4.
Hanampy anao Jesoa Kristy
Salamo 147:3
I Jesoa Kristy no herinao. Efa nataony ny zavatra rehetra ilaina mba hahazoanao fifaliana eto amin’ity fiainana ity sy mandrakizay. Raha misafidy Azy sy ny filazantsarany ianao dia misafidy fahasambarana sy fifaliana mandrakizay.
Na dia miezaka manao izay tsara indrindra vitanao aza ianao mba hanao safidy tsara, dia hanao fahadisoana ianao indraindray. Hanao zavatra izay tsy nirinao hatao ianao. Toy izany avokoa ny rehetra. Rehefa mitranga izany dia lasa mora kivy sy manontany tena ianao raha toa ka mbola hahavita zavatra tsara ihany. Kanefa misy vaovao tsara ity, vaovao mahatalanjona sy mifono fanantenana! Nalefany teto an-tany i Jesoa Kristy Zanakalahiny, noho ny fitiavan’ Andriamanitra anao, izay nitondra teo Aminy ny fahotanao mba hahafahanao mibebaka sy ho voavela heloka ary manohy mivoatra.
Fahamarinana mandrakizay
Hampatanjaka anao i Jesoa Kristy. Afaka manampy anao Izy hanova ny fanirianao sy ny eritreritrao, ary ny asa ataonao. Rehefa miahiahy ianao, na matahotra, na sahirana na amin’ny fomba ahoana na ahoana, dia hampionona anao Izy. Hanampy anao eo amin’ny lafim-piainanao rehetra Izy. Afaka matoky Azy ianao.
Tsy famaizana noho ny fahotana ny fibebahana. Io no fomba hanafahan’ny Mpamonjy antsika amin’ny fahotana. Ny mibebaka dia midika hoe miova, miala amin’ny fahotana dia mitodika amin’ Andriamanitra. Midika hoe mihatsara sy mandray famelan-keloka izany. Tsy zava-mitranga indray mandeha io karazana fiovana io. Dingana arahina mitohy hatrany izany.
Fanasana
Ataovy mifantoka amin’i Jesoa Kristy ny fiainanao. Katsaho ny fanampiany amin’ny zavatra rehetra ataonao.
Mibebaha. Mitodiha amin’ny Tompo omban’ny faniriana te hivoatra. Raha nanao ny tsy mety ianao dia ekeo amin’ny fo madio eo anatrehan’ Andriamanitra izany, ary raha ilaina, dia amin’ny evekanao sy amin’izay olona mety ho voaratranao. Ataovy izay fara-herinao hanitsiana izay tsy nety.
Mifalia amin’ilay fanomezam-pahasoavana ahafahana manao zavatra tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa. Na dia sarotra sy ela kokoa noho izay irinao aza izany, dia aza mitsahatra miezaka. Tohizo ny ezaka sy ny fahatokiana ny Tompo. Hanampy anao amin’ny dingana rehetra ataonao Izy.
Fitahiana nampanantenaina
Hamela heloka anao sy hanasitrana anao ny Ray any An-danitra rehefa mibebaka ianao. Hanolo ny fahatsapanao ho meloka amin’ny fiadanana sy fifaliana Izy. Tsy hotsaroany intsony ny fahotanao. I Jesoa Kristy no herinao, ary amin’ny heriny no hitomboan’ny fanirianao hitandrina ny didiny.
Hanova ny fonao sy ny fiainanao Izy. Hivoatra sy ho lasa hitovy Aminy tsikelikely ianao.
Fanontaniana sy valiny
Ahoana no hahalalako fa efa namela ahy Andriamanitra? Mampanantena Andriamanitra fa hamela ireo izay mibebaka Izy. Rehefa mahatsapa fampiononana avy amin’ny Fanahy ianao dia afaka mahafantatra fa miasa eo amin’ny fiainanao ny hery manavotry ny Mpamonjy.
Rahoviana aho no mila ny fanampian’ny eveka mba hibebaka? Mihazona fanalahidin’ny fisoronana ary manana ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy hanampiana anao hibebaka ny evekanao. Afaka mikatsaka ny fanampiany sy ny toroheviny amin’ny fotoana rehetra ianao. Raha nanao fahadisoana goavana ianao, toy ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, dia mandehana mihaona amin’ny evekanao. Tsy hanameloka anao izy. Misolo tena an’i Jesoa Kristy izy ary hanampy anao hahafantatra ny fomba hibebahana tanteraka sy handraisana ny fanasitranana sy ny hery mampatanjaky ny Mpamonjy.
Miezaka mibebaka aho, saingy mbola mamerina manao ireo fahadisoako hatrany. Inona no tokony hataoko? Aza milavo lefona. Mitodiha any amin’i Kristy, ary apetraho Aminy ny finoanao Azy. Ampy ny fahasoavany. Miezaha indray. Tsy irery velively ianao amin’ny ezaka ataonao mba hivoatra. Miaraka aminao mandrakariva i Jesoa Kristy.
Jereo ny Enôsa 1:6 (ho fafana ny hadisoana); Môzià 4:3 (ampahafantarin’ Andriamanitra anao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina hoe voavela ianao); 26:30 (mamela antsika foana ny Mpamonjy isaky ny mibebaka isika); Etera 12:27 (ny fahasoavan’ny Mpamonjy no mahatonga ny zavatra malemy ho matanjaka); Môrônia 6:8 (ireo izay mibebaka dia voavela); 10:32 (aoka ho tanteraka ao amin’i Kristy); Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:32 (mamela ireo izay mibebaka ny Tompo); 58:42–43 (ao anatin’ny fibebahana ny fibabohana sy ny famoizana ny fahotana).
Fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly
-
Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra anao Azy?
-
Moa ve misy fahotana goavana eo amin’ny fiainanao izay tokony hovahana miaraka amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, izay tafiditra ao anatin’ny fibebahana ataonao?