Seminera
Deoteronomia 6:1–6: Mitia an’ Andriamanitra amin’ny fonao rehetra


“Deoteronomia 6:1–6: Mitia an’ Andriamanitra amin’ny fonao rehetra”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Deoteronomia 6:1–6: Mitia an’ Andriamanitra amin’ny fonao rehetra”, Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Deoteronomia 6–8; 15; 18; 29–30; 34: Lesona 58

Deoteronomia 6:1–6

Mitia an’ Andriamanitra amin’ny fonao rehetra

I Mosesy mijoro eo an-tendrombohitra

Rehefa avy nitarika ny Isiraelita nandritra ny 40 taona tany an-tany foana i Mosesy dia nizara ny toroheviny farany tamin’izy ireo izy talohan’ny nandidian’ny Tompo an’i Josoa hitarika azy ireo ho any amin’ny tany nampanantenaina. Ampahany iray manan-danja tamin’ny hafatr’i Mosesy ny hoe “tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra” (Deoteronomia 6:5). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’izy ireo maneho ny fitiavany an’ Andriamanitra.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hangataka ray aman-dreny, na mpiantoka, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hizara ny sasantsasany amin’ireo fomba tsy am-bava tian’izy ireo indrindra mba hanehoana fa tia olona izy ireo. Mety hanampy ny milaza amin’ny mpianatra fa hifantoka amin’ny fomba ahafahantsika maneho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra ny lesona.

Sahanasa fianarana azo atao

Maneho fitiavana

Hevero ny hampiasa ity sahanasa manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hifampidinika fomba isan-karazany ahafahan’izy ireo maneho fitiavana.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny anaran’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao izay tianao.

  2. Tanisao ao anatin’ny 60 segondra eo ambanin’ny anarany ireo fomba miavaka maro mba hanehoana ny fitiavanao azy araka izay azonao atao.

Mangataha mpianatra terem-panahy vitsivitsy hizara ny anarana nosoratan’izy ireo sy ny hevitra sasany nananan’izy ireo tamin’ny fanehoana fitiavana.

Rehefa vitan’ny mpianatra ny mizara izany dia asao izy ireo hamaky ny Deoteronomia 6:5 ary hizara ny zavatra nianarany. (Mety hizara fahamarinana toy izao amin’ny teniny manokana ny mpianatra: Mandidy antsika hitia Azy amin’ny fontsika sy ny fanahintsika rehetra ary ny herintsika rehetra Andriamanitra.) Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hampifandrohy na hampifandray io andininy io amin’ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Matio 22:36–39, izay nanamafisan’i Jesoa Kristy ny maha-zava-dehibe izany.

Hevero ny hanoratra ny hoe Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy eo afovoan’ny solaitrabe. Omeo roa minitra ny mpianatra mba ho eny amin’ny solaitrabe ary hitanisa fomba samihafa ahafahantsika maneho ny fitiavantsika Azy Ireo.

Avy eo dia amporisiho ny mpianatra hizara hoe inona amin’ireo hevitr’ireo mpiara-mianatra aminy no manan-danja amin’izy ireo sy ny anton’izany.

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona ireo zavatra tsapanao marina momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Nahoana no mahatsapa izany ianao?

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany hanehoanao Azy Ireo ny zavatra tsapanao?

Rehefa mandalina ny bokin’ny Deoteronomia ianao amin’ity herinandro ity dia mifantoha amin’ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina. Ny fitaomany dia afaka mampiorom-paka ny fitiavanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, ary mampianatra anao ireo fomba ahafahanao maneho izany fitiavana izany amin’Izy Ireo.

Tia antsika amin’ny fony rehetra Andriamanitra.

Mba hanampiana ny mpianatra hianatra avy amin’ny ohatr’ Andriamanitra dia azo asaina izy ireo mba hampifandrohy na hampifandray ny Deoteronomia 6:5 amin’ny 1 Jaona 4:19. Rehefa avy mamaky ny andininy 19 ianao dia azonao atao ny mangataka ny mpianatra hizara ireo fomba nanehoan’ Andriamanitra ny fitiavany ny olon-drehetra na ho azy ireo manokana.

Ity teny nambara manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hisaintsaina ny ohatra tonga lafatra nasehon’ Andriamanitra amin’ny fitiavana antsika amin’ny fony manontolo. Hevero ny hampiseho izany sy hanasa mpianatra iray hamaky mafy izany. Tohizo avy eo ny fampisehoana izany rehefa mifanakalo hevitra momba ny valin-teniny amin’ireo fanontaniana etsy ambany ny mpianatra.

Ny Filoha Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanampy antsika hahatakatra kokoa ny tena toetran’ Andriamanitra.

19:25
Loholona Jeffery R. Holland

Ny didy lehibe voalohany mifandray amin’ny mandrakizay dia ny mitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra sy ny herintsika rehetra sy ny saintsika rehetra ary ny tanjatsika rehetra—izany no ilay didy lehibe voalohany. Saingy ny fahamarinana lehibe voalohany mifandray amin’ny mandrakizay dia ny hoe, tia antsikaamin’ny fony rehetra sy ny heriny rehetra sy ny sainy rehetra ary ny tanjany rehetra Andriamanitra. Io fitiavana io no vato iorenan’ny mandrakizay ary tokony ho vato iorenan’ny fiainantsika isan’andro. Mazava ho azy fa amin’ny alalan’io toky miredareda ao am-pontsika io ihany no ahafahantsika manana fahatokiana hanohy ny fiezahana hivoatra, hanohy hikatsaka ny famelana ny fahotantsika ary hanohy hanolotra izany hatsaran-toetra izany amin’ny mpifanolobodirindrina amintsika. (“Rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo ny Tompo”, Liahona, mey 2016, 127)

  • Inona no ianaranao avy amin’ny teny nambaran’ny Filoha Holland izay afaka manosika antsika haneho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra?

  • Inona avy ireo dingana sasantsasany azon’ny olona atao izay mitarika any amin’ny fitiavana an’ Andriamanitra “[amin’ny] heriny rehetra” raha toa ka tsy mahatsapa ho ampy tanjaka hanao izany izy ireo?

Ny fankatoavana dia fanehoana fitiavana

Mba hanomezana ny mpianatra sahan-kevitra fohy momba ny bokin’ny Deoteronomia dia hevero ny hampiseho ny sarin’i Mosesy hatrany am-piandohan’ny lesona rehefa mamintina na manasa mpianatra iray hamaky mafy ity andiam-pehezan-teny manaraka ity ianao.

Nanome toromarika ny Isiraelita mba hanangana toby eo amin’ny sisin-tanin’ny tany nampanantenaina i Mosesy rehefa avy nanompo tamin’ny maha-mpaminanin’ Andriamanitra azy nandritra ny 40 taona. Tsy ho ela dia hitarika azy ireo hamakivaky ny sisin-tany i Josoa (jereo ny Deoteronomia 31:23). Nanana fahafahana ny nijery ny tany nampanantenaina avy eny an-tendrombohitra iray i Mosesy talohan’ny nanovan’ny Tompo ny tarehiny, na nakany an’i Mosesy ho any Aminy nefa tsy nandalo fahafatesana i Mosesy (jereo ny Deoteronomia 34:1–6; Almà 45:18–19). Ny bokin’ny Deoteronomia dia mirakitra ny torohevitra farany nomen’i Mosesy ny vahoaka, anisan’izany ny torohevitra nentanim-panahy momba ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fankatoavana ny didiny.

Vakio ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto, ka tadiavo ireo fitoviana misy eo amin’ny zavatra nampianarin’i Mosesy ny vahoakany sy ny zavatra nampianarin’i Jesoa an’ireo mpianany mikasika ny fomba hanehoana ny fitiavantsika an’ Andriamanitra.

Deoteronomia 6:1–6; 30:16

Jaona 14:15, 21–24

  • Inona no zavatra nianaranao momba ny fanehoana ny fitiavantsika an’ Andriamanitra?

    Raha toa ka efa nisy mpianatra iray nanoratra ny hoe “mitandrina ny didy” teny amin’ny solaitrabe teo aloha ho toy ny fomba iray hanehoana ny fitiavantsika an’ Andriamanitra, dia hevero ny hiresaka izany. Raha tsy nanao izany izy ireo dia soraty eny amin’ny solaitrabe izany.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no fomba manan-danja hanehoana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny fitiavantsika Azy Ireo ny fitandremana ny didy?

Mitia an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika isan’andro

Mety hanampy ny mpianatra ny mifanakalo hevitra momba ireo fomba azo tsapain-tanana izay azon’izy ireo hanehoana ny fitiavany an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo.

ChurchofJesusChrist.org Asao ny mpianatra hifantoka tsara amin’ny tononin’ilay hira sy ny zavatra hitan’izy ireo fa ataon’ireo zatovo ao amin’ilay horonan-tsary mba hanehoana ny fitiavany an’ Andriamanitra. Asao ny mpianatra avy eo hizara ny zavatra nianarany momba ny fomba hanehoana ny fitiavantsika an’ Andriamanitra.

3:57

Safidy iray hafa azo atao koa ny manome sombin-taratasy misy ny iray amin’ireo anaran-toerana mahazatra voatanisa etsy ambany an’ireo vondrona mpianatra vitsivitsy.

Asehoy ireto torolalana sy fanontaniana manaraka ireto mba hovitaina sy hifanakalozan’ny vondrona hevitra. (Miankina amin’ny fotoana ananana dia azon’ny vondrona atao ny mifanakalo taratasy amin’ny vondrona hafa ary mamerina im-betsaka ilay sahanasa.)

Misafidiana iray amin’ireto toerana mahazatra ireto: any am-piasana, any an-tsekoly, any amin’ny kilasin’ny seminera, any am-piangonana, any an-trano, any amin’ny fanazaran-tena, miaraka amin’ny namana, ao amin’ny tambajotran-tserasera. Ahoana no hamalianao ireto fanontaniana manaraka ireto avy amin’ny zavatra iainanao rehefa mieritreritra io toerana io?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao olona iray naneho ny fitiavany an’ Andriamanitra tao amin’io toerana io?

  • Inona avy ireo fomba tsara atao hanehoana ny fitiavanao an’ Andriamanitra ao amin’io toerana io?

  • Moa ve misy zavatra izay mety hahatonga ny fanehoana fitiavana an’ Andriamanitra ho sarotra ao amin’io toerana io? Raha eny dia ahoana no ahafahantsika mandresy izany?

Fehin-kevitra

Ho famaranana dia azonao atao ny maneho ny fitiavanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ankoatra ny fijoroana ho vavolombelona anananao dia azonao atao ihany koa ny mizara ity teny nambara manaraka ity sy manasa ireo mpianatra haneho ny fahatsapana ananany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Amporisiho izy ireo hanao zavatra araka izay fahatsapana mety ho azony avy amin’ny Fanahy nandritra ny lesona.

Ny Loholona K. Brett Nattress ao amin’ny Fitopololahy dia nametraka fanontaniana manan-danja vitsivitsy mba hosaintsainintsika manokana.

Loholona K. Brett Nattress

Mijoro ho vavolombelona aho fa mahatsiaro antsika mandrakariva ny Raintsika any An-danitra ary tia antsika tanteraka Izy. Izao no fanontaniako: Moa ve isika mahatsiaro Azy? Ary moa ve isika tia Azy? (“Moa ve aho tena voavela heloka?”, Liahona, mey 2023, 68–69)