“Mikarakara ny vatantsika: Manatsara ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-pihetseham-po,“ Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Mikarakara ny vatantsika: Manatsara ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-pihetseham-po,“ Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po: Lesona 182
Mikarakara ny vatantsika
Manatsara ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-pihetseham-po
Nomen’ny Ray any An-danitra vatana isika ao anatin’ny drafiny mba ho tonga tahaka Azy. (jereo ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,“ ChurchofJesusChrist.org). Saingy ny fomba hikarakarantsika ny vatantsika dia tsy vitan’ny hoe miantraika amin’ny hoavintsika fotsiny fa miantraika amin’ny zavatra tsapantsika ankehitriny ihany koa. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fiantraikan’ny safidintsika eo amin’ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-pihetseham-po.
Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra momba ny safidy ara-pahasalamana ataon’izy ireo (fihinanana, fatoriana, fanatanjahantena, sy ny sns) nandritra ny herinandro lasa. Amporisiho izy ireo hanombantombana ny fiantraikan’ireo safidy ireo tamin’ ny zavatra tsapany ara-batana sy ara-pihetseham-po.
Sahanasa fianarana azo atao
Misy fiantraikany eo amintsika ara-batana sy ara-pihetseham-po ny safidintsika
Ity rafi-tantara manaraka ity dia ampiasaina mandritra ny lesona mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fiantraikan’ireo fanapahan-kevitra mahasoa na tsy mahasoa izay raisintsika isan’andro dia misy fiantraikany eo amin’ny zavatra tsapantsika ara-batana sy ara-pihetseham-po. Mampiasa ny anarana hoe “Maya” ilay rafi-tantara, saingy azonao atao ny manasa ny mpianatra hisafidy anarana iray sy hanampy na hanova ny antsipirian’ilay tantara.
Nahatsapa reraka sy kivy nandritra ny herinandro maromaro i Maya. Ity sary manaraka ity dia maneho ny sasany amin’ ireo safidy nataon’ i Maya nandritra izany fotoana izany.
-
Inona avy ireo safidy sasany izay ataon’i Maya ka mety hisy fiantraikany amin’ny zavatra tsapany?
Mety hilaza ny mpianatra fa miari-tory izy, mihinana sakafo tsy mahasalama, ary variana amin’ny telefaoniny. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanampy safidy fanampiny izay mety ho ataon’ireo zatovo eo amin’ny faritra misy anao ka mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fahasalaman’izy ireo ara-batana sy ara-pihetseham-po.
Mety hanampy ny fanazavana amin’ny mpianatra fa ao anatin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra, dia mifandray akaiky ny vatantsika sy ny fanahintsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:15). Noho izany, ny safidy ataontsika momba ny fahasalamantsika dia misy fiantraikany amintsika amin’ny fomba maro kokoa noho ny zavatra tsapantsika ara-batana fotsiny.
-
Inona no mety ho fiantraikan’ireo safidy ataon’i Maya eo amin’ny zavatra tsapany ara-batana? ara-pihetseham-po?
-
Inona avy ireo safidy hafa azontsika atao rehefa mikarakara ny vatantsika isika izay mety hiantraika amin’ny zavatra tsapantsika?
Azonao atao ny manao lisitra ny valintenin’ireo mpianatra amin’ilay fanontaniana teo aloha eny amin’ny solaitrabe ao anatin’ny tsanganana roa, safidy “mahasoa“ sy safidy “tsy mahasoa“. Azon’ny mpianatra atao ny mampiasa ireo valinteny eny amin’ny solaitrabe ireo na hafa izay avy amin’ny tenany manokana mba hamenoana ilay tabilao amin’ny sahanasa manaraka
Ataovy ity tabilao manaraka ity ao anatin’ny diary fandalinanao. Ataovy lisitra ireo hetsika mahasoa sy tsy mahasoa ao amin’ireo efajoro telo voalohany izay nisy fiantraikany tamin’ny zavatra tsapanao nandritra ny herinandro lasa. Rehefa mandalina ianao dia asao ny Fanahy Masina mba hanampy anao hamantatra ireo fomba azonao hanatsarana ny fomba hikarakaranao ny vatanao sy hitanisa izany ao amin’ny efajoro 4.
|
1. Safidy tsy nataoko |
2. Safidy nataoko imbetsaka |
|
3. Safidy ataoko matetika |
4. Safidy azoko atao |
Mitondra fitahiana ny fikarakarana ny vatantsika
Alaivo sary an-tsaina hoe miresaka amin’i Maya ianao, izay mizara hoe: “Mba tiako aho raha afaka mijanona tsy mahatsapa ho reraka sy kivy toy izany foana.“ Fantatrao hoe tsy tsapan’i Maya fa miantraika aminy ny safidy izay ataony.
Manomàna valinteny izay ahitana soratra masina sy fampianaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay afaka manampy olona tahaka an’i Maya hahatakatra:
-
Ny fiantraikan’ny safidiny aminy eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-pihetseham-po.
-
Ny antony mahatonga an’ Andriamanitra miraharaha ny fomba hikarakarantsika ny vatantsika.
-
Ireo fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra an’ireo izay mikarakara ny vatany.
Azonao atao ny mandamina ny mpianatra ho vondrona kely ary manome ilay taratasy zaraina hoe “Mikarakara ny vatantsika“ mba hanampiana ireo mpianatra hanomana ny valinteniny ho an’i Maya. Ny farany ambanin’ilay taratasy zaraina dia ahitana tabilao iray izay afaka manampy ny mpianatra handamina ny valintenin’izy ireo amin’ny alalan’ny lohahevitra.
Misy loharanom-pitaovana fanampiny ho an’ny sokajy tsirairay hita ao amin’ny Sahanasa fianarana fanampiny.
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany sy ny fomba ahafahan’izany manampy olona tahaka an’i Maya.
Hanampy antsika hanao safidy tsara ny Mpamonjy
Ny iray amin’ireo fahamarinana mety ho hitan’ny mpianatra ao amin’ilay taratasy zaraina dia mety ahitana ny hoe satria fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny vatantsika dia manantena antsika Izy mba hikarakara izany.
Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ny fomba ahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy azy ireo hikarakara ny vatany dia mifanakaloza hevitra momba ny fanontaniana toy ny iray amin’ireto manaraka ireto:
-
Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny Tompo nitahy ireo izay miezaka mikarakara ny vatany?
-
Ahoana no ahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy antsika hanao safidy tsaratsara kokoa ka hikarakara ny vatantsika, na dia tsy mahatsapa tsy te hanao izany aza isika?
Hevero ny hanasa ny mpianatra hanampy ao amin’ny fizarana 4 amin’ny safidy mahasoa ao amin’ilay tabilao tany am-piandohan’ny lesona.
Jereo ilay tabilao nataonao tao amin’ny diary fandalinanao. Zarao ny valinteninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Avy amin’ny zavatra nohalalininao, inona avy ireo safidy azonao amboarina mba hanampiana amin’ny fanatsarana ny fahasalamanao ara-batana sy ara-pihetseham-po?
-
Ahoana no hampandraisanao anjara ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny ezaka ataonao?
Azonao atao ny mamarana amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Ray any An-danitra sy ny drafitry ny famonjeny ary ireo fitahiana hitanao avy amin’ny fiezahana hanao safidy tsara.