Fivoriana Alahady maraina
“Izaho no Izy”
Sombin-dahatsoratra
Tao anatin’ny tantara dia maro no nanatsotsotra, ary nanamaivana mihitsy aza ny fomba fahitantsika an’i [Jesoa Kristy] sy ny tenivavolombelony momba ny hoe Iza moa Izy. Nahenan’izy ireo ny lanjan’ny toetrany feno fahamarinana mba ho lasa fitandroana soatoavina fotsiny ihany, ny fametrahany ny rariny ho lasa fahatezerana fotsiny ihany, ny famindrampony ho lasa famelana hanao izay tiana fotsiny ihany. Tsy tokony tsy ho meloka isika raha hanome Azy endrika notsotsorina toy izany, izay tsy iraharahiana tsotra izao ireo fampianarana hitantsika hoe manahirana antsika. Efa nitombina foana izany “fanatsotsorana” izany, eny fa na dia mahakasika ilay toetrany tsara indrindra faratampony aza, dia ny fitiavany izany.
Nampianatra i Jesoa Kristy nandritra ny asa nanirahana Azy tetỳ an-tany fa misy didy roa lehibe. … “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao [ary] tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” Raha hanaraka ny Mpamonjy amim-pahatokiana isika amin’ireo didy roa lehibe sy mifandray ireo, dia mila manaraka tsara ny zavatra tenanolazainy. Ary ny tena nolazainy dia hoe, “Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.” Tamin’iny takariva iny ihany dia nilaza Izy ny mba “hifankatiava[ntsika] tahaka ny nitiava[ny] [antsika].” …
… Ahoana no fomba nitiavan’i Jesoa?
Voalohany, nitia tamin’ny “fo, ny hery, ny saina, ary ny tanja[ny] rehetra [Izy]”, izay nanome Azy fahafahana hanasitrana ireo fanaintainana lalina indrindra ary hilaza fahamarinana mahery vaika. …
Ny toetra faharoa an’ny fiantrana masin’i Jesoa dia ny fankatoavany ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra, sady mampifanaraka mandrakariva ny sitrapony sy ny fitondrantenany amin’ny an’ny Rainy any An-danitra. …
… Rehefa mijoro eo anoloany isika ary mahita ireo ratra eo amin’ny tanany sy tongony, dia hanomboka hahatakatra isika hoe midika inona Aminy izany hoe mitondra ny fahotantsika ary zatra fahoriana, sy mankatò tanteraka ny sitrapon’ny Rainy izany; izany rehetra izany dia noho ny fitiavany madio ho antsika.