”Mikolokolo fomba fisainana mahasoa: ’Ny saina tsy miovaova [Aminao],’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
”Mikolokolo fomba fisainana mahasoa: ’Ny saina tsy miovaova [Aminao],’” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po: Lesona 183
Mikolokolo fomba fisainana mahasoa
”Ny saina tsy miovaova [Aminao]”
Afaka miantraika amin’ny zavatra tsapantsika sy ny safidy ataontsika isan’andro ny eritreritsika. Ny eritreritra sasany dia manampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara raha ny hafa kosa dia afaka mitarika ny fahatsapantsika sy ny asantsika ho amin’ny ratsy. Satria mahafantatra sy mahatakatra ny eritreritsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy (Salamo 139:1–2), dia afaka manampy antsika hamorona fomba fisainana mahasoa ny fifantohana amin’Izy Ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitodika any amin’ny Mpamonjy rehefa mametraka lamina ara-pahasalamana izy ireo.
Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hihaino tsara ireo eritreritra ananan’izy ireo mandritra ny tontolo andro. Azon’izy ireo atao mihitsy aza ny misaintsaina ny zavatra tsapany avy amin’ireo eritreritra ireo.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny fiantraikan’ny eritreritsika
Azonao atao ny manomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanomezana ny mpianatra 30 segondra hanoratra ny sasany amin’ireo eritreritra nananan’izy ireo omaly na androany.
Hevero ny haneho eo amin’ny solaitrabe ireto sary manaraka ireto. Azonao atao ny manazava fa io kisary io dia afaka maneho ny fiatraikan’ny fomba fisainantsika amin’ny zavatra ataontsika sy ny fivoarantsika. Raha tsy mahafehy azy ireo amin’ny fomba mahasoa isika dia mety hitarika antsika hanana fahatsapana ho tsy afa-manao zavatra ireo fomba fisainana tsy manampy. Mety hihevitra isika indraindray fa voafetra ny fahafahantsika mandray fanapahan-kevitra sy mandray andraikitra. Rehefa mifantoka amin’ireo eritreritra ireo isika dia lasa mahatonga antsika hanana fahatsapana ratsy amin’ny tenantsika sy ny hafa izy ireo. Ny fomba fisainana mahasoa dia manampy antsika handroso. Manampy antsika hahafantatra ny fahafahantsika manao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy izy ireo.
-
Inona avy ireo karazana eritreritra mety mahatonga antsika hahatsapa ho tsy afa-manao zavatra (ilay lavaka)? Inona avy ireo karazana eritreritra manampy antsika handroso (ilay lalana)?
Mety hilaza eritreritra toy izao ny mpianatra: ny hoe ”Nahatezitra ahy ianao” dia mety hahatonga azy ireo hahatsapa ho tsy afa-manao zavatra. Ny fieritreretana hoe ”Afaka manandrana indray aho” dia afaka manampy azy ireo hiroso hatrany.
-
Inona avy ireo fanapahan-kevitra sasantsasany mety horaisin’ny olona iray avy amin’ny eritreritra tsy mety na tsy mahasoa?
Makà fotoana hanasana ny Fanahy hanampy anao hamantatra ny nahitanao ny eritreritrao miantraika amin’ny zavatra ataonao. Rehefa mandalina ianao dia mikatsaha fitaomam-panahy hahafantarana ny zavatra azonao atao mba handresena ireo fomba fisainana ratsy ireo.
Mampifantoka ny eritreritsika amin’i Jesoa Kristy
Rehefa mikatsaka ny hifehy ireo fomba fisainana tsy mahasoa na tsy mety isika dia mety mahasoa ny mampifantoka indray ny saintsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mba hanampiana ny mpianatra hahita ireo fomba nampanantenain’ny Tompo fa hitahiana antsika rehefa mifantoka Aminy isika dia hevero ny hampiseho ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Azonao atao ny mandamina ireo mpianatra ho ao anatin’ny vondrona misy olona telo ary manasa ny mpianatra tsirairay handalina andinin-tsoratra masina iray ary hizara ny zavatra nianarany.
Isaia 26:3–4
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:23, 36–37
-
Inona avy ireo fitahiana azontsika rehefa mampifantoka ny saintsika (eritreritra) amin’i Jesoa Kristy isika?
Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mampifantoka ny saintsika amin’i Jesoa Kristy isika dia hanome fiadanana sy tanjaka ho antsika Izy.
Mba hampitomboana ny fahatokian’ireo mpianatra fa ny Mpamonjy dia hanampy azy ireo hampifantoka ny sain’izy ireo Aminy, dia azonao atao ny mampiseho ilay horonan-tsary hoe ”Filling Our Minds with the Power of Jesus Christ” (2:07) ho solon’ny teny nambaran’ny Loholona Andersen etsy ambany.
2:7 -
Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao ny fifantohan’ny saintsika amin’i Jesoa Kristy no hanome fiadanana sy tanjaka ho antsika?
Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny fomba ahafahantsika mampifantoka ny saintsika amin’i Jesoa Kristy.
Ny famenoana ny saintsika amin’ny herin’i Jesoa Kristy dia tsy midika hoe Izy irery no eritreretintsika. Midika kosa anefa izany fa ny eritreritsika rehetra dia voafefy ao amin’ny fitiavany sy ny fiainany sy ny fampianarany sy ny sorompanavotany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty be voninahitra. “Tsy ho hadino eny amin’ny sisiny velively i Jesoa satria eo foana ny eritreritsika momba Azy ary ny zava-drehetra ao [amintsika dia mitsaoka] Azy!” Mivavaka isika ary mamerina ao an-tsaintsika ireo zavatra niainana izay nahatonga antsika hanakaiky kokoa Azy. Ataontsika ao an-tsaintsika ireo sary masina, soratra masina, ary ireo hira ao amin’ny fihirana izay azo avy amin’ny fanentanam-panahy mba hanamaivanana moramora ireo eritreritra tsy tambo isaina isan’andro izay mirohotra mamakivaky ny fiainantsika maharempotra. Ny fitiavantsika Azy dia tsy manakana antsika tsy hiaina alahelo sy fahorian-tsaina eto amin’ity fiainana an-tany ity, fa manome fahafahana antsika hamakivaky ireo olana miaraka amin’ny hery mihoatra lavitra noho ny antsika izany. (”Nifantoka tamin’izany eritreritra momba an’i Jesoa Kristy izany ny saiko,” Liahona, mey 2023, 92) (mari-potoana 3:50 hatramin’ny 5:02)
-
Inona avy ireo torohevitra avy amin’ny Loholona Andersen izay manaitra anao?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny sary na soratra masina na hira masina anao na ny olona iray fantatrao hifantoka amin’i Jesoa Kristy?
Mizatra tena amin’ny fihetsika manoloana ireo eritreritra tsy mahasoa
Ireto dingana manaraka ireto dia afaka manampy antsika handresy ireo fomba fisainana ratsy. Hevero ny hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe.
Rehefa manana eritreritra tsy mahasoa isika dia afaka:
-
Mamantatra ireo eritreritra rehefa mitranga izy ireny sy ireo fihetseham-po vokatr’izany.
-
Manitsy ny eritreritsika.
-
Mandroso amim-pinoana an’i Jesoa Kristy.
1. Mamantatra. Ity rafi-tantara manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra ireo eritreritra tsy mahasoa sasantsasany izay mety hananan’ny olona iray mandritra ny andro. Ampifanaraho amin’ny toe-javatra mety hiainan’ny mpianatrao ilay rafi-tantara.
Nandritra ny fotoam-pianarana matematika dia sahirana i Tony tamin’ny fahatakarana ireo hevitra izay nahatonga ny mpianatra hafa hahatsapa izany.
Rehefa tonga tany an-trano avy tany an-tsekoly i Tony dia nandrahona ny hanala ny telefaonina ny ray aman-dreniny raha toa ka tsy manadio ny efitranony izy.
Tamin’io alina io dia hitan’i Tony fa nandeha namonjy fety iray izay tsy nanasana azy ny akamaroan’ny namany.
-
Inona no eritreritra mety ho nananan’i Tony nandritra ny andro?
Ireto misy fomba mety hamalian’ny mpianatra izany. Ireo fononteny dia entina manamarika ireo fomba fisainana tsy mety mahazatra. Afaka mianatra misimisy kokoa momba azy ireo ianao ao amin’ny Fitadiavana hery ao amin’ny Tompo: Tohi-bely ara-pihetseham-po,”Fomba fisainana mahasoa: Mianara.”
-
”Tsy mahay matematika aho. Mahay noho izaho ny rehetra.” (Mandika vilana)
-
”Tsy mba milaza amiko ny zavatra tsara ataoko mihitsy ny ray aman-dreniko; milaza amiko foana ny zavatra tokony hohatsaraiko izy ireo.” (Izy rehetra na tsiisy)
-
“Tsy tia ahy ny namako.” (Maika hanatsoaka hevitra)
-
”Tsy nisy zavatra tsara nitranga androany. Tsy fahombiazana daholo fotsiny.” (Sivantsaina ratsy; tsy mikaonty ny tsara)
-
-
Inona no fihetseham-po mety hiainan’i Tony amin’ireo eritreritra ireo?
-
Inona avy ireo fomba tsy mahasoa sasantsasany izay mety hahatonga an’i Tony ho alaim-panahy hanao zavatra araka ireo fihetseham-po ireo?
2. Manitsy ny eritreritsika. Hevero ny hamaky ny Isaia 55:8–9 ary ifanakalozy hevitra ny fomba maha avo kokoa ny eritreritry ny Tompo noho ny antsika. Ny fanitsiana ny eritreritsika dia afaka manampy antsika hanondrotra ny eritreritsika mba hitovy kokoa amin’ny an’ny Tompo. Hevero ny haneho ireo mpianatra ity manaraka ity:
Mamaritra
Ny fanitsiana ny eritreritsika dia midika fa rehefa mitranga ny eritreritra tsy mahasoa dia manombantombana izany amin’ny fomba fijery hafa isika. Afaka manao izany isika amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe:
-
Mety ve izany eritreritra izany?
-
Manampy ve izany?
-
Ahoana no ahafahan’ny fieritreretana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fampianaran’Izy Ireo manampy ahy amin’io eritreritra io?
Azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana ireo eny amin’ny solaitrabe mba hoampiasaina rehefa manampy an’i Tony.
Lamina hakan-tahaka
Mody manaova hoe Tony ianao, ary manana eritreritra ianao hoe ”Tsy mahay matematika aho.”
Ampio i Tony hanitsy io eritreritra io amin’ny alalan’ny famaliana ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Mety ve izany eritreritra izany?
-
Manampy ve izany?
-
Ahoana no ahafahan’ny fieritreretana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fampianaran’Izy Ireo manampy ahy amin’io eritreritra io?
Azonao atao ny manitsy ny eritreritr’i Tony amin’ny zavatra toy izao: ”Tsy manampy ity eritreritra ity (na dia marina aza izany ankehitriny). Fantatro fa nampanantena ny hamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra. Afaka mivavaka aho mba hahazo ny fanampiany. Hanampy ahy ny mpampianatra ahy, ary afaka manao ezaka misimisy kokoa aho.”
-
Inona avy ireo fomba sasantsasany hafa azon’i Tony atao hanitsina ny eritreriny? Inona no azony atao mba handrosoana amim-pinoana an’i Kristy?
Manazara tena
Misafidiana iray amin’ireo eritreritr’i Tony mba hampiharana ilay fahaiza-manao manitsy amin’ny alalan’ny famaliana ireo fanontaniana.
Mampihatra fomba fisainana mahasoa
Asehoy ity sary manaraka ity. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny manao sary ny tahadikan’izany ao amin’ny diary fandalinany. Hazavao fa ilay tohatra dia afaka maneho ireo fomba hanampian’ny Mpamonjy antsika hifantoka Aminy, sy hanova ny fomba fisainantsika ary handroso hatrany.
-
Mamantatra. Manorata eritreritra ratsy na tsy mahasoa izay nanananao na mety hanananao amin’ny ho avy ao anatin’ilay faribolan’ny eritreritra eo amin’ny lavaka. Fantaro izay fihetseham-po mety hiaraka amin’ilay eritreritra.
-
Ahitsio ilay eritreritrao Apetraho amin’ny tenanao ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana anao hanitsy izany eritreritra izany. Azonao soratana eo akaikin’ilay tohatra ny valiny.
-
Mety ve izany eritreritra izany? Manampy ve izany?
-
Ahoana no ahafahan’ny fifantohana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fampianaran’Izy ireo manampy ahy amin’io eritreritra io?
-
-
Mandroso amim-pinoana an’i Jesoa Kristy. Manorata eritreritra vaovao izay hanampy anao handroso amim-pinoana an’i Jesoa Kristy ao anatin’ilay faribolan’ny eritreritra ivelan’ilay lavaka. Manorata soratra masina iray na hira ao amin’ny fihirana, na mitadiava sary iray, na mitanisà fomba iray hafa ahafahanao mihazona ny fifantohanao amin’i Kristy (Isaia 26:3–4; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36) hifehezana izany eritreritra izany.
Rehefa ampy ny fotoana dia asao ireo mpianatra izay vonona hizara ny zavatra nanaitra azy ireo indrindra avy tamin’ny lesona.
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny famoronana fomba fisainana mahasoa matetika dia mitaky ezaka miverimberina, ary hanampy azy ireo ny Mpamonjy. Azonao atao ny mamarana ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny famakiana ny Isaia 26:3–4 mba hampahatsiahivana azy ireo ireo fitahiana izay hoentin’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo rehefa miezaka mampifantoka ny sain’izy ireo Aminy izy ireo.