Seminera
Eksodosy 20: 12–17: Manampy antsika hitia an’ Andriamanitra sy ny namantsika ireo Didy Folo


“Eksodosy 20: 12–17: Manampy antsika hitia an’ Andriamanitra sy ny namantsika ireo Didy Folo,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Eksodosy 20: 12–17: Manampy antsika hitia an’ Andriamanitra sy ny namantsika ireo Didy Folo,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Eksodosy 19–20; 24; 31–34: Lesona 50

Eksodosy 20:12–17

Manampy antsika hitia an’ Andriamanitra sy ny namantsika ireo Didy Folo

Ohio: Service Project

Nanambara ireo Didy Folo ny Tompo rehefa nitoby teo amin’ny Tendrombohitra Sinay ny zanak’ Isiraely. Maneho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny hafa isika amin’ny alalan’ny fitandremana ireo Didy Folo. Rehefa miezaka mitia ny hafa tahaka ny ataon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika dia hitombo ihany koa ny fitiavantsika Azy Ireo. Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ireo fomba hitandremana ireo didy izay hanampy azy ireo hitia an’ Andriamanitra sy ny namany ity lesona ity.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitsapa ny fahalalany ny Didy Folo. Azon’izy ireo atao ny manao lisitra azy ireo na manao tsianjery am-bava izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Fanadihadiana momba ireo didy

Asao ny mpianatra hitady sy hamaky ireo Didy Folo ao amin’ny Eksodosy 20:3–17 na ao amin’ny pejy 39 ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (2022). Afaka mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto izy ireo, na afaka mandahatra ireo Didy Folo manomboka amin’ny 1 (nankatoavina indrindra) hatramin’ny 10 (nodikaina indrindra) miainga avy amin’ny zavatra mety ho hitan’ity fanadihadiana ity.

  • Iza amin’ireo Didy Folo no tsapanao fa ankatoavin’ny olona indrindra? Nahoana?

  • Iza amin’ireo Didy Folo no tsapanao fa dikain’ny olona indrindra? Nahoana?

  • Araka ny eritreritrao dia ahoana no hanehoan’ny fomba itondrantsika ireo didin’ Andriamanitra ny zavatra tsapantsika ho Azy?

Manampy antsika hitia an’ Andriamanitra sy ny namantsika ireo Didy Folo

Mety nandalina ny Didy Folo ny mpianatra tao amin’ny Lesona 49 : “Eksodosy 20:1–11”. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hamaky na hamerina hijery ny Matio 22:36–40, hitadiavana ireo didy roa lehibe izay nampianarin’i Jesoa. Azon’ny mpianatra atao ny mamerina mijery ny fomba ifandraisan’ireo Didy Folo ao amin’ny Eksodosy 20:3–17 amin’ireo didy roa lehibe ireo. Ampio ny mpianatra hahatsikaritra ny fomba hifantohan’ireo didy enina farany amin’ny fitiavana ny namantsika.

Vakio ny Eksodosy 20:12–17, izay ny enina farany amin’ireo Didy Folo. Tadiavo ny fomba ampianaran’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa maneho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny namantsika isika rehefa miaina ireo Didy Folo.

Manàna fahavononana handray ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mandalina ianao. Saintsaino ny zavatra azonao atao mba hitiavana an’ Andriamanitra sy ny namanao amin’ny alalan’ny fitandremana ireo Didy Folo.

Ireo didy mba hitia ny namantsika

sary famantarana ny semineraHevero ny hampiasa ilay taratasy zaraina hoe: “Ireo didy izay manampy antsika hitia ny namantsika” mba hanampiana ireo mpianatra handray andraikitra amin’ny fianarany. Asao izy ireo handalina ny iray amin’ireo didy ary hiomana hizara ny zavatra nianarany momba izany. Azon’ny mpianatra atao ny misafidy izay didy hohalalinina, na azonao ampiandraiketina didy iray ny mpianatra tsirairay. Afaka miasa irery izy ireo, na miaraka amin’ny namana iray, na anatina vondrona kely. Tsinjarao amin’ireo mpianatra ilay taratasy zaraina arakaraka ny didy izay halalinin’izy ireo avy. Omeo fe-potoana iray voafaritra tsara handalinana ny mpianatra. Mamelà fotoana ampy tsara hanaovana ilay sahanasa fizarana afaka kelikely ao anatin’ny lesona.

Fizarana ataon’ny mpianatra

Isaory ireo mpianatra noho ny asa mafy nataon’izy ireo ary derao izy ireo noho ireo ezaka nataony. Mieritrereta fomba iray ahafahan’izy ireo mizara ny zavatra nianarany. Ohatra, azonao atao ny mandamina ireo seza mba hahafahan’ny mpianatra mipetraka mifanatrika amin’ny iray hafa ao anatina filaharana. Manomeza fe-potoana iray voafaritra tsara ho azy ireo hizarana ny zavatra nianarany amin’ilay olona mipetraka mifanatrika amin’izy ireo. Rehefa avy mizara ireo mpianatra roa dia asao ireo mpianatra ao amin’ny iray amin’ireo filaharana mba hifindra seza iray. Hiaraka amina namana hafa izao ireo mpianatra. Avereno imbetsaka araka izay ilaina izany.

Aorian’izay dia afaka mifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto indray miaraka ny mpianatra rehetra na miaraka amin’ny namana mpiara-miasa aminy amin’izao.

Makà didy manokana iray izay nohalalininao ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no ahafahan’ny fitiavanao an’ Andriamanitra sy ny namanao manampy anao hitandrina io didy io?

  • Inona avy ireo fitahiana efa azonao avy amin’ny fiainana io didy io?

Hevero ny hizara ny eritreritrao momba ny fomba ahafahan’ny fankatoavana ny didin’ny Tompo manampy antsika hitia kokoa an’ Andriamanitra sy ny hafa. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hanohy hiezaka hankatò ireo Didy Folo.