Seminera
Mpitsara 6–8: “Homba anao tokoa Aho”


“Mpitsara 6–8: -Homba anao tokoa Aho,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpamianatra seminera (2026)

“Mpitsara 6–8: -Homba anao tokoa Aho,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16: Lesona 66

Mpitsara 6–8

“Homba anao tokoa Aho”

Gideon's band of 300 men feign an attack on their enemy.

Rehefa nivavaka ny Isiraelita mba hanavotana azy ireo dia niantso an’i Gideona hanafaka azy tamin’ny fahavalony ny Tompo. Naneho ny heriny tamin’ny fanampiana ny Isiraelita handresy miaramila mihoatra ny 135 000 tamin’ny alalan’ny lehilahy 300 notarihin’i Gideona ny Tompo. Hanampy ny mpianatra hanana faniriana lehibe kokoa hiantehitra amin’i Jesoa Kristy hahazoany hery ity lesona ity.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady soratra masina iray mampiseho ny hery azontsika raisina avy amin’ny Tompo. Tongava ao an-dilasy omban’ny fahavonona hizara izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Karazana hery

Hevero ny hanao sarin’olona vita amin’ny tsipika eny amin’ny solaitrabe izay mitondra zavatra mavesatra eo amin’ny tanany ilany sy ilany toy izao manaraka izao:

Exercising Faith in Jesus Christ. -

Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto: Raha ilaina dia omeo marqueur hanoratana ny mpianatra maromaro ary asao izy ireo hanoratra ny valintenin’izy ireo manodidina ilay sary eny amin’ny solaitrabe.

  • Iza avy ireo olona heverinao ho “matanjaka”?

  • Inona avy ireo toetoetra maneho fa mahery olona iray?

Azavao fa ny endrika iray hisehoan’ny hery dia ny fahafahan’ny olona iray miantehitra amin’ny Tompo.

Hevero ny hanome fahafahana ny mpianatra hanombana hoe hatraiza ny halalin’ny fianteherany amin’ny Tompo manolona ny toe-javatra manahirana izay mety hatrehan’izy ireo. Azonao ampiasaina ireto toe-javatra manaraka ireto na azonao atao ny mihevitra toe-javatra hafa izay manan-danja kokoa amin’ny mpianatrao.

Eritrereto ny mety ho halehiben’ny fianteheranao amin’ny herin’ Andriamanitra amin’ny toe-javatra samy hafa. Farito ny toerana mety hametrahanao ny tenanao eo amin’ity soritsary manaraka ity araka ny toe-javatra tsirairay voatanisa etsy ambany.

  • Mandray fanapahan-kevitra manan-danja

  • Miatrika ratra na aretina

  • Mihatsara amin’ny maha olona

  • Mikatsaka vahaolana manoloana fanamby miaraka amin’ny fianakaviana na namana

Eo am-pandalinana ny fiainan’i Gideona androany dia mivavaha amin’ny Ray any An-danitra hanampy anao hahatsapa ny maha zava-dehibe ny fianteherana amin’ny Tompo mba hahazo hery eo amin’ny fiainanao. Aza atao ambanin-javatra ny eritreritra na fahatsapana mety omen’ Andriamanitra anao amin’ny alalana’ny Fanahy Masina.

Gideona sy ny Isiraelita

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sahankevitra ao amin’ny Mpitsara 6, dia azonao atao ny mamerina mijery ny kisary misy ny fitamberimberenan’ny avonavona ao amin’ny Lesona 65: “Mpitsara 2–4.” Azonao atao ihany koa ny mamaky na mamintina ity andiam-pehezan-teny manaraka ity.

Ny Mpitsara 6 dia mamariparitra fotoana iray hafa rehefa nanadino ny Tompo ny Isiraelita ka tsy nahazo intsony ireo fitahiana avy Aminy. Nanomboka nampahory ny Isiraelita ny vondron’olona antsoina hoe Midianita. Norobain’ny Midianita ny voly sy ny biby fiompin’ny Isiraelita nandritra ny fito taona tamin’ny vanim-potoana fiotazana. Nampahorian’ny fahantrana ny Isiraelita vokatr’izany. Tao anatin’ny fahaverezan-kevitra dia nitodika, nangataka fanampiana tamin’ny Tompo izy ireo. Rehefa nahatsiaro ny Tompo ny Isiraelita ary nitalaho Taminy dia nanangana olo-marina antsoina hoe Gideona Izy hanavotra azy ireo tamin’ny fahavalony.

sary famantarana ny semineraMba hanampiana ny mpianatra hijery ny fomba nitahian’ny Tompo an’i Gideona sy ny miaramilany noho ny fianteheran’izy ireo Taminy hanome hery azy dia azonao atao ny mampiasa ny taratasy zaraina “Mahita ny herin’ny Tompo avy amin’ny tantaran’i Gideona.” Avelao ny mpianatra hifankazatra tsara amin’ny votoatin’ny fizarana tsirairay ao amin’ilay taratasy zaraina. Maro ireo fomba ahafahanao manao izany.

Fomba iray azo hanaovana izany ny manambatra ny mpianatra ho vondrona misy olona tsitelotelo avy ary manome fizarana iray avy ho azy ireo, ao amin’ilay taratasy zaraina. Azon’ny mpianatra atao ny mamita ny fizarana nomena azy ary mampianatra ny olona hafa ao amin’ireo vondrona mikasika izay nianarany. Azon’izy ireo atao ny manaraka ny filaharan’ilay fizarana ao amin’ny taratasy zaraina.

Fomba iray hafa ihany koa ny manasa ny mpianatra hiara-hiasa amin’ny namana iray mba hamita ilay fizarana voalohany ao amin’ilay taratasy zaraina. Rahefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia afaka mifamadika namana ary mamita ny fizarana faharoa, ary avy eo dia ny fizarana fahatelo indray.

Miantehitra amin’ny Tompo

Rehefa vita izay rehetra tao amin’ny taratasy zaraina dia asao izy ireo hizara ny famintinana ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ny tantaran’i Gideona.

Mangataha mpianatra vitsivitsy hizara ny fahamarinana nosoratany mikasika ny sahanasa fandalinana 3. Ohatra amin’izany ity manaraka ity: Raha miantehitra amin’ny Tompo isika dia hitahy antsika amin’ny heriny Izy.

  • Inona avy ireo fomba samihafa ahafahan’ny Tompo mankahery antsika?

  • Ahoana no ahafahantsika miantehitra amin’ny Tompo ankehitriny?

Mba hahatakarana kokoa ity fahamarinana ity dia asao ny mpianatra haka sary antsaina ny namany mandefa hafatra aminy amin’ny findainy. Mandalo toe-javatra ahatsapany fa tsy ampy hery ananany ilay namana. Asao ny mpianatra hizara ohatra vitsivitsy hoe mety ho inona izany toe-javatra izany. Entano ny mpianatra hisafidy toe-javatra izay heveriny fa tena manan-danja ka tokony horesahina amin’izao fotoana izao.

Manomana valinteny azonao halefa amin’ny hafatra an-tsoratra. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao izany. Raha tianao dia manaova sarina finday mampiseho taboika (bulle de texte) ary soraty ao anatin’izany ny valinteninao. Tokony ho ao amin’ny valinteninao ny roa amin’ireto manaraka ireto farafahakeliny:

1. Ahoana no ahafahan’ny ohatra nasehon’i Gideona manampy.

2. Ahoana no mety hanampian’ny soratra masina hafa ny namanao hiantehitra amin’ny Tompo. (Ohatra vitsivitsy amin’izany ny Ohabolana 3:5–6; Filipiana 4:13; Almà 26:12; Etera 12:27. Azonao atao ihany koa ny mitady hoe “Hery” na “Matoky” ao amin’ny torolalana ho an’ny soratra masina.)

3. Inona no fantatrao mikasika ny Tompo ka manampy anao hiantehitra aminy.

4. Ireo zavatra niainanao rehefa nahatsapa ianao fa nankahery anao mihoatra izay vitanao ny Tompo.

Manasà mpianatra maromaro hizara ny valintenin’izy ireo. Mitadiava fomba hisaorana azy ireo noho ny fandraisany anjara ary hanamarika fa tena manan-danja ho anao sy ny mpiara-mianatra amin’izy ireo ny valinteniny.

Mety hanampy ihany koa ny fizarana traikefa manokana mikasika ny fampaherezana azonao tamin’ny fianteherana tamin’ny Tompo. Azonao atao ihany koa ny mampiseho ny horonan-tsary “Manohy mandroso fotsiny—amim-pinoana” (ChurchofJesusChrist.org) manomboka amin’ny minitra faha-6:08 ka hatramin’ny faha-9:47. Ny Loholona Carl B. Cook ao amin’ny Fitopololahy dia nizara ny traikefany fony izy vaovao tao amin’ny Fitopololahin’ny Vondrom-paritra. Voatendry hanatrika fihaonamben’ny tsatòka niaraka tamin’ny Filoha Boyd K. Packer izy. Rehefa nanontany ny Filoha Packer ny Loholona Cook ny amin’ny drafitra hitondrana ny fivoriana, dia namaly azy ny Filoha Packer fa te hanaraka ny fitarihan’ny Fanahy izy.

11:5

Famaranana

Asao ny mpianatra hikatsaka ny tari-dalana avy amin’ny Ray any An-danitra eo am-pamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany.

  • Inona eo amin’ny sehatry ny fiainanao no ahatsapanao fa tsy ampy ny herinao?

  • Inona no fantatrao na zavatra nianaranao mikasika ny Tompo ka nanampy anao hiantehitra Aminy?

  • Inona no tsapanao momba ny Tompo sy ny fanampiany?