Fivoriana alahady tolakandro
Kolokoloy ireo faka dia hitombo ireo rantsana
Sombin-dahatsoratra
Iray amin’ireo zavatra manan-danja indrindra azontsika ianarana eto amin’ity fiainana ity ny maha-samy hafa ny zavatra maharitra mandrakizay sy tsy maharitra mandrakizay. …
… Ny sasany amin’ireo fahamarinana dia fototra sy tena ilaina ary fakan’ny finoantsika. Ny hafa kosa dia fanampiny fotsiny na rantsana—Tsy sarobidy raha tsy mifandray amin’ireo singa fototra. …
Raha lazaina amin’ny teny hafa, i Jesoa Kristy sy ny sorompanavotana nataony no fakan’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Ny zavatra hafa rehetra dia rantsana avokoa. …
Raha ny fikolokoloana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy no resahina dia manontany tena aho raha toa ka tsy afangarontsika amin’ireo faka ireo rantsana. …
Tokony mametra-panontaniana amin’ny tenantsika isika hoe: Moa ve mifototra amin’ny zavatra antenaiko fa hitranga eo amin’ny fiainako ny fijoroana ho vavolombelona ananako? Moa ve miankina amin’ny ataon’ny hafa sy ny toetran’izy ireo izany? Sa miorina mafy eo amin’i Jesoa Kristy, “mamaka tsara sy miorina mafy ao Aminy,” [Kolosiana 2:7] na inona na inona toe-javatra miovaova eo amin’ny fiainana? …
Tsy tokony hanantena ny hahatakatra ny zava-drehetra isika alohan’ny hanaovantsika zavatra. Tsy finoana velively izany. … Raha toa isika miandry ka tsy mihetsika mandrapahatongan’ny fotoana hamaliana ireo fanontaniana rehetra ananantsika dia tena mametra ny zava-tsoa azontsika tanterahina isika ary mametra ny herin’ny finoana. …
Miaritra ireo fitsapana sy ireo ahiahin’ny fiainana ny finoana satria miorina mafy eo amin’i Kristy sy ny fotopampianarany izany. I Jesoa Kristy miaraka amin’ny Raintsika any an-danitra izay naniraka Azy, no tanjona tsy miovaova sy azo antoka tanteraka iorenan’ny fitokisantsika. …
Ny vavaka sy tsodrano amin-kitsim-po ataoko dia ny mba hikolokoloantsika tsy tapaka ny fakan’ny finoantsika ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany ary ny Fiangonany.