“2 Mpanjaka 2–4: Nomen’ny Tompo hery sy fahefana i Elisa,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“2 Mpanjaka 2–4: Nomen’ny Tompo hery sy fahefana i Elisa,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
2 Mpanjaka 2–7: Lesona 83
2 Mpanjaka 2–4
Nomen’ny Tompo hery sy fahefana i Elisa
Rehefa manaiky antso ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo isika dia mandray ilay fahefany mba hanompoana. Rehefa miezaka manompo amim-pahavitrihana sy miezaka ny ho tonga tahaka Azy kokoa isika dia homeny ny heriny. Maneho io fahamarinana io ny tantaran’ny Tompo izay nanome hery sy fahefana an’i Elisa rehefa avy nampakatra an’i Elia tany an-danitra. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra fa ny Tompo dia manome fahefana ireo olona izay antsoiny sy hery ho an’ireo izay manompo amim-pahamarinana.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana iray izay nanompoan’izy ireo na ny olona iray fantatr’izy ireo tao anatin’ny antso iray tao amin’ny Fiangonana. Asao ny mpianatra hisaintsaina ilay fanontaniana hoe, “Oviana aho no nahita maso ny hery sy ny fahefan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fanatanterahana ireo antso ao am-piangonana?”
Sahanasa fianarana azo atao
Ilay loharanon’ny hery sy fahefana
Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra momba ny hoe avy aiza ny fahefana hanaovana zavatra sasantsasany. Azonao atao ny manao izany amin’ny alalan’ny fampisehoana ny sarin’ny mpitsabo iray izay manao aron’akanjo fitsaboana na ao amina toeram-pitsaboana iray (na olona iray hafa manana anton’asa iray izay manana ny fahefana hanao ilay asa eo amin’ilay toerana hazoniny) ka hanontany ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Inona avy ireo andraikitra sasantsasany sahanin’io olona io?
-
Iza no nanome azy ireo fahefana hanatanterahana ny anjara asany?
-
Inona no manome fahatokiana anao mba hatoky azy ireo?
Hevero ny hampiseho ny sarin’ny mpaminany amin’izao fotoana izao ary avereno apetraka indray ireo fanontaniana teo aloha momba azy.
Mba hanampiana ny mpianatra hanombantombana ny zavatra takatr’izy ireo momba ny fanompoana miaraka amin’ny hery sy ny fahefan’ny Tompo ao anatin’ny antso, dia azonao atao ny manasa azy ireo hanao izao manaraka izao.
Valio ao amin’ny diary fandalinanao na ao amin’ilay fizarana ahitana fanoratana fanamarihana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile ireto fanontaniana manaraka ireto. Rehefa mieritreritra ny valinteninao ianao dia henoy izay fahatsapana azonao avy amin’ny Fanahy Masina mikasika ny zavatra tian’ny Tompo ho takatrao mikasika ny fanompoana miaraka amin’ny hery sy ny fahefan’ny Tompo ao anatin’ny antso.
-
Inona no takatro momba ny fandraisana ny hery sy ny fahefan’ny Tompo mba hanompoana ao amin’ny antso?
-
Inona no mety ho fiantraikan’io fahatakarana io eo amin’ny fihetsiko na ny fihetsiky ny olona iray hafa rehefa mandray antso avy amin’ny Tompo?
Nandray ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra i Elisa
Azonao atao ny manazava fa nambaran’ny Tompo tamin’i Elia fa ho lasa mpaminany i Elisa (jereo ny 1 Mpanjaka 19:16, 19).
-
Inona no mety ho ahiahy tsapan’i Elisa rehefa niomana ho amin’izany antso avy amin’ny Tompo izany izy?
Fantatr’i Elisa fa halain’ny Tompo tsy ho ela i Elia (2 Mpanjaka 2:1–3). Tamin’ilay andro farany hakana an’i Elia dia nanaraka an’i Elia nitety tanàna i Elisa mandra-pahatongan’izy ireo teo amin’ny Reniranon’i Jordana.
Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny zava-nitranga teo amin’ny Renirano Jordana dia azonao atao ny mizarazara ny mpianatra ho vondrona kely maromaro. Azonao atao eny amin’ny solaitrabe ny manao ny sarin’ireo sary efatra etsy ambany na mamintina ny tsirairay amin’izany amin’ny teny vitsivitsy izay tsy araka ny filaharany tena izy. Asao ny vondrona tsirairay mba hamaky ny 2 Mpanjaka 2:8–15 sy handrindra ireo sary na ilay famintinana mikasika ireo zava-nitranga araka ny fotoana nisehoany. Azonao atao koa ny manazava fa ny kapôty dia toy ny akanjo ivelany tsy misy tanany mihantona malalaka eo amin’ny soroka.
-
Ahoana no nanehoan’ny Tompo tamin’i Elisa sy ny hafa fa nomeny hery sy fahefana i Elisa ao amin’ny antsony?
Azonao atao ny manazava fa ilay kapôty nampiasain’i Elia sy i Elisa dia tsy nanome azy ireo hery sy fahefana fa naneho ny herin’ Andriamanitra sy ny fahefany. Ao amin’ny Fiangonana ankehitriny, ny antso na ny fahefana hazonin’ny olona iray dia antsointsika indraindray hoe “kapôti[ny]”. Ohatra, rehefa tohanana ho Filohan’ny Fiangonana ny mpaminany vaovao iray dia mandray ny kapôtin’ny fahefana izy.
Mety hanampy koa ny manamarika fa ny fahefana hanompo ao amin’ny antso dia avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ireo lehilahy mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana.
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Elisa momba ny zavatra ataon’ny Tompo ho an’ireo olona izay antsoiny mba hanompo Azy?
Ao anatin’ireo fahamarinana mety atolotry ny mpianatra dia hamafiso fa ny Tompo dia manome fahefana an’ireo olona izay antsoiny.
Manompo miaraka amin’ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dikan’ny hoe manompo ao amin’ny antso miaraka amin’ny hery sy ny fahefan’ny Tompo dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Fahefan’ny Fisoronana sy Herin’ny Fisoronana. Zarao ity teny nambara manaraka ity izay avy amin’ny Torio ny filazantsarako: Torolalana amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Na dia miantefa mivantana amin’ny antso hitory ny filazantsara aza ity teny nambara ity dia ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Tompo dia manome fahefana ny olona izay antsoiny hanompo ao amina antso na inona izany na inona ary manome hery an’ireo izay manompo azy amim-pahamarinana.
Naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fahefana hitory ny filazantsara, teo ambany fitarihan’i Kristy. Rehefa natokana ho misiônera ianao dia nandray izany fahefana izany. Miaraka amin’izany ny zo sy tombontsoa ary andraikitra mba hisolo tena ny Tompo sy hampianatra ny filazantsarany. …
Ankoatra ny fahefana dia mila hery ara-panahy ianao hanatontosana ny antsonao. Manome hery ara-panahy Andriamanitra rehefa miasa tsy tapaka mba hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba Azy sy ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ampianarinao ianao. Mandrotsaka hery ara-panahy Izy rehefa mivavaka, mandalina ny soratra masina, ary mikatsaka ny hanatontosa ny tanjona amin’ny maha-misiônera anao ianao. Manolotra hery ara-panahy Izy rehefa miezaka mitandrina ireo didiny sy ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ny nandray ireo ôrdônansin’ny famonjena ianao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:24). (Torio ny filazantsarako: Torolalana amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, [2023], 3)
-
Inona no nianaranao momba ny hery sy ny fahefan’ny Tompo avy amin’ireo teny nambara ireo?
-
Nahoana no mety hanampy ny mahatsiaro izany rehefa mandray antso iray avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ianao?
-
Nahoana no mety hanampy ny mahatsiaro izany rehefa manohana ny hafa izay mandray antso ianao?
Rehefa mifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany momba ny fahefana sy ny herin’ny fisoronana ny mpianatra dia azonao atao ny mitanisa ny zavatra nozarain’izy ireo eo ambanin’ny lohateny tsirairay eny amin’ny solaitrabe. Ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io dia azonao atao ny manamarika fa Andriamanitra dia manome ny fahefan’ny fisoronana ho an’ny olona iray rehefa atokana ho amin’ny antso iray izy. Tonga ny herin’ny fisoronana avy amin’ Andriamanitra rehefa miezaka ny hitandrina ny didy ny olona iray ary mandray andraikitra mifanaraka amin’ireo fitsipika marina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46).
ChurchofJesusChrist.org
Manehoa fahatakarana
Mba hanampiana ny mpianatra hamintina ny zavatra nianarany dia hevero ny hizarazara ny mpianatra ho tsiroaroa ho an’ity sahanasa manaraka ity.
Misafidiana iray na maromaro amin’ireto toe-javatra manaraka ireto ary ifanakalozy hevitra ny zavatra nianaranao androany izay afaka manampy ilay olona eo anatrehan’ny olana ananany mikasika ny antso iray. Ampidiro ao anatin’ny valiny tsirairay ny soratra masina na teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana na hevi-baovao noraisinao avy amin’ny Fanahy rehefa nandalina ny tantaran’ny antso noraisin’i Elisa mba hanompo ianao.
-
Misy eveka vaovao iray nantsoina sy notohanana. Fantatry ny zanany lahy fa tsy tonga lafatra izy.
-
Voantso hanompo ny filohan’ny Zatovovavy vaovao iray. Nanana fifandraisana tena tsara tamin’ilay filoha teo aloha ny zatovovavy iray ary tsy mahafantatra ilay filoha vaovao mihitsy.
-
Voantso mba ho filohan’ny kôlejy misy azy ny zatovolahy iray na voantso ho filohan’ny kilasy misy azy ny zatovovavy iray. Mahatsapa ho tsy ampy fahalalana izy ireo mba hanatanterahana tsara izany antso izany.
-
Misy misiônera voantso hanompo any amin’ny firenena iray izay miteny amin’ny fiteny hafa ny mponina ao aminy. Miahiahy ny amin’ny fahombiazana tena ho azon’izy ireo eo amin’ny fizarana ny filazantsara izy ireo.
Mieritrereta fomba iray mba hanasana ny mpianatra hifampizara ny valinteniny. Ny iray dia ny fangatahana ny mpianatra miara-miasa tsiroaroa mba hizara amin’ny vondrona hafa. Rehefa avy nanana fahafahana hizara ny rehetra dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra tena tian’izy ireo tamin’ny valintenin’ny vondrona hafa.
Ho famaranana dia azonao atao ny mijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay nifanakalozanareo hevitra androany.