Zatovo
3. Afaka manampy amin’ny asan’ Andriamanitra ianao


Miambina sy mikarakara ny ondry i Jesoa Kristy

3.

Afaka manampy amin’ny asan’ Andriamanitra ianao

Mosesy 1:39

Tia ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra. Te hanampy azy ireo hahita fahasambarana sy fifaliana Izy, hiverina any Aminy, ary hahazo ny fiainana mandrakizay. Antsoina hoe asa famonjena sy ho an’ny fisandratana izany, ary manasa anao Izy hanampy!

Fahamarinana mandrakizay

Ny hanatanteraka ny tsy fahafatesanao sy ny fiainana mandrakizainao no asa sy voninahitr’ Andriamanitra. Ny tsy fahafatesana dia ny miaina mandrakizay amina vatana nofo efa nitsangana tamin’ny maty. Ny fiainana mandrakizay na koa fisandratana, dia ny ho tonga tahaka an’ Andriamanitra bebe kokoa ary miaina miaraka Aminy toy ny fianakaviana mandrakizay. Azo tanterahina ireo rehetra ireo noho i Jesoa Kristy sy ny sorompanavotany. Afaka matoky Azy isika.

Afaka manampy amin’ny asan’ Andriamanitra ianao amin’ny alalan’ny fanatonana an’i Kristy sy ny fanampiana ny hafa hanao tahaka izany koa. Rehefa manao zavatra hanampiana olona iray hanaraka an’i Jesoa Kristy ianao dia manampy amin’ny asan’ Andriamanitra.

Fanasana

Miaina araka ny filazantsara. Aoreno ny finoanao an’i Jesoa Kristy. Mibebaha isan’andro. Raiso ireo ôrdônansin’ny fisoronan’ Andriamanitra ary tandremo ireo fanekempihavanana nataonao. Ataovy izany ho lamina arahina mandritra ny androm-piainanao manontolo.

Mikarakara ireo sahirana. Mitadiava fomba hanompoana ny hafa, anisan’izany ny fianakavianao, ny namanao ary ny fiarahamonina misy anao. Fomba iray tena tsara hanampiana ny olona sahirana ny fankatoavana ny lalàn’ny fifadian-kanina sy ny fanomezana avy amin’ny fifadian-kanina.

Manasa ny rehetra handray ny filazantsara. Aoka ny teny ampiasainao sy ny asa ataonao mba haneho ny finoanao an’i Jesoa Kristy. Miomàna hilaza amin’ireo izay manontany anao mikasika ny fanantenana sy ny fifaliana tsapanao amin’ny maha-mpianany anao. Ho an’ny zatovolahy, ny fanaovana asa fitoriana amin’ny fotoana feno dia andraikitry ny fisoronana. Ho an’ny zatovovavy dia fahafahana mahery vaika izany; mivavaha mba hahafantarana raha tian’ny Tompo hanompo ianao. Miomàna hizara ny filazantsara mandritra ny fiainanao.

Fatory anaty firaisan-kina mandrakizay ny fianakaviana amin’ny alalan’ny fanaovana ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly. Fantaro ireo razambenao. Fantaro hoe iza no mila ôrdônansin’ny tempoly. Mandehana any amin’ny tempoly matetika araka izay vitanao mba hatao batisa sy raisina ho mpikambana ho azy ireo. Raha mila fanampiana ianao dia mandehana ao amin’ny FamilySearch.org.

I Jesoa Kristy nanompo tany Amerika

Fitahiana nampanantenaina

Hanana ny fanampian’ Andriamanitra ianao. Ny Ray any An-danitra dia tsy manantena anao hanao izany asa izany irery. Miaraka aminao Izy. Rehefa manolotra amim-panetren-tena ny fotoanao sy ny fonao ianao dia hanao zavatra mahatalanjona amin’ny alalanao Izy. I Jesoa Kristy no herinao!

Ho heniky ny fifaliana ianao. Asa mahafaly ny asan’ Andriamanitra! Rehefa mandray anjara amin’izany ianao dia afaka mahatsapa ny fifaliana izay tsapany. Alaivo sary an-tsaina ny fifaliana hozarainao amin’ny Ray any An-danitra sy ireo zanany izay nampianao ka nentinao ho Aminy!

Fanontaniana sy valiny

Tena afaka mampiasa ahy tokoa ve Andriamanitra amin’ny asany? Eny! Misy fomba maro ahafahana manampy amin’ny asany. Mety ho toy ny manan-talenta na fahaiza-manao bebe kokoa ny olona hafa, saingy hitan’ny Rainao any An-danitra ny mety hahatongavanao. Nomeny fanomezam-pahasoavana izay azonao ampiasaina mba hanompoana sy hanangonana ireo zanany ianao. Tsy maninona raha toa ka tsy mitovy amin’izay ananan’ny olona hafa ireo fanomezam-pahasoavana ireo. Raha ny marina dia izany no antony maha-sarobidy ny fanomezam-pahasoavana anananao. Ilaina ianao!

Jereo ny Matio 10:39 (raha mahafoy ny fiainanao amin’ny fanompoana ny Mpamonjy ianao dia hahita izany); 1 Korintiana 12:14–27 (ilaina ao amin’ny vatan’I Kristy ny mpikambana rehetra); Filipiana 1:6 (matokia fa miasa ao aminao Andriamanitra); Jakôba 5:72 (miara-miasa aminao ny Tompon’ny tanimboaloboka); Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15–16 (Ho lehibe ny fifalianareo miaraka amin’ireo izay entinareo ho eo amin’I Kristy); 64:33–34 (ny asa lehibe dia avy amin’ny zava-madinika sy tsotra); Mosesy 1:6 (“Manana asa hoanao aho”); 6:31–34 (Omen’ Andriamanitra ny fahaiza-manao ilainy ireo olona antsoiny na dia mahatsiaro ho tsy dia havanana aza izy ireo).

Fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

  • Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny?