Fivoriana sabotsy tolakandro
Tonga soa ato amin’ny Fiangonan’ny fifaliana
Sombin-dahatsoratra
Noho ilay drafitra feno fitiavan’ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany tsirairay, ary noho ilay fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana manavotra nataony, dia afaka, ary tokony mihitsy aza, ho vahoaka feno fifaliana indrindra eto an-tany isika! …
… Ary tsy misy toerana hahitana soritra kokoa ny fifaliantsika amin’ny maha-vahoaka antsika noho ny fotoana hiangonantsika isaky ny Sabata mandritra ireo fivoriana fanasan’ny Tompo mba hitsaoka ilay Loharanon’ny fifaliana rehetra! …
Fanehoana fanajana feno fifaliana? “Misy ve ny toy izany?”, hoy ianao manontany. Eny, izay mihitsy! Tiantsika ary omentsika laza sy haja lalina tokoa ny Andriamanitsika, ary ny fanehoantsika fanajana dia mikoriana avy amin’ny fanahy iray izay mifaly ao amin’ny fitiavan’i Kristy sy ny famindram-pony ary ny famonjeny lehibe! …
Raha miangona isika ho fahatsiarovana ny Mpamonjy sy ny fanavotana nataony ho azo sitrahana, dia tokony maneho ny taratry ny fifaliantsika sy ny fankasitrahantsika ny endritsika! …
… Voarakitra ao amin’ny soratra masina fa “ny hiran’ny marina dia vavaka ho an’ [Andriamanitra]” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:12] ary finaritra amin’izany ny Fanahiny. Koa ‘ndao ary hihira! Sy hidera Azy!
Mampifantoka ireo lahateny sy fijoroana ho vavolombelona amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ireo vonkazo avy amin’ny fiainana feno fanetrentenan’ny filazantsaran’ Izy Ireo isika, voany izay “mamy manoatra noho ny rehetra izay mamy” [Almà 32:42]. …
… Na mandrotsaka ranomason’alahelo isika na ranomasom-pankasitrahana mandritra ny fanasan’ny Tompo, aoka izany ho amin’ny hagagana feno fitalanjonana ho an’ilay vaovao mahafalin’ny fanomezan’ny Ray ny Zanany! …
… Fanasana mba handray ny fanomezan’ny fiadanana sy fahazavana ary fifaliana avy amin’ny Mpamonjy ity, mba hankamamy izany, hitolagaga ny amin’izany, ary hifaly ny amin’izany isaky ny Sabata. …
Tonga soa ato amin’ny Fiangonan’ny fifaliana!