Zatovo
Manaova safidy entanim-panahy


Manaova safidy entanim-panahy

Hahita ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ireo mpaminaniny ianao ato amin’ny Ho zatovo mahery! Raha ireo fahamarinana ireo no mitarika anao dia afaka manao safidy entanim-panahy izay hitahy anao amin’izao fotoana izao sy mandritra ny mandrakizay ianao.

Fanahy zanaka malalan’ Andriamanitra ianao. Ny drafiny lehibe ho an’ny fahasambarana no mahatonga anao ho afaka mivoatra ara-panahy sy mampitombo ny fahafahanao ho tonga tahaka an’ Andriamanitra. Nandefa an’i Jesoa Kristy Izy mba ho Mpamonjy anao.

Matoky anao ny Rainao any An-danitra. Nomeny fitahiana lehibe ianao, anisan’izany ny fahafenoan’ny filazantsara sy ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina izay mamatotra anao Aminy ary mitondra ny heriny ho eo amin’ny fiainanao. Ireo fanekempihavanana ireo dia mitondra fifaliana sy andraikitra fanampiny. Fantany fa afaka mitondra fiovana tsara eto amin’izao tontolo izao ianao, ary izany dia mitaky, amin’ny toe-javatra maro, ny tsy hitovianao amin’izao tontolo izao. Katsaho ny fitarihan’ny Rainao any An-danitra rehefa manao safidy ianao. Homeny fitaomana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ianao.

I Jesoa Kristy no lalana mankany amin’ny fifaliana mandrakizay. Rehefa mampiasa ny fahafahanao misafidy mba hanaraka an’i Jesoa Kristy ianao dia eo amin’ny lalana mitondra mankany amin’ny fahasambarana mandrakizay ianao izay. Ataovy faneva sy fototra mafy orina toy ny vatolampy ho anao i Jesoa Kristy. Aoreno eo amin’ny fampianarany ny fiainanao ary tombano amin’ny alalan’izany ireo safidy ataonao. Ireo fanekempihavanana ataonao amin’ny batisa sy mandritra ny fanasan’ny Tompo ary any amin’ny tempoly no singa fanorenana ny fototra mafy orina iorenanao ao amin’i Kristy. Mbola hiaina ady sy fakam-panahy ianao, kanefa hanampy anao ao anatin’izany rehetra izany ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy.

Ny tanjon’ny Ho Zatovo Mahery dia tsy hoe hilaza aminao ny “eny” na ny “tsia” amin’ny safidy izay mety hatrehanao. Manasa anao kosa anefa ny Tompo hiaina amin’ny fomba ambony sy masina kokoa—fiainana iray izay mifantoka amin’ireo fahamarinana mandrakizay sy ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo. Izany ny fombany. Hampianatra anao ny fombany ity boky torolalana ity. Manazava ireo fahamarinana nambarany izany. Ataovy mpitari-dalana anao ireo fahamarinana ireo mba hanaovana safidy, safidy lehibe, toy ny fanaovana fanekempihavanana ao amin’ny tempoly sy ny fanaovana asa fitoriana, ary koa ireo safidy atao isan’andro, toy ny fomba fitondrana ny olona sy ny fomba handanianao ny fotoanao.

Na dia afaka manampy anao aza ny hafa dia an’ny tenanao manokana ny fivoaranao ara-panahy. Andraikitrao izany. Ataovy izay tsara indrindra vitanao mba hivoarana isan’andro, hitandremana ny didin’ Andriamanitra sy hanajana ireo fanekempihavananao, ary hanampiana ny hafa hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

Jereo ny Môzià 4:29-30 (be loatra ny lalana mankany amin’ny fahotana, ka tsy maintsy mitandrina ny tenantsika isika); Helamàna 5:12 (aoreno eo amin’i Kristy ny fototrao); Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:57 (raiso ho mpitari-dalana anao ny Fanahy); 25:13 (fehezo amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fanekempihavanana ny tenanareo).

Ny fomba nandaminana ity boky torolalana ity

Ahitana fizarana telo ny lohahevitra tsirairay:

  1. Fahamarinana mandrakizay, na fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny

  2. Fanasana hanao asa mahakasika ireo fahamarinana ireo

  3. Ireo fitahiana nampanantenaina omen’ny Tompo an’ireo izay miaina araka ny fampianarany