Zatovo
12. Mitondra fifaliana i Jesoa Kristy


I Josefa sy i Maria miaraka amin’i Jesoa zazakely

12.

Mitondra fifaliana i Jesoa Kristy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:36

Feno fifaliana ny Rainao any An-danitra. Tiany ianao zanany mba hanana fifaliana betsaka araka izay azo atao. Izany no antony nanomanany ny drafitry ny fahasambarana. Naniraka ny Zanany Jesoa Kristy Izy mba ho Mpamonjy anao sy hampianatra ny filazantsarany. Ny teny hoe filazantsara dia midika hoe “vaovao mahafaly”, ary ny vaovao mahafaly dia hoe noho i Jesoa Kristy dia afaka manana fahasambarana ianao eto amin’ity fiainana ity sy fahafenoan’ny fifaliana ho an’ny mandrakizay.

Fahamarinana mandrakizay

Natao hanana fahasambarana sy fifaliana ianao. Izany no tanjon’ny fiainanao. Izany no tanjon’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra. Tsy midika izany fa tsy halahelo na tsy handalo fotoan-tsarotra mihitsy ianao. Fa midika kosa anefa izany fa ny Mpamonjy dia afaka manampy anao hiaritra fotoan-tsarotra sy hahita fifaliana.

Tsy avy amin’ny toe-javatra iainanao ny fifaliana fa avy amin’ny fanarahan-dia an’i Jesoa Kristy izany. Mety handalo andro ratsy, herinandro ratsy, na taona ratsy ianao. Fa ny fifaliana dia tsy ny tsy fisian’ny alahelo eo amin’ny fiainanao fa ny fisian’i Kristy eo amin’ny fiainanao kosa izany.

Lehibe sy maharitra kokoa noho ny zavatra hafa rehetra ny fifalian’ny Mpamonjy. Haka fanahy anao i Satana mba hikatsaka fahafinaretana sy fahafaham-po amin’ny fomba tia tena na avy amin’ny fahafinaretan’izao tontolo izao. Izay zavatra mifanohitra amin’i Jesoa Kristy sy ny didiny dia tsy afaka mitondra fifaliana sy fahasambarana maharitra ho anao. Tsarovy fa mandalo ny zavatry ny tany. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manome fifaliana sy fahasambarana izay lalina sy masina ary maharitra mandrakizay.

Fanasana

Safidio ny fifaliana. Na dia marina aza fa misy alahelo sy fahasarotana eto amin’ity izao tontolo izao ity dia nameno izao tontolo izao tamin’ny zavatra tsara sy mahasoa maro ihany koa ny Ray any An-danitra. Katsaho izany. Ezaho ny hahatsikaritra ireo antony hifaliana isan’andro, na mety hanoratra izany mihitsy aza angamba. Ireo dia fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Rainao any An-danitra be fitiavana.

Mitondra fifaliana sy fahasambarana ho an’ny hafa. Nahita ny fahafenoan’ny fifaliana i Jesoa Kristy tamin’ny fitondrana fifaliana ho antsika. Afaka manaraka ny ohatra nasehony ianao amin’ny alalan’ny fitadiavana fifaliana sy fahasambarana amin’ny fanompoana ny hafa. Ampio ny olona iray hahatsapa ho tiana. Manomeza fandokafana amin-kitsim-po. Ankaherezo ny olona iray izay manana olana. Raha toa ianao ka mahatsapa fa mila fifaliana bebe kokoa eo amin’ny fiainanao dia miezaha mitondra fifaliana ho an’ny olona iray hafa.

Aoka ianao ho faly amin’ny fitsaohana ny Tompo. Rehefa mankany am-piangonana ianao dia mifantoha amin’ny fifaliana omen’i Jesoa Kristy anao, ary derao Izy noho izany! Ataovy ny anjaranao amin’ny fampisiana fanahy feno fifaliana ao anatin’ireo fivorian’ny Fiangonana. Ataovy ao anatin’ny fitsaohanao any an-tokantrano sy any am-piangonana ny hira masina.

Minerva Teichert, Christ in a Red Robe [I Kristy miakanjo mena]

Fitahiana nampanantenaina

Afaka mahatsapa fifaliana ianao na dia sarotra aza ny fiainana. Mety hanontany tena ianao hoe ahoana no ahafahan’izany ho tanteraka, saingy marina izany. Ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny heriny manasitrana ary ireo fampanantenany mandrakizay dia afaka manome fifaliana tsy tapaka ho anao. Ny fifaliany dia mandrakotra ny alahelo ary mitondra fiadanana izay mihoatra ny fahatakarana rehetra.

Ny fahafenoan’ny fifaliana dia miandry anao ao amin’ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra. Nandresy ny zavatra rehetra izay mety manakana anao tsy hahazo fifaliana mandrakizay i Jesoa Kristy. Rehefa matoky Azy sy manaraka Azy ianao dia ho anao izany fifaliana izany.

Fanontaniana sy valiny

Raha feno fifaliana ny filazantsara, nahoana aho no mahatsapa ho malahelo fatratra? Ny fahatsapana alahelo dia tsy famantarana fa tsy miaina ny filazantsara ianao. Ny fiainan’ny tsirairay dia ahitana fahoriana sy fitsapana ary alahelo. Tsy manova izany ny fanarahan-dia an’i Jesoa Kristy, saingy mampifandray anao amin’ny Mpamonjy iray izay afaka mampionona anao sy manampy anao hahita fifaliana sy fahasambarana izany.

Nahoana no feno fijaliana eto amin’izao tontolo izao? Ny sasany amin’ireo fijaliana eto amin’izao tontolo izao dia tonga satria mampiasa ny fahafahany misafidy ny olona mba hanaovana safidy ratsy. Mety hiteraka fijaliana ho an’ny tenany sy ho an’ny olon-kafa izany. Amin’ny tranga hafa, ny fijaliana dia tsy fahadisoan’ny olona iray fa vokatry ny fiainana ao anatin’ny tontolo tsy lavorary fotsiny ihany izany. Na inona na inona antony dia mety mahavaky fo ny mahita olona mijaly, indrindra fa ny olona iray izay tianao. Dia aoka ianao hahatoky fa malahelo ihany koa Andriamanitra rehefa mijaly ianao. Avelany hanampy anao hivoatra sy hiomana amin’ny fifaliana mandrakizay miaraka Aminy ireo fitsapana eto amin’ny fiainana an-tany, saingy tsy mamela anao hijaly irery Izy. Naniraka an’i Jesoa Kristy Izy hitondra eo Aminy ny fanaintainanao mba hahafahany manampy anao. I Jesoa Kristy no herinao! Ary manasa anao Izy, amin’ny maha-iray amin’ireo mpanara-dia Azy anao, mba hanao izay azonao atao mba hanampiana amin’ny fanamaivanana ny fijalian’ny hafa.

Jereo ny Salamo 16:11 (fahavokisam-pifaliana no eo anatrehan’ Andriamanitra); 95:1 (mihobia ho an’i Tompo); Jaona 16:33 (matokia; efa nandresy izao tontolo izao i Jesoa Kristy); Galatiana 5:22 (fifaliana no vokatry ny Fanahy); Hebreo 12:2 (niaritra ny fijaliany i Jesoa noho ny fifaliana avy amin’ny fanavotana ny zanak’ Andriamanitra); 2 Nefia 2:25 (Tian’ Andriamanitra hahazo fifaliana ianao); Almà 26:15–16 (mitondra anao mankany amin’ny fifaliana ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra); Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15–16 (akory ny halehiben’ny fifalianao rehefa manampy ny hafa hanatona an’i Kristy ianao).

Fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

  • Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra anao Azy?