9.
Voatahy amin’ny alalan’ny fanalahidy sy fahefan’ny fisoronana ianao
Matio 16:18–19
Rehefa nampianatra an’i Petera momba ny fahefan’ny fisoronana i Jesoa dia niresaka momba ireo fanalahidy Izy. Ny fanalahidy dia ampiasaina mba hamahana sy hanokafana zavatra. Ireo fanalahidin’ny fisoronana dia afaka mamaha ny hery sy ny fanomezam-pahasoavana ary ireo fitahiana eo amin’ny fiainanao.
Fahamarinana mandrakizay
Tonga amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ireo fanalahidy sy fahefan’ny fisoronana rehetra. Afaka manoritra ny fahefany miverina mankany Aminy ny mpihazona ny fisoronana tsirairay. Ny Mpamonjy no mamaritra hoe iza no mandray izany fahefana izany ary mandray ireo fanalahidin’ny fisoronana. Matoky ny fahalalany tomombana isika.
Naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny fisoronany amin’izao androntsika izao. Mitarika ny fomba hampiasana ny fisoronana Izy. Nandray fanalahidin’ny fisoronana i Adama sy Mosesy sy Petera ary ireo mpaminany maro hafa nandritra ny tantara hatrizay. Amin’izao androntsika izao, i Joseph Smith dia nandray ireo fanalahidin’ny fisoronana avy tamin’i Jaona Mpanao Batisa, Petera, Mosesy, Elià, Elia, ary ny hafa. Mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra eto an-tany ankehitriny ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana ho an’ny antsony koa ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ireo filohan’ny kôlejy eo an-toerana. Mitantana ny asan’ Andriamanitra ireo fanalahidin’ny fisoronana. Manome lalana sy manome fahefana ny lehilahy sy ny vehivavy izy ireo mba hanampy amin’izany asa izany.
Mitahy ny zanak’ Andriamanitra rehetra ny fahefan’ny fisoronana. Satria naverina tamin’ny laoniny ny fisoronana dia afaka mandray ôrdônansy sy manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ianao. Afaka manao asa amin’ny anaran’ Andriamanitra ianao rehefa mandray andraikitra na antso avy amin’olona iray manana fahefana.
Fanasana
Ekeo ireo antso ao amin’ny Fiangonana ary manompoa amim-pahatokiana. Rehefa mandray antso ao amin’ny Fiangonana ianao dia natokana tamin’ny fahefana avy amin’ Andriamanitra mba hanompo ao anatin’izany anjara asa izany. Afaka mahazo fitarihana avy amin’ Andriamanitra ihany koa ianao ho an’ny fanompoana ataonao. Rehefa manompo ianao dia misolo tena an’i Jesoa Kristy. Omeo Azy izay tsara indrindra avy aminao.
Tohano ireo izay nantsoin’ Andriamanitra hanompo. Ny hoe manohana dia misy dikany mihoatra noho ny hoe manangana ny tananao fotsiny rehefa vakiana mandritra ny fivorian’ny Fiangonana ny anarana iray. Midika hoe manohana sy manampy izany. Mitadiava fomba hanehoana fa manohana ny olona nantsoin’i Jesoa Kristy hanompo ao amin’ny Fiangonany ianao.
Tanteraho ireo asa ampanaovina avy amin’ireo mpitarika anao ao amin’ny Fiangonana, tafiditra ao anatin’izany ny avy amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy misy anao. Manana fahefana avy amin’ Andriamanitra izy ireo, izay zarain’izy ireo aminao amin’izany asa ampanaovina izany. Mety ho voatendry hanompo olona iray ianao, na hiarahaba ny olona rehefa tonga manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo izy ireo, na hanampy amin’ny fiaraha-mientana iray. Na inona na inona asa ampanaovina dia raiso ho fahafahana ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy sy hanompo ireo zanak’ Andriamanitra izany.
Fitahiana nampanantenaina
Afaka matoky ianao fa ireo ôrdônansy raisinao dia nahazoana lalana avy amin’i Jesoa Kristy. Izany dia iray amin’ireo zavatra mampiavaka ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Miharihary amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana ny herin’ Andriamanitra.
Ho lasa fitaovana eo am-pelatanan’ny Tompo ianao. Rehefa manompo ny Tompo miaraka amin’ny fahefany sy eo ambany fitarihan’ireo mpanompony izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana ianao dia hanampy anao hahafantatra ny fomba hanompoana ny hafa amin’ny asany Izy. I Jesoa Kristy no herinao. Ny asa fanompoana ataonao dia hanampy anao hanakaiky kokoa Azy sy hitondra fifaliana ho anao.
Fanontaniana sy valiny
Iza ao amin’ny paroasiko no mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana? Mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana ny eveka sy ireo filohan’ny kôlejin’ny loholona sy mpampianatra ary diakona. Midika izany fa nomen’ny Tompo andraikitra izy ireo hitarika ny fomba hampiasana ny fisoronana mba hanompoana sy hitahiana ny olona rehetra ao amin’ny paroasy.
Ahoana no hitahian’ny fanalahidin’ny fisoronana ahy? Ireo ôrdônansy toy ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo dia omena lalana amin’ny alalan’ny fanalahidin’ny fisoronana. Rehefa mandray antso ao amin’ny Fiangonana ianao dia atokana eo ambany fitarihan’ny olona iray mihazona fanalahidy. Izany dia manome anao fahefana hanompo ao amin’izany antso izany. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ireo mpampianatra izay manompo anao koa dia nandray ny fahefan’ny fisoronana tamin’ny alalan’ny fanalahidy.
Ahoana no fomba hanompoan’ny lehilahy sy ny vehivavy miaraka amin’ny fahefan’ny fisoronana? Ireo lehilahy mendrika dia manana ny fisoronana izay nomena azy ireo ary tendrena ho amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana toy ny diakona, mpampianatra, mpisorona ary loholona. Ireo vehivavy sy lehilahy izay natokana hanompo amin’ny antso iray dia samy mandray ny fahefan’ny fisoronana nozaraina avy amin’ Andriamanitra mba hanatanteraka izany antso izany. Mitombina ihany koa izany ho an’ny vehivavy sy ny lehilahy izay mandray andraikitra avy amin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana.
Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:24–27 (ny Fiangonana dia tarihina amin’ny alalan’ireo fanalahidy izay nomen’ny Tompo); 107:18–20 (ireo fanalahidin’ny fisoronana Melkizedeka sy ny Fisoronana Aharôna); 110:11–16 (namerina tamin’ny laoniny ireo fanalahidy i Mosesy sy i Elia ary i Elia).
Fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly
-
Moa ve ianao manohana ny Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara, ary ho hany olona eto an-tany nahazo lalana hampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra?
-
Moa ve ianao manohana ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara?
-
Moa ve ianao manohana ireo Manampahefana Ambony hafa sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eto an-toerana?