Zatovo
Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Ry zatovo rahalahy sy anabavy malalanay isany,

Tianay ianareo ary matoky anareo izahay. Ianareo dia tena isan’ireo fanahy nosafidin’ny Ray any An-danitra izay nalefa ety an-tany amin’izao fotoana izao mba hanao zavatra manan-danja.

Matanjaka kokoa sy mahavita zavatra kokoa noho izay mety ho tsapanao ianao. Ary rehefa miantehitra amin’ny Mpamonjy ianao dia mitombo kokoa aza ny herinao. Izy no “herin’ny zatovo.”

Ity torolalana ity dia hanampy anao hanorina fototra mafy orina mba hanaovana safidy ny hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Hanampy anao izany hiomana hanao fanekempihavanana masina any amin’ny tempoly, sy hiomana hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno, ary hahazo fifaliana amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy mandritra ny fiainanao. Manana toerana manan-danja ao amin’ny Fiangonany ianao. Hanampy anao hanatanteraka ireo tanjony ho anao i Jesoa Kristy.

Fantatray fa velona Andriamanitra. Mivavaka izahay mba hijanona ho mafy orina eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ianao—ny lalan’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra. Izany no lalana mitondra miverina any amin’ny Rainao any An-danitra. Rehefa manao izany ianao dia ho lasa fitaomana ho amin’ny tsara, hizara ny filazantsara amim-pifaliana ary hanomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Tsarovy : I Jesoa Kristy no herinao!

Ny Fiadidiana Voalohany