Zatovo
6. Tiavo Andriamanitra, tiavo ny namanao


Ilay Samaritana tsara fanahy

6.

Tiavo Andriamanitra, tiavo ny namanao

Matio 22:37–40

Mba hanampiana anao hanao safidy tsara dia manome didy Andriamanitra. Manao izany Izy satria tiany ianao. Ary ny antony tsara indrindra hankatoavana ny didin’ Andriamanitra dia satria tia Azy ianao. Ny fitiavana no ampahany manan-danja indrindra ao amin’ireo didin’ Andriamanitra.

Fahamarinana mandrakizay

Tian’ Andriamanitra ianareo. Izy no Raintsika. Afaka mitaona anao hitia Azy ny fitiavany lavorary. Rehefa ny fitiavanao ny Ray any An-danitra no fitaomana manan-danja indrindra eo amin’ny fiainanao dia fanapahan-kevitra maro no lasa mora kokoa.

Ny Didy roa lehibe indrindra amin’ny didy rehetra dia ny mitia an’ Andriamanitra sy ny namanao. Ary iza no namanao? Ny olona rehetra! Ny zavatra hafa rehetra ampianarina ao amin’ny soratra masina sy ampianarin’ireo mpaminany dia mifandray amin’ireo didy roa ireo.

Rahalahinao sy rahavavinao daholo ny olona rehetra, tafiditra ao anatin’izany mazava ho azy ireo olona tsy mitovy aminao na tsy mitovy hevitra aminao. Tian’ny Ray any An-danitra hifankatia ireo zanany. Rehefa manompo ireo zanany ianao dia manompo Azy.

Fanasana

Asehoy ny fitiavanao an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny. Ohatra, rehefa mitandrina ny andro Sabata ho masina ianao, tafiditra ao anatin’izany ny fiomanana amim-pahatokiana amin’ny fanasan’ny Tompo sy ny fandraisana izany, dia maneho amin’ Andriamanitra ianao fa vonona ny hanokana andro iray isan-kerinandro ho Azy. Rehefa mifady hanina sy mandoa fahafolonkarena sy fanatitra ianao dia maneho amin’ Andriamanitra fa manan-danja kokoa aminao mihoatra ny zavatra ara-nofo ny asany. Rehefa mampiasa ny anaran’ Andriamanitra sy i Kristy amim-panajana lalina ianao, fa tsy manonononom-poana na milaza izany fahatany na oviana na oviana, dia mampiseho ianao fa feno fankasitrahana noho ny zavatra rehetra nataon’Izy Ireo ho anao.

Raiso ho toy ny zanak’ Andriamanitra ny olona rehetra. Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anao dia afaka ny ho ohatra ianao amin’ny fitondrana ny olona avy amin’ny firazanana sy ny finoana ary ny vondrona hafa rehetra amim-pitiavana, amim-panajana, indrindra fa ireo izay iharan’ny teny sy fihetsika mandratra indraindray. Tolory tanana ireo izay mety mahatsapa ho manirery, sy mitoka-monina, ary tsy afa-manoatra. Ampio izy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra amin’ny alalanao. Zarao amin’izy ireo ireo fitahiana nomeny anao, ary asao izy ireo hanaraka an’i Jesoa Kristy.

Alaivo antoka fa ahitana taratra ny fitiavanao an’ Andriamanitra sy ny hafa ny fiteninao, na mifanerasera mivantana ianao na amin’ny fomba virtoaly. Milazà zavatra izay mampahery, fa tsy zavatra mety hampizarazara, na mandratra, na manafintohina, na dia toy ny sangisangy aza. Afaka ny ho fitaomana lehibe ny teninao. Avelao izy ireny mba ho fitaomana lehibe amin’ny tsara.

Hanehoy fitiavana ny fianakavianao. Manomboka ao an-tokantrano ny fitiavana ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Ataovy ny anjaranao mba hahatonga ny tokantranonao ho toerana ahafahan’ny rehetra mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy.

I Jesoa Kristy (eo amin’ny farihin’i Betesda) manainga lamba iray izay ahitana lehilahy iray manana fahasembanana matory ao ambaniny.

Fitahiana nampanantenaina

Hihalalim-paka ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra rehefa maneho ny fitiavanao ianao amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didiny sy ny fitandremana ny fanekempihavanana nataonao Taminy.

Hihalalim-paka ny fifandraisanao amin’ny hafa rehefa maneho ny fitiavanao amin’ny alalan’ny fanompoana tahaka ny nataon’i Kristy ianao. Hahazo fifaliana ianao rehefa manao izay hahatonga izao tontolo izao ho toerana maha-te ho tia kokoa.

Fanontaniana sy valiny

Ahoana no ahafahako mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra? Eo foana ny fitiavan’ny Ray any An-danitra. Miresaha Aminy matetika amin’ny alalan’ny vavaka. Zarao Aminy ny fihetseham-ponao ary henoy tsara ireo fahatsapana avy Aminy. Vakio ny teniny ao amin’ny soratra masina. Saintsaino izay rehetra nataony ho anao. Ampiasao any amin’ireo toerana sy amin’ny zavatra atao izay hahatsapana ny Fanahiny ny fotoanao.

Miandry ahy hitia ny rehetra ve ny Tompo, na dia ireo izay manao ratsy ahy aza? Miandry anao hitia ny fahavalonao sy hivavaka ho an’ireo izay manao ratsy anao ny Tompo. Na izany aza dia tsy midika izany fa tokony hijanona ao anatina toe-javatra miteraka ratra ara-pihetseham-po, na ara-batana, na ara-panahy eo aminao ianao. Mametraha fepetra mahasoa mba hiarovanao ny tenanao. Raha ampijaliana ianao na hanaovana herisetra, na raha fantatrao fa mitranga amin’olona hafa izany, dia miresaha amina olon-dehibe iray azo itokisana.

Amin’ny fotoana manao ahoana ary amin’ny fomba ahoana no tokony hifankahafantarako amin’ireo lehilahy raha vehivavy aho na amin’ireo vehivavy raha lehilahy aho? Amin’ny alalan’ny finamanana marina no fomba tsara indrindra hamantarana ny hafa. Manorena finamanana tsara amin’ny olona maro mandritra ny fahatanoranao. Amin’ny kolontsaina sasany, ny zatovo dia mifankahafantatra amin’ireo lehilahy raha vehivavy na amin’ireo vehivavy raha lehilahy amin’ny alalan’ireo fiaraha-mientana mahasoa ataona vondrona. Ho an’ny fivoaranao ara-pihetseham-po sy ara-panahy ary ho fiarovana anao dia ahemory mandra-pahamatotra anao ireo fiaraha-mientana ataon’olon-droa irery, ary eo amin’ny faha-16 taona no tsara hanombohana izany. Mifampidiniha amin’ny fianakavianao sy ny mpitarika anao. Ahemory amin’ny fotoana maha-lehibe kokoa anao ny fiarahan’olon-droa mitokana. Miaraha amin’ireo izay manampy anao hitandrina ireo fanolorantenanao amin’i Jesoa Kristy.

Inona no azoko atao rehefa tsy toerana hahatsapana fitiavana ny tokantrano misy ahy? Mahafantatra ny toe-javatra iainanao ny Mpamonjinao ary tia anao Izy. Manàna faharetana, tohizo ny fitandremana ny didy, ary aoka ianao mba ho ohatra tsara ho an’ny fianakavianao. Ny fihetsika tsotra maneho fitiavana ataonao dia afaka mitondra fiovana lehibe. Afaka manorina fifandraisana ao anatin’ny fianakavianao ao amin’ny paroasy ihany koa ianao. Miomàna dieny izao mba hanorina ny fianakavianao ka ny fampianaran’i Jesoa Kristy no ho fototra iorenany. Tsarovy izao: I Jesoa Kristy no herinao!

Jereo ny Isaia 58:3–11 (ny tanjon’ny fifadiankanina); 58:13–14 (ireo fitahiana amin’ny fanajana ny andro Sabata); Malakia 3:8–10 (ireo fitahiana avy amin’ny fandoavana fahafolonkarena); Lioka 6:27–28 (tiavo ny fahavalonaro); 10:25–37 (iza no namako?); Jaona 3:16–17 (Tia antsika Andriamanitra ka nalefany ho antsika ny Zanany); 14:15 (mitandrina ny didiny isika satria tiantsika Andriamanitra); 1 Jaona 4:19 (tia an’ Andriamanitra isika satria tia antsika Izy); Môzià 2:17 (rehefa manompy ny hafa isika dia manompo an’ Andriamanitra).

Fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

  • Moa ve ianao manaraka ireo fampianaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fitondrantena asehonao amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao sy ireo olon-kafa rehefa tsy misy mahita na misy mahita?

  • Moa ve ianao mpandoa fahafolonkarena feno?