavatra avy amin’ny soratra masina na tantara ao amin’ny soratra masina hafa izay mampiseho ny fitahiana avy amin’ny fibebahana (Azonao atao ny mijery ny teny hoe fibebahana ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina.)
Ny zavatra tsapanao mikasika ny fitiavana sy ny fanirian’ny Mpamonjy hanampy ireo izay mitodika Aminy
Rehefa nomena fotoana hiomanana ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny heviny amin’ny namana iray na amin’ny vondrona kely iray.
Rehefa nomena fahafahana hizara ny mpianatra dia azonao atao ny mamarana ny lesona amin’ny fanasana izay terem-panahy mba hizara ny valiteniny amin’ity fanontaniana manaraka ity.
-
Inona no nianaranao na tsapanao androany ka mety hisy fiantraikany amin’ny fanirianao hitodika amin’ny Mpamonjy mba hahazoana ny famindrampony sy ny fanasitranany?