7.
Ahafahantsika mahazo ny fitahian’ Andriamanitra ireo ôrdônansy sy ireo fanekempihavanana.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20
Maniry ny hampianatra sy hitahy anao ny Rainao any An-danitra. Ny fomba iray anatanterahany izany dia amin’ny alalan’ny ôrdônansy toy ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana ary ny fanasan’ny Tompo. Amin’ny alalan’ireo ôrdônansy tahaka ireo dia manao fanekempihavanana, na fampanantenana amin’ Andriamanitra isika. Ny fitandremana ireo fanekempihavanana dia mampitombo ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ary manampy anao hiomana amin’ny fiainana mandrakizay. Izany no antony mahatonga ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ho sarobidy amintsika—satria manamafy orina ny fifandraisantsika amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjintsika izy ireo ary manampy antsika ho tonga tahaka Azy Ireo bebe kokoa.
Fahamarinana mandrakizay
Ireo ôrdônansy dia manondro anao any amin’i Jesoa Kristy. Ny ôrdônansy dia fombafomba masina izay ahitana heviny ara-tandindona izay mampianatra momba an’i Jesoa Kristy. Ny fanasan’ny Tompo ohatra dia tsy mofo sy rano fotsiny ihany. Mampahatsiahy antsika ny Mpamonjy izany.
Ny fanekempihavanana dia mariky ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fahatokiany ary ny zavatra andrasany. Mitondra ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra any amin’ny ambaratonga lalina izy ireo. Ny fanaovana fanekempihavanana dia mampiseho fa tia an’ Andriamanitra ianao ary manolo-tena Aminy. Afaka matoky Azy ianao, ary afaka matoky anao Izy. Miaraka amin’izany fanoloran-tena lalina kokoa izany dia afaka mahazo bebe kokoa ny heriny sy ny fanampiany rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana nataonao ianao.
Manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ianao rehefa atao batisa sy raisina ho mpikamban’ny fiangonana ary mandray ny fanasan’ny Tompo. Rehefa atao batisa ianao dia mampanantena ny hitondra eo aminao ny anaran’i Jesoa Kristy, hanompo Azy, ary hitandrina ny didiny mandritra ny androm-piainanao. Mandritra ny fanasan’ny Tompo dia mampanantena ihany koa ianao fa hahatsiaro Azy mandrakariva. Ireo ilay fampanantenana. Rehefa vonona ny hitandrina azy ireo ianao dia mampanantena Andriamanitra fa hanome anao ny Fanahy Masina ho namana tsy misaraka aminao.
Fanasana
Raiso ho toy ny fanomezana masina ny fanasan’ny Tompo. Asehoy ny fanolorantenanao amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fiomanana amin’ny traikefa masina mandritra ny fanasan’ny Tompo. Saintsaino ny zavatra azonao atao mba hanasongadinana ara-panahy io ôrdônansy io amin’ny herinandronao.
Tadiavo ao amin’ireo ôrdônansy ny Mpamonjy. Rehefa mijery na mandray anjara amin’ny ôrdônansy iray ianao dia manontania tena hoe: “Inona no ianarako avy amin’izany momba an’i Jesoa Kristy?” na “Ahoana no hitondran’izany ahy hanakaiky Azy kokoa?” Ifantohy ny zavatra ampianarin’ny Fanahy anao.
Avelao hitarika ny asa ataonao ny fanekempihavananao. Rehefa manana safidy ny hanao izany ianao dia tsarovy ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra. Aoka ianao tsy hivadika aminy. Manontania tena hoe: Mifanaraka amin’ny fanekempihavanako ve izany? Ohatra, moa ve aho tia sy manompo ny hafa, sy mampionona ireo olona izay mila fampiononana, ary mijoro ho vavolombelon’i Kristy—amin’ny toerana sy fotoana rehetra?
Fitahiana nampanantenaina
Afaka manana hery handresena ny fakam-panahy sy ny fahotana ary ireo fitsapana eo amin’ny fiainana ianao. Ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana dia manome anao fahafahana hahazo ny herin’ Andriamanitra. Afaka miatrika zavatra amim-pahatokiana ianao miaraka amin’izany hery izany. I Jesoa Kristy no herinao!
Afaka ny ho madio sy ho voavela heloka ianao. Anisan’ny fampanantenana nataon’ Andriamanitra taminao tamin’ny fitandremanao ny fanekempihavanan’ny batisanao ny famelana ny fahotanao. Midika izany fa rehefa mibebaka sy mitandrina ny fampanantenana nataonao tamin’ Andriamanitra ianao dia hamela ny helokao izy ary hanampy anao hivoatra.
Afaka ny hanana ny Fanahy miaraka aminao mandrakariva ianao. Ny fampanantenana iray hafa mifandray amin’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo dia ny fananana tsy tapaka ny Fanahiny sy ny fanompoan’ny anjely. Tsy tokony hiaina ireo fanambin’ny fiainana irery velively ianao. Tsy hamoy ny zanaky ny fanekempihavanany velively Andriamanitra—afaka miantehitra amin’izany ianao.
Afaka mahazo ny fanohanan’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra ianao. Ao anatina fiarahamonin’ny vahoakan’ny fanekempihavanana ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy ianao. Mifampahery sy mifankahery ianareo. Miara-mitomany ianareo ary miara-mifaly. Mifampitondra ny enta-mavesatra inareo. Eto ny fianakavianao, ny evekanao, ny mpitarika, ary ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana mba hanampy anao, ary afaka manampy azy ireo ianao.
Fanontaniana sy valiny
Afaka ny ho mpanara-dia tsara an’i Jesoa Kristy ve aho raha tsy misy ôrdônansy sy fanekempihavanana? Maro ireo olona tsara izay manaraka an’i Jesoa Kristy amin-kitsimpo, na dia tsy mbola natao batisa na tany amin’ny tempoly aza izy ireo. Na izany aza dia tian’ny Ray any An-danitra ny zanany rehetra handray ireo ôrdônansiny sy hanao fanekempihavanana Aminy mba hahafahan’izy ireo mahazo bebe kokoa ny fanampiany sy ny famindram-pony ary ny tanjany. Izany no iray amin’ireo antony lehibe namerenan’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny Fiangonany! Ny zanak’ Andriamanitra tsirairay dia hanana fahafahana—eto amin’ity fiainana ity na any amin’ny fiainana ho avy—mba hanaiky ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana takiana amin’ny fiainana mandrakizay.
Tsy nahatoky foana tamin’ireo fanekempihavanako aho. Misy fanantenana ho ahy ve? Eny! Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia filazantsaran’ny fanantenana sy ny fiandohana vaovao. Izany no antony handraisantsika ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro. Fantatry ny Ray any An-danitra fa hanao fahadisoana isika ary mila fanombohana vaovao. Nanolotra ny ainy ny Mpamonjy mba hanomezana anao lalana hiverenana. Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy mibebaka ianao dia afaka mahazo indray ny herin’ Andriamanitra.
Jereo ny 1 Korintiana 11:23–26 (ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia maneho fa mino an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany isika); Môzià 18:10, 13 (ny fanekempihavanan’ny batisa); Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13 (ny Fisoronana Aharôna dia ahitana ny fanalahidin’ny fibebahana sy ny batisa ary ny fanompoan’ny anjely); 20:37 (ireo zavatra takiana ho an’ny batisa); 20:77, 79 (vavaka amin’ny fanasan’ny tompo).
Fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly
-
Moa ve ianao miezaka ny mitandrina ny andro Sabata ho masina any an-tokantrano sy any am-piangonana, manatrika ireo fivorianao, miomana amin’ny fanasan’ny Tompo sy mandray izany amim-pahamendrehana, ary miaina fiainana izay mifanaraka amin’ireo lalàna sy ireo didin’ny filazantsara?