Zatovo
8. Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly dia manome fahafahana bebe kokoa anao hahazo ireo fitahian’ Andriamanitra


I Jesoa mipetraka sy mampianatra ireo mpanara-dia Azy

8.

Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly dia manome fahafahana bebe kokoa anao hahazo ireo fitahian’ Andriamanitra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:8

Ny sasany amin’ireo fitahian’ny Ray any An-danitra dia tena masina tokoa ka nandidy antsika Izy mba hanokana toerana masina izay ahafahantsika mandray azy ireny, dia ny tempoly izany. Ao amin’ny tempoly, ny tranon’ny Tompo, dia afaka mandray ireo ôrdônansiny ambony indrindra ianao, dia ny fanafiana masina sy ny famehezana, ary handray ireo fampanantenany lehibe kokoa.

Fahamarinana mandrakizay

Ny fanafiana masina dia fanomezana fahalalana sy hery. Amin’ireo ôrdônansin’ny fanafiana masina any amin’ny tempoly dia mitondra feno kokoa ny anaran’ny Mpamonjy eo aminao ianao. Manao fanekempihavanana ianao ny hankatò an’ Andriamanitra, hahafoy tena hanao ny sitrapony, hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, hankatò ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, ary hanokana ny fiainanao sy izay rehetra nomen’ Andriamanitra anao ho an’ny Fiangonany. Ireo no fampanantenana ataonao. Mampanantena Andriamanitra fa hanome anao fahalalana sy fiarovana ary fahafahana bebe kokoa hahazo ny heriny. Mampanantena ihany koa Izy fa hanome anao ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy. Ao anatin’ny fanafiana masina dia mandray tombontsoa masina ianao amin’ny fanaovana ny garmentan’ny fisoronana masina. Ny garmenta dia tandindon’i Jesoa Kristy sy fampahatsiahivana ireo fanekempihavanan’ny tempoly.

Mampiray ny mpivady sy ny fianakaviana ho mandrakizay ny famehezana any amin’ny tempoly. Amin’ny ôrdônansin’ny famehezana any amin’ny tempoly dia hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy aminareo samy ianareo ianao sy ny vadinao. Hampanantena ianareo fa ho mahatoky tanteraka amin’ Andriamanitra sy aminareo samy ianareo, hifankatia sy hifanompo ary hiara-hiasa mba hitandrina ny lalàn’ Andriamanitra. Io no fampanantenana ataonao. Mampanantena Andriamanitra fa afaka haharitra mandrakizay ny fifandraisanao amin’ny vadinao sy ny zanakao. Mampanantena ihany koa Izy fa afaka mahazo ny voninahitra ambony indrindra miaraka Aminy ao amin’ny fanjakana selestialy ianao rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana nataonao. Antsoina hoe fisandratana io fitahiana io.

Fanasana

Mihazòna fahazoan-dalana hidirana ny tempoly mandrakariva. Manaova fihaonana amin’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà mba hahazoana izany. Hametraka fanontaniana aminao izy mikasika ny fomba iainanao ireo fitsipiky ny Tompo ho an’ny fidirana ao amin’ny tranony masina. Avereno jerena matetika ireo fanontaniana ireo. (Afaka mahita azy ireo ao amin’ny tovana ao amin’ity torolalana ity ianao.) Na dia mipetraka lavitra ny tempoly aza ianao dia aoka ny fahazoan-dalanao ho tandindon’ny fitiavanao ny Tompo sy ny fanoloran-tenanao hiaina ireo fenitra napetrany.

Mandehana any amin’ny tempoly faran’izay matetika vitanao. Miaraka amin’ny fahazoan-dalanao hidirana ny tempoly dia afaka miditra ny tranon’ny Tompo ianao ary atao batisa sy raisina ho mpikambana ho an’ireo razambenao, mba hahafahan’izy ireo mandray ireo fitahiana nomena anao. Araraoty ny fahafahana rehetra ho ao amin’ny tempoly. Karohy ao amin’ny tranony ny Tompo. Tadiavo ao amin’ireo ôrdônansy sy ireo tandindona ary ny Fanahy izay tsapanao Izy. Dia hahazo finoana ianao.

Miomàna hanao fanekempihavanana ao amin’ny Tranon’ny Tompo. Ny iray amin’ireo fomba tsara indrindra hanaovana izany dia ny fitandremana ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa. Ataovy ho iray amin’ireo tanjona mitarika anao ny handray ireo ôrdônansin’ny tempoly sy ho lasa mpitandrina fanekempihavanana mandritra ny androm-piainana. Atombohy dieny izao ny fiainana ireo lalàna izay hampanantenainao hankatoavina any amin’ny tempoly, dia ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra, ny fahafoizan-tena, ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ny fahadiovam-pitondrantena, ary ny fanokanana. Afaka manampy anao ny fianakavianao sy ny evekanao ary ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana.

Tempolin’i Tegucigalpa Honduras

Fitahiana nampanantenaina

Afaka ny hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy ianao. Hanampy anao ho lasa mpanara-dia lehibe kokoa ny fahamarinana Izy. Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly dia hampianatra anao ny fomba hidirana eo anatrehan’ Andriamanitra sy hahazoana ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy.

Ho tafiana ny herin’ Andriamanitra ianao. Ireo fanekempihavanan’ny tempoly dia tonga miaraka amin’ny fampanantenana fa ny hery sy ny voninahitr’ Andriamanitra dia ho eo aminao. Hiambina anao ny anjeliny.

Ny fotoana any amin’ny tempoly dia hampifandray anao akaiky kokoa amin’i Jesoa Kristy sy ny Fanahy Masina. Hahatsapa ny fiadanana sy ny fitsaharan’ Andriamanitra ianao. Handre ny feony amin’ny fahazavana lehibe kokoa ianao. Hisokatra aminao ny lanitra ary hahatakatra kokoa ny lalany ianao. Hanana hery lehibe kokoa ianao hiatrehana ireo fanamby hatrehanao satria mifandray amin’ny Azy ny fonao.

Fanontaniana sy valiny

Rahoviana aho no afaka mandray ny fanafiana masina? Ny fanapahan-kevitra handray ny fanafiana masina dia an’ny tena manokana; mandraisa izany fanapahan-kevitra izany ombam-bavaka. Mifampidiniha amin’ny fianakavianao sy ireo mpitarika anao ao amin’ny Fiangonana. Mba handraisana ny fanafiana masina dia mila feno 18 taona ianao farafahakeliny ary tsy any amin’ny lisea na any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa. Hahazo fanafiana masina ianao alohan’ny hanaovanao asa fitoriana na hofehezina, saingy tsy voatery hiandry ny iray amin’ireo fotoana ireo ianao alohan’ny handraisana ny fanafiana masina. Mila faniriana sy fiomanana fotsiny ianao hanao sy hitandrina fanekempihavanana fanampiny amin’ny Rainao any An-danitra. Afaka manampy anao hahafantatra izany ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao raha toa ka vonona ianao. Aza raisina ho toy ny asa atao tsy maintsy marihana hoe vita ho an’ny mandrakizay ny fanafiana masina. Raiso ho ampahany mahafinaritra sy be voninahitra amin’ny dianao mandrakizay mba hanatonana an’i Kristy sy handraisana ireo fitahiana ara-panahy lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra izany.

Nahoana aho no mila fahazoan-dalana hidirana ny tempoly mba hidirana any amin’ny tempoly? Tranon’ny Tompo ny tempoly ary nametraka ireo fenitra amin’ny fidirana ao amin’izany Izy. Tena masina tokoa ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly ka mitaky fiomanana ara-panahy manokana izy ireo. Ny tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly dia natao mba hahazoana antoka fa vonona ara-panahy amin’ireo tombontsoa ambony kokoa avy amin’ireo fanekempihavanan’ny tempoly ianao. Manasa ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra mba hiomana hanao fampanantenana Aminy ao amin’ny tranony masina.

Mila tanteraka ve aho vao manao ireo fanekempihavanan’ny tempoly? Tsy misy olona tanteraka. Mangataka anao mba ho marin-toetra sy vonona ny hitandrina ny didiny Andriamanitra. Ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra no manome hery anao ho ho tonga tanteraka amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Izy no herinao!

Jereo ny Isaia 2:2–3 (Mampianatra antsika ny lalany any amin’ny tempoly Andriamanitra); Matio 11:28–30 (ento eo aminao ny ziogan’ny Mpamonjy); 1 Nefia 14:14 (eo amin’ny vahoakan’ny fanekempihavanany ny herin’ Andriamanitra); Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:15–16 (Ao an-tranony ny fanatrehan’ Andriamanitra sy ny voninahiny); 109:22 (voatafy hy herin’ Andriamanitra isika ao amin’ny tempoly); 131:1–4; 132:4–6, 15–20 (mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, ny lehilahy sy ny vehivavy iray dia tsy maintsy fehezina ho mandrakizay amin’ny alalan’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana); Abrahama 1:2 (Naniry ny ho mpanara-dia lehibe kokoa ny fahamarinana i Abrahama ka nahazo fahalalana lehibe kokoa).

Fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

  • Moa ve ianao mihevitra ny tenanao ho mendrika ny hiditra ny tranon’ny Tompo sy handray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly?