“Ezra: Miomana hanatrika fotoana any amin’ny tranon’ny Tompo,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Ezra: Miomana hanatrika fotoana any amin’ny tranon’ny Tompo,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8: Lesona 92
Ezra
Miomana hanatrika fotoana any amin’ny tranon’ny Tompo
Ny haben’ny fiomanantsika ho an’ny fotoana lehibe eo amin’ny fiainantsika dia tena misy fiantraikany amin’ny fiainantsika izany fotoana lehibe izany. Maro tamin’ireo Isiraelita no afaka niaina fifaliana lalina taorian’ny fiomanana ara-batana sy ara-panahy aman-taonany mba hanorenana indray ny tempolin’ Andriamanitra sy hitsaohana any. Nitahy antsika ihany koa tamin’ny fanomezana fahafahana ho antsika hiaina fifaliana amin’ny fitsaohana ao amin’ny tranon’ny Tompo ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy. Ny ezaka ataontsika hiomanana amin’izany fitahiana izany dia mety hisy fiantraikany amin’ny zavatra iainantsika. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hiomana ny hitsaoka ny Tompo ao amin’ny tempoliny masina.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao lisitry ny zavatra azony hatao ao anatin’ny fotoana fohy sy ao anatin’ny fotoana maharitra mba hiomanany hitsaoka ny Tompo ao amin’ny tempoly. Azon’izy ireo atao avy eo ny mandalina ny mety ho vokatr’izany fiomanana izany amin’ny zavatra hiainany ao amin’ny tempoly.
Ireo sahanasa fianarana azo atao
Tsy handry izay hankanesana any amin’ny tempoly
Azonao atao ny manomboka ny fampianarana amin’ny fanentanana ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fotoana ho avy izay tsy andriny ny hiainana azy. Ohatra amin’izany ny fahavitan’ny fianarany, fanambadiana, na asa. Afaka misafidy iray amin’ireo fotoana nosoratana teny amin’ny solaitrabe ireo ny mpianatra avy eo ary mifampizara amin’ny namany ny zavatra iray na roa azon’ny olona iray atao mba hiomanana amin’izany fotoana izany.
Azonao atao ny mampiseho ity sarin’ny tempolin’ny Salt Lake manaraka ity izay nalaina fotoana fohy talohan’ny nanokanana izany nandritra ireo taona nialoha kely ny 1900.
Vakio ity teny nambara manaraka nataon’ny Filoha Wilford Woodruff (1807–98) ity, ary jereo ny zavatra iray niomanany sy nohandrandrainy nandritra ny taona maro.
[Nandritra ny fanokanana ny tempolin’ny Salt Lake] dia nitsangana hiteny tamin’ireo Olomasina ny Filoha Wilford Woodruff. “Tao anatin’ireo dimampolo taona lasa teo amin’ny fiainako no niandrasako ity andro androany ity,” hoy izy. (Olomasina: Ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, boky 2, No Unhallowed Hand, 1846–1893 [2020], 663–64)
-
Inona no zavatra fantatrao mikasika ny tempoly ka mety hahatonga an’i Wilford Woodruff hiandrandra ny fahavitan’ny tempolin’ny Salt Lake?
Raha tsy tao anatin’ny valin-teny nomen’ny mpianatra tamin’ilay fanontaniana teo aloha ny momba an’ Andriamanitra dia azonao atao ny manampy azy ireo hanao izany fampifandraisana izany amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe, “Inona no fifandraisana hitanao eo amin’ny fanatrehana fotoana any amin’ny tempoly sy ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?”
Asao ny mpianatra hanoratra ny heviny mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany. Azonao atao ny manazava fa ny fanokanana fotoana hisaintsainana ny fahatsapana ananantsika sy ny zavatra iainantsika amin’izao fotoana izao dia afaka manampy antsika hiomana hianatra avy amin’ny Fanahy Masina.
-
Inona avy no fahatsapana ao amiko eo am-piandrandrako ny fanatrehana fotoana any amin’ny tempoly any aoriana any?
-
Inona no ataoko amin’ny fiomanako hitsaoka ny Tompo ao amin’ny tranony?
Fifaliana amin’ny fanompoana ao amin’ny tempoly
Tany ho any amin’ny taona 605 talohan’i J.K. tany dia nanao fahirano an’i Jerosalema ny Babyloniana ary nanomboka nandefa ireo Jiosy babo nankany Babylona. Tamin’ny taona 587 talohan’i J.K. dia noravan’izy ireo ny tempoly ary nitombo hatrany ny famindrana olona. Tokony ho 50 taona taorian’izay dia nandresy an’i Babylona i Persia teo ambany fitondran’ny Mpanjaka Kyrosy.
Raha mahatadidy ny mpianatrao fa nisy fanambarana fanorenana tempoly teo amin’ny toerana misy azy ireo dia azonao atao ny mampahatsiahy ny fotoana niainana izany raha eo am-pamakiana ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto izy ireo. Na azonao atao ihany koa ny mangataka ny mpianatra haka sary an-tsaina ny mety ho fahatsapany raha mandre izy ireo fa hisy ny fanorenana tempoly ao amin’ny faritra misy azy ireo.
Vakio ny Ezra 1:1–3, ary tadiavo hoe nentanin’ Andriamanitra hanao inona i Mpanjaka Kyrosy.
-
Inona araka ny eritreritrao no eritreritra sy fahatsapana mety nananan’ny Jiosy? Nahoana?
Taty aoriana dia Jiosy miisa 50.000 no niverina tany Jerosalema mba hanorina indray ny tempoly teo ambany fitarihan’i Zerobabela (jereo ny Ezra 2:1–2, 64–65). Ho fahatanterahan’ny faminaniana (jereo ny Isaia 44:28; Jeremia 29:10) dia voaorina indray ny tempoly 70 taona taorian’ny nandravana izany.
Vakio ny Ezra 6:15–16, 22 ary mariho ny zavatra tsapan’ny Jiosy rehefa tonga ihany ny fanokanana ny tempoly taona maro taorian’ny asa mafy sy ny fiomanana ara-panahy.
Eo am-panohizana ny fandalinana ny tantaran’i Ezra ireo mpianatra dia asao izy ireo hitady porofo manamafy ity fahamarinana ity: Rehefa miomana ny hitsaoka ny Tompo ao amin’ny tempoly isika dia hanome antsika fifaliana Izy. Azonao atao ny manoratra izany fahamarinana izany eo amin’ny solaitrabe.
Ampio ny mpianatra hahatakatra ny mety ho endrika hisehoan’izany fahamarinana izany eo amin’ny fiainan’ny tanora iray. Fomba iray hanaovana izany ny fangatahana ny iray kilasy hilazalaza fohifohy momba ny tanora roa: tanora iray manatrika fotoana fotsiny ny tempoly, ary ny iray kosa miomana hitsaoka ny Tompo ao amin’ny tempoly.
Alohan’ny hametrahana ity fanontaniana manaraka ity dia azonao asaina ny mpianatra hisaintsaina ny traikefa ananany rehefa niomana na nanatrika fotoana tany amin’ny tempoly izy ireo.
-
Amin’ny fomba ahoana no mitondra fifaliana ho antsika ny fitsaohana ny Tompo ao amin’ny tempoly?
Azonao asaina ny mpianatra hizara ny fomba hahafahan’ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho lasa mafy orina kokoa amin’ny alalan’ny fitsaohana any amin’ny tempoly.
Miomana hanatrika fotoana any amin’ny tempoly
Ity teny nambara manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hiampita avy amin’ny fandalinany momba ny nanorenan’ny Jiosy ny tempoly tao Jerosalema mankany amin’ny fiomanany manokana hitsaoka any amin’ny tempoly. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra na mampifandray ilay teny nambara ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Ezra 6:15–16.
Nampianatra toy izao ny Filoha Russell M. Nelson:
[Eo amin’ny lafin-javatra sasany dia] mora kokoa ny manorina tempoly iray toy izay ny manorina vahoaka iray niomana ho an’ny tempoly iray. (“Lahateny famaranana,” Liahona, nôv. 2019, 122–23)
Asao ny mpianatra hizara antony mety hahamora kokoa ny manorina tempoly mihoatra noho ny fiomanana hitsaoka ny Tompo ao amin’ny tempoly.
Azontsika atao ny mianatra mikasika ny fiomanana hitsaoka ny Tompo ao amin’ny tempoly amin’ny alalan’ny fandalinana ny zavatra niainan’ny Jiosy tamin’ny fanorenana ny tempoly tao Jerosalema.
Ilay taratasy zaraina nampiarahana tamin’ny lesona dia hanampy ny mpianatra hahita lanjany lehibe tanan’ny bokin’i Ezra ho an’ny fiainany amin’ny alalan’ny fampitahana ny ezaka nataon’ny Jiosy hanorina ny tempoly amin’ny fiomanantsika hitsaoka ny Tompo ao amin’ny tempoliny.
Azon’ireo mpianatra atao ny mameno ilay taratasy zaraina ao anatina vondrona kely. Ho fanatanterahana izany dia afaka mamita fizarana iray na roa ao amin’ilay taratasy zaraina ny mpianatra tsirairay ao anaty vondrona. Azon’izy ireo atao avy eo ny mizara izay nianarany amin’ny vondrona misy azy ireo.
Azonao atao ihany koa ny manapatapaka ny taratasy zaraina ho fizarana vitsivitsy ary mametraka izany manerana ny efitrano fianarana. Afaka mitetitety ny efitrano fianarana ny vondrona mpianatra avy eo ary mamita ny fizarana tsirairay ao amin’ny taratasy zaraina, ary mamaly ireo fanontaniana ao amin’ny diary fandalinany.
Rehefa nahavita ny momba ilay taratasy zaraina ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hifanakalo hevitra mikasika izay hevi-baovao azon’izy ireo.
Hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto. Asio tsanganana telo misy ireto lohateny ireto eny amin’ny solaitrabe: “1,” “2,” ary “3.” Asao ny mpianatra hanoratra ny anarany eo amin’ny tsanganana eo ambanin’ny laharan’ny fanontaniana izay tiany hovaliana. Manasà mpianatra izay vonona ho an’ny tsanganana tsirairay avy hizara ny valinteniny amin’ny iray kilasy.
-
Amin’ny fomba ahoana araka ny hevitrao no hahafahan’ny fiomanana hanatrika fotoana any amin’ny tranon’ny Tompo manampy antsika hiaina fifaliana rehefa manatrika fotoana any amin’ny tempoly isika?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanomezan’ny Tompo anao fifaliana rehefa nanatrika fotoana tany amin’ny tempoly ianao?
-
Inona no fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka nanosika anao hiomana amin’ny fanatrehana fotoana any amin’ny tranon’ Izy Ireo masina?
Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny fifaliana azontsika avy amin’ny Tompo rehefa manomana ny tenantsika hitsaoka Azy ao amin’ny tempoly isika.