Zatovo
1. Ho anao ny drafitr’ Andriamanitra


Mandeha eny an-tsaha i Kristy

1.

Ho anao ny drafitr’ Andriamanitra

Almà 22:13

Talohan’ny nahaterahanao dia niaina niaraka tamin’ireo Ray aman-dreninao any An-danitra ianao. Zanaka malalan’izy ireo ianao. Tany an-danitra ianao dia nianatra momba ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fianakaviany. Nandray izany drafitra izany tamim-pifaliana ianao satria hanampy anao hitombo sy hivoatra ho tonga tahaka an’ Andriamanitra kokoa izany amin’ny alalan’ny fandraisana vatana sy ny maha-anisan’ny fianakaviana eto an-tany, ary ny fiainana eto an-tany. Ho sarotra ny sasany amin’ireo zavatra niainana ireo. Fantatry ny Raintsika izany, ka tao anatin’ny drafiny no nanirahany Mpamonjy, Jesoa Kristy, mba hanampy anao. Antsointsika hoe ny drafitry ny famonjena na ny drafitry ny fahasambarana izany.

Fahamarinana mandrakizay

Ny Ray any An-danitra no mpanoratra ilay drafitra. Izy no Rain’ny fanahinao, ary tia anao Izy. Te hanome anao ny fitahiana lehibe indrindra avy Aminy Izy—dia ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tiany ho tonga tahaka Azy kokoa ianao ary hiaina ilay fiainana feno fifaliana sy be voninahitra izay iainany. Manana ny hery rehetra sy mahafantatra ny zava-drehetra Izy. Afaka matoky Azy ianao na dia sarotra aza ny fiainana.

I Jesoa Kristy no manao izay hahatanteraka ilay drafitra. Talohan’ny nahariana izao tontolo izao ny Ray any An-danitra dia nisafidy Azy mba ho Mpamonjy anao. I Jesoa Kristy no hany afaka mitondra anao hiverina any amin’ny Rainao any An-danitra. Izany no antony hisafidiantsika ny hanaraka Azy. Miankina amin’izany safidy ny zava-drehetra.

Tena ilaina amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Anisan’ny fianakavian’ Andriamanitra ianao, ary tonga teto an-tany amin’ny alalan’ny reny sy ny ray avokoa ireo zanany fanahy rehetra. Tian’ Andriamanitra hiara-hivoatra mankany amin’ny fahatanterahana mandrakizay ireo zanakavaviny sy ireo zanany lahy. Ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay dia samy mandray anjara mitovy ao anatin’ny fanambadiana feno fifankatiavana sy firaisana hina. Afaka mitondra fifaliana lehibe ny fiainam-pianakaviana eto an-tany—na dia amin’ny tsy fahatanterahana rehetra aza. Natao hanampy amin’ny fanomanana anao amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra izany.

Fanasana

Manàna fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Isaky ny miatrika fakam-panahy, fitsapana, fahadisoam-panantenana, na safidy sarotra ianao dia ampahatsiahivo ny tenanao ny drafitr’ Andriamanitra. Jereo ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana mandrakizay izay fantatrao momba ny drafiny manampy anao hijery ireo olanao amin’ny fomba hafa.

Katsaho ny fitarihan’ny tanan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao. Jereo ireo fomba hitahian’ Andriamanitra anao. Mety ho fihetsika feno hatsaram-panahy avy amin’ny olona iray izany, na fotoana feno fiadanana, na valim-bavaka.

Misafidiana ny hanaraka ny drafitr’ Andriamanitra. Fantaro ny zavatra tian’ny Rainao any An-danitra hataonao. Katsaho ny fitarihany rehefa mandalina ny soratra masina, ny tenin’ireo mpaminany velona, sy ny fanambarana ho an’ny fianakaviana, ary ny tsodranon’ny patriarika nomena anao ianao. Izany dia hanampy anao hiomana hanompo ny Tompo, amin’ny maha-misiônera sy mandritra ny androm-piainanao. Ataovy laharam-pahamehana ny asa fanompoana ho an’ny Tompo sy ny fanambadiana mandrakizay ary ny fanabeazana ny zanaka. Ataovy ny anjaranao mba hananana fianakaviana sambatra amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny fanarahana ny fampianaran’i Jesoa Kristy.

Mandeha eny an-tsaha maitso mavana i Jesoa Kristy miaraka amin’ny hazavana mamirapiratra eo aminy

Fitahiana nampanantenaina

Afaka miatrika ireo fitsapana eo amin’ny fiainana amin’ny herim-po sy fanantenana ao amin’i Kristy ianao. Noho ianao mahafantatra momba ny drafitra mandrakizain’ Andriamanitra dia manana fitaovana sarobidy ianao izay afaka manampy anao mandritra ny fotoan-tsarotra. Fantatrao fa ny fiainana dia mihoatra lavitra noho ny zavatra mitranga eo amin’ny fahaterahana sy ny fahafatesana. Fantatrao hoe iza marina ianao, inona no tanjonao, ary afaka ny ho tonga ho iza ianao miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy. I Jesoa Kristy no herinao!

Afaka mahazo ny fiainana mandrakizay ianao rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy. Hanome hery anao Izy mba ho tonga tahaka Azy bebe kokoa, sy hiverina any amin’ireo ray aman-dreninao any an-danitra, ary hiaina amim-pifaliana miaraka amin’ireo olon-tianao mandrakizay. Matokia an’i Jesoa Kristy.

Fanontaniana sy valiny

Nahoana ny fiainana no tena sarotra indraindray? Ahoana no ahafahako mahazo hery? Ny zavatra iainanao eto amin’ity fiainana ity, na dia ireo sarotra indrindra aza—dia afaka ny ho soa ho anao. Afaka manampy anao hitombo sy hivoatra izy ireo rehefa mitodika any amin’ny Mpamonjy ianao. Tsy misy zavatra iainanao izay tsy takatr’i Jesoa Kristy noho ny sorompanavotany. Fantany tsara ny fomba hanampiana anao. Ampifantohy Aminy ny fiainanao, ary hanandratra anao ho ambonin’ny ahiahy sy ny tahotra rehetra Izy.

Indraindray dia toa lavitra dia lavitra ilay hoe fahasambarana ao amin’ny fianakaviana sy ny fanambadiana. Ahoana no ahafahako mahazo fahatokian-tena? Na inona na inona toe-javatra misy anao dia aza milavo lefona amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Tsy hilavo lefona aminao Izy. Raha mahatoky amin’ny Mpamonjy sy ireo fanekempihavanana nataonao ianao dia hahita valiny ao amin’ireo fampianaran’i Jesoa Kristy. Takany ny zavatra rehetra iainanao. Amin’ny alalany dia hahazo hery hitandremana ny didin’ Andriamanitra ianao ary handray ireo fitahiana nampanantenainy. Matokia Azy sy ny filazantsarany.

Jereo ny 2 Nefia 9:13 (akory ny halehiben’ny drafitry ny Andriamanitsika!); Môzià 2:41 (ireo izay mitandrina ny didy dia afaka miaina miaraka amin’ Andriamanitra ao anatin’ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana); Almà 12:28–34 (Nanao ny drafitry ny fanavotana fantatry ny zanany Andriamanitra); Abrahama 3:22–26 (Tafiditra ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra ny nandefasana antsika ety an-tany, izay toerana ahafahantsika misafidy ho an’ny tenantsika mba hanaraka didiny).

Fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

  • Moa ve ianao manana finoana an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, sy ny Zanany, Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina ary manana fijoroana ho vavolombelona momba azy ireo?