Fivoriana alahady maraina
Fikatsahana valim-panontaniana ara-panahy
Sombin-dahatsoratra
Ampahany voajanahary sy mandeha ho azy amin’ny fiainana etỳ an-tany ny mametraka fanontaniana sy mitady ny dikany. … Feno famindram-po amin’ireo fahalemen’olombelona ny drafitr’ Andriamanitra; nanome antsika an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika mba ho Mpiandry Tsara ho antsika; ary mitaona antsika hampiasa ny fahafahantsika misafidy mba hisafidianana Azy. …
Ny fomba hanomezan’ Andriamanitra Ray sy ny Zanany fahendrena antsika dia ny manao ho lohalaharana ny fanasana ny herin’ny Fanahy Masina mba ho mpampianatra antsika manokana, rehefa i Jesoa Kristy no ataontsika fototra eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’ny fikatsahantsika amim-pahatokiana ireo valiny avy amin’ Izy Ireo sy ny hevitra tian’ Izy Ireo ampitaina. …
… Niteny tamintsika ny Tompo fa afaka mahazo fahalalana sy faharanitan-tsaina isika amin’ny alalan’ny fankatoavantsika sy ny fahazotoantsika. Tsy natao ho sakana eo amin’ny fiainantsika ireo lalàna sy didin’ Andriamanitra fa natao kosa ho varavarana mahery vaika misokatra mankany amin’ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana sy fanabeazana ara-panahy. …
… Sambatra isika manana an’i Jesoa Kristy ho Mpanasitrana Lehibe. Ny fankatoavantsika ireo lalàna sy didin’ Andriamanitra dia afaka manokatra ny lalana mba hanomezan’ny Mpamonjy ny fahatakarana sy fahasitranana izay fantany fa ilaintsika, araka ny drafitra napetrany hitsaboana antsika.
Ry namako malala, mijoro ho vavolombelona aho fa ireo fanontaniana avy amin’ny fontsika momba ny filazantsara dia afaka manome fahafahana ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hanampy antsika hitombo. … Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fametrahana ny fitokisana amin’ny Ray any An-danitra sy amin’ireo mpaminaniny izay nalefany dia hanampy anao hisondrotra ara-panahy sy hanosika anao handroso mankany amin’ny faritra midadasik’ Andriamanitra.