Seminera
Eksodosy 20: 1–11: Ireo Didy Folo: Mitia an’ Andriamanitra sy mametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika


“Eksodosy 20: 1–11: Ireo Didy Folo: Mitia an’ Andriamanitra sy mametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Eksodosy 20: 1–11: Ireo Didy Folo: Mitia an’ Andriamanitra sy mametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Eksodosy 19–20; 24; 31–34: Lesona 49

Eksodosy 20:1–11

Ireo Didy Folo: Mitia an’ Andriamanitra sy mametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika

Tia antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary tiany isika hisafidy Azy Ireo ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika. Taorian’ny fanavotana ny Isiraelita avy tany Egypta dia nitondra azy ireo nankany amin’ny Tendrombohitra Sinay ny Tompo mba hanao fanekempihavanana Aminy. Tao no nanambarany ireo Didy Folo mba hanampiana azy ireo hitia Azy mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra. Afaka manampy ny mpianatra hitia sy hanaja an’ Andriamanitra ambonin’ny zavatra hafa rehetra ity lesona ity.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitanisa ny sasany amin’ireo didin’ Andriamanitra. Asao izy ireo hifanakalo hevitra amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na amin’ny namana iray ny fomba nanampian’ireo didy notanisain’izy ireo azy ireo haneho ny fitiavany an’ Andriamanitra sy hametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny didy lehibe indrindra

Fanamarihana: Mifantoka amin’ireo didy efatra voalohany ity lesona ity. Ny lesona 50: “Eksodosy 20:12–17” dia hifantoka amin’ny enina farany.

Azonao atao ny manomboka ny kilasy amin’ny alalan’ny fangatahana ny mpianatra hieritreritra momba ny didy, dia ireo didin’ Andriamanitra rehetra izay heverin’izy ireo fa manan-danja indrindra. Dia zarao ity famintinana manaraka ity avy eo.

Nanontaniana ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany hoe iza amin’ireo didy no lehibe indrindra, na manan-danja indrindra (jereo ny Matio 22:36).

Vakio ny Matio 22:37–39 (jereo koa ny Levitikosy 19:18; Deoteronomia 6:5), hitadiavana ny valin-tenin’ny Mpamonjy.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ireo didy ireo no didy roa lehibe indrindra?

Tadiavo ny fomba hanampian’ireo didy ireo antsika hitia an’ Andriamanitra sy ireo namantsika eo am-pandalinanareo ny Didy Folo ato amin’ity lesona ity sy ireo lesona hafa. Handalina ny sasany amin’ireo Didy Folo ianareo mandritra ity lesona ity, izay manampy antsika hitia sy hanaja an’ Andriamanitra.

Vakio ny Eksodosy 20:1–11, hitadiavana ireo didy efatra voalohany nomen’ny Tompo ny Isiraelita.

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana Ny Eksodosy 20:3–17 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Asao ny mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.

  • Inona no fitoviana hitanao eo amin’ireo didy ireo sy ny didy lehibe voalohany avy ao amin’ny Matio 22:37–38?

    Azonao atao ny mamintina ireo fahamarinana izay zarain’ireo mpianatra eny amin’ny solaitrabe. Mety hitovitovy amin’izao manaraka izao ny valin-tenin’ireo mpianatra: Mandidy antsika hitia Azy sy hametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra.

    Azonao atao ny manasa ny mpianatra hampifandray na hampifandrohy ny Eksodosy 20:3–17 amin’ny Matio 22:36–39.

  • Araka ny hevitrao dia inona no dikan’ny hoe mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika?

Ampio ny mpianatra hieritreritra ny fomba hampiharan’izy ireo io fahamarinana io eo amin’ny fiainany amin’izao fotoana izao. Azonao atao ny manasa azy ireo hamita ity fanombanan-tena manaraka ity.

Saintsaino ireo valin-teninao ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto. Azonao atao ny mirakitra ny sasany amin’ireo eritreritrao ao amin’ny diary fandalinanao.

  • Moa ve ny fitiavako an’ Andriamanitra no fitaomana manan-danja indrindra eo amin’ny fiainako?

  • Inona no mety manakana ahy tsy ho tia an’ Andriamanitra sy hametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainako?

Ireo didy izay manampy antsika hitia an’ Andriamanitra sy hametraka Azy ho lohalaharana

sary famantarana ny semineraNatao hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ireo didy ao amin’ny Eksodosy 20:3–11 manampy antsika hitia an’ Andriamanitra sy hametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika ity taratasy zaraina ampiarahina amin’ny lesona ity. Azonao ampiasaina amin’ny fomba isan-karazany ilay taratasy zaraina.

Afaka manampy ny mpianatra hahafantatra kokoa ny zavatra ianaran’izy ireo ny fizarana hevitra. Omeo fahafahana vitsivitsy ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo avy ao amin’ilay taratasy zaraina. Azon’ny mpianatra atao ny mizara hevitra ao anaty vondrona kely na amin’ny iray kilasy.

Raha mety ny hanaovana izany dia valio ity fanontaniana manaraka ity amin’ny alalan’ny zavatra niainanao manokana rehefa avy namaly ireo mpianatra nanolo-tena.

  • Inona avy ireo fitahiana niainanao, na ny olona iray fantatrao, tamin’ny alalan’ny fametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana?

Mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana

Afaka manampy ny mpianatra hamorona drafitra iray mba hitia an’ Andriamanitra sy hametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainan’izy ireo ity sahanasa manaraka ity. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny isa 1 dia entina ilazana ny fametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika.

Manaova sarina tarehimarika 1 lehibe ao anatin’ny diary fandalinanao manokana na amina ravin-taratasy iray mitokana. Ataovy lehibe ampy hanoratana ao anatiny, na mamelà toerana hanoratana eo akaikin’izany.

Placing God First

Mikatsaha fitarihana avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hanapahana hevitra ny amin’ny zavatra azonao atao mba hametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainanao. Soraty ao anatin’ilay tarehimarika 1 na eo akaikin’izany ny zavatra hataonao. Soraty ireo valin-teninao amin’ireto fanontaniana manaraka eto ambany ireto:

  • Ahoana no mety hanampian’ny fanaovana izany anao hitia an’ Andriamanitra sy hametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainanao?

  • Ahoana no mety hitahian’ny Tompo anao noho ny fanaovanao izany?

  • Inona avy ireo fanamby mety hatrehinao rehefa manao izany? Inona no azonao atao mba handresena ireo olana ireo?

Amporisiho ny mpianatra hanao asa araka ireo fahatsapana ara-panahy nananan’izy ireo. Hanana fahafahana hanara-maso ny fivoaran’izy ireo ny mpianatra ao amin’ny Lesona 67: “Tombano ny fianaranao 4.”

Ataovy tsianjery

Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ilay toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary mamerina mijery izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Eksodosy 20:3–17 dia ny hoe: “Ny Didy Folo.” Ao amin’ny tovana eo ambanin’ilay hoe: ”Sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana” ireo hevitra ho an’ireo sahanasa fanaovana tsianjery.