Zatovo
10. Masina ny vatanao


ray sy reny ary zazakely iray

Fianakaviana mijery mankany amin’ny fahazavana, nataon’i Lovetta Reyes Cairo. Sary nahazoana lalana avy tamin’ny Havenlight

10.

Masina ny vatanao

1 Korintiana 6:18–20

Fanomezana mahatalanjona avy amin’ny Rainao any An-danitra ny vatanao. Manome hery bebe kokoa anao hampihatra ny fahalalahanao hisafidy ny tsara na ny ratsy ny fananana vatana. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia afaka manampy anao hahatakatra ny vatanao amin’ny fomba fijerin’ Andriamanitra. Ary izany dia mitondra fiovana lehibe eo amin’ny safidinao mikasika ny zavatra tokony hataonao amin’ny vatanao sy ny fomba hikolokoloana azy.

Fahamarinana mandrakizay

Tahaka ny endrik’ Andriamanitra ny vatanao—Ilay Olona be voninahitra sy lehibe indrindra eto amin’izao tontolo rehetra izao. Mampitaha ny vatantsika amin’ny tempoly masina, izay toerana ahafahan’ny Fanahy mitoetra ny soratra masina. Marina tokoa fa tsy tonga lafatra ny vatanao amin’izao fotoana izao. Fa ny zavatra iainanao amin’ny vatanao dia afaka manampy anao hiomana handray vatana tonga lafatra sy nitsangana tamin’ny maty ary be voninahitra indray andro any.

Ny vatanao sy ny fanahinao no mandrafitra ny maha-olona anao. Noho io antony io dia mifandray akaiky ny fahasalaman’ny vatana sy ny fahasalaman’ny fanahy. Nanambara ny Tenin’ny Fahendrena ny Mpamonjy mba hampianarana ireo fitsipika mikasika ny fikarakarana ny vatanao, sy hampanantenana fitahiana ara-batana sy ara-panahy.

Ampahany manan-danja amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fahatsapana te hanao firaisana ara-nofo mba hanorenana fanambadiana sambatra sy fianakaviana mandrakizay. Tsy fahotana ireo fahatsapana ireo, fa masina kosa izy ireny. Koa satria masina tokoa sy mahatontosa zavatra lehibe tokoa ny fahatsapana te hanao firaisana ara-nofo, dia nanome anao ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantenany Andriamanitra mba hanomanana anao hampiasa ireo fahatsapana ireo araka ny fikasany. Ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia milaza fa Andriamanitra dia tsy manome fankatoavana ny hanaovana firaisana ara-nofo raha tsy eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray vita fanambadiana ihany. Olona maro no tsy miraharaha na maneso mihitsy aza ny lalàn’ Andriamanitra, kanefa ny Tompo dia manasa antsika ho lasa mpianany sy hiaina fenitra ambony kokoa.

Fanasana

Hajao ny vatanao sy ny an’ny hafa. Rehefa mandray fanapahan-kevitra mikasika ny fomba fitafinao sy ny endriky ny volonao ary ny endrikao ivelany ianao dia manontania tena hoe: “Manaja ny vatako ho toy ny fanomezana masina avy amin’ Andriamanitra ve aho?” Tian’ny Ray any An-danitra ny hifampitondrantsika amin’ny maha-tena isika antsika marina: tsy vatana nofo fotsiny ihany fa zanany malalany manana anjara mandrakizay. Ialao ny fomba fihaingo izay manamafy na manintona eritreritra tsy mendrika mahakasika ny vatanao fa tsy mampifantoka kosa amin’ny maha-ianao anao amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra manana hoavy mandrakizay anao. Aoka mba ho ny fahadiovana ara-pitondrantena sy ny fitiavana an’ Andriamanitra no hitarika ny safidinao. Mikatsaha torohevitra avy amin’ny fianakavianao.

Manaova zavatra izay hampatanjaka ny vatanao, fa tsy zavatra handratra na hanimba izany. Ankafizo amim-pankasitrahana ireo zavatra tsara maro nomen’ Andriamanitra. Tadidio fa tsy natao ho an’ny vatanao na ny fanahinao ny toaka, ny sigara sy paraky, ny kafe, ny dite, ary ireo zava-mahadomelina sy akora hafa manimba. Na ireo akora mahasoa, toy ny fanafody nahazoana taratasy avy amin’ny mpitsabo aza dia mety hanimba raha tsy ampiasaina araka ny tokony ho izy.

Hazony ho masina ny firaisana ara-nofo sy ny fahatsapana te hanao firaisana ara-nofo. Tsy tokony hatao resaka sangisangy na fialam-boly izany. Ivelan’ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, dia tsy azo atao ny mikasika ny faritra saro-pady sy masina eo amin’ny vatan’olona hafa iray na dia misy fitafiana aza. Rehefa misafidy ny zavatra tokony hataonao ianao, na jerenao, na vakinao, na henoinao, na eritreretinao, na avoakanao, na alefanao amin’ny alalan’ny hafatra, dia sorohy izay zavatra mety ho iniana atao mba hampifoha fientanam-po feno fitsiriritana ao amin’ny hafa na ny tenanao. Tafiditra ao anatin’izany ny pôrnôgrafia amin’ny endriny rehetra. Raha hitanao fa mampahazo vahana kokoa ny fakam-panahy ireo toe-javatra iainana na zavatra atao dia ialao izany. Fantatrao hoe inona ireo toe-javatra iainana sy zavatra atao ireo. Ary raha tsy fantatrao tsara hoe inona izany dia afaka manampy anao ny Fanahy sy ny fianakavianao ary ireo mpitarika anao. Asehoy an’ny Rainao any An-danitra fa manome voninahitra sy manaja ilay hery masina hamoronana aina ianao.

I Jesoa Kristy mieritreritra sy miantehitra amin’ny mpiara-miasa aminy

Fitahiana nampanantenaina

Hitombo ny fanajanao ny tenanao sy ny hafa rehefa manaja ny vatanao ianao amin’ny alalan’ny fitondrantenanao, ny endrikao ivelany ary ny fitafinao.

Ny Tompo dia nampanantena rakitsoa lehiben’ny fahalalana ho an’ireo izay mitandrina ny Tenin’ny Fahendrena. Ny vatana salama tsy manana fiankinan-doha dia mampitombo ihany koa ny fahafahanao handray fanambarana ho an’ny tena manokana, hieritreritra mazava tsara, ary hanompo ny Tompo.

Mitondra ny fankatoavan’ Andriamanitra sy mitondra hery ara-panahy ho an’ny tena manokana ny fanajana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Miaro anao sy ny fianakavianao ho avy izany. Rehefa manambady ianao dia hitondra fitiavana sy fitokisana ary firaisan-kina lehibe kokoa ao amin’ny fanambadianao io lalàna io. Ny fankatoavana io lalàna io dia hahatonga anao ho afaka ny hivoatra mandrakizay sy ho lasa tahaka ny Rainao any An-danitra kokoa. Hitombo ny fahatokian-tenanao rehefa mitondra tena amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anao ianao.

Fanontaniana sy valiny

Inona no fenitry ny Tompo mahakasika ny fomba fitafy, ny fikolokoloana ny bika aman’endrika, ny tombokavatsa, ary ny tevika? Ny fenitry ny Tompo dia ny hanajanao ny fahamasinan’ny vatanao, na dia midika aza izany hoe tsy maintsy miavaka amin’ny olona hafa ianao. Avelao io fahamarinana io sy ny Fanahy mba ho mpitarika anao rehefa mandray fanapahan-kevitra ianao, indrindra fa ireo fanapahan-kevitra izay misy fiantraikany maharitra eo amin’ny vatanao. Aoka ianao mba ho hendry sy mahatoky, ary mikatsaha torohevitra avy amin’ny fianakavianao sy ireo mpitarika anao.

Ahoana no ahafahako mandresy ny fakam-panahy sy ny fahazaran-dratsy? Manana ny hery hanampiana anao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Fenoy zavatra manasa ny herin’Izy ireo eo amin’ny fiainanao ny fiainanao, toy ny vavaka, ny fandalinana soratra masina, ary ny fanompoana ny hafa. Mitodiha amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany dia ho hitanao fa afaka ny ho lasa tanjaka ny fahalemena. Mikatsaha fanampiana avy amin’ny fianakavianao sy mpitarika anao ary ireo mpanoro hevitra matihanina raha ilaina. Afaka manampy anao hifehy ny fiainanao indray izany. Mety hitaky fotoana betsaka izany ka noho izany dia manàna faharetana, ary aza milavo lefona mihitsy.

Lehilahy na vehivavy tahaka ny tenako no mahasarika ahy. Ahoana no iantefan’ireo fenitra ireo amiko? Tsy fahotana ny fahatsapana fifanintonana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy. Raha manana ireo fahatsapana ireo ianao kanefa tsy manatanteraka izany filàna izany, dia miaina ny lalàna masin’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny Ray any An-danitra ianao izay. Zanaka malalan’ Andriamanitra ianao ary mpianatr’i Jesoa Kristy. Tadidio fa ny Mpamonjy dia mahalala ny zavatra rehetra iainanao. Amin’ny alalan’ny fifandraisanao Aminy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana dia hahazo hery ianao mba hankatoavana ny didin’ Andriamanitra sy handraisana ireo fitahiana nampanantenainy. Matokia Azy sy ny filazantsarany.

Niharan’ny herisetra aho ary mahatsapa ho menatra. Meloka ve aho fa nanota? Tsia. Raha niharan’ny herisetra na hetraketraka ianao dia tsy meloka noho ny fahotana. Tia anao ny Mpamonjy. Izy no herinao. Te hanampy anao Izy, hanasitrana anao, ary hanome fiadanana anao. Afaka manampy anao ihany koa ireo mpanoro hevitra matihanina azo antoka, ny olona ao amin’ny fianakavianao, ary ireo mpitarika anao.

Jereo ny Genesisy 1:27 (araka ny endrik’ Andriamanitra isika); Jaona 14:18 (mampanantena fampiononana ny Mpamonjy); Filipiana 4:7 (mihoatra ny fahatakarana ny fiadanan’ Andriamanitra); Môzià 2:41 (ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra dia voatahy ara-nofo sy ara-panahy); Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:15 (ny fanahy sy ny vatana no atao hoe olona); 89 (ny Tenin’ny Fahendrena); 121:45 (mitondra mankany amin’ny fahatokian-tena mihamahery ny fahadiovan-tsaina).

Fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

  • Niteny ny Tompo fa ny zavatra rehetra dia tokony “hatao amin’ny fahadiovana” eo anatrehany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:41). Moa ve ianao miezaka ny hanana fahadiovan-tsaina amam-panahy ao anatin’ny eritreritrao sy eo amin’ny fitondrantenanao?

  • Moa ve ianao manaja ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

  • Moa ve ianao mahatakatra sy manaja ny Tenin’ny Fahendrena?