Fivoriana alahady tolakandro
“Indro, Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony”
Sombin-dahatsoratra
Tsy hoe tsy eo akory ny Mpamonjy mandritra ny fiainantsika eto an-tany. … Manohana antsika hatrany hatrany Izy, amin’ny fitiavana madio sy ny famindram-po, rehefa miatrika ireo zavatra tsy ampoizina sy ireo olana eo amin’ny fiainana isika. …
Mibaribary izany fitiavana izany rehefa mifanohana isika eo am-panaovana ny asany.
Mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia manohana ny mpaminanintsika velona, ny Fiadidiana Voalohany, ny Manampahefana Ambony, ary ireo Mpiandraikitra Ambony ato amin’ny Fiangonana isika. Ny hoe manohana dia midika hoe manampy olona hafa, mampifantoka amin’izy ireo ny saintsika, mahatoky amin’ny fitokisan’izy ireo, manatanteraka ny tenin’izy ireo. Miteny amin’ny alalan’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo izy ireo, mahatakatra ireo olana misy ankehitriny, ny fitotonganan’ny safidim-pitondrantena eo amin’ny fiarahamonina ary ny ezaka tsy mitsaha-mitombo ataon’ny fahavalo mba hanakanana ny fahatanterahan’ny drafitry ny Ray. Rehefa manangana ny tanantsika isika, dia manolotra ny fanampiantsika, tsy amin’io fotoana io ihany fa mandritra ny fiainantsika andavanandro. …
… Aingantsika ambony ny fahazavan’ny Tompo rehefa mifikitra mafy amin’ny fanekempihavanantsika sy rehefa manohana ny mpaminanintsika velona isika rehefa milaza ny tenin’ Andriamanitra izy. …
Asa masina ny manohanany mpaminany. Tsy mipetraka fotsiny isika dia mangina fa miaro azy amim-pahavitrihana, manaraka ny toroheviny, mampianatra ny teniny, ary mivavaka ho azy. …
Ry rahalahy sy anabavy, mila manolotra fanampiana misimisy kokoa isika fa tsy mimonomonona, fanohanana misimisy kokoa ny tenin’ny Tompo, ny fombany, ary ny mpaminaniny. …
… Rehefa manohana ny mpaminanintsika isika dia mijoro ho vavolombelona fa izy dia nantsoin’ny Mpamonjintsika, izay “fahazava[n’] … izao tontolo izao.”