2024
Ry zatovo manana fizokiana ambony
Nôvambra 2024


Fivoriana alahady maraina

Ry zatovo manana fizokiana ambony

Sombin-dahatsoratra

petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Fizokiana! … Teny mahalasa saina izany. Fa inona anefa no dikan’izany? …

… Miresaka momba ny lova raisinareo amin’ny maha-mpiara-mandova amin’i Kristy isika noho ny fifandraisana ara-panekempihavanana nosafidianareo hatao Taminy sy tamin’ny Rainareo any An-danitra. …

Eritrereto anie! Amin’ireo olona rehetra eto an-tany, dia ianareo, zanaky ny fanekempihavanana, ireo mpikambana ao amin’ny ekipany, no atokisan’ Andriamanitra mba hanampy amin’ny asany hitondra ny zanany rehetra hody soa aman-tsara any Aminy. …

… Manana anjara amin’ny fitahian’ny fizokiana ianao. Fifandraisana ombam-pitokiana ny fifandraisana ara-panekempihavanana nataonareo tamin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy izay ahafahanareo mahazo betsaka kokoa amin’ny fahasoavan’ Izy Ireo, dia ny fanampiana masina sy ny fanomezana tanjaka ary ny fanomezana hery hahavitan-javatra avy amin’ Izy Ireo. Izany hery izany dia tsy finoanoam-poana fotsiny, na resaka vintana, na faminaniana ho tanteraka ho azy . Tena misy ilay izy.

Tsy irery na oviana na oviana ianareo rehefa manatanteraka ny andraikitrareo noho ny fizokiana anananareo. … Miara-miasa akaiky amin’i Jesoa Kristy ianareo. Isaky ny manao fanekempihavanana vaovao, sy rehefa mihalalina ny fifandraisanareo Aminy, dia mifamikitra ianareo mandra-pifamihinanareo mafy. Ao anatin’izany tandindona masin’ny fahasoavany izany dia ho azonao ny faniriana sy ny tanjaka hiaina tahaka izay niainan’ny Mpamonjy mihitsy—tsy mitovy amin’ny an’izao tontolo izao. Ho vitanao izany satria manohana anao i Jesoa Kristy! …

… Aza avela hanova anao izao tontolo izao satria ny hanova izao tontolo izao no antony nahaterahanao.