“Mamaha ny fahatsapana hatezerana: Mamaly ny hatezerana amin’ny alalan’ny fanarahana ny Mpamonjy,“ Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Mamaha ny fahatsapana hatezerana: Mamaly ny hatezerana amin’ny alalan’ny fanarahana ny Mpamonjy,“ Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po: Lesona186
Mamaha ny fahatsapana hatezerana
Mamaly ny hatezerana amin’ny alalan’ny fanarahana ny Mpamonjy
Zavatra mahazatra ny mahatsapa hatezerana. Na dia mety tsy afaka mifehy toe-javatra izay mahatonga antsika hahatsapa ho tezitra aza isika dia afaka manapa-kevitra ny amin’ny fihetsitsikka manoloana izany. Rehefa mibanjina an’i Jesoa Kristy isika dia afaka manampy antsika hamaly tahaka izay ho nataony Izy. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy rehefa miaina fahatsapana hatezerana.
Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitanisa toe-javatra izay mety hahatonga azy ireo ho alaim-panahy hamaly amim-pahatezerana. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manombantombana hoe impiry izy ireo no tezitra, sy ny fomba hifehezany izany fahatsapana izany.
Sahanasa fianarana azo atao
Tsindry mikobona
Hevero ny hampiseho ity sary manaraka ity eny amin’ny solaitrabe na hitondra soda amin’ny kapoaka mihidy ao an-dakilasy. Rehefa mifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity ianao dia azonao ahontsankontsana ilay kapoaka, saingy aza sokafana izany.
-
Inona no mitranga ao anatin’ny kapoakana soda iray tsy misokatra rehefa averimberinao ahontsana izany? Inona no hitranga raha sokafanao izany?
Hevero ny hampiseho ity sary manaraka ity. Raha nitondra kapoaka irayianao ka nahontsankotsakao izany dia aza sokafana; azonao atao ny manohy mampiseho izany mandritra ny lesona.
-
Inona avy ireo fomba azonao ampifandraisana io ohatra io amin’ny fahatsapana fahatezera?
Raha mila fanampiana ny mpianatra dia azonao atao ny manazava fa ilay kapoaka dia mety maneho antsika, ary ny soda dia mety haneho ny fihetseham-pontsika. Ny fanontsankontsanana an’ilay kapoaka dia mety haneho fihetsika na toe-javatra na fifandraisana izay mety hiteraka tsindry mikobona (fahatezerana) ao anatintsika.
Miaina hatezerana daholo ny rehetra. Tsy mahagaga raha mitombo ny tsindry ao anaty kapoakan’ny soda izay ahontsakontsana, dia tsy mahagaga toy izany koa isika raha miaina fahatsapana fahatezerana Kanefa mbola afaka misafidy ny fihetsika manoloana an’ireo fahatsapana ireo isika.
Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Amin’ny mari-drefy 1 ka hatramin’ ny 5 (1 = ambany; 5 = ambony), impiry ianao no tezitra? Ahoana no mety handrefesan’ny hafa hoe impiry ianao no tezitra?
-
Inona no fihetsikao tena matetika rehefa tonga ny fahatsapana hatezerana?
Rehefa mandalina ianao anio, dia mikatsaha fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hianatra ny fomba hanampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao hifehy ireo fahatsapana hatezerana.
Vokatry ny fanaovana zavatra an-katezerana
Mba hahazoana ohatra iray ao amin’ny soratra masina mikasika ny vokatry ny fahatezerana, dia hevero ny hifanakalo hevitra momba ny tantaran’i Esao ao amin’ny Genesisy 27. Raha efa nandalina ity tantara ity tao amin’ny Lesona 30: “Genesisy 25–27“ ny mpianatra dia azonao atao ny mampiasa tantara hafa, toy ny tantaran’i Kaina (jereo ny Mosesy 5:21–23, 26–27, 32) na i Asa (jereo ny 2 Tantara 16:7–13).
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny tantaran’i Esao dia hevero ny hampiseho ity sary manaraka ity sy hanasa ny mpianatra hizara ny zavatra fantany momba azy. Avy eo dia vakio na fintino ity andiam-pehezan-teny manaraka ity. Na azonao atao ny mampiseho ny “Jacob and Esau“ (mari-potoana 1:10 hatramin’ny 1:53) avy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Nanan-janaka kambana Isaka sy i Rebeka, dia i Esao sy i Jakoba. Amin’ny maha-zokiny indrindra an’i Esao dia manana ny zo hahazo ny tsodranon’ny fizokiana avy amin-drainy izy. Ny fizokiana dia midika fa handova ny fananan-drainy i Esao ary ho lasa mpitarika ny fianakaviana sy mpitarika ara-panahy. Noho ny zavatra tsy marina nataon’i Esao (jereo ny Genesisy 25:31–34; 26:34–35), dia nomena ny tsodranon’ny fizokiana i Jakoba (jereo ny Genesisy 27:1–33).
Vakio ny Genesisy 27:41–45, hitadiavana ny fihetsika nasehon’i Esao rehefa nahafantatra izy fa nomen-drainy an’i Jakoba ny tsodranon’ny fizokiana.
-
Inona no vokatry ny hatezeran’i Esao?
-
Inona avy ireo vokatra hafa mety hiainan’ny olona iray avy amin’ny fanaovana zavatra an-katezerana?
Mety hanampy ny fanazavana fa nisaraka nandritra ny 20 taona ireo mpirahalahy mandra-pihavan’izy ireo tamin’ny farany (jereo ny Genesisy 33:4).
Ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy
Hevero ny hizara ny mpianatra ho tsiroaroa, ka ny mpianatra tsirairay dia hamaky ny iray amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto. Aorian’izay dia afaka mifanakalo hevitra momba ny fomba hamaliana ilay fanontaniana etsy ambany ny ekipa tsirairay.
Vakio ity manaraka ity, ka tadiavo ny zavatra ianaranao momba ny fihetsika aseho manoloana ny hatezerana:
Salamo 103:8
Ohabolana 16:32
-
Ahoana no hamintinanao ny zavatra azontsika ianarana momba ny fiatrehana ny hatezerana?
Ampio ny mpianatra hamantatra fahamarinana iray toy ny hoe: Rehefa mahari-po na mahatsindry fo isika dia manaraka ny ohatra nasehon’ny Tompo.
-
Midika inona aminao izany hoe mahari-po na mahatsindry fo izany?
Mieritrereta ohatra iray nanehoan’i Jesoa fa nahari-po na nahatsindry fo Izy.
Raha mila fanampiana ny mpianatra, dia tariho izy ireo amin’ny alalan’ny ohatra toy ireto manaraka ireto:
-
Lioka 9:51–56 (Nolavin’ny tanàna Samaritana iray i Jesoa.)
-
Lioka 23:8–11 (Nanontanian’i Heroda i Jesoa.)
-
Jaona 19:3–12 (Nosamborina i Jesoa.)
-
Ahoana no ahafahan’izany manampy olona hahita ny fihetsik’i Jesoananoloana ireo toe-javatra ireo?
Dingana hifehezana ny hatezerana
Ity ampahany amin’ny lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampihatra ireto dingana manaraka ireto amin’ny fifehezana fahatsapana hatezerana:
-
Fantaro ny zavatra niteraka ilay fahatsapana hatezerana.
-
Tadiavo ireo fihetseham-po miafina.
-
Misafidiana paikady mampalefaka ny fo.
Mba hanampiana ny mpianatra hianatra hifehy ny hatezerana amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy azy dia zarao ilay taratasy zaraina hoe “Dingana amin’ny fifehezana ny hatezerana.“ Satria mametraka fanontaniana mahakasika ny tena manokana ilay taratasy zaraina dia azon’ny mpianatra atao ny mameno izany samirery. Na azon’izy ireo atao ny miasa tsiroaroa, ka miato tsindraindray mba hamitana ireo fanontaniana mahakasika ny tena manokana.
Famintinana
Rehefa nahavita ilay taratasy zaraina ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana fifanakalozan-kevitra manaraka ireto raha ampy ny fotoana:
-
Inona no nianaranao androany ka afaka manampy olona iray izay manana olana amin’ny fifehezana ny hatezerany?
-
Inona no zavatra niainanao na ny hafa tamin’ny fifehezana hatezerana amin’ny fomba manahaka ny an’i Kristy?
Mety hahatsapa ny mpianatra sasany fa tsy azo heverina ny tsy ho tezitra. Hevero ny hamarana amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hamaky ny Etera 12:27, ka tadiavo ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manampy olona iray izay manana olana amina fahalemena. Mijoroa ho vavolombelona fa noho ny Sorompanavotany dia afaka mamadika ny fahalementsika ho lasa tanjaka i Jesoa Kristy—anisan’izany ny fifehezana ny hatezerantsika.