Fivoriana alahady maraina
Tsotra ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy
Sombin-dahatsoratra
Ny tenin’ Andriamanitra dia ilay fotopampianarana nampianaran’i Jesoa Kristy sy ny mpaminaniny. …
… Io fotopampianarana io dia hoe ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, ny fibebahana, ny batisa sy ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ny faharetana hatramin’ny farany dia mitahy ny zanak’ Andriamanitra rehetra.
Rehefa mampianatra ireo fitsipika ireo amin’ireo olona ankamamiantsika isika dia hanampy antsika hahafantatra ny marina ny Fanahy Masina. Noho isika mila ireo bitsiky ny Fanahy Masina dia tsy maintsy sorohintsika ny fanaovana tombantombana na ny fanehoana ny fahatakarantsika manokana izay mihoatra lavitra ny fampianarana ny fotopampianarana marina.
… Iray amin’ireo fomba tena azo antoka indrindra hisorohana ny fanakaikezana ny fotopampianarana diso ny misafidy ny ho tsotra ao amin’ny fampianarantsika. …
Ny fampianarana amin’ny fomba tsotra dia mamela antsika hizara mialoha ny fotopampianarana ho an’ny famonjena, raha iny mbola tsy voakasik’ireo fakam-panahin’ilay mpamitaka izay hatrehin’izy ireo iny ny ankizy; aloha lavitra ilay fotoana izay hahatonga ireo fahamarinana ilain’izy ireo hianarana ho tototry ny fandrebireben’ny tambajotran-tserasera sy ireo namana mitovy taona aminy ary ireo tolona atrehany manokana. …
Rehefa manao izay tsara indrindra vitantsika isika hampianarana ireo olona tiantsika momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mety tsy hiraika ny olona sasany. Mety hanomboka hisalasala ianao. … Tohero ireo fisalasalana ireo. Mangataha fanampiana amin’ Andriamanitra. …
… Ho lasa mazoto sy mahari-po ianao. Avy eo ianao dia afaka ny hahafantatra fa nanao ny zava-drehetra azonao natao ianao mba hanampiana ireo olona akaikin’ny fonao sy ireo izay nentinao am-bavaka mba hiatrika ny fiezahan’i Satana hamily lalana azy ireo.