“Eksodosy 7–11: Mamantatra ny herin’ny Tompo,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Eksodosy 7–11: Mamantatra ny herin’ny Tompo,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Eksodosy 7–13: Lesona 41
Eksodosy 7–11
Mamantatra ny herin’ny Tompo
Mety ho sarotra ny mamantatra ny herin’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika. Nifidy an’i Mosesy sy i Arona ny Tompo mba hanehoana ny heriny teo anatrehan’i Farao. Nataon’i Farao tsinontsinona ny herin’ny Tompo. Izany dia nitarika fanehoana fanampiny ny herin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny loza izay tonga tamin’i Egypta. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba hamantarana ny herin’ny Tompo sy hinoana Azy.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hijery porofon’ny herin’ny Tompo eo amin’ny fiainany manomboka izao ka mandrapahatongan’ny fotoam-pianarana manaraka.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny herin’ Andriamanitra manodidina antsika
Atombohy amin’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto ny fotoam-pianarana na amin’ny fanasana ny mpianatra hifanakalo hevitra momba izany ao anaty vondrona.
-
Teny an-dalana ho any amin’ny seminera androany, inona avy ny zavatra hitanao na tsikaritrao?
-
Raha omenao isa amin’ny mari-drefy 1 ka hatramin’ny 5 (1 tsy nahatsikaritra mihitsy, 5 tena nahatsikaritra be), ahoana no hanombananao ny fahitanao ny zavatra manodidina anao androany?
-
Inona avy no antony samihafa mahatonga antsika mahatsikaritra kokoa na tsy dia mahatsikaritra zavatra?
Hazavao fa tahaka izany ihany koa dia azontsika atao ny misaintsaina ny hoe hatraiza ny fahaizantsika mijery ny zavatra nataon’ny Tompo na ataony ho antsika. Hevero ny hanontany ity manaraka ity:
-
Inona no porofon’ny herin’ Andriamanitra mety ho tsikaritry ny olona iray ao anatin’ny andro iray mahazatra?
Fomba iray hanasana ny Fanahy Masina hampianatra tsirairay ny mpianatra ny famelana azy ireo hanombana samirery ny fahatsapany ny fahaizany ireo fitsipiky ny filazantsara voafaritra manokana. Azonao atao ny manampy azy ireo hanao izany amin’ny fanehoana ireto manaraka ireto:
Omeo isa amin’ny mari-drefy 1 ka hatramin’ny 5 ny tenanao (1 ambany indrindra, 5 ambony indrindra) amin’ny hoe iza amin’ireto manaraka ireto no tena mamaritra anao:
-
Matoky tena tsara aho amin’ny fahaizako mamantatra ny herin’ Andriamanitra na ny fitaomany eo amin’ny fiainako.
Eo am-pianarana androany dia asao ny Fanahy Masina hanampy anao hampitombo ny fahaizanao mamantatra ny herin’ Andriamanitra sy ny fitaomany eo amin’ny fiainanao.
Finoana ny Tompo
Ao amin’ny Eksodosy 6–7 ny Tompo dia nampanantena an’i Mosesy Tompo fa hitondra ny Isirealita hiala amin’ny fanandevozana Izy. Nanambara Izy fa haneho ny heriny amin’i Farao sy ny Egyptiana ary tsy hanan-tsafidy izy ireo afa-tsy ny hanafaka ny Isiraelita.
Vakio ny Eksodosy 6:7; 7:5, ary tadiavo izay zavatra tena tian’ny Tompo ho fantatry ny Isiraelita sy ny Egyptiana. Mety ho tian’ny mpianatra ny hanisy marika ny zavatra hitany.
-
Inona ny zavatra ho lasa fantatry ny Isiraelita sy ny Egyptiana noho ny fanehoana ny fiasan’ny herin’ny Tompo?
-
Inona no azontsika ianarana momba ny Tompo avy amin’ireo fanambarana ireo?
Ampio ny mpianatra hamanatra fahamarinana mitovy amin’ny hoe manome antsika fahafahana hino Azy sy hamantatra ny heriny eo amin’ny fiainantsika ny Tompo.
Ireo loza
Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manome fahafahana ny mpianatra ho lasa mahafantatra tsara ny sasany amin’ireo loza tany Egypta. Afaka manampy azy ireo ihany koa izany hahita ireo fihetsika samihafa manoloana ny fisehoan’ny herin’ny Tompo. Mitandrema mba tsy handany fotoana be loatra amin’ity fizarana ity sao dia tsy ho vita ny ambin’ny lesona.
Asehoy ireto tabilao sy fanontaniana manaraka ireto.
Ao amin’ny Eksodosy 7–11 dia naneho ny heriny tamin’ny alalan’ny loza nifanesy ny Tompo. Jereo ity tabilao manaraka ity ary misafidiana loza roa na telo hohalalinina mba hitadiavana valiny hamaliana ireo fanontaniana aorian’izany.
Ny andininy sasany dia milaza fa nanamafy ny fon’i Farao ny Tompo. Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manome fanazavana manan-danja fa i Farao no nanamafy ny fony.
|
Loza |
Andinin-tsoratra masina hohalalinina |
|---|---|
Loza 1. Rano niova ho ra | Andinin-tsoratra masina hohalalinina Eksodosy 7:19–25 |
Loza 2. Niakatra an-tanety ny sahona | Andinin-tsoratra masina hohalalinina Eksodosy 8:5–15 |
Loza 3. Moka | Andinin-tsoratra masina hohalalinina Eksodosy 8:16–19 |
Loza 4. Lalitra | Andinin-tsoratra masina hohalalinina Eksodosy 8:20–25, 29–32 |
Loza 5. Maty ny biby fiompy | Andinin-tsoratra masina hohalalinina Eksodosy 9:1–7 |
Loza 6. Vay | Andinin-tsoratra masina hohalalinina Eksodosy 9:8–12 |
Loza 7. Havandra sy afo avy any an-danitra | Andinin-tsoratra masina hohalalinina Exodus 9:22–29, 33–35 |
Loza 8. Valala | Andinin-tsoratra masina hohalalinina Eksodosy 10:12–20 |
Loza 9. Haizimpito | Andinin-tsoratra masina hohalalinina Eksodosy 10:21–27 |
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny Tompo ny heriny?
-
Nahoana araka ny hevitrao no nino na tsy nino ny herin’ny Tompo ny olona?
Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asao ny mpianatra hiaraka tsiroaroa na ao anatina vondrona kely maromaro dia hizara ny zavatra hitany.
Mety hanampy ny manazava ny sasany amin’ireto zavatra manaraka ireto. Mety ho tsikaritry ny mpianatra fa ireo ombiasin’i Farao, na io tamin’ny famitahana na tamin’ny herin’ny fahavalo dia nahavita naka tahaka ny ampahany sasany tamin’ireo loza roa voalohany. Tsy vitan’izy ireo anefa ny naka tahaka tanteraka izany na nampitsahatra ny loza. Ankoatra izany dia toa niharan’ny sasany tamin’ireo loza ny Isiraelita kanefa kosa narovana tamin’ny loza fahaefatra, fahadimy ary fahafito izy ireo.
Raha manampy dia amporisiho ny mpianatra hanisy marika ireo andian-teny fanampiny izay hita ao amin’ny Eksodosy 8:10, 22; 10:2 izay nijoroan’ny Tompo ho vavolombelona fa hahalala ny olona fa Izy no Tompo.
-
Nahoana no tian’ny Tompo hahalala Azy ny Egyptiana sy ny Israelita raha ny hevitrao?
-
Inona no mety ho antony nahatonga ny olona tamin’izany fotoana izany nino an’ Andriamanitra sy ny heriny kanefa dia nisalasala indray taty aoriana?
Ny herin’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika
Mety hanampy ny fizarana amin’ny mpianatra fa miseho amin’ny endriny maro ny herin’ny Tompo amin’izao fotoana izao. Ireto manaraka ireto dia mety hanampy ny mpianatra hieritreritra ny fomba nahitany na niainany izany hery izany.
Alaovy sary an-tsaina hoe manana namana iray ianao izay tsy matoky tena fa efa nisy zavatra niainany niaraka tamin’ny Ray any An-danitra na nahatsapany ny heriny. Eo am-panohizana ny fandalinanao dia eritrereto izay holazainao amin’izany olona izany.
Mety hanampy ny manome fotoana ny mpianatra hisaintsainana na hanoratana ny eritreriny mikasika ity fanontaniana manaraka ity alohan’ny hizaran’izy ireo izany amin’ny mpianatra rehetra.
-
Inona avy ireo fomba nahatonga anao hino ny herin’ny Tompo? Na hoe inona avy ireo zavatra manampy anao hino?
-
Inona avy ireo ohatra avy amin’ny soratra masina na avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana izay ahitana olona nanehoana ny herin’ny Tompo?
Ny mpianatra dia afaka mizara ohatra toy ny fahatsapana fiononana na fiadanana avy amin’ny vavaka na tsodranon’ny fisoronana, fandraisana famelan-keloka, fahatsapana fitarihana manokana avy amin’ny Fanahy Masina, sy ny sisa.
Ampio ny mpianatra hahatakatra fa amin’ny ankapobe dia vokatry ny fanehoana fihetsika na favaovana asa amim-pahatokiana no ahitana ny fiasan’ny herin’ny Tompo.
Nampianatra izao manaraka izao ny Filoha Russell M. Nelson mikasika ny zavatra azontsika atao ahitana traikefa miaraka amin’ny Ray any An-danitra:
Fantaro fa raha vao tsy misy ny zavatra iainana miaraka amin’ Andriamanitra dia afaka miahiahy ny amin’ny fisian’ Andriamanitra ny olona iray. Koa ataovy izay ahafahanareo manomboka miaina zavatra miaraka Aminy. Manetre tena. Mivavaha mba hananana maso mahita ny tanan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanareo ary eo amin’ny tontolo manodidina anareo. Angataho Izy mba hilaza aminao raha toa ka tena eo marina Izy, raha toa ka mahafantatra anao Izy. Anontanio Azy ny fahitany anao. Ary avy eo dia mihainoa. (“Avia, manaraha Ahy,” Liahona, mey 2019, 90)
-
Inona no azon’ny olona iray hatao hanombohany mahita ny tànana sy ny herin’Andriamanitra miasa eo amin’ny fiainany?
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hilalao an-tsehatra izay ho fihetsiny na valinteny omeny amin’ilay rafi-tantara etsy ambony. Angataho izy ireo hanoro hevitra ny namany izay tsy matoky tena fa efa niaina zavatra niaraka ny tamin’ny Tompo sy ny heriny izy ireo.
Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy ny maha zava-dehibe ny fahafantarana ny herin’Izy Ireo eo amin’ny fiainantsika.