Zatovo
11. Hanafaka anao ny fahamarinana


Zatovolahy iray tamin’ny fotoana fahiny mamaky teny avy amin’ny horonan-taratasy iray

Mivokisa amin’ny teny, nataon’i Liz Lemon Swindle. Sary nahazoana lalana avy tamin’ny Havenlight

11.

Mahatonga anao ho olon’afaka ny fahamarinana

Jaona 8:32

Andriamanitry ny fahamarinana ny Rainao any An-danitra. Mahalala ny zavatra rehetra Izy. Avy Aminy ary mitondra mankany Aminy ny fahamarinana rehetra. Ianao dia maneho fa manome lanja ny fahamarinana rehefa mikatsaka ny hianatra, sy hiaina amim-pahitsiana, ary hiaro amin-kerim-po izay fantatrao fa mety, na dia tsapanao aza fa ianao irery no manao izany.

Fahamarinana mandrakizay

Tian’ny Ray any An-danitra hianatra foana ireo zanakavaviny sy zanakalahiny. Manana antony ara-batana sy ara-panahy ianao ny hikatsaka sy hitia fianarana. Ny fandrantoana fianarana dia tsy natao hitadiavam-bola fotsiny ihany. Ampahany amin’ny tanjonao mandrakizay mba ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra kokoa izany.

Ny hoe miaina amim-pahitsiana dia midika hoe tia ny fahamarinana eo imason’ Andriamanitra ianao, mihoatra noho ny fitiavanao ny fiadanam-piainanao manokana, ny lazanao, na izay zavatra mety aminao. Ny dikan’izany dia hoe manao ny marina satria marina tsotra izao ilay izy.

Manana zavatra sarobidy hozaraina ianao. Ahitana ny valin’ireo fanontaniana mahakasika ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Izany no lalana mankany amin’ny fiadanana sy ny fahasambarana. Mety tsy mahafantatra ny zava-drehetra ianao, kanefa betsaka ny zavatra fantatrao mba hitiavana ny namanao sy hizarana fitsipika marina amin’izy ireo, ary hanasana azy ireo hianatra misimisy kokoa.

Fanasana

Mianara mandrakariva. Mitadiava fahafahana hampivelarana ny sainao sy hampitomboana ny fahaiza-manao anananao. Mety ho tafiditra ao anatin’ireo fahafahana ireo ny fianarana ara-dalàna any an-tsekoly na ny fiofanana arak’asa sy ny fianarana ataon’ny tena manokana avy amin’ireo loharanom-pahalalana atokisanao. Ampandraiso anjara amin’ny ezaka ataonao ny Tompo dia hitarika anao Izy.

Mianara fahamarinana ara-panahy. Rehefa mianatra momba ny tontolo manodidina anao ianao dia mianara ihany koa momba ny Mpamonjy izay nahary izao tontolo izao. Halalino ny fiainany sy ny fampianarany. Ampidiro ao anatin’ny fianarana ataonao mandritra ny fiainana ny seminera sy ny institiota ary ny fandalinana ny filazantsara ataon’ny tena manokana. Afaka manomana anao hanao asa fitoriana sy hizara ny filazantsara mandritra ny fiainanao izany.

Fiainana amim-pahitsiana no iaino. Aza mangalatra, na mandainga, na mametsifetsy, na mamitaka na amin’ny fomba ahoana na ahoana, any an-tsekoly, any am-piasana, na an-jotra, na aiza na aiza. Aoka ianao mba ho mpanaradia mahatoky an’i Jesoa Kristy hatrany na eny imasom-bahoaka na any amin’ny toerana mitokana.

olona mandohalika eo anatrehan’i Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty

Fitahiana nampanantenaina

Mampitombo ny fahaizanao manompo ny Tompo ny fandrantoana fianarana, anisan’izany ny maha-misiônera. Manome hery anao hitahy ny hafa izany, indrindra fa ny fianakavianao. Arakaraka ny ianaranao no ahafahanao manampy amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra sy mitaona izao tontolo izao amin’ny tsara.

Mitondra fiadanana sy fanajana tena ny fahamarinan-toetra. Rehefa mifanaraka amin’ny fahamarinana ny teninao sy ny asa ataonao dia mampiseho ianao fa azon’ny olona hafa sy ny Tompo itokisana ianao.

Rehefa miaro ny fampianaran’i Jesoa Kristy ianao dia manohana anao amin’izany Izy. I Jesoa Kristy no herinao! Mety tsy hitovy hevitra amin’ny zavatra inoanao ny hafa, kanefa ho tsikaritr’izy ireo ny herim-po sy ny hitsim-ponao. Na manaraka ny ohatra asehonao ny hafa na tsia dia hitombo ny fijoroana ho vavolombelona anananao sy ny fahatokian-tenanao ary ny finoanao an’i Kristy.

Fanontaniana sy valiny

Diso ve aho raha mametra-panontaniana mikasika ny Fiangonana? Ahoana no ahafahako mahazo valiny? Tsy mariky ny fahalemena na tsy fananana finoana ny fananana fanontaniana. Raha ny marina dia afaka manampy amin’ny fampiorenana finoana ny fametrahana fanontaniana. Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara dia nanomboka rehefa nametraka fanontaniana tamim-pinoana i Joseph Smith izay 14 taona. Mitadiava valiny ao amin’ny soratra masina, ao amin’ny tenin’ireo mpaminanin’ Andriamanitra, avy amin’ireo mpitarika anao sy ny olona mahatoky ao amin’ny fianakavianao, ary avy amin’ Andriamanitra mihitsy. Raha tsy mahazo valiny avy hatrany ianao dia matokia fa hianatra fitsipika anampy fitsipika ianao. Tohizo hatrany ny fampiharana ny zavatra efa fantatrao, ary manohiza mikatsaka ny fahamarinana.

Ahoana no ahafahako miaro ny marina kanefa tsy manafintohina ireo izay mino zavatra hafa? Atombohy amin’ny fakana antoka fa entanin’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ireo zanany ny teny ampiasainao sy ny asa ataonao. Tsy tokony hatao ao anatin’ny fanahin’ny fifandirana ny fizarana ny filazantsara fa amin’ny fomba madio sy amin’ny halemem-panahy ary ny hatsaram-panahy. Afaka manam-pitiavana ny hafa ianao na dia tsy mitovy hevitra amin’izy ireo aza. Aoka ianao ho ohatra tsara amin’ny fanarahan-dia an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fomba fiainanao.

Jereo ny Matio 5:14–16 (aoka hamiratra ny fahazavanareo); Jaona 14:6 (Jesoa no fahamarinana); 1 Petera 3:15 (manàna fahavononana mandrakariva ny hizara ny fanantenanao ao amin’i Kristy); Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77–80 (ireo zavatra tian’ny Tompo ianarantsika); 88:118 (katsahonareo ao amin’ny boky tsara indrindra ny teny fahendrena); 93:36 (ny voninahitr’ Andriamanitra dia ny faharanitan-tsaina); 124:15 (ny fahitsiana dia midika hoe tia ny marina); 130:18 (hiara-hitsangana amintsika ny faharanitan-tsaintsika rehefa mitsangana amin’ny maty isika).

Fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

  • Moa ve ianao miezaka ny ho marin-toetra amin’ny zavatra rehetra ataonao?

  • Moa ve ianao manohana na mampiely fampianarana, na fomba fanao, na fotopampianarana izay mifanohitra amin’ireo izay hita ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?